How to make a boomerang

Transcrição

How to make a boomerang
Andeha isika i Boomerang!
Prof. Yutaka Nishiyama
Osaka University of Economics, Japan
[email protected]
Refy
Tsy misy izay tsy afaka manao izany!
Andeha isika hanandrana zavatra hafa.
Zoro miforitra miakatra
Ny fomba fanidinany
Ataovy mihaotra kely
mankany ambony.
Ny boomerang dia miodina mivadika mihoatra ny
famataranandro ho an’ny kavanana ary manaraka ny
famataranandro ho an’ny kavia, ary manidina mahitsy
marina maso. Ny halavirana hanidinany dia 3-4
metatra, ary ny fotoana hanidinany dia 1-2 segondra.
Ny fanaovana azy
1. Makà baoritra matevina iray (0.5-0.7mm).
2. Apetraho eo ambonin’ny baoritra ny papier carbone; dia
apetraho eo ambonin’ny papier carbone ny modelin’ny boomerang .
3. Araho eo amin’ny papier carbone amin’ny penina ny endrikin’ny
boomerang. Aza adino ny manaraka ny tsipika tapatapaka
manaraka ny elatra!
Ny fomba fisamborana azy
(1) ny zoro (10-30 degres) dia miforitra miakatra.
Ny boomerang dia miverina mandry marin-drano,
ataovy mifanelanelana 30 cm ny tananao ary
sambory haingana amin’ny fela-tananao ilay
boomerang.
4. Manoràta marika eo amin’ny anoloana mba anavahana azy
amin’ny aoriana.
5. Tapaho madio amin’ny hety ilay baoritra misy ilay boomerang.
6. Apetraho amin’ny toerana fisaka ilay boomerang ary raha toa ka
miforitra dia ahitsio.
7. Makà fitsipika dia apetraho eo amin’ny tsipika tapatapaka. Soraty tsara
matevina in-droa na in-telo amin’ny penina ny tsipika tapatapaka mba
ahazoana mamoritra ny elatra moramora kokoa.
8. Aforety amina zoro 10-30 degres miakatra. (Raha kavia ianao,
dia aforety midina)
Tandremo!
Mety tena mampidi-doza ny boomerang! Aza
hatsipy aman’olona, ary tandremo tsara tsy hisy
olona manodidina rehefa manipy boomerang.
(2) Ataovy mihaotra kely mankany ambony.
Ny fomba fanipina azy
Anoloana
1.Hazòny anelanelan’y ankihibe sy fanondro ny elatry ny
boomerang iray, ny anoloana no manatrika anao (raha kavia, dia
ny aoriana no manatrika anao) .
2. Hazòny mitsagana ilay boomerang.
3. Rehefa manipy ilay boomerang ianao, raha vao andefa azy ianao,
dia ahetseho tampoka ny hato-tananao mba afahan’ilay
boomerang mihodikodina bebe kokoa.
4. Atsipiho mahitsy marina maso ohatran’ny manipy zana-tsipika
ilay boomerang.
Ny halehibe ankehitriny no aseho eto.
20cm
1
Malagasy Page 1
Nahoana no miverina ny Boomerang?
Ahitana momba ny Boomerang Association
Rehefa manidina mitsangana eny an-danitra ny boomerang dia mihodikodina koa.
Rehefa mihodikodina izy ary mandroso eny an-kebakebaka dia ny
hafainganam-pandehan’ ny elatra eo ambony dia lehibe kokoa noho ny elatra eo
ambany. Ny tsy fitovian’ny hafainganam-pandeha dia mitondra tsy fitovian’ny
fanaingàna:
ny elatra ambony dia miainga bebe kokoa mihoatra ny elatra
ambany. Ary satria ny boomerang dia miodina amina axe ary ny fanaingàna dia
lehibe kokoa eo an-tampon’ny fihodinana, izany dia midika fa ny hery
nampiasaina dia miteraka ny fandehanan’ny boomerang miodina eny ankavia, dia
Japan Boomerang Association(JBA)
Kansai Boomerang Network (KBN)
United States Boomerang Association(USBA)
http://www.jba-hp.jp/
http://www.kbn3.com/
http://www.usba.org/
mahatonga ilay boomerang hiverina. Mitovy amin’ny toupie io, izay mihodina mba
tsy hianjera. Izany dia atao hoe precession gyroscopique.
Herin’ny precession
Axe precession
Fandehanana eny aloha
Axe torque
Hafainganam-pandeha lehibe
Axe fihodinana
Hery fanaingàna lehibe
Axe fihodinana
Fiadanam-pandeha
Hery fanaingàna kely
Torque
Fig.1 Fanazavana ny fihodinana amin’ny havia
Fig.2 Fitsipikin’ny havanana
Malagasy Page 2
2

Documentos relacionados

Présentation PowerPoint

Présentation PowerPoint Fidinao miaraka amin’ny mpitsabo ny fomba hampitsaharana vohoka, arakaraka ny anona maro samihafa (haelan’ny vohoka, toe-pahasalamana, sns.). IVG AMIN’NY FANAFODY Fomba izay misy fihinanana pilina ...

Leia mais

ANDRO MANOKANA FIFADIAN-KANINA SY FITOLOMANA

ANDRO MANOKANA FIFADIAN-KANINA SY FITOLOMANA foana ny fananany,manobatoba ireo taonany sarobidy,manobatoba ny herin'ny sainy sy ny fony sy ny fanahiny ka miasa hahafaty antoka ny tenanay ho mandrakizay. Ny olona izay misaraka amin'Andriamanit...

Leia mais

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny hevitra kosa ny mpanao gazetin’io haino aman-jery io manoloana izany filaza tsy ara-dalàna izany. Tao tampon-tanànan’i Toliara, niely ny tsaho fa ny kandidà Jean Rabehaja izay notohanan’ny antoko H...

Leia mais

Nom du document - Banque Centrale de Madagascar

Nom du document - Banque Centrale de Madagascar izy no tompon’ny sangan’asa. Ny sary famantarana dia tsy mahazo mitondra loko politika, na antokom-pivavahana, ary tsy manakihana ny zon’ny mpamorona. Ny Banky Foibe dia tsy tompon’andraikitra amin...

Leia mais

ADRIAMANITRA DIA MAZAVA (FAHAZAVANA).

ADRIAMANITRA DIA MAZAVA (FAHAZAVANA). Ezekiela 1:4 “Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin'ny afo dia nisy o...

Leia mais

Harambaton`i Sabino.

Harambaton`i Sabino. mpanjaka. (Nataony matetika tamin'ny farapàran'ny fanompoany io, fampahatsiahivana ny olona hoe iza no mampiseho ny nofin'izy ireo aminy, antsipirihiny izay adinon'izy ireo. Na dia izany aza dia t...

Leia mais