Nom du document - Banque Centrale de Madagascar

Transcrição

Nom du document - Banque Centrale de Madagascar
FITSIPIKA
1-
Ny Mpikarakara sy ny lohahevitry ny fifaninanana
Ny Banky Foiben’i Madagasikara dia mikarakara fifaninanana sary famantarana.
Ny sary famantarana dia tokony hahitana ny asa sy andraikitry ny Banky Foibe ary hahitana
fa izy no mpanatonta ny vola ampiasaina eto Madagasikara no sady mamolavola sy
mampihatra ny politikan’ny vola.
Ny sary famantarana voafantina dia lasa fananan’ny Banky Foiben’i Madagasikara ary
azon’ny Banky ampiasaina amin’ny zavatra rehetra izay hitany ilana izany.
2-
Ny mpifaninana
Ny fifaninana sary famantarana ny Banky Foiben’i Madagasikara dia misokatra ho an’ny be
sy ny maro.
3-
Ny fandefasana ny sary famantarana
- Sary famantarana iray isaky ny mpifaninana iray ;
- Atao anaty taratasy A4 mirefy 21 sm x 29,7 sm ;
- Ny sary famantarana atolotry ny mpifaninana miaraka amin’ny fanazavana fohy dia
tokony atao anaty valopy A4 mirefy 22 sm x 32 sm tsy miforitra, miaraka amin’ny soratra
hoe “Fifaninanana Sary Famantarana - Banky Foiben’i Madagasikara 2008 –
Tena izy” ;
- Ny dika mitovy amin’ny sary famantarana sy ny momba momba ny mpamorona ny sary
(anarana, fanampin’anarana, adiresy mazava, telefaonina, sonia) dia atao anaty valopy
kely mihidy mirefy 11,5 sm x 16 sm misy ny soratra hoe “Fifaninanana Sary
Famantarana Banky Foiben’i Madagasikara 2008 – Dika mitovy” ;
- Ireo valopy roa ireo dia atao anaty valopy lehibe iray mihidy misy ny soratra hoe :
“Fifaninanana Sary Famantarana BFM 2008”, ary alefa any amin’ny “Sampandraharaha
eo anivon'ny Fitondrana Foibe” - Banky Foiben’i Madagasikara, BP 550, 101
Antananarivo, Madagasikara ; na aterina mivantana eny amin’ireo masoivohon’ ny Banky
Foiben’i Madagasikara eran’ny Madagasikara (Antsiranana, Nosy-Be, Mahajanga,
Sambava, Toamasina, Morondava, Fianarantsoa, Manakara, Toliara et Taolagnaro).
4-
Fizotran’ny fifaninanana
Ny fifaninanana dia manomboka ny Alarobia 01 Oktobra 2008.
Ny sary famantarana dia tsy maintsy tonga alohan’ny Zoma 31 Oktobra 2008 amin’ny
12ora alina (Ny fitomboky ny paositra no manamarina izany).
Ny filazana ny valin’ny fifaninana dia hatao ny Zoma 28 Novambra 2008, ary ho hita ihany
koa ao amin’ny tranokalam-pifandrainan’ny Banky Foibe.
5-
Ny fepetran’ny fifaninanana
Ny fepetra handraisana sy hisafidianana ny sangan’asa dia :
- ny fanarahana ny lohahevitra, fanehoana ny Banky Foiben’i Madagasikara amin’ny
alalan’ny famantarana sy amin’ny fomba miavaka,
- ny hatsaran’ny sary famantarana (loko, ny haben’ny soratra) sy ny fisehoany amin’ny
haino aman-jery,
- ny lafy tsara hampitaina sy ho hita amin’ny sary famantarana.
1
Ny Banky Foiben’i Madagasikara dia afaka tsy mifidy amin’ireo sary famantarana
natolotrin’ny mpifaninana, ary afaka mitady hevitra hafa hamoronana ny “sary famantarana”.
6-
Fitsipika mifehy
Ny mpandray anjara rehetra dia tompon’andraikitra tanteraka amin’ny sary famantarana
hifaninana ary miantoka fa tena sangan’asany tokoa izany. Tsy tompon’antoka ny Banky
foibe ny amin’izay mety ho fitarainana na fitoriana any aoriana.
Ny fandraisana anjara amin’ny fifaninana dia midika fahalalana tanteraka ny fitsipika rehetra,
ary mitaky fanajana sy fanekena ny fepetra rehetra voalaza ao anatiny.
Ireo mpifaninana voafantina dia hangatahina sary famantarana anaty kapila manjelatra, atao
JPEG na PDF.
Ireo sary famantarana rehetra alefan’ny mpandray anjara aty amin’ny Banky Foibe dia lasa
fananan’ny banky, ary tsy averina amin’ny tompony intsony aorian’ny fifantenana. Ny Banky
Foibe dia afaka mampiasa malalaka azy ireo. Ny fampiasana izany amin’ny lafiny arabarotra kosa dia hanaovana fifanarahana manokana eo amin’ny Banky Foibe sy ny
tompon’ny sangan’asa.
Ireo mpandray anjara rehetra mandefa sary famantarana hifaninana dia manome antoka fa
izy no tompon’ny sangan’asa. Ny sary famantarana dia tsy mahazo mitondra loko politika,
na antokom-pivavahana, ary tsy manakihana ny zon’ny mpamorona.
Ny Banky Foibe dia tsy tompon’andraikitra amin’ny fahaverezan’ny sangan’asa, na ny
fahataran’ny fahatongavan’izany aty amin’ny banky na izay mety ho fahasimbana. Ny Banky
Foibe dia tsy mamerina ny vola lany tamin’ny fanamboarana sy fandefasana ny sary
famantarana.
7-
Ny Mpitsara
Ny mpitsara izay tarihin’Andriamatoa Tale Jeneraly ny Banky Foiben’ny Madagasikara dia
hahitana solontena avy amin’ny Direction des Affaires Juridiques, Direction des Ressources
Humaines, Direction de l’Administration Générale ary ny Cellule de Communication (mety
afaka hotronin’ireo olona manam-pahaizana manokana momba ny sary famantarana).
Ny fanampahankevitry ny mpitsara dia tsy azo kihanina rehefa avy nahazo ny
fankatoavan’ny tompon’andraikitra mahefa ato amin’ny Banky Foibe.
Ny mpanaramaso manokana ny lalao fifaninanana dia manatrika manomboka amin’ny
fanokafana ireo valopy voarain’ny Banky Foiben’i Madagasikara ka hatramin’ny fivoahan’ny
valin’ny fifaninanana amin’ny fomba ofisialy.
8-
Loka hozaraina
Ny sary famantarana telo voalohany dia mahazo loka mitsinjara toy izao :
- loka voalohany : Ariary Iray tapitrisa,
- loka faharoa : Ariary Dimy hetsy,
- loka fahatelo : Ariary Dimy alina sy roa hetsy.
2

Documentos relacionados

RABESAHALA Marie Gisèle Aimée

RABESAHALA Marie Gisèle Aimée Extrait du Madagascar-Tribune.com http://madagascar-tribune.com/RABESAHALA-Marie-Gisele-Aimee,16085.html

Leia mais

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny mikasika ny Fanavaozana ny Sehatry ny Filaminana, izay natao tao amin’ny CCI Ivato Antananarivo ny 14 hatramin’ny 17 oktobra farany teo, natrehin’ny Filoham-pirenena. “Tsy misy ny fampandrosoana ra...

Leia mais

How to make a boomerang

How to make a boomerang 6. Apetraho amin’ny toerana fisaka ilay boomerang ary raha toa ka miforitra dia ahitsio. 7. Makà fitsipika dia apetraho eo amin’ny tsipika tapatapaka. Soraty tsara matevina in-droa na in-telo amin’...

Leia mais

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny ifanaovana amin’ny Fanjakana ao Antsiranana. Ny filohan’io fitsarana io dia nilaza mazava fa

Leia mais