Litorjia_04_05_14 - FJKM Tranovato AMBATONAKANGA

Transcrição

Litorjia_04_05_14 - FJKM Tranovato AMBATONAKANGA
ISIKA MIANAKAVY VOLANA APRILY
RAKITRA SY ADIDY SAMIHAFA
27/04
Rakitra
Voalohany
Adidy, adidy ivelany, Vokatra
Fihaonambe spia
Ambohimanjaka
Mariazy
FITAMBARANA
243.630
329.400
618.200
419.900
70.000
1.681.130
Rakitra II : 220.450 Ariary
Rakitra tsangambato :229.920 Ariary
MOFON’AINA
“Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona
fa ny teny rehetra izay aloaky ny
vavan’Andriamanitra.” (Mat.4:4)

Daty
04/05
05/05
06/05
07/05
08/05
09/05
10/05
11/05
12/05
13/05
14/05
15/05
16/05
17/05
18/05
19/05
20/05
21/05
22/05
23/05
24/05
25/05
26/05
27/05
28/05
29/05
30/05
31/05
04 MEY 2014 – 31 MEY 2014
Teny hovakìna
Deo.8: 7-20; Lio.6: 32-36; 1 Jao.3: 13-17
Fil.3: 1-11
Lio.6: 32-36
Rom.13: 8-14
I Jao.3: 13-17
Efe.4: 31-32
Lev.25: 35-38
Eks.1: 8-21; Mar.10: 35-45; Jak.5: 1-6
Jao.15: 11-16
Eks.1: 8-21
Tit.1: 5-9
Jak.5: 1-6
Lio.16: 18-31
Gen.13: 5-9
Hag.1: 1-15; Mat.18: 21-35; Heb. 13: 1-6
I Kor.13: 4-13
Mat.18: 21-35
Lev.19: 9-13
Heb.13: 1-6
Mar;6: 35-38
II Sam.12: 1-15a
Neh.5: 1-13; Lio.15: 25-32; 1 Tim.6: 3-10
Neh.5: 1-13
Lio.15: 25-32
I Mpa.2: 6-14
Fil.2: 5-11
II Mpa.2: 6-14
Jao.3: 5-15
“Vakionareo ny Soratra Masina ...”
BATISA :
13/04: ny zaza RANDRIANABO Miotiniaina
Tissyh (zanak’i Atoa Randrianabo Maholiniaina
F sy Rtoa Rakotonanahary Tolotra)
20/04: ny zaza RAVELOSON Kacy Mihasoa
(zanak’i Atoa Raveloson Fy sy Rtoa
Ranatanasoa Hanitra)
20/04: ny zaza Rakotojoelimaria Ethan (zanak’i
Atoa Tiana Arivelo sy Rtoa HERY HAJA A.
Harisoanirainy)
20/04: ny zaza RAKOTOMALALA Anjaratiana,
RAHARIMALALA
Antsatiana
Joela,
RAKOTOMALALA Manjakatiana Stéphane
(zanak’i Atoa Rakotomalala Hajatiana sy Rtoa
Ramangatahiananiaina Joelle)
Ny Tompo hanafy hery anareo ray
amandreny hahatanterahanareo ny
fanekena izay nataonareo, ary hitombo fitia
eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona
anie ny zaza!
FANAMBADIANA
19/04: Atoa RAKOTOARIVONY Naly sy Rtoa
ANDRIAMANDROSO Antsa Miarisoa
26/04: Atoa RANARISON Samuel sy Rtoa
ANDRIAMPENOMANANA Tina
Ho tokantrano hanjakan’ny Fitiavana sy ny
Fahasoavan’Andriamanitra anie ny
tokantranonareo!
FAHORIANA
12/04: Itpkl ANDRIANARIVONY Martin Lala
(hoy ny vadiny Andrianarivony Faralalao, sy ny
zanany)
Maneho etoana ny fiaraha-miory sy ny
fankaherezana ny fianakaviana tsirairay ny
Fiangonana manontolo!
TENY FIAINANA Ohabolana 19: 8
«Izay mihary fahendrena no tia ny tenany, Ary izay mitandrina
fahalalana
hahita soa.»
Fandraharahana :  22 222 75 // Mpitandrina : 22 240 50 – 032 07 611 15 // 033 02 240 50
www.fjkmtranovatoambatonakanga.mg
Isan’ny natonta 1.200 ex
FFIIIAAANNNG
G
O
N
A
N
E
S
O
A
O
G
A
S
K
A
R
A
GO
ON
NA
AN
N’’III JJE
ES
SO
OA
AK
KRRRIIISSSTTTYYY EEETTTO
OM
MAAADDDAAAG
GA
AS
SIIIK
KA
AR
RA
A
TTRRRAAANNNO
O
V
A
T
O
M
B
A
T
O
N
A
K
A
N
G
A
OV
VA
AT
TO
OA
AM
MB
BA
AT
TO
ON
NA
AK
KA
AN
NG
GA
A
TAKELA-PIFANDRAISANA
avoakan’ny Vaomieran’nyFifandraisana sy Asa sosialy
ALAHADY , faha- 04 Mey 2014
“NY FANANTENANA NO NAMONJENA NY MINO”
“MAMONJY AMIN’NY FITIAVAN-TENA NY TOMPO”
« Ary izay rehetra manam-pananana amin'izao fiainana izao,
ary mahita ny fahantran'ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no
itoeran'ny fitiavana an'Andriamanitra ao anatiny? » (1 Jao. 3,17)
Ny lohahevitra banjintsika amin’ity volana Mey 2014 ity dia hoe: “Mamonjy
amin’ny fitiavana-tena ny Tompo”. Noho ny amin’izany indrindra no tsy hahafahana
mangìna. Tsy maintsy mitodika amintsika Fiangonana manontolo: ny Komitin’ny
Fandraisana ny Fivoriambe, ny Biraon’ny Fiangonana sy ny Biraon’ny
Fikambanan’ny Loholona sy ny Diakona, ny Lohona sy ny Diakona rehetra, ny
Biraon’ny Sampana sy ny mpikambana rehetra ao aminy, ny Biraon’ny Rantsana sy
ny mpikambana rehetra ao aminy, ny Komity sy ny Vaomiera ary ny Fikambanana
isan-tsokajiny, ny isan-tokantrano sy ny vahoaka kristiana tsivakivolo.
Niainantsika sy notanterahantsika izany baikon’ny Tompo amin’ny tsy fitiavantena izany, ka samy nikely aina sy nifofotra isika rehetra mba hahalavorary sy
hahatomobana ny Fandraisana ny Fivoriamben’ny Synodamparitany. Nomba antsika
tamin’izay rehetra nataontsika ny Tompo, ka dia tsy nitsanga-menatra teo
anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana isika.
Niarahaba antsika ny FJKM FOIBE, notarihin’ny Filohan’ny FJKM,
Andriamatoa RASENDRAHASINA Lala Haja, Mpitandrina, mivady. Nisaotra
antsika ny Synodamparitany IARIVO AVARADRANO, notarihan’ny Prezida
Synodaly, Andriamatoa RABETOKONTANY Miarilaza, Mpitandrina, mivady.
Izahay,
Mpitandrina,
mivady, eto amin’ny FJKM TRANOVATO
AMBATONAKANGA koa dia mirary soa sy fitahiana ho anareo rehetra noho ny
fiaraha-mientana nasehontsika ka nahafahantsika namita izay asa lehibe izay, tsy teo
amin’ny lafiny ara-bola ihany, fa indrindra teo amin’ny fandraisana anjara mavitrika
avy amintsika mianakavy. Ny Tompo anie hampitoetra ao am-ponareo ny fiadanany,
ary handrotsaka ny fahasoavany manana amby ampy amintsika, mbola ho entintsika
manompo Azy mandrakariva.
« Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo
sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany,
raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany”.
(Heb. 6,10)
RAZAFINIARIVO Fidison Maxime, Mpitandrina
ALAHADY, faha – 04 MEY 2014
ALAHADIN’NY PREZIDA SYNODALY
FIDERANA SY FANOMEZAM-BONINAHITRA NY TOMPO (1 Jao. 3,1 ; Jao. 15,13; 1 Kor. 13,4s)
Mpitarika : « Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia
ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! »
Besinimaro: « Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy
ny sakaizany.»
Iarahana : « Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha,
tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy. Amena.»
 HIRA : 170 and. 1, 3 - VAVAKA FIDERANA
FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA (Lio. 6,32.35 ; Fil. 2,3b)
Mpitarika: Hoy ny Tompo: « Raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa no soa tokony
ho azonareo? fa na dia ny mpanota koa aza mba tia izay tia azy. Fa tiava ny
fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na amin'inona
na amin'inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo
Indrindra ianareo?»
Iarahana: « Amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho
ny tenany. Amena.»

HIRA : 534 and. 2

HIRA : 452 and. 1
FIAIKEN-KELOKA SY FIFONANA (vavaka ataon’ny mpitarika)
TENY SOA MAHAFALY FAMELAN-KELOKA (Jer. 31,3 ; 1 Kor. 5,7; 1 Jao. 3,16)
Mpitarika: Hoy ny Tompo: « Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no
nampaharetako famindram-po ho anao. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika.
Voavela ny helokareo noho ny anarany masina. Mifalia sy miravoravoa ka
mankalazà an’Andriamanitra. Mandehana ka aza manota intsony.»
Iarahana: «Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika;
ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.»
 HIRA : HF 8 and. 3
FANEKEM-PINOANA APOSTOLIKA > Fiatoana kely : Feon-java-maneno / Hiran’ny Mpihira
FILAZANA NY RAHARAHAM-PIANGONANA
RAKITRA : I (Fiangonana) III (Tsangambato): HIRA : HF 16 - VAVAKA FANOLORANA

HIRA : 532 and. 1, 3
VAVAKA HO AMIN’NY FANAZAVAN’NY FANAHY MASINA
FAMAKINA NY SORATRA MASINA : Deot. 8, 7-20 ; Lio. 6, 32-36 ; 1 Jao. 3, 13-17
 HIRA : 531 and. 1, 3
TORITENY (Faranana amin’ny hiran’ny Mpihira) - VAVAKA FANGATAHANA
DORKASY
.
VONINKAZOM-PIANGONANA : Mbola manentana
antsika rehetra maniry handray anjara amin’ny
voninkazo ato am-piangonana fa mbola betsaka ireo daty azo isafidianana miandry antsika. Koa
aoka hisoratra anarana ao amin’ny Sekretera Mpandraharaha izay rehetra vonona amin’izany.
Maneho fisaorana mialoha sahady amin’ny fiaraha-miasa.
SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA
Komitin’ny fankalazana ny faha-15 taona SLK SPIA
Ao anatin’ny fankalazana an’Andri amanitra noho ny faha-15 taona nijoroan’ny SLK SPIA, dia misy
ireto hetsika ireto ho entina manamarika izany:
8 Mey: Fanokafana sy fankalazana ny faha-15 taona: FJKM Analamahitsy amin’ny 9 ora sy
sasany maraina, faranana amin’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo
15 Mey: Komity Lehibe: FJKM Anjanahary Maritiora amin’ny 9 ora sy sasany maraina
29 Mey: Fanokafana hetsika ara-panatanjahantena
31 Mey: Ivon’ny Fankalazana, FJKM Ambohinaorina Sabotsy Namehana, amin’ny 9 ora sy
sasany, hisy ny Sakafom-pifaliana
20-21 Jona: Tsenabe 15 taona: Ivotoerana–
12 Jolay: Fihaonambe SLDOR, Antsahafilo
12-13-14 Septambra: Tafika Masina iombonana, FJKM Miadana faritra Ambohimanga13 Desambra : Famaranana 15 taona: FJKM Andranomalaza Ivato, amin’ny 9 ora sy sasany
SAMPANA TANORA KRISTIANA
ANTOKO MPIHIRA ORIMBATO - FISAORANA
Tontosa soa aman-tsara, ry havana, ny Antsa Paska 2014 notanterahan’ny Antoko Mpihira
Orimbato, ny Alahady 20 Aprily 2014 teo. Feno fifaliana tokoa izahay satria dia ny fitahiana sy ny
fitantanan’Ilay efa nandresy ny fahafatesana, dia i Jesoa Kristy Tompontsika no nameno izany
fotoana izany ka nahalavorariana antsakany sy andavany ny fotoana rehetra. Ho Azy irery anie ny
voninahitra!
Tretrika ihany koa ny Orimbato tamin’ny fahitana anareo havana aman-tsakaiza tonga maro
nanotrona sy niara-nidera ny Mpandresy, Tompon’ny fiainana mandrakizay, ka nahazoana hery
tokoa niatrehana ny fampisehoana. Izy Tompo anie hanome fiainana be dia be ombam-piadanana
anareo tsirairay avy.
Tsy hainay ihany koa ny mankasitraka anareo mpiara miasa rehetra tamin’ny lafiny maro. Ny
Tompo hamaly fitia! Manome fotoana amin’ny manaraka indray.
 HIRA : 622 and. 2
TSODRANO
 HIRA : 451 and. 2
RAKITRA ALITARA:  HIRA : ......
FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
VAVAKA FANOMBOHANA - HIRA : 10 and. 2, 3
TENY FANORENANA - VAVAKA FAHATSIAROVANA - HIRA : HF 7 and. 2
VAVAKA FANGATAHANA NY FANAHY MASINA – FAMAKÌNA NY MOFO
VAVAKA FANETREN-TENA–FIZARÀNA NY MOFO SY NY KAPOAKA: HIRA: 262 (elanelanina feon-javamaneno)
FIHINANANA NY FANASAN’NY TOMPO – RAKITRA : HIRA : HF 34
HAFATRA SY TSODRANO - HIRA : 530
Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena”
Diakona tompon’anjara amin’ny volana MEY / Faritra FAHATELO
Filoha : Atoa RAHARINJATOVO Claude
Tompon’anjara Alahady :
04/05: ALAHADIN’NY PREZIDA SYNODALY – fidirana indroa : 7 ora sy 10 ora
11/05: SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA FJKM
Anjara voninkazo :
04/05: Rtoa RAZAFIMAMONJY Soafara Christelle
11/05: Rtoa RAMBOATIANA Berthine
Fanatazana ny Rakitra III : : 27/04: Katekomena- 04/05: fid.I: Komity Tsangambato- fid.II: SAFIF- 11/05: V.Vola18/05: SVM- 25/05: V. Fppvhana – 01/06-fid.I : Komity Site web- fid.II: Vao.Fananana- 08/06 – fid.I: Vao.Fifandraisanafid.II: SAMPATI – 15/06: Katekomena – 22/06: Dorkasy – 29/06: SLK
-3-

Documentos relacionados

The Prodigal Son Malagasy CB

The Prodigal Son Malagasy CB Ilay mpiandry ondry dia tsy nitsahatra nitady ilay ondry very mandra-pahitany azy. Rehefa izany dia nobetainy teo an-tsorony izy ary nentiny nody am-pifaliana. Ary hoy izy tamin’ireo namany: "Anda...

Leia mais

boky torolalana - Church of the Nazarene

boky torolalana - Church of the Nazarene Timothy Merritt, izay mpitondra fiangonana Metodista sady mpandaha-teny mpamorona ny “Guide to Christian Perfection,” (Tari-dalana Ho Amin’ny Fahatanterahana Kristiana), no isan’ireo mpitarika ny f...

Leia mais

12-sept.-2015 - Comité Régional d`Equitation Nord Pas de Calais

12-sept.-2015 - Comité Régional d`Equitation Nord Pas de Calais Dos: 14 - Anne Charlotte DEMARCK AM/Y3 Dos: 36 - Berthine NOLF AM/S Dos: 23 - Alexandre DUFAY AM/S Dos: 22 - Eleonore VANOMMESLAEGHE AM/Y1 Dos: 18 - Mathilde CALLET AM/S Dos: 26 - Gilbert PENIN AM/...

Leia mais

Manaraka lehilahy iray.

Manaraka lehilahy iray. izy ireo, “Tsy fantatsika ve izy? Tsy teto ve izy no notezaina ary tsy fantatsika ve ireo ray amandreniny? Tsy zanak'ilay mpandrafitra ve io?” Noho izany, satria izy ireo nijery ny lafiny ety ivela...

Leia mais

VIDANZA MADIO

VIDANZA MADIO dia ahitana hevitra maromaro azo trandrahana ahafahana manatontosa vidanza amin’ny fomba vaovao : mahomby, madio,ary manara-penitra. Natokana indrindra izy ity ho an’ireo mpandraharaha, na vondron’...

Leia mais

Présentation PowerPoint

Présentation PowerPoint Ny safidy hanao IVG dia SAFIDIN’NY TENA MANOKANA fehezin’ny lalàna, misy fe-potoana iray herinandro handinihana tsara. Hasosoka aminao ny resadresaka iray fijerena fisainana ara-piarahamoninao ifan...

Leia mais

35ème Semi marathon de la Légion Etrangère 21 km Scratch

35ème Semi marathon de la Légion Etrangère 21 km Scratch - 21 (10.000 kms) C LA S S E M E N T G E N E R A L

Leia mais

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny Ny nanamarika ny herinandro voalohany tamin’ny volana oktobra dia ny famindram-pahefana tany amin’ny kaominina maromaro teto amin’ny nosy. Ny tao an-drenivohitra no tena nahasarika ny haino aman-je...

Leia mais