RI UGBM lany t@ Zaikabe 2007 - Groupe Biblique Local Sambava

Transcrição

RI UGBM lany t@ Zaikabe 2007 - Groupe Biblique Local Sambava
0
UNION DES GROUPES BIBLIQUES DE
MADAGASCAR
BP - 101 Antananarivo - Tél 22 612 38 /033 11 832 26
E-mail <[email protected]
Notre vocation : présenter Jésus Christ aux élèves et étudiants
1
UGBM B.P 4181 Antananarivo – 101
Tél . 22 612 38 – e-mail :[email protected]
Lot II F 35 Ter Antsahameva – Andraisoro
FITSIPIKA ANATINY - U G B M
Savaranonando:
Ny « Statuts » na ny Sata dia manoritsoritra ny maha-izy ny fikambanana. Izay fara fahakeliny takian’ny lalàna ihany no
voarakitra ao.
Ny Fitsipika Anatiny kosa no mamelabelatra izay voalaza ao anatin’ny Sata kanefa tsy voavahavaha. Izy koa no mirakitra
izay rehetra tsy voalaza ao amin’ny Sata kanefa tena mahakasika ny fiainan’ny fikambanana araka ny voalaza ao amin’ny andininy
faha-19.
Natao hiainana sy hampiharina eo amin’ny fiainana an-davanandron’ny fikambanana ny Fitsipika Anatiny, noho izany dia
tokony ho fantatry ny mpikambana rehetra – ary indrindra indrindra, tokony ho voafehin’ny mpiandraikitra isan’ambaratonga tsara.
TITRE I: NY "BASE DOCTRINALE"
And.1
- Tsy azo ovàna ny vontoatin’ny "Base Doctrinale" ary tsy maintsy eken'izay rehetra te-hirotsaka ho mpikambana
- Mila manao sonia azy io ny mpiandraikitra Foibe rehetra (ny mambran'ny Conseil d'Administration (CA), ny mambran'ny
Secrétariat Général (SG), ny Délégué UGBM) isaky ny fotoam-pivorian'ny Filan-Kevi-Pirenena (FKP) na ny mpiandraikitra vao
voafidy izany, na izay nohavaozina tamin'ny andraikiny, na ny Matihanina.
- Mila manao sonia azy io koa ny Komitin'ny Groupe Biblique Local (GBL) izay vao nofidiana.
TITRE II: NY RAFI-PITANTANANA
And. 2 Momba ny Filan-Kevi-Pirenana (FKP)
Misy karazany roa ny FKP:
- ny FKP tsotra
- sy ny FKP manokana
2.1 Momba ny FKP tsotra
FKP natao handinihana sy handraisana fanapahan-kevitra momba ny fiainana an-davanandron'ny Fikambanana.
2.1.1 Fotoam-pivoriana, fetr'isa (quorum), fanomezam-pahefana (procuration)
- Mivory isan-telo taona mandritra ny fotoana anaovana ny Zaikaben'ny Fikambanana ny FKP raha tsy misy zavatra tsy
azo anoharana ka ny CA no manao antso
- Faharetany: 4 – 10 andro
- Toerana hanaovana FKP amin’ny manaraka: manolo-kevitra toerana 3 ny FKP ary ny SG no mandalina ireny sy
manapa-kevitra.
- Fetr'isa (quorum) sy fanomezam-pahefana (procuration):
Amin'ny fotoam-pivoriana tsotra dia azo tanterahina ny FKP raha ny an-tsasa-manila miampy iray amin'ny GB mivondrona ao
amin'ny UGBM no tonga na voasolo tena. Azon'ny GBL tsy afaka hanatrika ny FKP atao ny manome fahefana GBL hafa hisolo
tena azy sy handray fanapahan-kevitra amin'ny anarany – antony manokana tena tsy azo anoharana anefa vao azo ekena ny
fanomezam-pahefana, izay tsy maintsy ampahafantarina ny Foibe mialoha; ny fanomezam-pahefana dia tsy maintsy vita antsoratra ary voasonian'ny Tonia sy komity iray ka voamarin'ny Délégué UGBM eo an-toerana (raha misy), na ny Tonian'ny Sakaiza
(raha tsy misy Délégué UGBM)
2.1.2 Ny mambra manan-jo hanapa-kevitra amin'ny FKP :
- ny mambran’ny CA
- ny mambran’ny SG afa-tsy ireo Matihanina
- ny Délégué UGBM any amin’ny GBL
- ny solontenan’ny GBL tsirairay (Universitaires, Secondaires, Amis) izay feran’ny SG arakaraky ny tanjany ara isa
(prorata numeris) ary ampahafantariny ny CA. Ny ho solon-tenan’ny GBL dia izay.Komity voafidy na hofidiana ka lohalaharana
amin'izany ny Tonia
Afaka manatrika ny FKP sy manome tolo-kevitra saingy tsy manapa-kevitra kosa :
- Ny mambra rehetra amin’ny UGBM sy ny avy amin’ny GBUAF sy IFES
- Ireo olona nasaina manokana (ny UGBM dia afaka miantso olona ivelan’ny Fikambanana raha misy ilàna izany)
2.1.3 Ny birao mitarika ny FKP:
Ny Filoha sy Filoha Lefitry ny CA ary ny Sekreteran’ny UGBM no birao mitarika ny dinik'asa FKP rehetra ary
tompon'andraikitra amin'ny fifehezana ny fotoam-pivoriana mba hahatrarana ny zava-kendrena.
Toy izao amin'ny ankapobeny ny andraikitry ny Birao:
a) Filoha
2
- Mitarika sy mandrindra ny fivoriana
- Mitandro ny hisian'ny filaminana hatrany ary manao izay hahalavorary ny laha-dinika ara-potoana.
- Mamoaka olona na mampiato ny fivoriana raha misy ilàna izany.
b) Filoha Lefitra:
- Manampy ny Filoha – Misolo toerana ny Filoha raha misy tsy fahafahany
d) Sekretera:
- Mandray an-tsoratra ny fizotry ny dinik'asa rehetra
- Mamintina an-tsoratra ka atao FANAMBARANA, ny fizotry ny fotoana sy ny hevitra tapaky ny FKP rehetra.
Fanamarihana: Ny fahefan'ny birao dia mandritra ny fotoam-pivoriana ihany, ary feran'ny Tenin'Andriamanitra sy ny Statuts ary ny
Fitsipika Anatiny UGBM izany.
2.1.4 Momba ny dinik'asa sy ny lahadinika
Ny soso-kevitra dinik'asa dia raisina avy amin'ny GB (U,S, A), CA sy SG ary mila tonga 2 volana mialohan'ny FKP ao
amin'ny Foibe izany fara fahatarany. Izay soso-kevitra tonga aorian’izany dia tsy raisina intsony.
Ny CA no mandravona sy manivana izay tokony hodinihana any amin'ny FKP ary mandefa izany indray any amin'ny GBL
iray volana mialohan'ny FKP.
Na izany aza, ny FKP dia manana fahefana hanolotra lahadinika vaovao lany eran’ny be sy ny maro, ankoatr'ireo efa
voalahatra.
2.1.5 Fomba fifidianana
Araka izay tapaka na ifanarahan'ny be sy ny maro avy amin'ny tolo-kevitry ny birao FKP
Lany izay olona na fehin-kevitra eken'ny an-tsasa-manilan'ny mpifidy, afa-tsy amin'ny fandaniana Statuts na Règlement
Intérieur izay mitaky ny faneken'ny roa ampahatelon'ny mpandatsa-bato (2/3)
2.1.6 Famaranana ny FKP
Rehefa vita ny dinik'asa rehetra, dia fintinin'ny birao an-tsoratra ka atao Fanambaràna ny hevi-dehibe tapaky ny FKP. Eo
am-pitsanganana no ihainoan'ny mpanatrika rehetra ny Fanambaràna izay vakian'ny Sekretera amin'ny fotoam-pamaranana ny
fivoriana. Aorian'ny fanambarana ny fikatonan'ny FKP ataon'ny Filoha mpitarika, dia atolotry ny birao amin'ny Filoha vaovao na ny
Filoha Lefitra vaovao na izay Mpanolo-tsaina zokiny indrindra vao voafidy ireo an-tontan-taratasy rehetra ary mifarana eo koa ny
andraikitra sy fahefan'ny birao.
2.1.7 FKP voafetra (na restreint)
FKP tsotra ihany izy ity (izany hoe handinihana ny fiainana an-davanandron'ny Fikambanana) kanefa noho ny toe-javamitranga eo amin'ny Firenena na eo amin'ny Fikambanana dia voatery ferana ihany ny isan'ny mpanatrika sy ny faharetany ka ny
CA sy SG no miara-midinika momba izany.
Ampiharina izay rehetra voalaza etsy ambony afa-tsy ny § 2.1.1
2.2 Momba ny FKP manokana
FKP antsoina manokana araka ny fangatahan'ny telo ampahaefatry ny mambra CA, na ny antsasaky ny GB mivondrona
ao amin'ny UGBM, mba handinihana lohahevitra manokana sady lehibe mahakasika ny Fikambanana (oh. Fandravàna ny
Fikambanana)
2.2.1 Fepetra
a) Fetr'isa (quorum):
Tsy misy fetr'isa fa afaka mivory izay tonga, saingy tsy maintsy mahafeno ny fepetra voalaza ao amin'ny d) etsy ambany
vao lany ny fehin-kevitra antom-pivoriana.
b) Ny manan-jo hanapa-kevitra:
- ny mambran'ny CA
- ny mambran'ny SG afa-tsy ny Matihanina
- ireo Délégués UGBM any amin'ny GBL
- solon-tena iray isaky ny GBL (U, S, A)
d) Fahalanian'ny fehin-kevitra (validité du vote):
Tsy lany ny fehin-kevitra raha tsy ny 3/4 ny olona rehetra manan-jo hifidy araka ny voalaza ao amin'ny b) etsy ambony no manaiky
azy. Tsy ekena ary tsy manan-kery ny procuration fa takiana kosa ny handefasan'ny olona manan-jo hifidy na izay GBL tsy tonga
ny heviny an-taratasy (vote par correspondance); izany anefa dia tsy maintsy manaraka ny fepetra voalaza ao amin'ny "Manuel du
GB – Titre II – E § 4 Ny fifidianana an-taratasy – Fepetra" Raha tsy azo mandritra ny fotoam-pivoriana manokana izany dia asaina
alefany any amin'ny Foibe ka ao anatin'ny iray volana no tsy maintsy haharaisan'ny Foibe azy. Tsy mana-kery ny fanehoan-kevitra
amin'ny e-mail na an-telefaonina. Aorian'ny fahazoana ny hevitry ny olona rehetra vao avoakan'ny CA ny valin'ny fifidianana.
2.2.2 Momba ny fandravana ny Fikambanana
Aorian'ny fahalanian'ny fehin-kevitra fandravàna, ny CA dia manendry olona 1 na 2 hiandraikitra ny famindrana ny
fananan'ny UGBM amin'izay fikambanana mitovy tarigetra aminy
And. 3 Momba ny Conseil d'Administration
3.1 Andraikitry ny CA
Ireto koa ny andraikitry ny CA ambonin'izay efa voalaza ao amin'ny Statuts - Article 10 - § 10.3:
- mandrafitra ny Plan stratégique ho amin'ny 3 taona, avy amin'ny sori-dalana nomen'ny FKP
- manendry ireo olona ome-pahefana hanao sonia ny taratasim-bolan'ny UGBM
- manendry ny Commissaire aux comptes
3
- mitandro ny hisian'ny firahalahiana sy fiainana ny Tenin'Andriamanitra ao amin'ny Fikambanana
Araka ny voalaza ao amin'ny And.1, ny mambra CA vao voafidy dia miara-manao sonia ny base doctrinale-n'ny UGBM
Ny tondron'andraikitry ny mpikambana ao amin'ny CA dia voarakitra ao amin'ny Manuel du GB – Annexe I-A
3.2 Fe-potoana iasana
- Telo taona azo havaozina indroa fara fahabetsany, no fe-potoana azon’ny mpikambana iray isahanana ny andraikitra
maha CA.
- Ny solon-tenan'ny mpianatra ao amin'ny CA, tsy mianatra intsony, dia soloin’izay nahazo vato be indrindra nanarakaraka
tamin’ny fifidianana natao, fa raha tsy izany dia soloina mandritra ny CNU akaiky indrindra.
- Ny solon-tenan’ny Sakaiza ao amin’ny CA izay tsy afaka hanohy intsony noho ny antony maro samihafa dia soloin’izay
nahazo vato be indrindra nanarakaraka tamin’ny fifidianana natao fa raha tsy izany dia soloina mandritra ny AsCA akaiky indrindra.
3.3 Fotoam-pivoriana
3.3.1 Fivoriana ara-potoana:
- Telo ny fivoriana ara-potoana ataon'ny CA mandritra ny taom-piasana:
+ ny voalohany, amin'ny Oktobra na Novambra: fandaniana (validation) ny tatitra farany (rapport final) ataon'ny Tonia UGBM ary
fanitsiana ny programan'asa sy teti-bola (raha ilaina)
+ ny faharoa, amin'ny Février na Mars: anaovana tomban'ezaka antenantenany
+ ny fahatelo, amin'ny Jona na Jolay: anaovana tomban'ezaka farany, fandaniana (validation) ny PTA sy ny teti-bola entin'ny Tonia
UGBM momba ny taom-piasana manaraka
- Tsy azo atao ny fivoriana raha tsy ny an-tsasa-manilan'ny mpikambana no tonga.
- Amin'ny fiantsoana faharoa dia afaka mivory sy manapa-kevitra izay tonga
3.3.2 Fivoriana tsy ara-potoana:
Afaka mivory tsy ara-potoana ny CA raha misy antony lehibe ilàna izany, araka ny fanapahan-kevitry ny Filoha na ny
fangatahan'ny antsasaky ny mambra ao aminy.
3.4 Fandanian-kevitra sy fitanana an-tsoratra
- Amin’ny fehin-kevitra tsotra, dia lany ny fehin-kevitra eken'ny an-tsasa-manilan'ny mpivory araka ny fomba izay neken'ny
be sy ny maro (tsangan-tanana na latsa-bato miafina).
- Amin’ny fanapahan-kevitra lehibe kosa (grande orientation) sy ny fanendrena Tonia, dia takiana ny faneken’ny 3 / 4 ny
mpikambana ao amin’ny CA
- Ny Tonia UGBM dia tsy mandray anjara amin’ny fifidianana. Izy no miandraikitra ny fitanana an-tsoratra ny fivoriana
rehetra ataon'ny CA
3.5 Ny biraon'ny CA
3.5.1 Ny mpikambana ao:
- ny Filohan'ny CA
- ny Filoha Lefitra
- ny Mpitahiry vola
- ny Tonia UGBM
3.5.2 Ny andraikiny:
- mamaritra sy mandinika mialoha ny lahadinika sy ny votoatin-kevitra hodinihina ao amin’ny fivorian’ny CA ka mandefa izany folo
andro mialoha any amin’ny mambran’ny CA
- manara-maso ny fandehan’ny ara-bola
- mandray izay fanapahan-kevitra maika amin’ny toe-java-miseho anelanelan’ny fotoam-pivorian’ny CA, fa tsy maintsy manao
tatitra aminy ny amin’izany; na izany aza, dia tsy azon'ny birao atao ny mandray fanapahan-kevitra lehibe mi-engager ny
Fikambanana
3.5.3 Fomba fiasany
- Ny Filoha no mampiantso sy mitarika ny fivoriana 2 herinandro mialohan'ny fivorian'ny CA mba hanomanana izany
fivoriana izany
- Afaka mivory tsy ara-potoana koa raha misy fanapahan-kevitra maika araka ny antson'ny Filoha noho ny toe-javamiseho na noho ny fangatahan'ny 2 amin'ireo birao. Ny fivoriana tsy ara-potoana anefa dia tsy tokony hihoatra ny in-2 eo
anelanelan’ny fivoriana ara-potoana roa.
3.6 Fepetra samihafa
3.6.1 Ny mambra CA amperin’asa dia tsy azo fidiana hitana andraikitra eny anivon’ny GBL
3.6.2 Fampiatoana na fanesorana mambra CA
Ankoatr'izay voalaza ao amin'ny Titre III – And.6 -§ 6.6 momba ny fampiatoana sy fanesorana mambra, dia azo
ampiatoana amin'ny andraikiny fa toy ny manala tena izay mambra CA tsy nivory in-telo misesy kanefa tsy nampandre mialoha. Ny
fanoloana azy dia manaraka ny fepetra voalaza ao amin’ny 3.2 etsy ambony
And.4 Momba ny Secrétariat Général
4.1 Ny andraikiny
Fahefana mpanatanteraka ao amin'ny UGBM ny SG ka toy izao avy ny andraikiny amin''ny ankapobeny:
- manao izay hahatratrarana ny tanjona napetraky ny CA araka ny sori-dalana nomen'ny FKP
- mandrafitra ny programan’asa hotanterahina (PTA) miainga avy amin’ny « Plan Stratégique » aroson’ny CA.
4
- mandray ny soso-kevitry ny CA sy ny fanamarihany momba ny programan'asa.
- mitandro ny fampiharana ny Fitsipika Anatiny sy ny fanajana ny Sata eny anivon’ny GBL
- mitaiza sy manofana ny GBL, manara-maso ny fiainany sy ny fiasany
- mandrafitra ny teti-bola isaky ny Departemanta sy manolotra izany amin’ny CA
- mitantana sy mikajy ny fananan’ny UGBM
- manendry ireo Délégué UGBM sy mampahafantatra azy amin'ny CA alohan'ny hanolorana azy any amin'ny FKP
- mamaritra izay Cellule na Satellite horaisina ho GBL ary manolotra azy amin'ny CA alohan'ny itondrana azy holanian’ny FKP
4.2 Ny firafitry ny SG sy ny fe-potoana iasany
4.2.1 Firafitra
- Ny Tonian’ny UGBM no mamaritra ny rafitra hitondrana ny asa ao amin’ny ny SG (organigramme) sy manolotra izany amin’ny CA
mba holaniany.
- Amin’ny ankapobeny dia ireto avy no poste mety ho hita ao amin’ny SG:
+ ny Tonian’ny UGBM – matihanina
+ ireo Sekretera Nasionaly – matihanina – dia: ny Secrétaire Administratif et Financier (SAF), ny Secrétaire National de
Projet (SNP), ny Secrétaire National des Amis (SNA), ny Secrétaire National des Universitaires (SNU), ny Secrétaire National des
Secondaires (SNS)
+ ireo Sekretera Rezionaly (SR) – matihanina
+ ireo miandraikitra departemanta – matihanina na tsia
+ ireo mitantana projets nasionaly (Responsable d’un projet) – matihanina na tsia
- Ny Tonian’ny UGBM no manendry ireo tsy matihanina ary manolotra amin’ny CA kosa ireo olona hotendrena ho matihanina.
4.2.2 Fe-potoana iasana
- Telo taona no fe-potoana iasan’ireo tsy matihanina ao amin’ny SG ary azo havaozina indroa izany.
- Ny matihanina kosa dia manana fifanarahana arak’asa (contrat de travail). Ny Fitsipika Anatiny mifehy azy ireo dia voarakitra ao
amin’ny "Règlement Intérieur régissant le personnel de l’UGBM"
Ny tondron’andraikitry ny mpikambana ao amin’ny SG dia voarakitra ao amin’ny Manuel du GB – Annexe I-B
4.3 Fivoriana
- Mivory in-telo isan-taona ny Komity Mpanatanteraka ka ny Tonian’ny UGBM no mampiantso sy mitarika izany.
Amin’ny fotoana tsy maha eo azy dia ny iray amin’ireo Sekretera Nasionaly izay nametrahany ny andraikitra no mitarika izany
- Ny Mpitantsoratra matihanin’ny UGBM no miandraikitra ny fitanana an-tsoratra ny fizotry ny fivoriana. Afaka manome ny heviny
mandritra ny fivoriana izy fa tsy mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra.
- Afaka miantso olona ivelan'ny SG, na ny Fikambanana, ny SG hakana hevitra amin-javatra manokana; tsy mandray anjara
amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra ireny olona asaina manokana ireny.
And.5 Momba ny Secrétariat régional
Ny Secrétariat régional no rantsana mpanatanteraky ny UGBM eny anivon'ny Faritra. Ny Secrétaire Régional no
miandraikitra azy. Izy no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fampandrosoana ny Faritra iadidiany. Afaka manangana komity
kely izy hanampy sy hanolo-tsaina azy amin'ny fitantanana ny Faritra. Amin'izao fiandohany izao dia ny SR no mifidy sy manendry
izay olona hitany fa ilaina hampandehanana ny asa. Aoriana dia azo heverina ny mametraka rafitra maty paika kokoa.
TITRE III: MOMBA NY GROUPE BIBLIQUE LOCAL
And. 6 Famaritana sy fepetra samihafa
6.1 Famaritana
Ny antsoina hoe GBL dia fitambaran’ny Fikambanana G B (GBU, GBS, Sakaiza) eo amin’ny toerana iray ka ny Délégué
UGBM no mandrindra ny asa ao.
Mety misy GBU sy GBS ary Sakaiza mitambatra ho GBL iray ; mety misy koa anefa tokana, na roa amin’ireo fotsiny
Ny GB iray dia tsy manana Statuts ara-panjakana manokana ho azy fa ny an'ny UGBM ihany no mitondra azy. Io no
aseho sy ampiasaina amin'izay mety ilaàna azy eo an-toerana.
Ny GB tsirairay kosa anefa dia tsara raha manana Fitsipika anatiny momba ny fifampitondrana (an-kasoavana na ankaratsiana) sy fandaminan-draharaha anatiny; izany anefa dia tsy tokony hifanohitra amin'ny FA-UGBM.
6.2 Fepetra fandraisana Cellule na Satellite ho GB
Ireto avy ny fepetra takiana:
- taratasy milaza fohifohy ny tantaran'ny "Cellule" na Satelita
- taratasy fangatahana hiditra ho GB voasonian'ireo mpiandraikitra (03 raha kely) afaka miasa amin'ny taona manaraka, misy
filazana ny faneken'ireo, tsy misy fepetra, ny Statuts sy F.A-UGBM,.
Ireo taratasy roa ireo dia mila tonga any amin’ny birao foiben’ny UGBM roa (02) volana mialohan’ny FKP
Ny SR no manome ny fanazavana momba ireo Satelita na Cellule horaisina ho GB
Voaray ny Cellule na Satelita raha eken'ny an-tsasa-manilan'ny FKP.
6.3 Fepetra fanafoanana GB
Fisehoan-javatra azo anafoanana GB ny:
5
- Fanitsakitsahana ny Statuts sy/na FA-UGBM
- Taratasy fametraham-pialana avy amin’ny fivoriam-ben’ny GB
- Toerana tsy misy mambra na tsy misy fivoriana intsony eo anelanelan'ny FKP roa.
6.4 Fepetra hidirana ho mpikambana ao amin'ny GB
Ekena ho mpikambana ao amin'ny GB iray izay mpianatra eny amin'ny Sekoly ambaratonga ambony (ho GBU), na
Ambaratonga faharoa (ho GBS) sy izay tsy mpianatra (ho Sakaiza) efa nateraka indray ary nahavita ny fanambarana
ampahibemaso dia ny Confession de foi sy Confession d’adhésion tahaka izao:
"Confession de foi" : Izaho Ra.................. dia manaiky marina fa mpanota ka mendrika ny fanamelohan' Andriamanitra ho
faty, kanefa mino aho fa Jeso dia maty nisolo ny heloko teo ambony hazo fijaliana ho famonjena ahy. Koa mino an’i Kristy ho
Mpamonjy ahy aho ary manaiky Azy ho Tompoko amin’ny fiainako rehetra.
"Confession d'adhésion" : Izaho Ra.................. dia manaiky tsy misy fepetra ny Statuts sy Fitsipika Anatiny UGBM rehefa
namaky sy nanazavana izany. Koa vonona aho hiara-miasa amin'ny Groupe Biblique eto an-toerana sy eran’i Madagasikara.
Andro samy hafa no anaovana ireo confessions roa ireo raha tsy amin'ny tranga manokana izay ny Komity eo an-toerana
no mahalala azy.
Ny Confession d'adhésion dia tsy maintsy atao eo anatrehan'ny Fivoriamben'ny GB aorian'ny dinika ifanaovana amin'ny
Komity, fa ny "Confession de foi" kosa dia azo atao any amin'ny cellule.
6.5 Fepetra momba ny fifamofoana
Ny mpikambana izay hifamofo ho amin'ny fanambadiana dia tsy maintsy manao fanambarana eo anivon'ny fivoriamben'ny GB misy azy.
6.6 Fampiatoana, fanesorana mambra
Ny Komity Groupe Biblique miaraka amin’ny Délégué UGBM eo amin'ny GBL no manam-pahefana amin’izany.
Antony azo ampiatoana na anesorana mambra iray :
- fangatahana fialana avy amin'ilay olona
- fanitsakitsahana ny Statuts, na ny F.A-UGBM na ny F.A-GBL
- fikirizana amin'ny toetra amam-pitondran-tena tsy mifanaraka amin’ny ny Filazantsara sy/na manalabaraka ny
Fikambanana.
Raha misy mambra sendra izany tranga izany dia adidin'ireo tompon’andraikitra ery aloha no manao ny ala-olana rehetra,
izany hoe manatona sy mihaona amin'ilay mambra, mampianatra sy mananatra ary manitsy azy araka ny voalazan'ny
Tenin'Andriamanitra. Raha mbola tsy miova amin'izany ilay olona dia na aato amin'ny andraikiny izy na esorina tsy ho mambra ka
izy ireo no tompon'ny fanapahan-kevitra amin'izany. Ambarany amin'ny Fivoriambe, ary tsy hiadian-kevitra, ny fanapahan-kevitra
fa izay mila fanazavana manokana dia manatona ny Délégué, na ny Komity.
Tsy maintsy lazaina amin'ny SR, izay hampita amin’ny Foibe (C.A & SG) rehefa avy eo, ny anaran'izay voan'izany sy ny
antony.
6.7 Famerenana mambra naato na nesorina
- Izay naato tamin’ny andraikiny na amin’ny maha-mambra azy rehefa tapitra ny fe-potoana fampiatoana ka feno ny
fepetra nangatahina taminy dia miverina avy hatrany ho mambra.
- Izay nesorina tsy ho mambra kosa kanefa maniry hiverina indray, na dia hitan'ny mpiandraikitra aza ny fiovàny dia tsy
maintsy manao “réadhésion”
And.7 Momba ny GBU sy GBS
7.1 Momba ny Komitin'ny mpianatra sy ny fifidianana azy
Ireto avy ny postes mety ho hita ao amin’ny komity GBU na GBS iray: Tonia, Tonia Lefitra, Sekretera, Mpiandraikitra ny
FIFI, Literatiora, Kolontsaina, Fitaovana, Vola ary ny Vaovao sy Vavaka. Tsy voatery hisy olona avokoa ireo postes ireo fa
arakaraky ny tanjaky ny GB sy izay ilain'ny eo an-toerana no andrafetana azy.
Fidiana isan-taona ny Komitin'ny mpianatra, ary azo havaozina indroa fara fahabetsany. Tsara raha aloha kelin’ny
fiafaran’ny taom-pianarana no anaovana izany. Raha vao misy mpiandraikitra 3 na 4 vonona sy mazoto tsara dia afaka
manomboka ny asan'ny Komity.
Ny Fivoriamben'ny GB no mifidy ny Komity. Ny Délégué UGBM eo an-toerana na Sakaiza, raha misy, no mitarika ny
fifidianana; raha tsy izany dia izay mambra tranainy tsy milatsaka hofidiana na izay nomen'ny Komity am-perin'asa fahefana. Lany
avy hatrany izay mahazo vato antsasaky ny mpifidy mihoatra iray. Raha tsy tratra izany dia averina fanindroany amin’ny izay roa
be vato indrindra ny fifidianana ka izay be vato amin'izany no lany. Raha mbola mitovy dia izay tranainy amin’ny naha-mambra no
omena ny toerana.
Mila mivory indray mandeha isam-bolana fara-fahakeliny ny Komity: hiarahany mivavaka sy miofana ary handinihany ny
raharahan'ny GB.
7.2 Tondron'andraikitry ny Komitin'ny mpianatra amin'ny ankapobeny
- mitantana ka manao izay hampandroso ny GB: mambra mitombo isa ary tsara ofana.
- mitandro ny fanajana ny Statuts ary mampihatra ny Fitsipika Anatiny misy.
- mandrafitra ny programam-pitoriana sy fanofanana ary ny asan'ny GB rehetra ka manolotra izany holanian’ny Fivoriambe ary
mandrindra ny fanatanterahana azy ireny – ireo programa ireo dia tokony hifanaraka amin’ny toro-marika ampitain’ny Foibe
mandritra ny CNU, na CRS na FKP.
- manomana ny budget-n’ny GB ho entina amin'ny Fivoriambe
- manao izay hahatanteraka ny hevitra tapaky ny FKP araka izay tandrify ny GB tarihiny.
- miara-mientana amin'ny Fikambanana amin'ny fanatanterahana ny fandaharan'asa iombonana
- mampirisika ny fijoroan'ny cellule isan-tsekoly ambaratonga faha-2 na isaky ny Faculté na filière na toeram-ponenana eny
amin’ny université; izy no manendry ny "Chef de Cellule".
6
- manomana izay ho mpisolo (na relève ) azy ny mambra tsirairay ao amin'ny Komity.
Momba an'io dia tokony hiasa "par équipe" ny departemanta tsirairay mba ho fianaran-draharaha ho an'ny mambra sy
hanamora ny fanomanana relève.
And.8 Momba ny Sakaiza
8.1 Antom-pisiana, adidy sy andraikitra
Antom-pisian’ny Sakaiza (mission):
- hanohana ny UGBM ary hanohana ny GBS sy/na ny GBU eo amin’ny tanàna misy azy
- hifanohana amin’ny Sakaiza eo an-toerana sy eran’i Madagasikara
Adidy (rôle):
- hitaiza sy hampy ny GBL eo an-toerana ara-panahy, ara-toro hevitra, ara-pianarana, ara-tsosialy, ara-pitaovana sy arabola (encadrement spirituel, moral, éducatif, social, materiel et financier des GBL de sa localité)
- hifampitaiza sy hifanampy amin'ny samy sakaiza [encadrement mutuel avec les autres Amis]
Andraikitra (responsabilité) :
- manao izay hampandeha ny GBL misy azy, koa tompon'andraikitra feno ny amin'ny fandeha sy fiafaran'ny GBL eo antoerana miaraka amin'ny komitin'ny GBL sy ny Délégué UGBM izy amin'izany (co-responsable du sort du GBL de sa localité avec
le Délégué UGBM et les comités locaux)
8.2 Rafi-pandaminana:
8.2.1 Momba ny Komitin’ny Sakaiza:
Tsy voatery hasiana departemanta toy ny an’ny mpianatra fa malalaka izy amin’ny rafi-pandaminana tiany hatao. Tsara
anefa raha fara-faharatsiny misy Tonia, Mpitantsoratra, Mpitahiry vola ary Mpanolotsaina 1 na 2, araka izay azo atao.
Fidiana isaky ny 2 na 3 taona ny komitin’ny Sakaiza ary azo havaozina in-droa izany. Ny Sakaiza mantsy mitoetra.
8.2.2 Momba ny “Corps Professionnels”
Atsangana eo anivon’ny Sakaiza ny “Corps professionnel” izay ivondronan’ireo mambra nivoaka tamin’ny lalam-piofanana
mitovitovy, na miasa amin'ny sehatra mitovitovy (ohatra: corp des opérateurs économiques, corp des médecins et paramédicaux,
corp des femmes au foyer…)
Ny "Corps" dia sehatra natao hifanampiana, hifampandrosoana, hifanakalozana vaovao sy traik'efa manodidina ny asa,
hanomanana ny mambra – indrindra ireo zandry – amin'ny carrière professionnelle, sehatra koa ahafahana maneho hevitra
momba ny zava-misy amin'ny maha-kristiana, ary sehatra ahafahana miara-mikaon-doha hanohanana ny UGBM araka ny talenta
sy fahaizana ananana.
TITRE IV : NY ARA-BOLA SY FANANANA
And.9 Ny souscription sy don
- Ny souscription dia fanomezana raikitra isam-potoana (isam-bolana na isan-telo volana ets…)
Ny mambra tsirairay dia mila manao souscription ao amin’ny Groupe Biblique misy azy, ary ny Groupe Biblique tsirairay dia mila
manao souscription amin’ny Foibe UGBM. Izany dia tokony hatao malalaka, amin'ny fitiavana, araka izay ananana (2Kor.8:12; 9:7)
- Ny don kosa dia fanomezana malalaka tsy ara-potoana fa atao araka izay ahafahana manao izany.
Ny mambra dia ampirisihina hanome don araka izay azony atao ho fanohanana ny asan'ny Fikambanana. Izany koa dia tokony
hataony amin'ny nahim-pony, malalaka sy amin'ny fitiavana ary araka izay ananana
And.10 Ny amin'ny famatsiam-bola ny GB
- Ny GB tsirairay dia mila manana ny teti-bolany sy mizaka tena ara-bola, ka ny Sakaiza no manao ho foto-draharaha ny
famatsiam-bola ny Fikambanana mba hampandehanana ny asa.
- Raha misy tsy fahafenoan'ny mambra sy ny Sakaiza ny teti-bola, ny Groupe Biblique mpianatra dia afaka mitady fomba
hamatsiana ara-bola ny asan’ny fikambanana amin’izay fomba tsy mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra, fa kendrena mba tsy
hanelingelina ny fianarany na ny fotoanan’ny GB izany.
Fampitandremana sy tari-dalana:
- Tsara kokoa rehefa manao hetsika itadiavam-bola no tsy mampiasa “billet”. Aleo fantatry ny olona hoe ny GB sady tsy
mividy no tsy mivarotra billet, mba hisorohana ny “atero ka alao” tsy misy farany.
- Ny fotoan-dehibe ataon’ny GB dia tsy hanatazan-drakitra akory fa hasiana vata na harona kosa hanomezan’ny mambra
sy ny olona manatrika izay foiny.
N.B: Marihina koa fa raha fitoriana ny Filazantsara no atao dia tsy asiana na vata handrotsahan’ny olona izay foiny aza
mba tsy hiheveran’ny sasany fa misy sandany ara-bola ny Filazantsara. Raisina an-tanan-droa kosa anefa izay te-handray anjara
an-kalalahana tamin’ny fandaniana natao tamin’ny fikarakarana (hofan-trano, sono, jiro, sns)
And.11 Ny amin'ny volan'ny Foibe
Ny volan’ny UGBM dia apetraka any amin’ny banky. Ny Mpitahiry vola sy ny Tonia ary ny SAF no omem-pahefana hanao
sonia ny taratasim-bola. Tsy maintsy sonian’olona roa amin’ireo telo vao manan-kery hamoahana ny vola amin’ny banky.
Ny CA dia manana fahefana hanolo mpanao sonia iray na mihoatra amin’ny fotoana heveriny fa ilàna izany noho ny antony lehibe
(oh. abus financier, abus de confiance…) ka ny mpanao sonia avy amin’ny CA soloana mambra CA ary ny SG soloana avy ao
amin’ny SG.
Ny famoaham-bola rehetra sy ny fandaniana natao dia tsy maintsy misy taratasy mazava (pièces justificatives)
And.12 Ny Mpandini-bola
7
Ny Fikambanana dia manana mpandini-bola izay tendren’ny CA: olona manana fahalalana avo lenta momba ny
fitantanam-bola, kristiana ary mahafantatra tsara ny fikambanana. Hanamarina ny fitantanam-bolan’ny fikambanana araka ny
lalàna misy eo amin’ny fitantanam-bola no andraikiny ary tokony hanao tatitra isan-taona momba izany eo anivon’ny CA izy.
And.13 Ny amin’ny fananan’ny UGBM
- Ny fananana mila soratana ara-panjakana rehetra toy ny tany, trano, fiara, … dia tsy maintsy atao amin’ny anaran’ny
UGBM noho ny tsy fananan’ny GBL Statuts ara-panjakana manokana ho azy, fa tompon’andraikitra amin’ny fitantanana ireny kosa
ny Groupe Biblique eo an-toerana izay notolorana izany.
- Ny FKP no manapaka ny amin'ny fivarotana ireo fananana lehibe voasoratra ara-panjakana toy ny tany sy trano, ary ny
CA sy ny SG no manatanteraka ny fivarotana. Ny fananana hafa kosa dia apetraka eo ambany fahendren'ny CA sy SG.
- Ny fitrandrahana ny fananan'ny UGBM dia adidin'ny CA sy SG.
TITRE V: FIFANDRAISANA AMIN'NY HAFA
And;14 Ny UGBM sy ny Fikambanana hafa
Ny Groupe Biblique dia miara-miasa amin’ny fikambanana mitovy firehana sy foto-pampianarana aminy toy ny
Fikambanana Mampiely Baiboly (FMB), ny Fikambanan'ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly (Ligue pour la Lecture de la Bible), ny
Campus pour Christ. Izay Fikambanana mampisalasala kanefa maniry hiara-miasa amin’ny GBL dia mila hakana hevitra amin’ny
ambaratongan-drafitra eo ambony aloha.
- Mila fitandremana ny fanasana olon'ny fikambanana hafa hitondra fampianarana ao amin'ny GB:
tsy ampirisihina ny fanasana olona izay tsy fantatra ny momba azy sy ny foto-pampianarany.
Adidin’ny Sakaiza izay manatrika no manitsy izay fampianaran-diso mety tafita (aorian’ny fivoriana rehefa lasa ilay
vahiny).
Tandroina hatrany ny voninahitry ny Tompo sy ny maha-UGBM ny UGBM amin'izay fiaraha-miasa atao amin'ireny
Fikambanana ireny.
And.15 Ny UGBM sy ny Fiangonana
-Ny mambra rehetra dia tsy maintsy manana Fiangonana raikitra.
-Anjaran'ny mambra tsirairay ao amin'ny GB ny mampahafantatra ny Mpitondra Fiangonana sy ny Loholona ao ny atao
hoe GB sy ny maha-izy azy indrindra fa ny hoe:
- Tsy fiangonana ny GB fa fikambanana ara-pilazantsara tsotra. Noho izany dia tsy fanaon’ny UGBM ny Sakramenta toy
ny: Batisa na Batemy, Kominio na Fanasan’ny Tompo, fanamasinana mariazy, sns… satria fomba amam-panao eo amin’ny
fiangonana izany.
- Tsy antoko mpihira ny GB fa fikambanana mitory Filazantsara.
Koa amin'ny fanasana izay mety hataon'ny Fiangonana dia aoka hiangaviana hampiarahina amin'ny fijoroana vavolombelon'i
Kristy na Toriteny na fampahafantarana ny GB ny hira fa tsy hira fotsiny.
- Tsy azo atao Alahady maraina ny fivorian'ny GB fanao isan-kerinandro, fa fotoana famonjen'ny tsirairay ny fiangonany
izany.
- Ny olona vaovao avy nanolo-tena ho an’i Kristy vokatry ny asa fitoriana nataon’ny Fikambanana ka tsy mbola manana
fiangonana dia asaina misafidy amin’izay fiangonana akaiky azy ary hita fa mety hiorenany sy hivelarany amin’ny finoana.
Raha toa kosa ka efa manana fiangonana izy dia amporisihina hazoto hamonjy ny fiangonany. Tsy azo atao velively ny hanery azy
hiala ao raha tsy vokatry ny nahimpony irery ihany.
And.16 Ny UGBM sy ny Firenena
- Araka ny Tenin'Andriamanitra dia mila mivavaka ho an'ny firenena ny GB, manaiky ny fanjakana misy sy manao izay
tsara, ary mandray andraikitra amin'izay tandrify azy avy.
Marihina fa ny fanatontosana tsara ny fianarana sy ny asa ampanaovin’Andriamanitra ny mpikambana tsirairay eo anivon’ny GB
amin’ny fahatahorana Azy dia efa fandraisana anjara goavana eo amin’ny fampandrosoana ny firenena eo amin’ny lafiny ara-toekarena, ara-tsosialy ary indrindra ara-panahy.
- Mila ampahafantarina ny amin'ny GB sy ny tarigetrany ary ny fomba fiasany ny manam-pahefana ao an-toerana:
vangiana izy ireny amin'ny tonon-taona, omena statuts, hatonina rehefa hangataka fahazoan-dalana hanao zavatra, omena
fanasana amin'ny fotoan-dehibe, sns...
And.17 Fandraràna
- Tsy azon'ny mpikambana atao ny mitaona ny mpikambana namany hifindra Fiangonana
- Tsy azon'ny mpikambana atao ny mitondra ny fomba amam-panaon'ny Fiangonany sy/na ny teolojiany eo anivon'ny
Fikambanana satria ny mpikambana dia avy amin'ny Fiangonana samy hafa.
- Raràna ny fisian'ny mpihavana akaiky ao anatin’ny Komity iray afa-tsy noho ny antony tsy azo anoharana noho ny tsy
fisian’olona hafa azo atao mpiandraikitra.
- Ny Groupe Biblique dia tsy manao hetsika ara-tsendikaly sy ara-politika. Ny tsirairay dia manana zo hanao izany amin’ny
anaran’ny tenany manokana saingy tsy azony atao ny mampiditra izany eo anivon’ny Fikambanana. Na izany aza, ny mambran’ny
CA sy SG, ny Délégué UGBM ary ny komity mpitantana GBL dia tsy tokony hiseho mivantana amina fihetsiketsehana ara-politika
na sendikaly mandritra ny fe-potoana iasany ato amin’ny UGBM. Izay mpiandraikitra hita fa manao izany dia esorina, ka izay
manam-pahefana amin’ny fanoloana no manatanteraka ny fanesorana sy fanoloana.
- Tsy misy mpikambana, amin’ny anarany manokana, afaka mampiasa ny anaran’ny Fikambanana na ny fananany na
amin’ny inona na amin’ny inona; raha tsy nahazo alalana. Ny Filan-Kevi-Pirenena (FKP) na ny Filan-Kevi-Pitantanana (CA) na ny
8
Komity Mpanatanteraka Foibe (SG) eo amin’ny fivoriany no manana fahefana hanome izany alalana izany. Ny “engagement”
nataon’olona samy irery tsy nahazoana alalana dia tsy manan-kery
And.18 Samihafa
- Ny taom-piasan’ny UGBM dia manomboka ny 1er Septembre (N) ary mifarana ny 31 Août (N+1)
- Ny UGBM dia manana Manuel izay mifameno amin’ny Statuts sy ity Fitsipika Anatiny ity.
- Amin’ny ny tranga manokana tsy voalaza ao amin’ny Statuts, na ato amin’ity Fitsipika Anatiny ity, na ao amin’ny Manuel
du GB, dia adidin'ny mpiandraikitra mahefa ny mijery akaiky izany sy ny fomba hiatrehana azy.
- Ampiharina ary tsy maintsy eken'ny mpikambana rehetra ao anatin'ny UGBM ity Fitsipika Anatiny ity izay nolaniana teto
Toliary ny 26 Aogositra 2007 nandritra ny FKP faha-30.
Ny Filohan’ny UGBM
Etienne RANDRIANARISON

Documentos relacionados

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny amin’ny kaominina maromaro teto amin’ny nosy. Ny tao an-drenivohitra no tena nahasarika ny haino aman-jery. Na izany aza dia afaka nandray ny toerany tao amin’ny Lapan’ny tanàna ihany ny ben’ny tan...

Leia mais

Torolalana ho an`ny Ben`ny tanana, 2000

Torolalana ho an`ny Ben`ny tanana, 2000 pahasalamana, ara-koltoraly, ara-tsiansa sy ara-teknolojia eo amin’ny faripiadidiany". (Lalàna Lf 94-008, and. voalohany). Ny Kaominina, izay vondromparitra fehezin'ny lalàna mifehy ny Fanjakana di...

Leia mais

boky torolalana - Church of the Nazarene

boky torolalana - Church of the Nazarene Timothy Merritt, izay mpitondra fiangonana Metodista sady mpandaha-teny mpamorona ny “Guide to Christian Perfection,” (Tari-dalana Ho Amin’ny Fahatanterahana Kristiana), no isan’ireo mpitarika ny f...

Leia mais

ANDRO MANOKANA FIFADIAN-KANINA SY FITOLOMANA

ANDRO MANOKANA FIFADIAN-KANINA SY FITOLOMANA foana ny fananany,manobatoba ireo taonany sarobidy,manobatoba ny herin'ny sainy sy ny fony sy ny fanahiny ka miasa hahafaty antoka ny tenanay ho mandrakizay. Ny olona izay misaraka amin'Andriamanit...

Leia mais

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny Herinandro vitsivitsy taorian’ny fanambarana nataon’ny ambasadaoron’i Frantsa, dia nivoaka tamin’ny fahanginany ihany ny fitondrana Rajaonarimampianina. Ny Filoham-panjakana dia namory mpanao gazet...

Leia mais

Présentation PowerPoint

Présentation PowerPoint Ny safidy hanao IVG dia SAFIDIN’NY TENA MANOKANA fehezin’ny lalàna, misy fe-potoana iray herinandro handinihana tsara. Hasosoka aminao ny resadresaka iray fijerena fisainana ara-piarahamoninao ifan...

Leia mais

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny mpianatra ny 21 aogositra, mba hampitandremana ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany handray ny fepetra ilaina amin’ny fiverenan’ny fampianarana, raha tsy izany dia hihamafy ny hetsik’izy ireo. ...

Leia mais

3 - Prefeitura do Município de Jaguariúna

3 - Prefeitura do Município de Jaguariúna Prefeitura do Município de Jaguariúna

Leia mais