Fitsipi- pitondratenan`ny

Transcrição

Fitsipi- pitondratenan`ny
Fitsipipitondratenan’ ny
Vondrona
Fizahan-takila
pejy
Savaranonando
4
Ny Fanajana ny lalàna
5
Ny fanajana ny maha olona
5
Ny fitandrovana ny tombotsoan’ny Vondrona
5
Ny fifandraisan’ny samy anaty vondrona
6
Ny tombotsoa mifanipaka
6
Ny serasera sy Fifandraisana - Fahamarinana eo anatrehan’ny tompon’ny petrabola
7
Fiarovana ny fananana
7
Fifanarahana ara-bola - Fitatanam-bola
8
Ny fanaraha-maso anatiny
9
Ny kalitao
9
Fampandrosoana maharitra
9
Ny fanajana ny tontolo iainana
10
Fandraisana anjara amin’ny asa fanasoavana – Fanohanana ny mpanan-kanto
10
Resaka politika
10
Hetsika ara-barotra – Fifandraisana amin’ny mpanjifa sy mpamatsy
11
Ny kolikoly
12
Ny fampihàrana ny fitsipi-pitondratena
12
Ny fanairana
12
Fitsipi-pitondrantena ara-moraly ao amin’ny Vondrona Bouygues - 2006
N
y fahombiazana sy ny ho avin’ny vondrona
Bouygues dia miankina indrindra amin’ny
fahaizany manome toky ny mpanjifa, ny mpiaramiasa, ny tompom-petra-bola sy ny mpiray
antoka aminy na miankina amin’ny fanjakan na tsia.
Ny fihetsika ara-drariny sy marina ihany no miantoka
ny fivelarantsika.
Izany fitokisana izany dia miainga indrindra avy amin’
ny fanajàna ny fomba fihetsika izay nampatsiahiviko
matetika taona vitsivitsy lasa izay. Rehefa naka
ny hevitry ny Komitin’ny Fitsipi-pitondrantena ao
amin’ny Filakevimpitantanan’ny Bouygues aho, dia
nanapakevitra ny hanambatra izany ao anaty Fitsipipitondrantena izay ho zaraina amin’ny mpiara-miasa tsirairay avy ao anatin’ny
Vondrona.
Tsy mifandray amin’ny tetika serasera akory ny fanapariahana ity Fitsipika ity,
izay nantsoiko hoe “markéthique”. Tsy resaka fanoratana ny lalàna amin’ny
fomba manokana ihany koa akory izany. Efa hatramin’ny ela no nitazonako izany
fotokevitra izany. Nandritra ny taona vitsivitsy lasa izay, dia nihaona tamina
mpiara-miasa na tale mpitantana maro aho momba ny resaka fitondrantena
ato amintsika. Tamin’izany no nahatsapako fa azo atao tsara ny mandrafitra
Fitsipika iray tsy hanana ny endrika izay efa nihodivirana, dia ny fihetsika feno
fihatsaràmbelatsihy. Ny mifandàka amin’izany indrindra no anton’ny hamoahana
ity lahatsoratra ity izay tafiditra ao amin’ny fandrosoana lavitrezaka mitohy.
Amin’ny alàlan’ity Fitsipika ity, dia mivonona ny hanaja ny rafitra tsara
rindra momba ny fitantanana ny raharaha ny Vondrona. Tokony ho fitaovana
manentana ny rafi-pandaminanantsika sy fanatsaràna ny fihetsikitsika ity
Fitsipika ity. Ny tanjona dia ny hanambatra mafimafy kokoa ny mpitantana sy ny
mpiara-miasa ao anatina fotopisainana avo lenta ikambanana.
Marina fa, tsy misy mahasolo ny fieritreretana sy ny fikarohana fitondratena
manokana mifototra amin’ny fanajana sy ny fandraisana andraikitra. Ireo no
azo antoka fa hitarika antsika mankany amin’ny fihetsika tsara hanànana. Fa
ny famoahana ny firotsahan’ny Vondrona an-tsehatra, dia hanampy ny mpiaramiasa ity Fitsipika ity eo amin’ny famaritana ny fihetsiny eo anatrehan’ny toejavatra mivaingana, amin’ny alàlan’ny fitarafana ny fitsipika mazava sy hentitra.
Ny fanajana ity Fitsipi-pitondrantena ity dia andraikitry ny rehetra, ary lohalàlana mankany amin’ny fandrosoana sy ny fahatanterahana.
Rehefa naka ny hevitry ny Komity momba ny fitondrantena sy ny mpanohana
aho, dia nanapakevitra fa hanankina amin’i Jean-François Guillemin, Sekretera
Jeneralin’ny Vondrona, ny andraikitra momba fitondrantena ara-moralin’ny
Vondrona araka ny voafaritra ato amin’ity Fitsipi-pitondrantena ity.
Martin Bouygues
Prezidà-Direktera Jeneraly
Fitsipi-pitondrantena ara-moraly ao amin’ny Vondrona Bouygues - 2006
Savaranonando
Ny Fitsipi-pitondrantena ara-moraly
dia miantso ny tsirairay avy hanaja
ny toetsaina mikaly asa voasoritra ao
amin’ny ‘fomba fiasa’ izay tsy maintsy
mamaritra ny fomba fihetsiky ny
mpiara-miasa n’aiza n’aiza na amin’ny
fotoana inona na amin’ny fotoana inona.
mba hifanaraka amin’ny lalàna, ny
fehezan-dalàna na adidy mifehy ny
asany. Tsy misolo toerana izany ity
Fitsipi-pitondrantena ity. Fa anjaran’ny
orinasa isanisany ao amin’ny Vondrona
ny mandrafitra fitsipika anatiny
mampifanaraka sy mampita ireo
fitsipika volaza manaraka etoana araka
izay azo hatao.
Raha toa ka hita fa tsy ampy na tsy
mazava ity Fitsipi-pitondrantena
ity eo anatrehan’ny tarehinjavatra sasantsasany, raha toa ka
mihambahamba na mametraka
ahiahy ny mpiara-miasa iray momba
ny fihetsika tokony hanànana eo
anatrehana toe-javatra manokana,
dia iangaviana izy haka ny hevitry ny
lehibeny sy/na ny sampana misahana
ny lalàna na ny sampana misahana ny
mpiasa, na koa izay tompon’andraikitry
ny fampivoarana maharitra.
Ireo fomba fiasa ireo dia tsy vokatry
ny fiheverana moraly na fitsipidalàna ihany. Tsy mihanona amin’ny
fampahatsiahivina ny tokony hanajana
ny lalàna fotsiny ihany koa. Fa mikarodàlana hamaritra fihetsika tonga
lafatra eo amin’ny lafiny asa na amin’ny
toe-javatra inona na toe-javatra inona.
Tsy ho tràtra akory ny tanjon’ny
Fitsipi-pitondrantena, raha tsy
ao ny fandinihina sy ny
Ny mpiara-miasa, ny sampana
fandraisan’andraikitry ny
misahana ny lalàna na
Ny mpiara-miasa
tsirairay avy. Satria tsy
ny sampana misahana
afaka ampahatsiahy na
tsirairay avy dia
ny mpiasa, na koa izay
hameno ny lalàna sy
tompon’andraikitry ny
mandinika
fehezan-dalàna amin’ny
fampivoarana maharitra,
ankapobeny izy, na koa
ny toe-javatra araka
dia afaka manatona na
ireo lahatsoratra anatiny
maka hevitra amin’ny
ny fitsipiky ny
na fifanarahana izay mifehy
Tompon’andraikitry ny
ny anton’asan’ny orinasa sy
fitsipi-pitondratena. fitsipi-pitondrantena ao
ny mpiara-miasa ao anatin’ny
amin’ny Vondrona, rehefa
Vondrona. Tsy afaka hisahana
momba ny toe-javatra na olana
ny tarehin-javatra rehetra mety ho
mikasika ny fitsipi-pitondrantena.
atrehin’ny mpiara-miasa ao anatin’ny
Anjaran’ity farany ity indray ny
sehatry ny asany ihany koa izy.
manolotra amin’ny Komity momba ny
Maro ihany koa ireo tarehin-javatra
fitsipi-pitondrantena ary ny mpanohana
izay tsy voatonon’ny lalàna, na fitsipika
ao amin’ny filakevi-pitantanana
na fepetra. Amin’izay fotoana izay,
Bouygues, ny sori-dàlana sy resaka
dia ny fanajana ny ara-drariny, ary ny
ankapobeny momba ny fitsipifahamarinana no tokony hibaiko ny
pitondratena. Ny Tompon’andraikitry
fihetsiky ny tsirairay avy. Adidin’ny
ny fitsipi-pitondrantena dia miadidy
mpiara-miasa tsirairay avy ny
ny fampanjariana ny fomba fanairana
mandinika ny tarehin-javatra araka
voafaritra ato anatin’ity Fitsipiireo fototra ireo.Araka izany, dia
pitondrantena ity. Ny Filoha ny
tokony hanana saina mandinika, feno
Vondrona no manendry azy rehefa
fahazavan-tsaina sy mandanjalanja ny
avy naka ny hevitry ny Komity momba
mpiara-miasa tsirairay avy.
ny ara-moraly sy ny mpanohana
Ny orinasa iasàn’ny mpiara-miasa dia
ao amin’ny filankevi-pitantanana
mety efa namoaka fitsipika manokana
Bouygues.
Fitsipi-pitondrantena ara-moraly ao amin’ny Vondrona Bouygues - 2006
1.
Ny Fanajana ny lalàna
Manaja ny lalàna sy ny fitsipi-dalàna
any amin’ny tany iasàny rehetra ny
Vondrona sy mpiara-miasa aminy.
Sorohin’ny mpiara-miasa tsirairay
avy ny asa na fihetsika mety hitarika
ny tenany, ny mpiara-miasa hafa, ny
orinasany na ny Vondrona amin’ny tsy
fanarahan-dalàna.
Ekena fa tsy azo takiana ho mahafehy
ny lalàna momba ny asany ny olona
tsirairay avy, nefa manana fahalalàna
ampy izy momba ny fitsipika azo
ampiharina amin’ny asany, na ao
Frantsa na any amin’ny firenen-kafa.
Izany fahalalàna fototra izany dia
ahafahany mamaritra ny fotoana
tokony hangalàna ny hevitry ny
lehibeny, na ny sampana misahana
ny lalàna, na ny sampana misahana
ny mpiasa, na koa ny filankevitry ny
Vondrona raha ilaina.
Mitaky fitandremana manokana ny
fanajana ny fitsipika momba ny asa sy
ny fampiasana olona, ny fahadiovana
sy ny fisorohana ny loza, ary koa ny
fiarovana ny tontolo iainana.
2.
Ny fanajana ny maha
olona
Mifototra amin’ny fifampatokisana
sy fifanajana ny fitantanana ny
sampana misahana ny mpiasa, ary ny
fifandraisan’ny mpiara-miasa amin’ny
ankapobeny, ary mitandro koa ny
fahamendrehan’ny tsirairay avy.
Ny Fitsipi-pifandraisana avy amin’ny
Sampana misahana ny mpiasan’ny
Vondrona no fitaratra manondro
làlana ny mpiara-miasa eo amin’ny
asany andavanandro.
Mikendry ny fampiharana ny tetika
manara-drariny sy manara-dalàna
eo amin’ny sehatry ny fitantanana
mpiasa ny Vondrona. Raràny
tanteraka ny fanavakavahana
mifototra amin’ny antony tsy aradalàna.
Rarana ny faneriterena, ny
fanenjehana ary ny fanohitohinana
ara-tsaina sy fanraraotana ara-nofo.
Samy manaja ny lalàna momba
ny lafim-piainan’ny mpiara-miasa
ny tsirairay, indrindra momba ny
fitaovana ‘informatika’.
Atao vain-dohan-draharaha lavareny
ny fiantohana sy fanamafisana orina
ny fiarovana ny mpiara-miasa eo
amin’ny asany.
Vonon-kanaja ny Fanambarana ny
Zon’Olombelona Eran-tany avy
amin’ny Firenena Mikambana,
ary ny fifanarahana fototry ny
Sampana Iraisampirenena momba
ny Asa, indrindra fa momba ny asa
anterivozona na ny fampiasana ny
ankizy ny Vondrona.
3.
Ny fitandrovana ny
tombotsoan’ny Vondrona
Na amin’ny fotoana inona na fotoana
inona, ny fihetsiky ny mpiara-miasa
dia tokony ho mahatoky ary mikendry
ny tombotsoan’ny Vondrona hatrany.
Ny endrika sy ny laza anànany eo
amin’ny fomba fiasany, na ny zavatra
amidiny no antoky ny firoboroboany
sy ny fahatezàny. Samy miezaka ny
tsy hanao fihetsika manaratsy na kely
aza ny tsirairay.
Kendren’ny mpiara-miasa manokana
ny fiarovana sy ny fampiroboroboana
Fitsipi-pitondrantena ara-moraly ao amin’ny Vondrona Bouygues - 2006
ireo fitaovampamokarana avy amin’ny
tompon’ny petra-bola ao amin’ny
Vondrona.
Ny fahafapon’ny mpanjifa no tanjona
voalohany indrindra ho an’ny
Vondrona. Ny fitokisan’ny mpanjifa dia
vidina lafo ary kenakenaina amin’ny
alàlan’ny fanajana ny zony sy ny
fandraisana hatrany izay fanekena
azo tanterahina ihany, ary ny fanajàna
izany fanekena izany.
4.
Ny fifandraisan’ny
samy anaty vondrona
Rehefa misy orinasa maromaro ao
anaty Vondrona izay natao hifandray
amin’ny lafiny asa, dia samy manaja
ny fahamarinana natokana ho an’ny
mpanjifa, na ny mpamatsy na mpiray
antoka ivelany izy ireo. Ataony tsara
petraka ny fepetra ialàna amin’ny
fifanolànana, fa tombotsoan’ny
Vondrona izany. Raha sanatria misy
fifanolànana tsy voasoroka, dia
tadiavina haingana ny vaha-olana
mahitsy, ary ny andaniny sy ankilany
dia samy entanin’ny toe-tsaina
vonon-kihàvana, mangarahara sy
feno fahamarinana.
Raha atao bango tokana, dia rehefa
mpiara-miasa, raha toa ka mitandro
ny tombotsoan’ny orinasa iasàny izy,
dia tokony hahatsapa ihany koa fa ny
tombotsoa fara-tampony ho an’ny
Vondrona, no mibaiko ny tsirairay avy
hikajy ny hatsaràna sy ny firindran’ny
fifandraisana anatiny, eo amin’ny
sehatra rehetra tsy ankanavaka:
fifanekena raikitra ara-dalàna,
fifandraisana ara-barotra na ara-bola,
fa indrindra indrindra eo amin’ny
lafiny fifandraisan’ny mpiasa, ohatra
eo amin’ny fanovàn-toerana ao anaty
vondrona.
5.
Ny tombotsoa
mifanipaka
Noho izy manana adidy ho marina eo
anatrehan’ny Vondrona, ny mpiara
miasa dia mitandrina ny tsy handray
andraikitra mivantana na tsia, na
hamoaka feo izay mety hametraka azy
amin’ny toerana mifanipaka amin’ny
tombotsoan’ny orinasa.
Indrindra indrindra, ny mpiara miasa
iray dia tsy tokony hitady tombotsoa
na hampiasa vola ao anaty orinasa
iray mpanjifa, na mpamatsy,
na mpifaninana amin’ny vondrona,
satria izany fampiasàny vola izany dia
mety hanimba ny fotondran-tenany eo
amin’ny fanantanterahana ny asany
ao anatin’ny vondrona.
Rehefa mpiara-miasa dia tsy maintsy
mahazo alàlana antsoratra avy
amin’ny talen’ny orinasany izay
vao afaka manao fifanekena amina
orinasa hafa izay izy tenany na ny
fianakaviany no isan’ny mpanorina na
mpitantana mahefa ao.
Rehefa mety ho mpiara-miasa dia
mampandre ny lehibeny raha vao
misy iraka na asa i Tsy misy
mpiara-miasa hanaiky iraka na asa
ivelany ampanaovin’ny mpamatsy,
na mpanjifa na mpifaninana,
izay mety hanimba ny fahombiazany
na ny fisainany eo amin’ny
fanatanterahany ny asany ao
anatin’ny Vondrona.
Velany miendrika asa, na tombotsoa
mifanipaka amin’ny ankapobeny.
Ny fahazavan-tsaina sy ny fahatsapantenan’ny tsirairay no ahafahana
misoroka ny tombotsoa mifanipaka.
Fitsipi-pitondrantena ara-moraly ao amin’ny Vondrona Bouygues - 2006
6.
Ny serasera sy
fampandrenesana Fahamarinana eo
anatrehan’ny tompon’ny
petrabola
Ny mangarahara sy ny fitokisana
no katsahin’ny serasera ao amin’ny
Vondrona. Ny zava-kendreny dia ny
ahafahan’ny mpiray antoka sy
mpiara-miasa ao amin’ny Vondrona
maheno vaovao momba ny fizotran’ny
asan’ny Vondrona antsipiriany.
sasany na hetsika serasera: ny
fifandraisana amin’ny filazam-baovao,
ny mpandraharaha, ny mpandinika
toe-bola, ny sampandraharahampanjakana ary ny mpandrindra
dia natokana ho an’ny mpitantana
sasantsasany ary ho an’ny sampana
voatokana, fitantanana ny serasera,
fitantanana ara-bola, sampana
miandraikitra ny sehatry ny lalàna.
Ireo vaovao ireo, na tsiambaratelo
na tsia, na ny hetsika serasera, dia
tsy azo havoakan’ny mpitantana, na
mpiara-miasa na sampana iray tsy
manana alàlana hanao izany.
Mivonona hanome tatitra azo antoka
sy marina ho an’ny tompon’ny
petra-bola indrindra indrindra,
ny Vondrona.
Ny haja amam-boninahitra noho ny
asa sasantsasany sahanina ao amin’ny
Vondrona dia mitaky fankatoavana
tanteraka ireo adidy momba ny
tsiambaratelo sy fahanginana ireo.
Ny fitantanana tsara rindran’ny
Vondrona dia mitaky amin’ny tsirairay
avy, n’inona n’inona sehatra misy
azy, hitandro mafy dia mafy ny
fahamarinana sy fahitsian’ny tatitra
izay ampitainy ao anatin’ny Vondrona.
7.
Tsy mamoaka tsiambaratelo izay
mety hanànany noho ny andraikitra
sahaniny na noho ny maha isan’ny
Vondrona azy, any ivelan’ny Vondrona
ny mpikambana. Tsy azony hatao
ihany koa ny mampita tsiambaratelo
toy izany amina mpiara-miasa izay
tsy tokony hahalàla izany ao amin’ny
Vondrona. Ilaina ny fahamailona
manokana momba ny vaovao mikasika
ny vokatra, na vinavina sy antsipiriany
ara-bola, ny zavatra novidiana sy izay
namidy, ireo taozavatra vaovao, ny
fahaiza-manao na teknika, ny tolotra
ara-barotra, ary ireo vaovao mikasika
ny sampana misahana ny mpiasa.
Mitombona hatrany io adidy momba
ny fitazonana tsiambaratelo io eny fa
na dia efa niàla aza ilay mpiara-miasa.
Samy miaro ny fananan’ny Vondrona
tsy ho voakitikitika. Tsy fanaka,
na vatan-trano na fananana tsy
mivaingana hita sy voafaritry ny
lalàna ihany akory izy ireo. Tafiditra
ao koa ny hevitra, na ny fahaizamanao nokajian’ny mpiara-miasa.
Ny lisitry ny mpanjifa sy mpamatsy
na ny mpiantok’asa, ny fandalinana
momba ny làlam-barotra, ny fomba
fiasa teknika na ara-barotra, ny
tolotra ara-barotra sy teknika, ny
tsiambaratelo sy antsipiriany rehetra
izay mety ho ampelatanan’ny mpiaramiasa ao amin’ny sehatry ny asany,
dia fanànan’ny Vondrona daholo.
Arovana daholo ireo andian-javatra
ireo. Mitombona foana io adidy io na
dia miala aza ny mpiara-miasa.
Ny fandraràna mamoaka feo dia
mihàtra manokana amin’ny vaovao
Tsy misy tahirim-bola, na fanànan’ny
Vondrona azo ampiasaina amin’ny
Fiarovana ny
fananana
Fitsipi-pitondrantena ara-moraly ao amin’ny Vondrona Bouygues - 2006
zavatra tsy ara-dalàna na tsy
mifandray amin’ny asa sahanin’ny
Vondrona. Araka izany, ny zavanajoro, ny fitaovana, ny vola, ny
asa, ary amin’ny ankapobeny, ny
fanànan’ny fikambanana, dia tsy azo
ampiasaina ho an’ny tombotsoan’ny
tena manokana. Tsy misy mpiaramiasa mahazo maka ny fanànan’ny
Vondrona ho azy manokana, na
manome izany ho ampiasain’olonkafa, na ho an’ny tombotsoan’ny hafa
ankoatry ny Vondrona.
Ny rafitry ny serasera sy ny zotra
“intranet” indrindra indrindra dia
fanànanan’ny Vondrona ary tsy
ampiasaina raha tsy ho an’ny asa
ihany. Ny fampiasana azy ho an’ny
tena manokana dia tsy azo atao raha
tsy ao anatin’ny fetra voalanjalanja,
raha toa ka voaporofo fa handrindrana
ny fiainan’ny tena samy irery amin’ny
asa, sy hita fa tena ilaina. Voaràra ny
fampiasàna ireo rafitra sy zotra ireo
handefasana zavatra tsy ara-dalàna
indrindra fa ny hafatra manavakavaka
ara-bolokoditra, ara-nofo na
fanompàna.
Ho an’ny tsirairay dia voaràra
ny mandika tsy ara-dalàna ireo
“logisialy” ampiasain’ny Vondrona,
na mampiasa izany nefa tsy
nahazoana alàlana.
Voaaro daholo ny antotan-taratasy na
fandalinana izay tafiditra ao anatin’ny
fanànana ara-tsaina, indostrialy sy
ara-kanto, na fahaiza-manao izay
herin’ny Vondrona.
8.
Fifanarahana ara-bola – Fitatanam-bola
Ny fikirakiràna sy fifanarahana arabola ataon’ny Vondrona dia soràtana
amin’ny fomba mahitsy sy marina ao
anatin’ny kaontin’ny fikambanana
tsirairay avy, araka ny lalàna
manankery sy ny fombafomba anatiny.
Izay mpiara-miasa mandray antsoratra ny kaonty dia tsy maintsy
mahitsy sy marina, ary maka antoka
tsara fa misy taratasy fanamarinana
mifanojo amin’ny voasoratra.
Ny fandefasana vola dia mitaky
fahamailona manokana, indrindra
momba ny anaran’ny olona
andefasana, ary ny anton’ny
fandefasana azy.
Ny fanapariahana ny toe-bola sy
fifanarahana ataon’ny mpiara-miasa
eo amin’ny sehatry ny tsenam-bola,
na fifanarahana ataony noho ny asany
izany, na fifanarahana an’ny tenany
manokana ao amin’ny taratasimbolan’ny Vondrona milaza ny vidiny,
dia manaja ny lalàna sy fehezandalàna mifehy ny raharaha ara-bola.
Ampahatsiahivina fa ny famoahana
tarehimarika diso, ny fampitàna sy
fampiasàna tarehimarika voaàron’ny
tsiambaratelo ary ny familiviliana ny
sandam-bola, dia faizin’ny lalàna.
Anjaran’ny mpiara-miasa tsirairay
avy ny mitandro ny tsiambaratelon’ny
vaovao tsy natao ho fanta-bahoaka,
izay mety hanimba ny fizotran’ny
asan’ny Bouygues, na taratasimbolan’ny Vondrona, mandrapamoahan’ny tompon’andraikitra
izany. Tsy azony atao ihany koa ny
mikirakira ny petra-bolan’ny Bouygues
na taratasim-bola hafa raha tsy
mbola natao ho fanta-bahoaka izany.
Fitsipi-pitondrantena ara-moraly ao amin’ny Vondrona Bouygues - 2006
Voaràra ny fampiasàna izany tarehimarika izany ho tombotsoan’ny tena
manokana mivantana na ankolaka,
na hahafahan’ny olon-kafa manao
fikirakirana tsenam-bola.
Raha misy fisalasalàna na
fanontaniana, dia anjaran’ny tirairay
avy, indrindra fa ireo manana tarehimarika manokana, ny maka ny hevitry
ny Tompon’andraikitry ny ara-moraly
ao amin’ny Vondrona, mba ahazoany
antoka fa mifanaraka tsara amin’ny
foto-pisainana sy ny lalàna manankery
momba ny “stock option” (fahafahana
mividy petra-bola), na fifanarahana
momba ny taratasim-bola avy
amin’ny fikambanana ao amin’ny
Vondrona izany.
9.
Ny fanaraha-maso
anatiny
Samy mandray anjara amin’ny
fanaraha-maso sy ny “audit”
(fanamarinana) daholo ny tsirairay,
amin’ny fomba mangarahara sy
mahitsy mba hitiliana sy hanitsiana ny
lesoka na fahalemena diso mavesatra.
Rehefa mety manana
endrika fanakatsakànana ny
fanatanterahana ny fanaraha-maso
sy ny fanamarinana, na avy amin’ny
sampana anatiny izany na avy
amin’ny mpanombana ny kaonty
(commissaire aux comptes),
ary koa ny fanafenana tarehi-marika
amin’izany fotoana izany, dia voaràra
ary miendrika fandikàna ankitsiràno
ity fitsipi-pitondrantena ity.
10. Ny kalitao
Ny kalitao dia isan’ny vain-dohandraharaha amin’ny teti-panoron’ny
Vondrona.
Ny teknolojia sy ny tetika ampiharina
dia mandàla ny fitakiana momba ny
kalitao, ny aro-loza na ny tontolo
iainana ao amin’ny fifanekena sy ny
fehezan-dalàna.
Ny fanamarinana – kalitao, aro-loza,
tontolo iainana-avy amina sampandraharaha ivelan’ny rafi-pitantanana,
dia manamafy ny fitokisan’ny
mpanjifantsika eo amin’ny lafiny
fanajana ny fanomezan-toky
avy amintsika.
Ny mpiara-miasa tsirairay avy dia
mandray anjara tsy tapaka amin’ny
fanatsaràna ny rafitra anatiny
momba ny fifehezana ny loza mety
hitranga, ary manamora ny fitiliana ny
loharanon’izay zavatratsy nety.
11. Fampandrosoana
maharitra
Ny fampandrosoana maharitra
dia tafiditra ao amin’ny tetiky ny
sampan’asa samihafa ao amin’ny
Vondrona. Mivonona ny hanome
fahafam-po ny mpanjifany ny
Vondrona amin’ny fandrindràna ny
haren-tsainy sy ny soatoaviny, sady
misahana ihany koa ny andraikitra
ara-tsosialy sy ny tontolo iainana.
Amin’ny alàlan’ny fitsipika mikendry
ny fanatsaràna hatrany sy miainga
amin’ny asa mivaingana, dia
lanjalanjain’ny mpiara-miasa ao
amin’ny Vondrona tsara, ao anatin’ny
tetiny sy fiasany, ny fitandrovana
Fitsipi-pitondrantena ara-moraly ao amin’ny Vondrona Bouygues - 2006
ny tontolo iainana sy ny harena
voajanahary, ny fanatsaràna ny
farimpiainana, ny fizaràna ny
hai-zàtra sy ny fampiasàna ny
teknolojia, ny fifanakalozan-kevitra
ary ny fandraisana anjara amin’ny
fanapahan-kevitra momba izany
rehetra izany.
Ny fankatoavan’ny Vondrona ny
Fanekena Iraisam-pirenen’ny Firenena
Mikambana, dia manambara ny
fahavononany amin’ny fikatsahana
mandrakariva vaha-olana
vaovao izany eo amin’ny lafin’ny
zon’olombelona, ny famaritana ny asa,
ny tontolo iainana sy ny ady amin’ny
kolikoly. Izany fihetsika an-tsitrapo
izany dia fitaizana sy soatoavina
raikitra ao amin’ny Vondrona,
ary ampihariny miaraka
amin’ny fikambanana sivily sy
fikambanana hafa.
12. Ny fanajana ny
tontolo iainana
Ny zava-kinendrin’ny Vondrona dia ny
fanatràrana ny fomba tsara indrindra
raha fiarovana ny tontolo iainana
no resahina. Miezaka ny hitandro
ny tontolon’ny fiaraha-miasa ho azo
antoka, ary miaro ny fahasalamana ny
mpiara-miasa tsirairay avy. Miezaka
ihany koa hampihena na hanafoana
voka-dratsy ny asany eo amin’ny
tontolo iainana. Isan’izany indrindra
ny fiarovana ny natiora, ny fikajiana ny
zavaboary isan-karazany sy ny harena
voajanahary, ny loharanon-javaboary
rehetra, ny fitantanana ny fako sy ny
akora manapoizina, izay azo lazaina
fa vain-dohan-draharaha iarahana
imasoan’ny mpiara-mpiasa rehetra
ao amin’ny Vondrona.
10
13. Fandraisana anjara amin’ny asa
fanasoavana – Fanohanana
ny mpanan-kanto
Azo atao tsara ny fandraisana
anjara amin’ny asa fanasoavana sy
fanohanana ny mpana-kanto raha
miasa marina ho an’ny tombotsoan’ny
maro an’isa izany, ary ny fandraisana
anjara amin’ny maha olom-pirenena
araka ny voafaritry ny Vondrona
na ny sampana ao aminy. Mahazo
fankatoavana an-tsoratra mialoha avy
amin’ny tompon’andraikitra izany, ary
tsy maintsy raketina ao anaty kaonty.
14. Resaka politika
Hajain’ny Vondrona ny safidin’ny
mpiara-miasa aminy, izay mandray
anjara amin’ny raharaham-pirenena,
amin’ny maha olom-pirenena azy.
Saingy mitazona fihetsika politika tsy
miandàny izy.
Malalaka izany ny safidin’ny mpiaramiasa, sy ny fandraisany anjara
amin’ny politika ivelan’ny asany, azy
manokana izany ary zakainy samirery
ny sarany. Tsy misy fanànan’ny
Vondrona azo ampiasaina amin’ny
raharaha politika. Tsy azon’ny mpiaramiasa atao ny mampiditra ara-moraly
ny Vondrona na ny sampana iray ao
aminy amin’izany raharaha izany,
ary raràna izy tsy ampahafantatra ny
maha mpikambana azy ao anatin’ny
Vondrona.
Ao Frantsa, dia tsy azon’ny orinasa
atao mihitsy ny mandray anjara
amin’ny famatsiana ara-bola
ny antoko politika, na amin’ny
fihetsiketsehin’ny olom-boafidy
na mpifaninana.
Fitsipi-pitondrantena ara-moraly ao amin’ny Vondrona Bouygues - 2006
Any amin’ny firenen-kafa dia azo
atao izany ary/na fehezin’ny lalàna
izany. Ny firehan’ny Vondrona amin’ny
ankapobeny dia ny tsy fandraisana
anjara amin’ny famatsiana ara-bola
antoko na olona mpanao politika
na lahy na vavy. Raha toa ka hita fa
tsy afa manoatra ny orinasa fa tsy
maintsy manaraka ny fomba ekena
sy fampiasa ao amin’ny firenena
iray, dia tsy maintsy manaja ny
lalàna ao an-toerana ny fandraisana
anjara, ary raisina an-tsoratra izany
(comptabilisé) ary mahazo alàlana
mialoha avy amin’ny lehiben’ny
orinasa nanao fanomezana. Fa na
inona na inona, dia ferana ho vola
farany izay kely araka ny fomba
fotsiny ao amin’ilay firenena izany,
ary tsy mikaroka ny hampivoitra
tombotsoa manokana ny orinasa.
Izay mpiara-miasa mandray anjara
amin’ny fanapahan-kevitra momba ny
Firenena ao anatin’ny sehatra politika,
na tompon’andraikitra ara-panjakana,
na fikambanana ao an-toerana,
dia tsy mahazo mandray anjara
amin’ny fanapahan-kevitra momba
ny Vondrona na ny sampana iray
ao aminy.
manokana mifehy ny tolo-bidimpanjakana, na aiza na aiza firenena
iasàny.
Tsy misy afa tsy tombotsoa no
azon’ny orinasan’ny Vondrona
amin’ny fisian’ny fifaninànana
tsotra sy mivelatra. Rehefa mety
ho hetsika ara-barotra na zavatra
vidiana ataon’ny mpiara-miasa
sy ny orinasan’ny Vondrona dia
manaraka tsara ny fitsipiky ny
fifaninànana marina, ary tsy manao
fifanaràhana na fihetsika azo adika
ho fomba mandika ny lalàna mifehy
ny fifaninànana, indrindra eo amin’ny
sehatry ny fampitahàna vidin-javatra
ataon’ny fanjakana, na fifanekena
amina Firenena na vondrona ao antoerana. Satria sarotra sy miovaova
ny lalàna momba ny fifaninànana, ary
satria azo hampiharina ny sazy arapanjakana, ara - keloka sy ady madio,
dia manatona ny fiadidiana momba ny
lalàna ny mpiara-miasa raha sanatria
misy fisalasalàna na fanontaniana.
Mikarakara amim-pahamarinana
sy ara-drariny rehefa mety ho
mpanjifa sy mpamatsy ny orinasan’ny
Vondrona, na inona na inona habeny
sy lanjany.
Tsy azon’ny mpiara-miasa atao
ny manome famalifaliana, na
fankasitrahana na tombodahiny arabola na zavatra hafa amin’olon-kafa.
Ny fanomezan-toky na fanomezana
tsotra izao, na fanampiana
maimaimpoana dia fadiana, raha tsy
hoe angaha fanateran-kaja na fomba
fandraisam-bahiny mahazatra, na
marika fahalalàm-mpomba fotsiny.
Amin’ny ankapobeny dia manaja ny
fitsipi-dalàna ampiasaina amin’ny asa
sahanina ny hetsika ara-barotra, ary
mijanona ao anatin’ny fomba fanao
feno fahendrena eo amin’ny asa na ao
amin’ny firenena iasàna.
Ny hetsika ara-barotry ny Vondrona,
na any Frantsa na eran’izao tontolo
izao, dia atao ao anatin’ny fanajana
ny rafitra misy ao amin’ny firenena
tsirairay avy, ary miezaka mamantatra
izany ny mpiara-miasa. Ny orinasan’ny
Vondrona dia manaja ny fitsipika
Ny fanomezan-tànana avy amin’ny
iraka, na ny mpanoro-hevitra na
mpanelanelana eo amin’ny lafiny
ara-barotra, dia mety ho ilaina
rehefa somary tery ny toerana misy
ny Vondrona, na noho ny fahaizany
ara-teknika. Izany tarehin-javatra
15. Hetsika ara-barotra
– Fifandraisana amin’ny
mpanjifa sy mpamatsy
Fitsipi-pitondrantena ara-moraly ao amin’ny Vondrona Bouygues - 2006
11
izany ihany no azo hanamarinana
ny fampiasana ireny mpanelanelana
ireny, raha toa ka tena mivaingana
tokoa ny asany. Mifanaraka
amin’ny asany ny karamany, ary ny
fandoavana izany dia manaraka izay
voafaritra ao amin’ny fifanekena
nosoniaviny, ao anatin’ny fanajana ny
fitsipika anatiny.
Tandreman’ny talen’ny orinasa
voatondro ny fanaraha-maso
ireny fanampiana eo an-toerana
ireny ary koa ny asa tena vitan’ny
mpanelanelana marina ao anatin’ny
fanajana ny fitsipi-dalàna misy ao
an-toerana.
Tsy manaiky ny handray mivantana
na ankolaka, karama, na fanomezana,
na fampindramam-bola, na
fanalàna hamoamo na tombotsoa
avy amin’olona manan-draharaha
ifandraisana amin’ny Vondrona, ny
mpiara-miasa. Ny fomba fanajana na
fandraisana mahazatra, ny fiarahamisakafo noho ny raharaha iraisana,
na fihetsiketsehana hafa mifandraika
amin’ny fomba amam-panao ao
amin’ilay firenena, na eo amin’ny asa,
ary ny fanomezana ankoatry ny vola
raha toa ka tsy lafo vidy izany, ary
raha toa ka fomba fanao izany, ireo
ihany no azo ekena. Samy manontany
tena raha ara-dalàna tokoa ny
fanomezana izatsy na tombotsoa
zaroa, na mety hisy fiantraikany
amin’ny asany ao amin’ny Vondrona
izany, ary raha mety ho heverin’ilay
mpanome fa voavidy ilay mpiaramiasa. Ny ambaratonga ambony dia
tokony hahafantatra izay fitaomana
na tolotra tombotsoa manokana atao
amin’ny mpiara-miasa izay.
16. Ny kolikoly
Ny fifampiraharahàna na ny
fanatanterahana ny fifanekena dia tsy
12
tokony hanome endrika azo adika ho
fihetsika manao na mandray kolikoly,
na ho firaisana tsikombakomba
amin’ny fanaovana tsindry bokotra
na koa fitongilànana. Ny fividianana
mpiasam-panjakana vahiny amin’ny
endriny rehetra, dia voaràra, indrindra
indrindra araka ny Fifanarahana
OCDE momba ny ady amin’ny kolikoly
tamin’ny 17 Desambra 1997.
17. Ny fampihàrana ny
fitsipi-pitondratena
Ny sampana isanisany ao amin’ny
Vondrona dia tompon’andraikitra
amin’ny fanatanterahana ity fitsipipitondratena ity, arakaraka ny
hamehana sy ny endriky ny asany avy,
na koa ny toerana jeografika misy azy.
Tsy maintsy manaja sy mampihàtra
ireo fitsipika ao anatin’ity fitsipipitondratena ity ny mpiara-miasa
rehetra tsy ankanavaka, arakaraka
ny asany sy andraikiny avy. Araka
izany, dia samy tsy maintsy mailo ny
tsirairay avy momba ny tenany,na ny
manodidina azy ao anatin’ny tarika
misy azy, na momba ireo olona eo
ambany fifehezany.
18. Ny fanairana
Raha miatrika olana ara-moraly
ny mpiara-miasa iray, dia tateriny
amin’ny lehibeny tompon’andraikitra
izany, na amin’ny talen’ny orinasa
iasàny, ao anatin’y fe-potoana
ahafahan’izy ireo manolotra
sosokevitra mahomby, na mandray
fanapahankevitra sahaza izany.
Andraikitry ny lehibe mifehy sy ny
mpitantana ny orinasa ny manampy ny
mpiara-miasa hamaha ny olona mety
ho atrehin’izy ireo. Raha sanatria misy
Fitsipi-pitondrantena ara-moraly ao amin’ny Vondrona Bouygues - 2006
fisalasalàna, dia manatona haingana
ny sampan-draharaha misahana ny
lalàna, na ny mpiasa, na maka
toro-hevitra avy any ivelany raha
ilaina izany.
Tsy misy endrika fanasaziana azo
ampiharina amin’ny mpiara-miasa izay
nampandre amin-kitsi-po ny fisian’ny
fandikàna ity Fitsipika ity.
Azon’ny mpiara-miasa atao ihany koa
ny mampiasa ny fepetra fanairan’ny
Vondrona momba ny asa. Araka ny
fahazoan-dàlana tokana nomen’ny
CNIL araka ny fanapahankevitra n°
2005-305 tamin’ny 08 desambra
2005, ny fepetra fanairan’ny
Vondrona momba ny asa dia
fehezin’ny fitsipika manaraka eteoana:
Sehatry ny fepetra fanairan’ny
Vondrona
Ny sehatry ny fepetra fanairan’ny
Vondrona dia voafetra amin’ireto
lafin-javatra manaraka ireto:
• ny kolikoly,
• ny tsy fahamarinana eo amin’ny
lafiny kaonty,
• ny tsy fahamarinana eo amin’ny
lafiny tsenam-bola.
Ny olona voakasiky ny fepetra
fanairan’ny Vondrona
Ny mpiara-miasa izay mety ho voakasiky
ny fanairana dia ireto manaraka ireto:
• kolikoly: ny mpitantana,
ny tompon’andraikitra sy
ny mpiara-miasa ao amin’ny
sampan-draharaha misahana
fividianana entana, vinavinan’asa,
asa goavana, informatika,
varotra sy làlam-barotra.
• tsy fahamarinana eo amin’ny
lafiny kaonty: ny mpitantana,
ny tompon’andraikkitra sy
ny mpiara-miasa ao amin’ny
sampandraharaha momba
ny fanamarinana, fitatanam-bola,
toe-bola sy famatsiam-bola.
• tsy fahamarinana eo amin’ny
tsenam-bola: ny mpitantana,
ny tompon’andraikitra sy
ny mpiara-miasa ao amin’ny
sampandraharahan’ny toe-bola
sy famatsiam-bola, ary amin’ny
ankapobeny, rehefa mpiaramiasa mety hanana tarehi-marika
manokana.
Ny fomba fanetsehana ny fepetra
fanairana ny Vondrona eo amin’ny
lafiny asa
Ny fampiharana ny fepetra fanairana
dia tsy an-tery. Tsy azo hetsehina
izany raha tsy ao anatin’ny fanajana
tanteraka ny lalàna sy fitsipika azo
ampiharina, ary amin’ny fotoana
manokana mampikatso ny lehibe
mpifehy, na ny fepetra fanairana
napetraky ny lalàna, na koa ny fepetra
fanaraha-maso misy ao anivon’ny
Vondrona na ny orinasa voakasika. Tsy
azo tohinina ny mpiasa iray raha toa
ka tsy nampiasa ny fepetra fanairana.
Mitonona anarana izay nampihetsika
ny fepetra fanairana. Ary raisina ho
tsiambaratelo fatratra ny anarany.
Izay nampiasa tafahoatra ny fepetra
dia ihàran’ny sazy, ary mety ho
enjehina eo amin’ny fitsaràna. Fa ny
fampiasana ny fepetra an-kitsi-po,
eny fa na dia hita aza fa diso izany
aty aoriana, dia tsy mitarika sazy ho
an’izay nanao izany.
Ny andefasana ny fanairana ny
Vondrona momba ny asa
Ny zava-misy sy ny tarehin-javatra
dia anlefan’ny nanao ny fanairana
amin’ny Tompon’andraikitry ny
Fitsipi-pitondrantena ara-moraly ao amin’ny Vondrona Bouygues - 2006
13
fitsipi-pitondratena ao amin’ny
Vondrona, ary aminy irery ihany.
Araka izany, dia voatery tsy maintsy
mitazona tsiambaratelo tsara hidy
ny Tompon’andraikitry ny fitsipipitondratena ao amin’ny Vondrona.
Sady manafina ny anaran’ilay nanao
fanairana ny Tompon’andraikitry ny
fitsipi-pitondratena, no mitandrina
ny tsy hamoaka afa tsy ny vaovao
sy tarehi-marika ilaina amin’ny
fanamarinana sy ny fandraisana
an-tanana ny fanairana,
eo ampandraisana an-tsoratra ilay
fanairana sy eo ampikarakaràna azy.
Amin’ny ankapobeny, dia miantoka fa
hanaja ny fitazonana tsiambaratelo,
tsy hampiasa ireo zavatra sy
tarehi-marika ho amin’ny tanjona
hafa, hanaja ny fe-potoana
fitahirizana azy, ary hamotika azy
na hamerina azy araka ireto fitsipika
velona ireto, izay olona voatendry
handray sy/na hikarakara ny fanairana
momba ny asa.
Ny votoatin’ny fanairana ny
Vondrona momba ny asa
Ny trangan-javatra, ny zava-misy,
sy vaovao voatatitra amin’ny fomba
mazava, mifandray mivantana amin’ny
lafin-javatra tafiditra ao anatin’ny
sehatry ny fepetra fanairana (kolikoly,
tsy fahamarinana eo amin’ny kaonty,
sy tsenam-bola), ary tena ilaina
amin’ny asa fanamarinana ihany
no ho raisina an-tanana.
Eo amin’ny lafiny serasera,
dia havoitran’ny Tompon’andraikitra
momba ny fitsipi-pitondratena
ny endriky trangan-javatra,
tarehi-marika na zava-misy ary rehefa
mety ho fomba filazana ilaina amin’ny
fanoritsoritana azy.
14
Ny zon’ny olona voatondron’ny
fanairana ao amin’ny Vondrona
Ny olona voatoron’ny fanairana
dia mahazo fampilazana raha
vao voarakitra an-tsoratra,
ara-informatika na tsia, ny zava-misy
momba azy. Manan-jo hahafantatra
izany izy, ary afaka mangataka
fanitsiana na famotehana raha toa ka
tsy mari-pototra, mampisalasala na
efa lany andro ilay izy.
Raha ilaina ny fepetra fitahirizana,
mba hiarovana amin’ny fanimbana
ny porofo momba ny fanairana
indrindra indrindra, dia atao aorian’ny
fandraisana fepetra ny filazana
amin’ilay olona voakendrin’ny
fanairana.
Ireto filazalazana manaraka ireto dia omena
ny olona voatondro:
• ny kopian’ireto fitsipika mifehy ny
fombafomba momba ny fanairan’ny
Vondrona ireto,
• ny toe-javatra hanomezan-tsiny azy,
• ny lisitry ny sampandraharaha mety
ho andefasana ny fanairana,
• ny fepetra fampiharana ny zo
ahafahany mamantatra sy manao
fanitsiana.
Tsy azo lazaina amin’ny olona
voatondro tamin’ny fanairana mihitsy
ny anaran’ilay olona loharanon’ny
fanairana.
Ny tohin’ny fanairana ny Vondrona
momba ny asa
Aorian’ny fandinihana ny
fanaiarana, dia manao filazana
amin’ny ambaratonga voakasika
ny Tompon’andraikitry ny fitsipipitondrana. Manao ny fanadihadiana
ilaina ary manapakevitra momba izay
tohiny omena ny fahadisoana hita
maso, toy ny sazy famaizana tsotra,
Fitsipi-pitondrantena ara-moraly ao amin’ny Vondrona Bouygues - 2006
na ny fametrahana fitoriana any
amin’ny fahefana administratifa na
mpitsara ireo tompon’andraikitra ireo.
Rehefa zava-misy aparitaka ao
amin’ny sehatry ny fampiharana ny
fepetra fanairana nefa tsy tafiditra
ao anatin’ny lafin-javatra voatonona
etsy ambony, dia ho potehin’ny
Tompon’andraikitry ny fitsipipitondrantena, raha tsy hoe angaha ny
ain-dehiben’ny orinasa voakasika, na
ny toe-batana na moralin’ny mpiaramiasa no voatohitohina. Amin’izay
fotoana izay, dia afaka manapakevitra
ny hanaitra ny ambaratonga
amboniny sy/na ny manampahefana
tompon’andraikitra izy.
Ity boky kely ity dia
natonta tamin’ny taratasy
nahazo fanamarinana PEFC
(programa eoropeana
momba ny àla voamarina).
Ny fanamarinana
iraisam-pirenena PEFC dia
miantoka ny fanajana
ny fehezan-dalàna momba
ny fitantanana maharitra
ny àla, ary ny fanarahamaso hatrany amin’ny
Fe-potoana hitahirizana ny atontantaratasy momba ny olona
mpampanjifa farany.
Rehefa mety ho atontan-taratasy
efa voamarina dia ho potehan’ny
Tompon’andraikitry ny Fitsipipitondratena ao anatin’ny enim-bolana
miainga avy amin’ny famaranana ny
fanamarinana, raha tsy hoe angaha
misy resaka fanasaziana famaizana,
na fitoriana any amin’ny fitsarana
mitory ilay olona voatoro na ilay
olona nanao fanairana tafahoatra.
Amin’izay fotoana izay, dia tahirizina
hatramin’ny fiafaràn’ny fitarainana ny
antontan-taratasy. n
tena ity dia novokarin’ny
Tompon’andraikitry ny
Fitsipi-pitondratena
Jean-François Guillemin Sekretera Jeneralin’ny Bouygues
Mailaka: [email protected]
Ity fitsipi-pitondra-
Fitantanana Serasera
ao amin’ny Vondrona
Bouygues.
_ Desambra 2006 _
Bouygues
32 Avenue Hoche
75008 Paris, France
www.bouygues.com
Dikateny: Sampana
Mpandikatenin’ny
Bouygues, Datawords.
Ny dikaten’ity
Fitsipi-pitondratena ity
amin’ny teny frantsay ihany
no manan-danja.
Voaràra mafy rehefa mety
ho fanovàna atao amin’ity
Fitsipi-pitondratena ity. Ny
fandikàna na ny fanapariahana an’ity Fitsipi-pitondratena ity any ivelan’ny
Vondrona Bouygues dia tsy
maintsy mandàlo amin’ny
fahazahoan-dàlana avy
amin’ny Bouygues S.A.
Fitsipi-pitondrantena ara-moraly ao amin’ny Vondrona Bouygues - 2006
15
Fitsipi-pitondratena: izay tokony
ho tadidiana
Ato anatin’ity Fitsipi-pitondratena ity, dia amafisin’i Bouygues ny
harem-panahy fototra izay tiany ho hajaina noho ny andraikiny eo
anatrehan’ny mpanjifa, mpiara-miasa, tompona petra-bola, mpiray
antoka ara-panjakana na tsia, ary eo anatrehan’ny mpiara-monina sivily.
Manantena mihitsy i Bouygues fa ny mpiara-miasa aminy rehetra
ao amin’ny Vondrona dia hankato ireo harem-panahy fototra ireo eo
amin’ny asany:
1 fampihàrana tsy misy tomika ny lalàna, fehezan-dalàna sy
fitsipika anatiny, indrindra ao amin’ny lafiny fiarovana ny
fahasalamana, ny loza ary ny fitandrovana ny tontolo iainana;
2 fanajana ny mpiara-miasa amin’ny fanarahana ny Fanambarana ny
Zon’Olombelona Erantany, ary ny fifanarahana fototry ny Rafitra
Erantany momba ny Asa;
3 fahamarinana, fanarahana ny rariny ary mangarahara eo
anatrehan’ny mpanjifa, ny tompona petra-bola ary ny mpiray antoka;
4 fahamarinana sy fahatokisana ny fanamarinana anatiny, ny kaonty
sy ny tarehi-marika ara-bola;
5 fanajana ny fitsipika mifehy ny fifaninanana malalaka sy
fandàvana ny kolikoly amin’ny endriny rehetra, indrindra fa ireo
voaràran’ny OCDE (Rafi-pandaminana momba ny Fiaraha-miasa sy
Fandrosoana ara-Toe-karena);
6 fahatsorana eo amin’ny fifandraisana amin’ny orinasa, indrindra
indrindra amin’ny alàlan’ny fiodivirana ny tombotsoa mifanipaka,
ny fahalemena momba ny tsiambaratelo, ary ny fikirakiràna
tsenambola voaràra amin’ny taratasim-bolan’n Vondrona;
7 toe-tsaina tia firaisankina eo amin’ny fifaneraseràna amin’ny
vondrona anatiny;
8 fiarovana ny fanànan’ny Vondrona, amin’ny alàlan’ny tsy fangalàna
zavatra ho an’ny tena;
9 fitandrovana lalandava ny kalitao sy ny fandrosoana maharitra;
10 tsy fiandaniana ara-politikan’orinasa, indrindra amin’ny tsy
fandraisana anjara amin’ny famatsiam-bola amin’ny raharaha
politika.

Documentos relacionados

Torolalana ho an`ny Ben`ny tanana, 2000

Torolalana ho an`ny Ben`ny tanana, 2000 (Lalàna Lf 94-008, and. voalohany). Ny Kaominina, izay vondromparitra fehezin'ny lalàna mifehy ny Fanjakana dia manaraka ny zo aman'andraikitra ananan'ny isambatan'olona sy fizakan-tena ara-bola sy...

Leia mais

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny Ny nanamarika ny herinandro voalohany tamin’ny volana oktobra dia ny famindram-pahefana tany amin’ny kaominina maromaro teto amin’ny nosy. Ny tao an-drenivohitra no tena nahasarika ny haino aman-je...

Leia mais

Fiainana Taloha sy Fiovam-po.

Fiainana Taloha sy Fiovam-po. tamin'ny fahitàna. Io tetezana io izay mbola tsy teo, miampita ny Renirano Ohio avy any Louisville mankany Jeffersonville. Nolazainy ireo namany fa afaka nahita ilay tetezana izy teo ary nihori-ko...

Leia mais

Ny valan-javaboarin-pirenena Masoala – Ny ambadika ny medaly

Ny valan-javaboarin-pirenena Masoala – Ny ambadika ny medaly taona 2005 nisy lalàna entitra dia entitra mivoaka manoloana ny fiarovana ny zava-boary eto Madagasikara. Araka ireo mpahay lalàna momba ny zavaboary sy ny mpampihindram-bola tandrefana sy ireo mpi...

Leia mais

Foto-kevitry ny Fampianarana

Foto-kevitry ny Fampianarana (fampianaran’Andriamanitra) homban-tanjona. Isaky ny pejin’ilay boky lehibe mirakitra ireo asa izay noforoniny dia mety mbola hita soritra ao ny sora-tanany (soratanan’Andriamanitra). Mbola miresak...

Leia mais

Teny Fampidirana.

Teny Fampidirana. sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany." Avy amin'ireo andininy ireo dia hinoako fa ny fahafenoan'ny ny Batisan’ny Fanahy Masina dia mitondra hery ny mpandray mba handeha sy hijoro ho vavolombel...

Leia mais

Hampakatra saran-dalana - Madagascar

Hampakatra saran-dalana - Madagascar Mamely matahotra ihany ny taxi-be amin'ity fandraisana fepetra amin'ny saran-dàlana ity satria tsapan'izy ireo ny fahasahiranan'ny olona, nefa tsapan'ny olona ihany koa fa mandrangaranga fampakaran...

Leia mais