ANDRO MANOKANA FIFADIAN-KANINA SY FITOLOMANA

Transcrição

ANDRO MANOKANA FIFADIAN-KANINA SY FITOLOMANA
ANDRO MANOKANA FIFADIAN-KANINA SY FITOLOMANA AMAM-BAVAKA
FANDAHARAM-POTOANA HO AMIN'NY SABATA 4 JOLAY FOLAKANDRO
Nomanin'i Pastora André Phésor-Filohan'ny Departemanta Fiainam-pianakaviana ao
amin'ny Union des Fédérations Ranomasimbe Indianina
TENY FAMPIDIRANA
Ho foto-kevitra dinihintsika amin'ity Sabata folakandro ity dia manasa antsika hifantoka
amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany amin'ny fanahin'ny fivavahanaka miainga avy amin'ny
fanoharana momba ny zanaka adala izay hitantsika ao amin'ny filazantsaran'i Lioka ary
miangavy antsika hamaly fanontaniana sasantsasany.
Ny tarika tsirairay dia hanendry mpitan-tsoratra izay hanao tatitra ny amin'ny lesona
nosintonin'izany tarika tsirairay izany.
-
“Indreto misy fanambarana sasantsasany nataon'i Mme White hanampy antsika ny
amin'ny fifanakalozan-kevitra ao amin'ny tarika,fanambarana nosintonona avy ao
amin'ny Henoinareo ny Fanoharana.”
-
“Na inona na inona fisehoany ety ivelany,nyfiainana rehetra mifototra amin'ny tena
irery ihany dia very maina.”
-
“Na iza na iza manandrana ny miaina hanalavitra an'Andriamanitra dia mandanilany
foana ny fananany,manobatoba ireo taonany sarobidy,manobatoba ny herin'ny
sainy sy ny fony sy ny fanahiny ka miasa hahafaty antoka ny tenanay ho
mandrakizay. Ny olona izay misaraka amin'Andriamanitra mba hanompoany ny
tenany dia andevon'i Mamona.”
-
“Ny fitiavan'Andriamanitra dia mbola mangoraka ihany an'izay minia ny hisaraka
aminy ary mampihetsika hery miafina hitarika azy hiverina ao amin'ny tranondRainy.”
-
“Teo amin'ny toerana mapalahelo nisy azy dia mbola natoky ny fitiavan'drainy ihany
ilay zanaka adala. Io fitiavana io nonanintona azy hody any aminy . Toy izany koa
fa ny fahatokiana ny fitiavan'Andriamanitra no manery ny mpanota hiverina
amin'Andriamanitra. Tsy nandray anjara tamin-drainy ny amin'ny ahiahy sy ny
fitazanana ilay efa very ity zanany lahimatoa ity. Noho izany dia tsy nandray anjara
koa izy teo amin'ny fifalian-drainy tamin'izao fiverenan'ilaynania izao.”
FIZARANA VOALOHANY
Pejin'ny Fiderana (10 mn)
Vavaka fanokafana (01 mn)
Vakiteny : (Lio 15:11-32)
Vavaka « Dera ho an'Andriamanitra irery ihany » (02 mn)
Famakiana ny diam-penin'i Mme White (02 mn)
Fanontaniana sy valiny ao amin'ny tarika (15 mn)
- Misy ifandraisany amin 'ny fiverenan'i Jesosy ve io fanoharana io ?
- Inona no lazain'io fanoharana io amintsika ny momba ny rain'ilay zanaka adala ?
- Inona no lesona azontsika sintonina ny amin'ny fihetsiny ?
Fiaraha-mivavaka iombonan'ny tarika (12 mn)
Ataovy antom-bavaka ireto zava-dehibe manaraka ireto :
- Mafana fo amin'ny vavaka ataon'ny tena manokana indray
- Ny hiverenan'ireo mambra efa niala tamin 'ny fiangonana
- Ireo tompon'andraikitra eo amin'ny Fiangonana sy ny ankohonanay
(mpitandrina,loholona,talem-piangonana,filohan-tsampana)
Hira (03 mn)
Fijoroana ho vavolombelona (05 mn)
(Fisaorana,fanandramana niainana niarahana tamin'Andriamanitra,valim-bavaka,....sns)
FIATOANA KELY
FIZARANA FAHAROA
Pejin'ny fiderana (10 mn)
Vavaka fanokafana (01 mn)
Vakiteny: Lio 15:12-20a (05 mn)
Vavaka « Fiaiken-keloka sy fibebahana » (02 mn)
Fanontaniana sy valiny ao amin'ny tarika (15 mn)
- Inona no lazain'io fanoharana io amintsika ny amin'ilay zandriny ?
- Inona no lesona tsoahina avy amin'ny fihetsiny ?
- Mitarika anao ho amin'ny fianianana hanao inona ny toe-javatra niainan'io zandriny
io ?
Fiaraha-mivavaka ao amin'ny tarika (12 mn)
Mivavaha ho an'ireto antony manaraka ireto :
- Ireo manano-tena
- Ireo marary (ara-batana sy ara-panahy)
- Ireo fianakaviana ao amin'ny fiangonana (mpivady,ray aman-dreny,ankizy,tanora)
Hira (03 mn )
Fijoroana ho vavolombelona (05 mn)
(Fisaorana,fanandramana niainana niarahana tamin'Andriamanitra,valim-bavaka azo,
sns........)
FIATOANA KELY
FIZARANA FAHATELO
Pejin'ny fiderana (10 mn)
Vavaka fanokafana (01 mn)
Vakiteny : Lio 15:25-32 (05 mn)
Vavaka « Fisaorana ranoiray fotsiny » (02 mn)
Fanontaniana sy valiny eoanivon'ny tarika (15 mn)
- Inona no lazain'io fanoharana io mikasika ilay lahimatoa ?
- Inona no lesona sintonintsika avy amin'ny fihetsiny ?
- Mitarika anao ho amin'ny fanoloran-tena inona ny fanadramananiainan'io lahimatoa
io ?
Fiaraha-mivavaka eo anivon'ny tarika (12 mn)
Mivavaha ho an'ireto antony manokana ireto :
- Fifohazana marina eo amin'ny mambra tsirairay.
- Firotsahan'ny tsirairay amin'ny fanaratoana olona (mambra iray /fanahy iray)
Hira (03 mn)
Fijoroana ho vavolombelona( 05 mn)
(Fisaorana,fanandramana velona niarahana tamin'Andriamanitra
FIATOANA KELY

Documentos relacionados

Teny Fampidirana.

Teny Fampidirana. Arizona, tamin'ny lohataonan'ny 1969. Noho izany dia "boky miteny," ary na dia efa natonta aza, dia mbola mitana ny tsiron’ny fampianarana amin'ny andian- dahateny. Ity boky ity dia momba ny lehila...

Leia mais

How to make a boomerang

How to make a boomerang 5. Tapaho madio amin’ny hety ilay baoritra misy ilay boomerang. 6. Apetraho amin’ny toerana fisaka ilay boomerang ary raha toa ka miforitra dia ahitsio. 7. Makà fitsipika dia apetraho eo amin’ny ts...

Leia mais

Présentation PowerPoint

Présentation PowerPoint Misy matihanina afaka manampy anao

Leia mais

boky torolalana - Church of the Nazarene

boky torolalana - Church of the Nazarene "Ny iraky ny Fiangonan'ny Nazareana dia mamaly ny Iraka Lehibe an'i Kristy manao hoe: 'Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra'" (Matio 28:19). "Hampandroso ny Fanjakan'And...

Leia mais

toriteny - Archidiocèse d`Antsiranana

toriteny - Archidiocèse d`Antsiranana manompo. Tsy fahefana nentina mamoritra ny fahefan'i Jesoa fa fahefana ho entina manompo, mitady ny soa ho an'ny hafa, mikatsaka mandrakariva izay hanasoa hanatsara fa tsy hanaratsy na oviana na ov...

Leia mais

fiofanana natao ho an`ireo tompon`andraikitra ao amin`ny

fiofanana natao ho an`ireo tompon`andraikitra ao amin`ny tsy maintsy mandoa manontolo ny saram-pikojakojana ny tambajotra ny mpikambana rehetra ao anatin'ny fotoana nifanarahana, ny fitakiana izany vola izany dia andraikitrin'ny mpikambana ao amin'ny bir...

Leia mais

RI UGBM lany t@ Zaikabe 2007 - Groupe Biblique Local Sambava

RI UGBM lany t@ Zaikabe 2007 - Groupe Biblique Local Sambava Ny antsoina hoe GBL dia fitambaran’ny Fikambanana G B (GBU, GBS, Sakaiza) eo amin’ny toerana iray ka ny Délégué UGBM no mandrindra ny asa ao. Mety misy GBU sy GBS ary Sakaiza mitambatra ho GBL iray...

Leia mais