Voaroaka ny mpivarotra amoron-dàlana - Madagascar

Transcrição

Voaroaka ny mpivarotra amoron-dàlana - Madagascar
Voaroaka ny mpivarotra amoron-dàlana
Extrait du Madagascar-Tribune.com
https://www.madagascar-tribune.com/Voaroaka-ny-mpivarotra-amoron,5081.html
Soarano
Voaroaka ny mpivarotra
amoron-dàlana
- Malagasy -
Date de mise en ligne : jeudi 28 février 2008
Madagascar-Tribune.com
Copyright © Madagascar-Tribune.com
Page 1/2
Voaroaka ny mpivarotra amoron-dàlana
Miparitaka manerana ny renivohitra indray ireo mpivarotra amoron-dalana amin'izao fotoana izao. Manomboka
manala azy ireny ny kaominina, araka ny efa nampiomanany. Mbola tsy mivantana ny fanesorana fa mandeha
tsikelikely. Ny etsy Soarano no voaendaka voalohany. Kitihina indray mantsy ireo tranom-barotra fivarotan'ny sinoa
taloha, ilay miankina amin'ny EPP Soarano. Maro ny mpivarotra teo amin'ny antoandro, izay saika akanjo mihaja sy
kojakoja madinidinika no betsaka. Amin'ny hariva, manomboka amin'ny 5 ora kosa, dia an'ny mpivarotra irery ny
lalana. Tonga indray eo ny « friperie » sy ireo entana sinoa isankarazany. Nanomboka omaly dia manamboatra io
trano fivarotana io ny kaominina. Teo no nanomboka ny varotra mandehandeha ka tsikaritra tokoa fa olona miady
amin'ny fiainana izy ireny. Ao no bevohoka sy mareforefo, nefa dia mifanenjika amin'ny mpiasan'ny kaominina.
Raha hiverenana ny tantaran'ity trano eo Soarano ity, dia niantohan'ny sinoa ny nanamboarana azy. Nisy ny
fifanarahana tamin'ny FRAM ao amin'ny EPP Soarano, nahafahany nanavao ny trano. Afaka volana vitsy dia
nalain'ny kaominina ny trano ka tapaka teo koa ny fifanarahana. Hihitatra tsikelikely amin'ireo amoron-dàlan'i
Behorirka ny fanadiovana arak'izao fandehany izao.
Rahoviana kosa ny eny Anosibe ? Tompon'ny lalana marain-tsy hariva ny mpivarotra, efa taona vitsivitsy izay. Ny
karazan'entana rehetra no hita eny. Ao ny lamba tonta, ny sakafo, ny finday amoron-dalana, ny
kojakojan-tokan-trano ary ireo entana efa niasa.
Copyright © Madagascar-Tribune.com
Page 2/2

Documentos relacionados

Présentation PowerPoint

Présentation PowerPoint herinandro faha-12 nitondrana vohoka.

Leia mais

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny fifanekena, miantoka ny fanomezana fahafaham-po ny fitakiana nataon’izy ireo. Ireo radio sy televiziona ao amin’ny renivohitra malagasy dia niditra lalina tamin’ny famakafakana io vaovao io tamin’n...

Leia mais

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny fampihavanana na kosa amin’ireo izay mandrangitra fikorontanana ny mpanao gazety, ka amin’ny alalan’ny fomba fiteniny sy ny fomba fiasany no amaritana izany. Ity tatitra ity ihany koa dia manampy a...

Leia mais

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny fahatapahan-jiro. Mifanohitra amin’ izay nefa no hita, fa vao mainka matetika izany no maharitra kokoa, nanomboka ny 15 oktobra. Ary fanampin’izany, tapaka koa ny rano. Vokatr’izany, dia nanomboka ...

Leia mais

VIDANZA MADIO

VIDANZA MADIO fitantanana ny diky, satria dia voazava ato avokoa ireo fepetra lehibe takiana mba hamehezana ireo dingana rehetra ilaina amin’ny fanaovana vidanza, ny fiantraikany ara-pahasalamana, ary ireo loza ...

Leia mais

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny Arak’izany, i Lalatiana Rakotondrazafy dia nanambara fa ny fandresena vonjimaika azon’i Lalao Ravalomanana ho mpitarika ny tanànan’Antananarivo dia « efa voaoman’ » ny CENI-T, raha nanaiky ny famp...

Leia mais

Hampakatra saran-dalana - Madagascar

Hampakatra saran-dalana - Madagascar Hampakatra saran-dalana ? Extrait du Madagascar-Tribune.com https://www.madagascar-tribune.com/Hampakatra-saran-dalana,4171.html

Leia mais

Olona 15 tototry ny trano, vehivavy iray afa-jaza

Olona 15 tototry ny trano, vehivavy iray afa-jaza 5 taona, antsoina hoe Safidy Nantenaina. Tsy afa-nitsangana mihitsy moa izy mianaka ireo satria voatototry ny « béton » tamin'ilay trano. Ankoatr'izay dia nisy vehivavy bevohoka iray afa-jaza tsy f...

Leia mais