Iza Moa Io Melkizedeka Io?

Transcrição

Iza Moa Io Melkizedeka Io?
Malagasy
Who Is This Melchisedec?
65-0221
Torinten’i
William Marrion Branham
“… in the days of the voice …” Rev. 10:7
Iza Moa Io Melkizedeka Io?
Jeffersonville, Indiana USA
21 febroary 1965
Teny fampidirana
Ny asampanompoana hafa kely an’i William Branham
dia valin’ny Fanahy Masina ny amin’ny faminanian’ny
Soratra Masina ao amin’ny Malakia 3:23–24, Lioka 17:30,
ary Apokalipsy 10:7. Io asampanompoana manerantany dia
faratampony amin’ireo faminaniana hafa ara-baiboly, ary
ny fitohizan’ny asan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny
Fanahiny Masina amin’izao andro farany izao. Io
asampanompoana io dia voalaza ao amin’ny Soratra
Masina, mba hanomana ny olona ho amin’ny Fihavin’i
Jesosy Kristy Fanindroany.
Mivavaka izahay mba hahatonga ny Teny voadika
printy ho voasoratra ao anantin’ny fonareo raha feno
vavaka ianareo eo ampamakiana ity hafatra ity.
Ny rakipeo sy ny dika soratra amin’ireo torinteny
mihoatra ny 1 100 nentin’i William Branham dia azo alaina
sy avoaka printy maimaimpoana amin’ny fiteny maro samy
hafa ao amin’ny
www.messagehub.info
Rehefa natao daholo ny ezaka rehetra mba ahazoana
antoka ny fandikana, dia miangavy anareo mba hijery ny
rakipeo voalohany tamin’ny teny Anglisy izay mirakitra
marina tsara ny toriteny.
Ity asa ity dia azo adika ary zaraina raha toa ka adika
manontolo, tsy ovaina, ary mamaimpoana ny fizarana azy.
36
Iza Moa Io Melkizedeka Io?
IZA MOA IO MELKIZEDEKA IO?
fa Izy no manasitrana anareo?
193
Indro misy olona matory eo ambony filanjana, izay malemy na zavatra
hafa. (Afaka mandre ahy ve hianao amin’ny alalan’ity fandraisam-peo ity?)
Tsy mahafantatra anao aho; vehivavy mitsilany eo fotsiny hianao. Raha afaka
nanasitrana anao aho, dia ho nataoko izany. Tsy afaka manasitrana anao aho.
(Lehilahy mifaly fotsiny izany. Sitrana ny zanany.) Tsy mahafantatra anao
aho. Hianao vehivavy; izaho lehilahy. Mbola sambany tamin’ny fiainantsika
no nihaona, heveriko. Ny anankiray tamin’ireo zanakao no nitondra anao.
Amin’ny fo tsotra, sambany hianao no tonga eto… Vao nentina teto mihitsy
hianao. Hianao dia avy lavitra. Misy aloky ny fahafatesana manarona anao.
Voan’ny homa-miadana hianao. Tsy malemy hianao, fa homa-miadana io. Tsy
afaka manao na inona na inona aminao intsony ireo mpitsabo. Marina izany.
Ary azo antoka fa ho faty hianao. Tsy afaka manao na inona na inona aminao
intsony ireo mpitsabo.
194
Nisy boka telo lahy nipetraka teo amin’ny vavahadin’ny Samaria indray
mandeha. Ary hoy ireo boka ireo hoe: «Koa, nahoana no mijanona mipetraka
eto isika mandra-pahatongantsika ho faty; satria matin’ny hanoanana koa ny
olona rehetra ao an-tanàna ka mifampihinan’anaka. Raha mandeha any antobin’ny fahavalo isika, ireo Syriana… Raha vonoiny isika, sady efa ho faty
rahateo isika. Ary raha mamonjy antsika izy, dia ho velona isika.» Nanandrana
ny anjarany noho izany ireo. Ary, tamin’izany finoana izany, tsy ny tenany
ihany no novonjeny, fa ny antoko rehetra koa.
195
Kanefa ho faty hianao raha mijanona matory eo. Tsy ny handeha any
amin’ny tobin’ireo Syriana no angatahina aminao, fa asaina hianao ho ao
amin’ny Tranon’ny Ray… ? …
196
Ho fatin’ny homa-miadana hianao; ivelan’Andriamanitra dia tsy misy
ahafahanao ho velona. Tsy avy eto amin’ity tanàna ity hianao; tsy avy eto
amin’ny faritra eto hianao, aty; fa avy lavitra. Avy any Milwaukee. Marina
izany. Mahita anao eo an-tanàna aho . Fantatro izany, marina izany. Mino ve
hianao? Hanaiky an’Andriamanitra ve hianao, izao, ho toy Ilay mpanasitrana
anao? Raha izany no izy, na toy inona mety fahosanao, sy ny maha-tavela
anao eo am-pandriana; inoako fa raha eo amin’ny toeranao aho, dia hitsangana
amin’ny Anaran’ny Jesosy Kristy aho, handray ny filanjana, hody any antrano ka hivelona ho voninahitr’Andriamanitra. Mino ve hianao fa
mpaminanin’Andriamanitra aho? Koa dia mitsangana ka mandehana mody
any an-trano, aoka ho sitrana. Aza matahotra; mitsangana miala amin’io
filanjana io. Hanasitrana anao Andriamanitra, hitanareo?
197
Aoka hisy hitazona azy mba hahafahany ho tafatsangana sy mandray hery.
Mino an’Andriamanitra ve hianareo? Avelao fotsiny izy handray hery kely; ho
tsara izy. Izay indrindra, ry anabavy. Indro izy, amin’ny Anaran’ny Tompo
Jesosy.
Hitsangana isika sady hidera an’Andriamanitra. Izy no tsy miova omaly sy
anio ary mandrakizay. Hitahy anareo anie ny Tompo Jesosy Kristy!
1
Ry Ray malala any an-danitra, nandre an’ilay hira hoe Minoa fotsiny
ihany izahay; io dia mahatonga saina anay fa izay ihany no ilaina ataonay mba
handovana ny fampanantenan’Andriamanitra rehetra, ny finoana azy ireny
fotsiny. Satria voasoratra hoe: «Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.» Miantso
mafy àry izahay, toy ilay lehilahy nanan-janaka nararin’ny androbe: «Tompo
ô, mino aho, vonjeo aho ho afaka amin’ny tsi-finoako!»
2
Misaotra Anao izahay ny amin’ny Herinao lehibe, ny fanambarana be
voninahitry ny maha-Izy Anao, izay Nomenao anay amin’izao andro farany
izao. Izany dia mahasambatra sy mahafaly ny fonay manokana, ny fahalalana
fa tafiditra ao amin’ny fifandraisana miaraka amin’Andriamanitra velona
izahay ka Izy indray no manamarina an’izany amin’ny alalan’ireo fanehoana
ara-batana sy azo tsapain-tànana, toy izay efa Nataony tamin’ny lasa sy izay
efa Nampanantenainy ho amin’izao andro izao. Mankasitraka Anao tokoa
izahay, ry Andriamanitray. Amin’izao andro feno aizina izao, izay toa tsy
ahalalan’ny olona ny làlana tokony haleha, dia faly tokoa izahay raha nahita
ilay toerana azo antoka, ilay fandosirana.
3
Ankehitriny, tahio izahay, izao hariva izao, Tompo ô, raha toa ka hiresaka
ny Teninao. Ary enga anie izahay hihazona ao am-po ireo fampanantenana
nomena anay, ka ho tia azy ireny am-panajana sy hankato azy ireny miaraka
amin’ny fifehezan-tena masina indrindra. Ka mangataka an’izany izahay
amin’ny Anaran’i Jesosy. Amena.
4
Ny hoe fanati-pitiavana? Tsy tokony nanao an’izao hianareo. Iza no nanao
an’ito? Moa ve hianao no meloka ny amin’izao? Ny mpandamin-draharaha no
raisiko ho tompon’andraikitra. Nilaza izy fa nanao fitatazana mba ho fanatipitiavana ho ahy. Tsy tokony nanao an’izao izy. Ankasitrahako izany;
Andriamanitra mahalala; fa tsy ho an’io no nahatongavako. Misaotra. Ny
Tompo anie hitahy anareo! Hanao izay rehetra azoko hatao aho… Hapetrako
avy hatrany ho an’ireo asa fanompoana any ivelany izany, ka dia ho fantatro
fa handeha ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ary, raha sitrapon’ny Tompo,
dia izaho ihany no hampiasa azy any amin’ireny firenena ireny, mba
ahafahana mitondra an’izao Filazantsara norenesinareo tamin’ity herinandro
ity izao. Ka dia ho fantatro fa ho tontosa araka izay ninoanareo azy izy io. Ny
Tompo anie hanampy ahy amin’ny fanaovana an’izany.
5
Ankasitrahako tokoa ireo rehetra tonga tamin’ity herinandro ity sy
hianareo rehetra izay mifandray anio hariva, anio indray, amin’ny alalan’ny
antso an-tariby. Ary ankasitrahanay ny tsirairay aminareo.
6
Niteny tamiko i Billy anio maraina hoe: «Dada, raha niaraka tamiko
hianao, vao maraina be, taoriana kelin’ny fiposahan’ny masoandro, ka teto
nanodidina teto, dia ho nahita an’ireo reny nanome sakafo ny zanany tao anaty
fiara sy ireo olona mampalahelo niandry ny fisokafan’ny varavarana teo
ambany orana.» Hitanareo amin’izany ny maha-mpihatsaravelatsihy ahy raha
toa ka hilaza ankoatran’ny Fahamarinana aminareo? Ho tena tsy mendrika
aho. Matetika aho, voatery manao izay maharary, nefa tsy hoe izay no tiako
atao, fa izany dia satria… Tsy izaho no manao maharary, fa ny Fahamarinana.
IZA MOA IO MELKIZEDEKA IO?
35
Nefa inoako fa ny antony ahatongavanareo, dia ny fahatsorako tokoa eo
anatrehanareo ka manao izay rehetra azoko atao aho mba hanampiana anareo.
Ny Tompo anie hanampy ny tsirairay aminareo.
7
Ary ankehitriny, te-hisaotra an’ireo olona aho nohon’ny fiara-miasa tsara
nasehony sy ireo olona avy amin’ity tanàna ity koa izay nanome antsika…
izay nanome alalana antsika mba hanofa, ato anatin’ity sekoly ity, ny trano
fanaovana fivoriana sy ny trano fanatanjahan-tena. Ary te-hisaotra an’ireo
olona mpitantana aho, raha eto izy ireo, tahaka izany koa Thurston Colvin,
izay mpiambina eto, ny amin’ny fiaraha-miasa tsara indrindra sy ny amin’ny
fanampiany antsika tamin’ny fahazoana an’izao ary koa ny amin’ny maha-eto
azy isan-kariva miaraka amintsika.
8
Isaorantsika ny fahatongavan’ny polisy eto Jeffersonville sy ny
nahafahany nanara-maso ny toerana tamin’ny vidiny ambany dia ambany.
Inoako fa mety roa dolara teo no ho eo isan’ora no nahatongavan’ny polisy
eto, nanao asa manokana, mba hampiditra ireo fiara, miambina mba tsy hisy
maninona fa mba hilamina ny rehetra. Mankasitraka azy ireo isika. Ary koa
ilay mpikojakoja milina eto, nahatsikaritra azy aho. Ary hianareo rehetra izay
miankina amin’ity, tena mankasitraka anareo tokoa izahay.
9
Misaotra ny tsirairay aminareo aho noho ireo fanomezana. Nitondra maro
tamin’izany teo amiko i Billy anio tolakandro; nisy fonosana vato mamy, sy
ny sisa. Ny iray tamin’izy ireo dia naneho an’ireo Fahasambarana, niaraka
tamin’ny sarin’i kristy vita sikotra tao anatiny. Izany dia ilay Tori-teny teo Antendrombohitra. Ary tena nahafinaritra ilay izy. Misaotra betsaka anareo aho.
Ary zavatra maro tokoa ka tsy haiko izay fomba hisaorana anareo. Ary koa ny
amin’ny fiantranonareo sy ny famatsiam-bola ho an’ireo fivoriana;
ankasitrahanay tokoa izany, amin’ny fonay rehetra. Hitahy betsaka anareo
rehetra anie ny Tompo!
10
Nilaza tamiko i Billy fa betsaka ireo olona nangataka fihaonana manokana
mandritra izao fotoana izao ary betsaka no nanana zazakely hatolotra. Oh! Toy
inona ny faniriako hanao an’izany! Saingy, hitanareo, raha tonga aho tamin’ity
indray mandeha ity, dia tena maika loatra ka tsy maintsy nijanona nandritra ny
fotoana rehetra teo amin’ny fandinihana an’ity Teny ity sy am-bavaka, mba
ahafahana mitondra an’ireny hafatra ireny. Hitanareo, izy ireo dia tsy… zavamahagaga tokoa izany ho antsika, satria izany dia mikasika ny fitadiavana ny
sitrapon’Andriamanitra sy ny filazana an’ireo zavatra ireo avy eo. Ary izany
rehetra izany dia tsy maintsy mifanaraka ary koa tsy maintsy mangataka
amin’Andriamanitra aho ny amin’izay tokony holazaina.
11
Raha sitrapon’Andriamanitra, hiverina tsy ho ela izahay, raha vao afaka
manokana andro anankiray. Nampiseho hevitra aho… na nilaza zavatra
mikasika ny Paska. Tsaratsara ho ahy ny handamina tsara, satria inoako fa
manan-javatra voaomana aho any ‘Californie’, amin’io fotoana io. Koa, mety
tsy marina angamba. Na dia izany aza, rehefa tafaverina eto amin’ny
‘Tabernacle’ izahay, dia handefa karatra ho anareo (fiangonana) ka hanome ny
daty sy ny ora.
roapolo metetra miala azy aho. Nanendry an’i Jesosy Kristy izy, Ilay
Mpisoronabe. Inonareo va izany?
186
Mijery vehivavy anankiray efa niresaka tamiko aho izao. Io vehivavy io,
mijery azy aho satria eo am-pivavahana mafy ho an’ny lehilahy anankiray izy.
Nilaza tamiko izy fa nisy lehilahy… Tsy mbola nilaza zavatra tamiko
mikasika izany izy, fa ny anarany dia Madama Waldrop. Avy any Phoenix izy.
Nitsangana tamin’ny maty izy io. Tonga niaraka tamin’ny radiografia ny
mpitsabo azy sady naneho homa-miadana tao am-pony. Maty teo amin’ny
laharana fangataham-bavaka izy. Firy taona lasa izay, ry Madama Waldrop?
— Valo ambin’ny folo taona, ary mipetraka io izy, anio hariva, ho
vavolombelona velona.
187
Tonga teo amin’ny fivoriana ireo mpitsabo azy, sady nitondra ireo… Hoy
ireo hoe: «Ahoana no ahafahan’io vehivavy io ho velona?» Saingy indro izy,
tsy misy marika ny amin’izany intsony. Nitondra olona izy ary eo ampivavahana ho azy. Efa ho fatin’ny diabeta izy io. Ankehitriny, izany, efa
fantatro. Saingy, satria eo am-pivavahana hianao… Hianao mahalala fa tsy
mahalala aho hoe iza moa izy io, ry Madama Woldrop.
188
Avy any Missouri izy ary antsoina hoe Ramose Cooper. Marina izany.
Ankehitriny, mino ve hianao? Afaka miverina any an-tranonao hianao sady
sitrana, Ramose. Miankina aminareo izany, raha mino hianareo.
189
Indro misy vehivavy; ampijalian’ny asma izy; misy fasahiranana betsaka.
Tsy avy eto izy. Mipetraka ery amin’ny olona maro ery izy, ao, amin’ity
hitsiny ity. Antenaiko fa azony… Tsy avy eto izy; avy any Georgie.
Ramatoakely Mckenny, mino amin’ny fonao rehetra ve hianao sady mino fa
Andriamanitra hanasitrana anao? Mitsangana, raha vahiny amiko hianao ka
marina izany. Efa nanasitrana anao Jesosy Kristy. Mino ve hianao?
190
Misy lehilahy iray mipetraka eto aorianako. Eo am-pifandraisana
amin’Andriamanitra izy. Ny zavatra ilainy, dia… Manan-janaka kely marary
fo izy. Io zazakely io dia misy rivotra ao am-pony, araka ny mpitsabo. Ary ny
anaran’io lehilahy io, Ramose Cox. Mitsangana hianao, Ramose Cox. Ary
nilaza tamin’i Saraha izay neritreretiny tao Aoriany Izy.
191
Eo ankilany mihitsy, eo amin’ny ilan’ny lalan-tsara, somary aoriana kely,
dia misy lehilahy tsy avy eto, fa avy any Nouveau Mexique.Tsy mbola nahita
azy mihitsy aho tamin’ny fiainako. Eo am-pijerena azy aho izao; ao aoriako
izy. Avy any Nouveau Mexique izy, ary io lehilahy io dia sahirana ny
amin’izay momba ny zazavavy kely anankiray. Izy io dia manan-javatra tsy
mety tsara ao amin’ny vavany. Izany dia… Izay tsy mandeha amin’ny laoniny,
dia ny lanilany ao amin’ny vavany. Ary io lehilahy io dia antsoina hoe
Ramose West. Ramose, afaka mitsangana ve hianao? Tena vahiny tokoa aho
aminy, kanefa hanasitrana ny zanany ny Tompo Andriamanitra. Mino amin’ny
fonareo rehetra va hianareo ankehitriny?
192
Firy aminareo no mino amin’ny fony rehetra ankehitriny? Tsy Jesosy
Kristy va no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay? Hanaiky Azy ho
Mpamonjy anareo va hianareo izao? Atsangano ny tànana. Mino va hianareo
2
34
IZA MOA IO MELKIZEDEKA IO?
avelao ny finoako hanendry Anao.» Ary raha manao an’izany Izy ka
manambara tsy diso ny Tenany eto, firy aminareo no hino Azy amin’ny fony
rehetra, raha manao an’izany Izy na ho an’ny anankiray monja aza, na roa, eny
olona telo, ho vavolombelona. Hitahy anareo anie Andriamanitra!
179
Ankehitriny, Ray tsara indrindra ô, izao dia tena ivelan’izay mety takatry
ny olona; tsy maintsy ho fisehoan-javatra mahagaga inty. Noho izany,
mangataka Aminao aho mba hanampy ahy ankehitriny, Tompo ô; eo Antànanao aho. Ataovy amiko araka izay Tsarainao fa marina. Amin’ny Anaran’i
Jesosy. Amena.
180
Ankehitriny, aza mikoropaka, lazao fotsiny, am-panetren-tena sy ampanajana hoe: «Tompo ô, hanompo Anao aho. Ary izany dia ho fahamarinana
fa… Raha afaka manendry ny Lambanao aho, dia valio aho amin’ny alalan’io
lehilahy io. Izany no hanaporofo amiko fa izay nolazainy dia Fahamarinana.»
Marina ve izany?
181
Firy no efa nahita ny sarin’ity Fahazavana ity? Hita manerana ny firenena
izany. Nandray an’izany ny manam-pahaizana ka nandinika azy. Kanefa, eto
mihitsy Izany ankehitriny, Ilay niresaka mikasika ny Fanambadiana sy ny
Fisarahana ihany, Ilay teo ambony tendrombohitra sy nanozongozona an’ireo
havoana teny ihany, Ilay teo amin’ny renirano ihany, tamin’ny 1933, Ilay tsy
miova omaly sy anio ary mandrakizay. Izy no tsy miova.
182
Ankehitriny, indro misy vehivavy; fantany izao fa nisy zavatra nitranga.
Ilay Fahazavana dia tena mijanona eo amboniny. Mipetraka io izy, manao
an’io karazana akanjo-ba maitso io. Tsy mahafantatra an’io vehivavy io aho.
Heveriko fa tsy mifankafantatra izahay. Marina izany. Inoanao ve fa
Andriamanitra… Mila zavatra hianao, ary inoanao ve fa afaka
ambaran’Andriamanitra amiko ny olanao? Ary raha manao an’izany Izy, dia
ho fantatrao noho izany fa tsy maintsy hery mahagaga, satria tsy mahafantatra
anao aho. Ary izany dia tsy maintsy avy amin’ny alalan’ny zavatra mahagaga.
Izany dia miankina amin’ny fomba heveranareo azy. Afaka miandany amin’ny
pretra hianareo ka hiantso an’Izany ho devoly, na afaka miandany amin’ny
mpino ka hiantso an’Izany ho Andriamanitra. Na inona na inona inoanareo,
dia avy eo amin’izany no hihavian’ny valisoanareo.
183
Raha ambaran’Andriamanitra amiko ny olanao, hanaiky Azy ho toy ny
fanavotana ho an’izany olona izany ve hianao? Tsy fantatro ny olana, saingy
fantatro ary fantatrao fa misy zavatra eo am-pahatongavana.
184
Ankehitriny, avelao aho hilaza aminao izay tsapanao ankehitriny, dia ho
fantatrao. Fahatsapana hafanana, tena malefaka sady mahafinaritra. Eo ampijerena Azy aho. Io Fahazavana io, Ilay Fahazavana mivolom-bolamena, izay
mijanona eo akaikin’io vehivavy io. Ary io vehivavy io dia mijaly amin’ny
aretim-bavony. Misy karazana fivontosana ao anatin’ny vavoniny. Tsy avy eto
izy, tsia; avy lavitra hianao, tsy izany va? Marina izany! Avy any Wisconsin.
Marina ve izany? Mazava ho azy. Ankehitriny, sitrana hianao. Ny finoanao no
nahasitrana anao.
185
Ankehitriny, lazao ahy hoe izay notendren-dravehivavy? Dimy amby
3
12
Angamba amin’io fotoana io… Tsy nanokana fotoana ivavahana ho
an’ireo marary indray aho. Tsy mbola nanana fivoriana mihitsy isika izay
niantsoana olona mba hivavahana ho azy ireo. Natokantsika teny ivelany izy
ireo. Ary ireo rahalahintsika teto no nitory teny, rahalahy Lee Vayle sy
rahalahy… Ireo rahalahy hafa ireo no nitory teny, ka nivavaka ho an’ireo
marary sady nanao ny batisan’ny rano, izay namela ahy noho izany hijanona
irery niaraka tamin’ny Teny. Isaorantsika ireo rahalahy ireo. Nanao asa
mahafinaritra tokoa izy ireo.
13
Betsaka tokoa raha ireo namako tiako hihaonana. Nijery teny ambany aho
ka nahita an’i John sy Earl. Ary misy an’i dokotera Lee Vayle, isan’ireo
mpandamina ny tafika atao - rahalahy Roy Borders. Ireo lehilahy ireo, tsy
afaka nandray tànana azy akory aho. Tsy nisy nahafahako nanao izany.
Mahatsiaro an’ireo sakaizako any Kentucky sy ireo manodidina aho, ireo
sakaiza ao amin’ny fanompoana; toy inona no itiavako handray tànana azy
ireny. Rahalahy Blair, nahatsikaritra azy teto aho, indray andro iny. Ary
betsaka amin’ireo lehilahy izay tiako; nandeha tamin’ireo fivoriana maro izy
ireo nefa aho tsy mba afaka nandray tànana azy ireny akory. Miezaka aho…
Tsy hoe satria tsy te-hanao izany; fa satria tsy nanana fotoana sady tsy maintsy
mikoropaka.
14
Raha ny amin’ny fanoloran-jaza, azo antoka, ny zanako… ny zafikeliko,
Davida kely, dia tokony natolotra tamin’izao fivoriana izao. Tsy nanana
fotoana nanaovana an’izany aho. Efa in-droa no naha-raibe ahy ankehitriny.
Noho izany, Ramose May, raha eto izy anio hariva, dia nanome ahy an’ity
tehina ity ary ataoko fa tsy ho ela aho dia tokony hampiasa azy io.
15
Nilaza tamin’i Billy aho hoe: «Ny Baiboly dia nilaza, eny, mba hihamaro
sy hameno ny tany, saingy tsy eo aminao avokoa io enta-mavesatra io.» Ireo
zafikely ireo dia mipoitra haingana. Ary, tadidio, ny vinantovaviko dia momba
tamin’ny voalohany; tsy afaka nanan’anaka izy. Saingy indray andro, rehefa
niala ny fivoriana anankiray, dia niteny tamiko ny Tompo, ka hoy aho taminy:
«Loyce, hanan’anaka lahy hianao; ny Tompo efa nitahy anao. Tsy eo intsony
ny olana teo amin’ny taovanao.» Teraka teto an-tany i Paoly kely, sivy volana
taty aoriana.
16
Roa volana talohan’ny nahaterahan’io zazakely io, dia teo amin’ny
latabatra aho indray maraina, teo am-pisakafoanana, ary i Loyce sy i Billy
nipetraka tetsy ankilan’ny latabatra. Ary nahita an’i Loyce aho, teo ampanomezana sakafo zazakely, voahodidin’ny lamba mavokely, na manga ny
marimarina kokoa. Ary nipetraka teo an-tsisiny i Billy, teo am-panomezana
sakafo an’i Paul kely. Nilaza aho hoe: «Billy, vao nahita fahitana aho. Loyce
dia teo am-panomezana sakafo zazakely voadidina lamba manga.» Hoy izy
hoe: «Izay fa very an-drano ny saika hihazako izany. Tena tokony afaka sivy
volana mihitsy.»
17
Iraika ambin’ny folo volana taty aoriana, teraka i Davida kely. Ary mbola
tsy afaka nanokana azy tamin’ny Tompo aho sady tsy afaka hanao an’izany
alohan’ny hiverenanay. Noho izay, dia hitanareo ny amin’izany.
IZA MOA IO MELKIZEDEKA IO?
33
17.Toy inona no itiavako an’ireo olona sy ny fiarahana aminy. Kanefa
nivavaka ho an’ireo marary ireto rahalahintsika ary fantatro fa fahombiazana
izany. Isan-kariva dia nivavaka ho an’ireo marary isika, nifametra-tànana, ka
namela
antsika
rehetra
nifandray.
Saingy
angamba,
raha
sitrapon’Andriamanitra – hosoratako amin’ny karatra izany raha handefa
an’izany izahay rehefa hiverina aho, mbola te-hanokana roa na telo andro aho,
hatao hivavahana ho an’ireo marary fotsiny ary amin’izany fomba izany,
hanao izay azontsika hatao ny amin’izay lafiny izay.
19
Te-hisaotra ny olona indray aho noho ny fanampian’izy ireo. Ankehitriny,
mandritra ny fotoana fohy, te-hanao fanamarihana vitsy aho mikasika ny
hafatra tamin’ny maraina. Hita tsara fa tsy vitako ny namarana azy tanteraka,
nefa fantatro fa azonareo izany. Ary azoko antoka fa hianareo dia… tsy
hahalala mihitsy hianareo ny hoe nanao ahoana ho ahy ny fanaovana an’io.
20
Toa tahaka ny tsotra be izany ho anareo, saingy mba hitanareo ve ny
ataon’ny tena eo? Mandray ny toeran’Andriamanitra hianareo amin’ny
filazana zavatra toy izany. Ary alohan’ny hanaovako an’izany, dia tsy maintsy
nisy valiny avy tamin’Andriamanitra. Tsy maintsy nidina Izy, ka naneho ny
Tenany ho hita maso sady nanome ny fanambarana. Izay no antony
(hitanareo) ho an’ny Fiangonana izany. Ary tadidio, nilaza aho fa izay
nolazaiko dia ho an’ny Fiangonana irery ihany.
21
Ary mba ahafahanareo manana fahatokiana ka mba ahafantaranareo izany,
fa ilay Andriamanitra nilaza tamiko tany ihany, raha toa ka tsy nisy ‘ecureuil’:
« Mitenena ka lazao izay toerana hisy azy ireo.» Ary nitranga in-telo tsy
ankiato izany. Nefa, raha Azony atao, amin’ny alalan’ity Teny ity ihany, ny
hamorona zavatra tsy teo, tsy mihoatra lavitra noho izay va no tsy
hiovan’Izany amin’ny andro fitsarana! Hitanareo? Vahoaka betsaka no teo
mba hahita sy hahalala an’ireo zavatra ireo. Toy izay nolazain’i Paoly azy
fahiny, nisy an’ireo olona niaraka taminy nahatsapa horohoro-tany nefa tsy
nandre Feo, saingy nahita ny Andri-afo.
22
Nahatsara ahy anefa izany taty aoriana, ny mahita an’ireo lehilahy sy ny
vadiny, izay fantatro fa tena kristiana, mifamihina sady mitomany. Ary henoy,
ry sakaiza, Andriamanitra dia manamarina ny Teniny amin’ireo famantarana
sy fanamarinana mba hanaporofoana fa marina Izany. Ny Teny voambara!
23
Ankehitriny, tsarovy, io Fahazavana tao amin’ilay rahona io, izay nanome
fanambarana… Izaho dia… Ny zanako vavy kely Sarah, eto, nilaza tamiko fa
izy ireo rehefa… Ilay sekoly tany Arizona io, dia nahita, tamin’ny fijererena
ny fahadiovan’ny lanitra, ilay rahona mahagaga, teo amin’io tendrombohitra
io, izay niakatra sy nidina niaraka tamin’ny Afo miloko mavo-mena, nirehitra.
Najanon’ny mpampianatra ireo fampianarana sy ny sekoly, nitondra azy ireo
teny ivelany izy ka nilaza tamin’izy ireo hoe: «Efa nahita zavatra toy izao va
hianareo? Jereo kely.» Tadidio, izany dia ilay Fahazavana mavo-mena izay teo
ambonin’ny vatolampy! Noho izany, Andriamanitra tsy miova io,
fanambarana tsy miova. Nilaza tamiko Izy hoe: “Lazao azy ireo mba hanao
an’izao.” Dia izay nolazaiko anareo anio maraina; koa, izay.
olona fa misy zavatra tsy mety tsara ao Aminao, satria, raha nangataka azy
ireo mba hihinana ny Nofonao ny hisotro ny Rànao Hianao, dia efa nihevitra
sahady izy ireo fa misy zavatra tsy mety tsara. Ary hoy Hianao hoe: ‘Izy moa
no nanendry Ahy?’; kanefa ny vahoaka rehetra mifanety Aminao.»
174
Namaly Izy hoe: «Eny, saingy fantatro fa nisy hery niala Tamiko.»
Fanendrena hafa tokoa izany. Kanefa ny rehetra mahalala fa ny hery, dia
tanjaka. «Nanjary reraka Aho; nisy hery niala Tamiko.» Nijery manodidina
Izy Mandra-pahitany an’ilay vehivavy kely, ka dia Nambarany azy ny
fahaverezan-drany. Ary tsapan-dravehivavy tao amin’ny tenany fa nijanona
izany. Marina ve izany? Ary hoy Izy: «Ny finoanao no nahavonjy anao.»
Kanefa ny teny grika ho an’izany dia Sozo, izay midika tanteraka hoe
‘voavonjy ara-nofo na ara-panahy’. Mitovy izany, voavonjy fotsiny. Izy no
Mpamonjy anareo.
175
Ankehitriny, raha Izy Ilay omaly sy izay fomba Niasany mba
hanaporofona fa teo anivon’ireo vahoaka Izy, Ilay Mesia nampanantenaina, ka
toy izany no Hanondrony ny Tenany araka ny fampanantenan’ny Baiboly, dia
tsy tokony hanao zavatra mitovy ka Izy ankehitriny. Tsy tokony hanao zavatra
mitovy va Izy?
176
Hoy hianareo hoe: «Nilaza an’izany ve Izy mikasika ny fanasitranana
an’ireo marary?» Eny! Ny Bokin’ny Hebreo, ny ampahany ao amin’ny
Baiboly vao novakiako, milaza fa Jesosy Kristy ankehitriny dia Mpisoronabe
ho antsika izay afaka miara-mitondra ny fahalementsika. Firy no mahalala fa
marina izany? Ny Baiboly milaza izany. Izy no Mpisoronabe ankehitriny izay
miara-mitondra ny fahalementsika. Noho izany, raha Izy ihany Ilay
Mpisoronae teo aloha, ahoana no Hiasany ankehitriny? Tsy maintsy hiasa
amin’ny fomba mitovy tamin’izany fotoana izany Izy, raha Izy ihany Ilay
Mpisoronabe. Ankehitriny, angamba hianareo… Tsy izaho no mpisoronabe ho
anareo. Afaka hanendry ahy hianareo ary izany dia hitovy tanteraka tahaka ny
nanendrenareo ny vadinareo na ny rahalahinareo na hafa, olona anankiray. Fa
avelao ny finoanareo hanendry Azy ka jereo izay mitranga.
177
Ankehitriny, raha mpanompon’Andriamanitra aho ka nilaza ny marina
taminareo, Andriamanitra hanamarina fa Marina izany. Ary izany dia
hanaporofo fa velona Jesosy Kristy anio hariva sady mijoro eto. Marina ve
izany? Ankehitriny, manana finoana. Ny ilany anankiray aloha, ny ilany.
Hianareo izay etsy, manana finoana. (Tsaratsara kokoa ho ahy ny mijanona eto
amin’ny fanamafisam-peo, satria tsy afaka mandre ahy izy ireo.)
178
Hanandratra ny masony amin’Andriamanitra fotsiny anie ny tsirairay ka
hilaza hoe: «Andriamanitra ô, tsy mahafantatra ahy io lehilahy io. Tsy
mahalala izay mety momba ahy izy. Tena tsy fantany mihitsy aho. Fa avelao
ny finoako hanendry Anao, Tompo ô. Fantatrao izay tsy mety ato amiko ato,
Tompo ô. Fantatrao ny mikasika ahy rehetra, Fantatrao ny maha-izy ahy,
tahaka ny Nahalalanao ny naha-izy an’i Petera, ny naha-izy an’i Natanaela, sy
izay narary an-dravehivavy very ra. Ary ito lehilahy ito dia milaza amiko fa
Hianao no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Noho izany, Tompo ô,
4
18
32
IZA MOA IO MELKIZEDEKA IO?
zavatra bebe kokoa. Moa tsy te-hiresaka va Hianao, Tompo ô, mba
hahafahan’ireto olona mahalala fa nilaza ny Fahamarinana taminy aho? Ekeo
izany, Andriamanitra ô. Mangataka an’izany amin’ny Anaran’i Jesosy aho,
izao indray mandeha izao indray. Amena.
167
Ankehitriny, tsy mahafantatra anareo aho; mahafantatra olona
sasantsasany aho. Fantatro io zazalahy io, eto. Fantatro i Bill Dauch, izay
mipetraka eto. Tiako… Io rahalahy Blair, Rodney Cox. Sarotra ny mahita ery.
Amin’ity ilany ity, amin’izao fotoana izao, tsy afaka mahita olona fantatro
aho.
168
Ankehitriny, firy eto no mahalala fa izaho dia vahiny aminy — atsangano
ny tànana — mahalala fa tsy mahalala mihitsy izay momba azy aho, atsangano
ny tànana ho an’ny ilany roa. Firy aminareo eto no manana zavatra tsy mety
tsara ka mahalala fa tsy mahalala an’izany mihitsy aho, tianareo ve ny
hanangan-tànana. Ankehitriny, tena tsy haiko sady tsy vitako atao mihitsy ny
mahalala na inona na inona mikasika anareo. Fa raha tsy izany kosa, dia tsy
maintsy avy amin’ny fanambaran’ny Fanahy izany. Ary satria efa nilaza
taminareo aho tamin’ireo hariva rehetra sy izao hariva izao koa, fa tsy maty
Izy, eto Izy sady nampanantena fa ho avy ny fotoana, amin’ny andro farany,
izay, araka ny Malakia 3 sy Lioka, hiseho indray Izy, ao amin’ny endrika
olombelona eo anivon’ny Vahoakany ka hanao zavatra mitovy, hanambara
zavatra mitovy, mbola ilay famantarana mesianika ihany… Firy no mahalala
an’izany? Hianareo, mpamaky Baiboly, izay mahalala fa marina izany, milaza
hoe: «Amena» [Namaly ny fiangonana hoe: «Amena!» — Mpandika.] Mety
ho mpamaky Baiboly avokoa ny rehetra.
169
Ankehitriny, fantatro fa hafahafa amin’ny olona izany, anio, saingy,
fahamarinana kosa izany. Izay no antony tsy nahafantaran’izy ireo an’i Jesosy
avy any Nazareta. Nahafantatra ny fanekem-pinoan’ny fiangonany izy ireo, fa
tsy nahafantatra Azy. Na izany aza, tonga araka izay nolazain’ny Baiboly
tokoa Izy, tsy hoe tamin’ny maha-teolojiana na pretra; fa tonga tamin’ny
maha-Mpaminany Azy; ary ny Azy dia tsy nandray Azy.
170
Ankehitriny, raha mihazona ny Teniny Andriamanitra ka milatsaka eo
amin’ny olona fantatro izany, dia haka olona anankiray hafa aho. Hitanareo,
mila olona tsy fantatro mihitsy aho. Iriko raha hivavaka hianareo.
171
Ankehitriny, jereo, indray mandeha, nisy vehivavy kely nanana kilema.
Nandany ny volany teny amin’ny mpanao fanafody izy; tsy afaka nanasitra
azy ireo izy. Hoy ravehivavy anakam-pony: «Raha mba afaka manendry ny
lamban’io Lehilahy io aho, dia ho sitrana.» Tadidinareo va ilay tantara? Noho
izany, niezaka nitazona azy ny rehetra, saingy nanivatsiva teo amin’ireo
vahoaka izy, mandra-pahatonga azy nanendry ny Lambany, avy teo izy
niverina nipetraka.
172
Ankehitriny, henoy tsara. Rehefa nataony izany, dia nihodina Jesosy sady
niteny hoe: «Iza moa no nanendry Ahy?»
173
Koa, nanome tsiny Azy ny apostoly Petera. Mety niteny zavatra toy izao
angamba izy hoe: «Tompoko, aza milaza zavatra tahaka izany. Hievitra ny
5
24
Raha toa ilay sakaiza malalako, rahalahy Roy Roberson, mihaino
ankehitriny any Tucson: «Roy, tadidinao ve ilay fahitana voarainao tamin’ny
andro naha-teo an-tendrombohitra antsika? Nanatona ahy hianao ary teo antampon’ny havoana iny rahona iny? Teo am-pidinana, fantatrao izay
Nolazainy taminao, efa nolazaiko anao izany iny indray andro iny, tany antrano? Izany tokoa, Roy. Ry zanako, aza manahy intsony; efa milamina
izany.»
Tsy fantatrareo ny dikan’izany! Ny fahasoavana! Tia anareo Izy!
Hianareo, tiava Azy! Tompoy amim-panetren-tena Izy ka ankalazao mandritra
ny andronareo sisa. Mifalia, mandehana ka mivelona toy izay maha-izy
anareo. Raha faly hianareo, dia tohizo toy izany. Aza mamerina manao zavatra
ratsy toy izany intsony. Mandehana fotsiny; fahasoavan’Andriamanitra izany!
25
Ankehitriny, te-hivavaka indray aho, alohan’ny hidirantsika ao amin’ny
Teny. Firy no te-hivavaka ho ahy? Hitety fivoriana fotsiny aho, te-hivavaka ve
hianareo? Fantatrareo, te-hihira fohy ho anareo aho — isika rehetra miaraka
— alohan’ny hahatongavana amin’ny Teny. Mba ahalalantsika fotsiny fa
Andriamanitra… Fanokanan-tena kely fotsiny. Efa henonareo va ilay hira
fohy manao hoe Mandray an-tànana anao Izy? Amin’ny fotoana mamiratra sy
ao anaty fahoriana, dia mandray an-tànana anao Izy.
26
Manatona ny piano ramatoa kely ankehitriny. Oh! te-hisaotra an’io
ramatoa kely io koa aho; tsy fantatro akory izy teo. Isan’ny zanakavavin’ireo
diakona eto izy. Azo antoka fa izaho… Ny zafikelin’i rahalahy Wheeler; tonga
lehibe izy, ankehitriny. Ankizy kely nipetraka teo ampofoako izy io
tamin’izay, vao tsy ela, ary ankehitriny, efa tanora zazavavy. Noho izany,
misaotra azy aho noho ny fampiasany ny fahaizany ao amin’ny mozika; ary
milalao am-pahalemena tokoa izy ankehitriny. Afaka manome feo anay ve
hianao, ranabavy? Isika rehetra.
Mandray an-tànana anao Izy;
Mandray an-tànana anao Izy;
Amin’ny fotoana mamiratra na maizina
Mandray an-tànana anao Izy.
Tianareo ve izany? Hiraintsika rehetra miaraka indray izany.
Mandray an-tànana anao Izy;
Mandray an-tànana anao Izy;
Amin’ny fotoana mamiratra na maizina
Mandray an-tànana anao Izy. (Rahalahy Dauch, mandray an-tànana anao
koa Izy, ry rahalahy!)
27
Moa tsy tia Azy va hianareo? Hiondrika isika ankehitriny. Ry
Andriamanitra mpiahy ô, ireto naoty kely, eto, dia misy zavatra sasantsasany
tsy maintsy lazaiko amin’ny olona. Miverina eto indray izahay mba
ahafahanay mijery todika ny amin’izay voalaza tamin’ny maraina, satria
hihaino an’izany no ahatongavan’ireto olona. Miangavy Anao aho,
Andriamanitra ô, mba hampahita ny olona fa Andriamanitra dia tia sady
mandray an-tànana azy ireo. Ary tsy izaho no nanome an’izany, Tompo ô; fa
IZA MOA IO MELKIZEDEKA IO?
31
voamarina ho Fahamarinana io. Noho izany, miangavy aho, Andriamanitra
malala ô, mba hijanonan’ny Fitiavanao eto amin’ny olona mandrakariva. Izao
hariva izao, raha toa ka tsy maintsy misaraka izahay aorian’ity fivoriana ity ka
samy hody, dia misy zavatra manitontsintona ato anatinay ato, Tompo ô.
Miangavy Anao aho mba hitahy an’ireto olona ireto.
28
Ankehitriny, raha toa ka manatona ny Teny am-bavaka izahay, ka
manatona ny Teny voasoratra, dia mangataka Anao mba handray an’izao Teny
voasoratra izao ka hamelona an’Izany ho anay, anio hariva. Ary rehefa handao
an’ity efi-trano ity izahay; ka hisaraka sy hody any amin’ny tokan-tranonay
avy, mba ho afaka ny hilaza anie izahay, toy ireo izay avy tany Emaosy,
rehefa niara-nandeha Taminy nandritra ny andro, nefa tsy nahafantatra Azy…
Fa rehefa Navoriny tao anatin’ny efi-trano izy ireo, io hariva io, nihidy avokoa
ny varavarana rehetra, dia nanao zavatra mitovy tamin’izay Nataony
talohan’ny nanomboana Azy Izy. Tamin’izay, dia nahalala izy ireo fa
nitsangana Izy. Ataovy indray izany anio hariva, Tompo ô. Ekeo izany, raha
toa ka mihidy ny varavarana sady eto am-piandrasana ilay Antokonao vitsy.
Ary Ray ô, rehefa hiverina any aminay izahay, dia hilaza tahaka azy ireo hoe:
«Tsy nangorangoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dàlana
Izy!» Mametraka ny tenanay eo An-tànanao miaraka amin’ny rehetra izahay,
Tompo ô, ataovy aminay izay Hitanao fa mety. Amin’ny Anaran’i Jesosy.
Amena.
29
Ankehitriny, hiditra haingana amin’ny fanompoana isika ary miaraha
mamaky amiko, raha ankasitrahanareo izany, ao amin’ny Bokin’ny Hebreo.
Fanambarana hafa indray ny amin’ny Hafatra no horesahintsika
ambangovangony, anio hariva, raha sitrapon’ny Tompo. Manaraka izany,
rehefa avy mamaky an’ireo andininy telo voalohany amin’ny Hebreo 7: 1-3,
dia hanadihady azy ireo isika. Ary tsy mahalala isika izay mety hataon’ny
Tompo. Tsy mahalala isika; ny hany tokana ataontsika, dia ny mino,
miambina, mivavaka (marina ve izany?) ary mino fa Hataony hiara-hiasa ny
zavatra rehetra hahasoa an’ireo izay tia Azy, satria Nampanantenainy izany.
Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan’i Salema sy
mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra, - ilay nitsena an’i
Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka
nitso-drano azy,
Sady nomen’i Abrahama ny ampahafolon’ny zavatra rehetra
aza, voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan’ny
fahamarinana, dia vao Mpanjakan’ny Salema koa, izany hoe:
Mpanjakan’ny fiadanana, (Hamaky lavidavitra isika.)
tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantarampirazanana, tsy manana voalohan’andro na faran’ny fiainana, - fa
natao tahaka ny Zanak’Andriamanitra, io Melkizedeka io dia
mitoetra ho mpisorona mandrakariva.
30
Heverinareo ny halehiben’io Olona io, ny halehiben’io Lehilahy io. Ary
ankehitriny, mipetraka ny fanontaniana: «Iza io Lehilahy io?» Ireo teolojiana
no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Amin’ny fahatsorana, ato ampoko, Tompo ô, fantatro fa misy zavatra eo am-pahatongavana. Tsy dia
fantatro loatra izany; matahotra aho ny hilaza zavatra, Tompo ô. Fantatrao ny
fon’ny Mpanomponao.
164
Impiry moa, nandritra ireo taona, raha nandefa zavatra Hianao, dia tsy
voarain’ny olona izany. Ny olombelona dia midera an’Andriamanitra
mandrakariva ny amin’ny zavatra Nataony ary miresaka ny amin’ireo zavadehibe izay Hataony, saingy tsy fantany izay ataony eo. Toy izay foana
tamin’ireo taona rehetra. Nahoana ny fiangonana romana no diso tamin’ny
fahitana, an’i masin-dahy Patrick, mpaminanin’Andriamanitra? Nahoana izy
ireo no namono an’i Jeanne d’Arc, kanefa vehivavy naminany izy, sady
nodoran’izy ireo tahaka ny mpamosavy? Ray ô, tratra aty aoriana foana.
Afeninao eo imason’ireo hendry sy ny manan-tsaina izany. Tsy mahagaga
raha niteny tamin’ireo pretra Hianao hoe: «Hianareo dia manisy haingo ny
fasan’ireo mpaminany, nefa hianareo no nanao azy ireo tao.» Rehefa lasa izy
ireo, izay vao hitany ny fahadisoany. Manenjika Anao foana izy ireo, Tompo
ô, na inona na inona endrika Ahatongavanao.
165
Mangataka Aminao aho anio hariva, Andriamanitra ô, mba hamerina
an’izany indray mandeha monja. Rahampitso, tokony ho any Tucson izahay.
Tsy maintsy mitory any amin’ny faritra maro hafa eto amin’izao tontolo izao
sy amin’ny tanàna maro hafa izahay. Kanefa, ry Andriamanitra malala, mety
misy vahiny angamba eto, anio hariva, izay mbola tsy… izay efa nandre toriteny saingy mbola tsy nahita ny fisehoan’izany mihitsy. Toy izay nangatahiko
Taminao hatramin’ny voalohany… Ireo mpianatra rehefa, Kleopasy sy ilay
sakaizany, avy any Emaosy fony nandeha teny an-dàlana, nivoaka avy tao
ambadik’ireo roimemy Hianao ka nanomboka niresaka tamin’ireo taorian’ny
fitsanganana sy nitory tamin’ireo… Koa, hoy Izy: «Ry adala sy votsa saina ka
tsy mino izay reheta nolazain’ny mpaminany, moa tsy tokony ho niaritra izany
va Kristy ka hiditra any amin’ny Voninahiny?» Saingy tsy nahafantatra Azy
hatrany izy ireo. Nandritra ny andro, niara-nandeha Taminao izy ireo, nefa tsy
nahafantatra Anao akory. Raha tonga ny alina, dia nanery Anao hiditra izy
ireo. Rehefa tao anatin’ny trano-kely fandraisam-bahiny izy ireo, ka nanidy
varavarana, dia nanao zavatra mitovy tamin’izay efa Nataonao talohan’ny
nanombohana Anao; ka dia nahafantatra izy ireo fa Kristy nitsangana
tamin’ny maty io. Tao anatin’ny fotoana fohy, tao ambadik’ireo sarona
Hianao ka nanjavona. Nihazakazaka avy hatrany izy ireo nilaza tamin’ireo
mpianatra hoe: «Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo!»
166
Ray tsara indrindra ô, inoako fa mbola velona Hianao. Fantatro fa izay
Hianao. Ary efa nanaporofo an’izany im-betsaka taminay Hianao. Afaka
mbola hamerina an’izany aminay indray mandeha monja ve Hianao, Tompo
ô? Raha nahita fitia teo Imasonao izahay, avelao mba hitranga indray izany.
Mpanomponao aho sady eto koa ireto Mpanomponao. Tompo ô, izay rehetra
nolazaiko dia tsy hitovy lanja amin’ny… Teny iray monja avy Aminao dia
hisy lanjany mihoatra lavitra noho izay nolazaiko nandritra ireo fivoriana
dimy — na tamin’ireo hafatra dimy. Teny iray monja avy Aminao dia hitondra
6
IZA MOA IO MELKIZEDEKA IO?
7
Saraha, na sarahita; fa ny Jentilisa dia avy tamin’i Maria, ny Voan’ny
mpanjaka, ny Voan’ny mpanjakan’i Abrahama.
158
Kanefa, nisy fampanantenana fa amin’izao andro farany izao, io
Andriamanitra io ihany, io Kristy io ihany, no hiverina ety ka haneho ny
Tenany amin’ny maha-Zanak’olona Azy. Nahoana? Izy no tsy miova omaly
sy anio ary mandrakizay. Raha namela an’ireo Jiosy ho afaka Izy… Raha
nomeny azy ireo ny famantarana mesianika, fa rehefa tonga eo amin’ny
fahataperan’ny fampianarana ho an’ireo Jentilisa avy eo, dia Avelany hiditra
fotsiny ireto noho ny teolojia, dia ho tsy marina Izy. Tsy maintsy manao
zavatra mitovy Izy satria ny Baiboly milaza, ao amin’ny Hebreo 13:8, fa Izy
no tsy miova. Ary nanambara Izy, araka ny Teny nampanantenainy ao amin’i
Malakia 3 sy ao anatin’ireo Andalan-tsoratra hafa rehetra, fa amin’ny andro
farany, dia hitovy tanteraka amin’izay misy azy ankehitriny ny fiangonana,
ary toy izany koa izao tontolo izao.
159
Jereo izao tontolo ankehitriny. Jereo ny fiainana sodomita. Mariho ireo
horohoron-tany amin’ny toerana maro isan-karazany sy ireo zavatra mitranga.
Jereo ny fiangonana ao anatin’ny fisafotofoton’ny Babylona, izay misy azy.
Jereo ny iraka irahina eo aminy, Oral Roberts sy Billy Graham — G-r-a-h-am. Voalohany, tamin’ny fotoana rehetra, no anantsika iraka ho an’ny
fiangonana rehetra anarana miafara amin’ny h-a-m tahaka an’i Abraham. A-br-a-h-a-m dia misy litera fito; G-r-a-h-a-m dia litera enina. Ho amin’iza no
nanirahana azy? Ho an’izao tontolo izao. Enina dia isan’ny olombelona. Ny
olombelona dia noforonina tamin’ny andro fahenina. Fa ny fito dia
isan’Andriamanitra.
160
Ankehitriny, jereo izy ireo, tany Sodoma. Misy an’ireo iraka ho azy ireo
niresaka taminy. Kanefa, aiza io Voan’ny mpanjakan’i Abrahama io? Aiza ny
famantarany izay mifandraika tamin’izay Nolazainy, «Izay nitranga tamin’ny
andron’i Sodoma», taiza no nidinan’Andriamanitra ka Nisehoany tao amin’ny
nofon’olombelona, sady niteny ny fisainan’ny fon’i Saraha, tao anaty tranolay tao Aoriany, ilay famantarana farany alohan’ny nandravana tamin’ny afo
ny tontolon’ny Jentilisa? Ary ny fiangonana dia nandray ny famantarany
farany alohan’ny andravana an’izao tontolo izao, mba ho potehina amin’ny
alalan’ny afo sy ny fahatezeran’Andriamanitra ity fanjakan’ny jentilisa ity.
Inoanareo ve izany?
161
Io Melkizedeka io dia nofo, voaseho tao anatin’ny vatan’olombelona; ary
taty aoriana, dia tonga nofo Izy. Anio hariva, Izy no tsy miova omaly sy anio
ary mandrakizay. Mino Azy ve hianareo?
162
Iza àry noho izany io Melkizedeka ilay tsy miova omaly… Tsy nanan-dray
mihitsy Izy, tsy nanan-dreny mihitsy; ireo Androny dia tsy nanam-piandohana
mihitsy. Tsy mbola nanana fiafaran’ny fiainana mihitsy Izy. Nifanena tamin’i
Abrahama Izy, ary karazana famantarana ahoana no Nataony? Kanefa, fony
tonga nofo Izy, Nolazainy fa tsy maintsy miverina izany alohakelin’ny andro
farany. Inoanareo ve izany? Inoako izany! Hivavaka isika.
163
Ry Andriamanitra malala, inoako ireo Soratra izay Nitenenanao fa Hianao
nanana hevitra isan-karazany, fa hatramin’ny fisokafan’ireo Tombo-kase Fito,
Ilay Boky izay niafina teo amintsika… Araka ny Apokalypsy 10: 1-7, ny zavamiafina rehetra izay voasoratra ato anatin’ity Boky ity, izay nafenina tamin’ny
taonan’ireo mpanavao dia tokony asehon’ny anjelin’ny taonan’ny Fiangonana
farany. Firy no mahalala fa marina io? Marina izany. Tokony ho voaseho izy
ireny. Ireo zava-miafina rehetra ao amin’ilay Boky saro-patarina dia tsy
maintsy voambara amin’ny Iraky ny taonan’ny Laodikia.
31
Ny fahitana fa misy ady hevitra betsaka mikasika an’io Olona io sy ny
amin’izany zavatra izany, heveriko fa adidintsika ny handinika izany zavatra
izany mba ahitana hoe Iza moa Izy. Betsaka ny hevitra mahakasika Azy. Ny
sasany mihevitra fa anganongano Izy, fa tsy tena olona. Ny hafa milaza fa
fisoronana izany, ny hoe fisoronan’i Melkizedeka. Ny ankamaroany dia
amin’izany hevitra izany satria milaza izy ireo fa fisoronana io. Kanefa, tsy
afaka ny ho izany satria, ny andininy fahefatra, milaza fa Izy dia Olona,
Lehilahy anankiray. Noho izany, mba hahatonga Azy ho Olona, dia tsy
maintsy nanana ny naha-Izy Azy Izy, Lehilahy anankiray. Tsy hoe raharaha,
fa Olona anankiray.
32
Noho izany, Izy dia tsy hoe raharahan’ny fisoronana fotsiny, Izy ihany koa
tsy anganongano; fa Olona anankiray. Ary io Olona io dia mandrakizay. Raha
mitandrina tsara hianareo, dia tsy nanan-dray, na reny, na voalohan’andro, na
fiafarana Izy. Ary na Iza Izy na Iza, dia mbola velona foana anio hariva, satria
ny Baiboly milaza eto, fa tsy nanan-dray, na reny, na voalohan’andro, na
fiafaran’ny fiainana Izy. Noho izany, tsy maintsy ho Olona mandrakizay io.
Marina ve? Olona mandrakizay. Noho izany, tsy afaka ny ho hafa noho ny
Olona anankiray io, dia Andriamanitra, satria Izy no hany Tokana
mandrakizay - Andriamanitra.
33
Tiako raha vakinareo indray ny I.Timoty 6: 15–16, raha ankasitrahanareo.
Ankehitriny, ny zavatra hamafisiko, dia ny hoe Andriamanitra Izy, satria Izy
ihany no Olona tokana tsy mety maty. Ary izany dia Andriamanitra niova
endrika ho Olona anankiray; izay no naha-Izy Azy. Tsy nanan-dray, na reny,
na voaloham-piainana, na fiafaran’ny andro.
34
Ankehitriny, hitantsika ao amin’ireo Soratra fa betsaka no mampianatra fa
misy telo no maha-Izy an’Andriamanitra. Kanefa, hianareo dia tsy afaka
manana ny maha-izy anareo raha tsy olona anankiray izany. Ilaina ho olona
anankiray mba hisian’ny maha-izy azy.
Tonga nitady ahy tany amiko ny pastora batista iray, herinandro vitsivitsy
izay, na niantso ahy an-tari-by izy raha ny marina ary nilaza tamiko hoe:
«Indray andro any raha manana fotoana hianao, dia te-hanitsy anao mikasika
ny momba an’Andriamanitra aho!»
35
Hoy aho taminy: «Manana fotoana aho izao, satria te-ho ao amin’ny
marina, ary avelantsika ankilany ny sisa rehetra ho an’izany.»
Tonga àry izy ka nilaza tamiko hoe: «Rahalahy Branham, mampianatra
hianao fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana.»
Namaly azy aho hoe: «Eny, tompoko!»
30
IZA MOA IO MELKIZEDEKA IO?
29
Hoy izy: «Eny, mino aho fa misy Andriamanitra tokana, kanefa
Andriamanitra olona telo.»
Hoy aho hoe: «Ramose, afaka averinao kely ve izany?»
Hoy izy: «Andriamanitra olona telo.»
36
Nanontany azy aho hoe: «Taiza ny sekoly nalehanao?» Hitanareo? Ary
nisy kolejy biblika notononiny tamiko. Hoy aho taminy: «Afaka ny hino
an’izany aho. Saingy tsy afaka ny ho olona hianao kanefa tsy manana ny
maha-izy anao ary raha manana ny maha-izy anao hianao, dia manana ny
maha-izy anao noho ny fisianao ihany. Hianao dia vatana miavaka sady olona
tokana.»
Hoy izy tamiko: «Koa, ireo teolojiana izany no tsy mahay manazava
an’izany.»
Hoy aho hoe: «Avy amin’ny fanambarana io.»
Ary nilaza izy hoe: «Tsy afaka manaiky fanambarana aho.»
37
Dia hoy aho taminy:
«Raha izany,
tsy misy fomba
ahafahan’Andriamanitra mampahafantatra ny Tenany aminao, satria miafina
eo imason’ireo hendry sy ireo manan-tsaina fa voambara amin’ireo zaza
madinika - voambara, ny fanambarana - nambara tamin’ireo zaza madinika
izay vonona hanaiky an’izany, ny hianatra.» Nampiako hoe: «Tsy hisy fomba
ahafahan’Andriamanitra mampahafantatra ny Tenany aminao; manakatona ny
tenanao Aminy hianao. Ny Baiboly rehetra dia fanambaran’Andriamanitra. Ny
Fiangonana rehetra dia miorina eo ambony fanambaran’Andriamanitra. Tsy
misy fomba ahafantarana an’Andriamanitra, raha tsy amin’ny alalan’ny
fanambarana: ‘Ireo izay tian’ny Zanaka anambarana Azy’ - ny fanambarana.
Ny rehetra dia fanambarana. Noho izany, ny tsi-fanekena fanambarana, dia
mahatonga anao tsy hafa noho ny teolojiana mangatsiaka ary tsy misy
fanantenana ho anao.»
38
Ankehitriny, hitantsika fa io Olona io dia tsy nanan-dray, na reny, na
voalohan’andro, na fiafaran’ny fiainana. Fa Andriamanitra ‘En morphe’ izany.
Io teny grika izay midika hoe ‘miova’ io no nampiasaina; nanova ny Tenany
Izy, ‘En morphe’, tamin’ny endrika olona anankiray ho amin’ny… Olona
anankiray…. Ny teny grika ‘En morphe’ dia nampiasaina teny amin’ny
fampisehoana an-tsehatra izay nisy olona nanova saron-tava mba hahatonga
azy ho olon-kafa.
39
Toy ny tany an-tsekoly, vao haingana - inoako fa talohakelin’ny
nahazoan’i Rebekah ny maripahaizany izany – naneho ny tantara nataon’i
Shakespeare ry zareo. Ary nisy tovolahy tsy maintsy nanova akanjo imbetsaka, satria tsy maintsy nilalao andraikitra roa na telo samy hafa izy, nefa
olona anankiray ihany. Nisy fotoana, niseho ho olona ratsy fanahy izy. Ary
rehefa niseho izy manarak’izay, dia olon-kafa indray.
40
Kanefa, ny teny grika ‘En morphe’ dia midika fa nanova saron-tava Izy.
Ary izay no nataon’Andriamanitra. Fa Ilay Andriamanitra tsy miova hatrany
ihany. Andriamanitra tamin’ny endrika Ray, Fanahy, Andri-afo; io
Andriamanitra tsy miova io no tonga nofo ka nonina tamintsika — ‘En
Niresaka taminy Izy Mandra-pahitany izay mikasika ny fiainany. Hoy àry
Izy… Jereo izay Nolazainy taminy ankehitriny: «Mandehana antsoy ivadinao
ka mankanesa aty.»
Hoy ravehivavy: «Tsy manam-bady aho.»
152
Hoy Izy taminy: «Marina ihany izay nolazinao, fa efa nanam-bady indimy
hianao sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; noho izany dia marina
nyvoalazanao.» Jereo ny naha samy hafa an’ity vehivavy ity sy ireto
antokon’ny pretra. Ravehivavy dia nahalala zavatra momba an’Andriamanitra
mihoatra noho ny fikambanan’ireto pretra rehetra ireto.
153
Hoy ravehivavy: «Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao!» Nampiany
hoe: «Nandritra ny efa-jato taona izay no tsy nanananay an’izany. Na izany
aza, fantatray fa ho avy ny Mesia ary rehefa ho eo Izy, dia izany no Hataony.»
Io ilay famantarana ny amin’i Mesia, satria Izy no Zanak’olona. Hoy
ravehivavy: «Izany no Hataony rehefa tonga Izy; tsy maintsy Hianao ilay
Mpaminaniny.»
154
Hoy Izy taminy: «Izaho no Izy.» Tsy misy olon-kafa afaka nilaza
an’izany!
155
Navelany ilay sinin-drano ka nihazakazaka tany an-tanàna izy ka nilaza
hoe: «Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroa izay nilaza tamiko ny nataoko
rehetra. Tsy Mesia Izy Tenany mihitsy va izao?» Ankehitriny, tadidio,
nampanantena Izy fa hanao an’io zavatra io ihany amin’ny faran’ny andron’ny
Jentilisa. Ireo Jiosy dia nanana efatra arivo taona mba hiandrasana ny Mesia,
fampianarana efatra arivo taona nilazana fa ho avy Izy sy izay Hataony rehefa
eo Izy; nefa diso tamin’ny fahitana Azy ireo, diso tamin’ny fahafantarana Azy.
Ary rehefa nampahafantatra ny Tenany nifanaraka tanteraka tamin’ireo fomba
fitenin’ny Baiboly Izy – Izy ilay teofania teo, ary tonga nofo avy eo ka nonina
teo amin’ireo — diso tamin’ny fahitana Azy ka niantso ireo Asany, ho asan’ny
devoly.
156
Ankehitriny, roa arivo taona no nandraisantsika fampianarana, rehefa
nandalo, taorian’ireo apostoly, tamin’ny fiangonana katolika romana, ary avy
tao amin’ny fiangonana romana ho amin’ny grika, sns., mandrapahatongan’ny taonan’i Luther, an’i Wesley ary mbola anaram-piangonana
sivin-jato samy hafa. Nandritra izany fotoana izany, nandray ny
fampianaran’ireo taona rehetra ireo izy ireo. Kanefa, nampanantena Izy fa,
alohakelin’ny ahatongavan’ny andro farany, ny endrika Sodoma sy Gomora
dia… «Izay nitranga tamin’ny andron’ny Sodoma no hitranga amin’ny andro
farany, izay hisehoan’ny Zanak’olona indray.» [Elanelana banga teo amin’ny
horonam-peo—Mpandika.] «Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao
tontolo izao; fa hianareo, no hahita Ahy, satria Izaho (mpisolo tena) – ho eo
aminareo Aho, ary ho ao anatinareo, hatramin’ny fahataperana, ny faran’izao
tontolo izao. Ho eo aminareo Aho.» Izy no tsy miova omaly sy anio ary
mandrakizay.
157
Hitanareo, araka ny hafatro omaly hariva, fa ny Samaritana dia avy tamin’i
Agara (hitanareo?), tandindon’ilay famadihana. Ny Jiosy dia avy tamin’i
8
IZA MOA IO MELKIZEDEKA IO?
9
amin’ny Azy fa ny Azy tsy nandray Azy. Hoy Izy tamin’ireo mpianatra: «Aza
mandeha any amin’ireo Jentilisa, fa aleo mankany amin’ny Isiraely ondry
very.» Ary nankeny amin’ny Isiraely ondry very ihany Izy. Ary jereo, fa
naneho ny Tenany tamin’ny maha-Zanak’olona Azy teo anoloan’ireo Jiosy
Izy, saingy nandà Azy ireo. Ireo Samaritana, izay sady Jiosy no Jentilisa, dia
nino koa sady niandry ny Mesia. Fa tsy mba toy izany ny amintsika; isika dia
jentilisa mpitondra sary vongana tao an-damosina sady mpanompo sampy –
isika, Jentilisa.
146
Fa indray andro (Jaona 4), tsy maintsy nandalo an’i Samaria Izy, raha ho
any Jeriko. Nihodina tany Samaria Izy noho izany. Ary raha mbola nandeha
tany Izy, dia nijanona ka nipetraka teo an-tsisin’ny fantsakana tao an-tanàna
atao hoe Sykara. Ary ilay fantsakana, raha efa nandeha tany hianareo, dia
miendrika kianja kely iray, tahatahaka izao. Ary eo amin’izany dia misy
loharano ho an’ny be sy ny maro, izay ahatongavan’ny rehetra. Ary ireo
vehivavy dia tonga amin’ny maraina, maka an’ireo sinin-dranony, ka
mametraka anankiray eo ambonin’ny loha ary samy misy ny tànana roa ka
mandeha miaraka amin’izany amin’ny fitazonana azy mahitsy indrindra, tsy
misy very na indray mitete aza, sady mifampiresaka. Noho izany, tonga eo ny
olona.
147
Tokony ho teo amin’ny iraika ambin’ny folo ora maraina teo no naniraka
an’ireo Mpianany Izy nankeny an-tanàna, mba hividy hanina, sy ny sakafo.
Ary raha lasa izy ireo, dia nisy vehivavy anankiray ratsy fitondran-tena tonga
teo; mpivaro-tena no iantsoantsika azy ankehitriny; nanana vady maro izy.
148
Noho izany, raha mbola nipetraka teo Jesosy, io vehivavy io dia nivoaka
tokony ho tamin’ny iraika ambin’ny folo ora. Hitanareo, tsy afaka tonga
niaraka tamin’ireo virijina izy, raha tonga maraina ireo, maka ny rano
fanasana; tsy maintsy niandry izy mandra-pahatongan’ny rehetra… Tsy
nifangaroharo tahaka izay ataon’izy ireo ankehitriny ny tamin’izany. Nisy
marika izy. Nivoaka àry izy mba hantsaka rano. Noraisiny fotsiny ilay rojo vy
tranainy, napetany ilay tavy fanatazana ary nanomboka nampidina azy izy.
Naheno Olona nilaza àry izy hoe: «Ravehivavy, omeo rano Aho Hosotroiko.»
Ankehitriny, tadidio, fa Melkizedeka io; ilay Jesosy omaly, ilay Zanak’olona.
149
Nijery nanodidina azy ravehivavy ka nahita Jiosy anankiray. Hoy àry izy
hoe: «Tompoko, tsy mety ho an’ny Jiosy ny mangataka zavatra amin’ny
Samaritana. Izaho dia vehivavy avy eto Samaria, diso toerana noho izany ny
resakao. Tsy tokony hangataka izany zavatra izany amiko hianao; isika dia tsy
manan-javatra hifampiraharahana.»
150
Hoy Izy taminy hoe: «Saingy raha mba fantatrao Izay niresaka aminao, dia
hianao no ho nangataka Tamiko hosotroina.»
Hoy ravehivavy: «Ahoana no hanovozanao azy? Lalina ny fantsakana ary
hianao tsy manana hanaovana an’izany.»
151
Namaly azy Izy hoe: «Ny rano izay Omeko, dia loharanon’Aina
miboiboika ao anaty ho Fiainana mandrakizay.»
morphe’, voaseho tamin’ny fomba nahafahana nahitana Azy Izy. Ary
ankehitriny, io Andriamanitra tsy miova io dia ny Fanahy Masina. Ray,
Zanaka, Fanahy… Tsy hoe andriamanitra telo, fa andraikitra telo, asa telo
nataon’Andriamanitra tokana.
41
Ny Baiboly dia milaza fa misy Andriamanitra tokana, fa tsy telo. Fa toy
izany no tsy nahafahan’izy ireo… Tsy afaka hanamboamboatra an’ity
hianareo ka hanana andriamanitra telo. Tsy afaka ny handresy lahatra Jiosy
hino an’izany mihitsy hianareo, avelao aho hilaza izany aminareo — amin’ny
olona izay mahalala kokoa — satria fantany fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra
tokana.
42
Mariho, fa tahaka ny mpanao sikotra izay manafina ny asany ao anaty
saron-tava. Dia izany no nataon’Andriamanitra amin’izao taona izao.
Nafenina izany. Ireo zavatra rehetra ireo dia nafenina ary tokony ho voambara
amin’izao taona izao. Ny Baiboly dia milaza fa ho voambara izy ireo amin’ny
andro farany. Tahaka ny mpanao sikotra anankiray izay mitahiry miafina
tanteraka ny asany mandra-pahatongan’ny fotoana anesorany ny saron-tava ka
dia indro ilay izy. Toy izay no naha-izy ny Baiboly. Izany dia
asan’Andriamanitra voasarona. Ary nafenina hatramin’ny nanorenana an’izao
tontolo izao izany, ilay zava-miafina tamin’ny lafiny fito ary Andriamanitra
nampanantena fa amin’izao andro farany izao, ao amin’ny taonan’ity
fiangonana Laodikia ity, dia hesoriny ny saron-tava eo amin’ny rehetra ka dia
afaka ny hahita izany isika.
43
Zavatra be voninahitra tokoa izany! Andriamanitra, ‘En morphe’, nisarona
tao anaty Andri-afo; Andriamanitra, ‘En morphe’, tao anatin’ny Lehilahy
anankiray nantsoina hoe Jesosy; Andriamanitra, ‘En morphe’, ao amin’ny
Fiangonany - Andriamanitra teo ambonintsika, Andriamanitra niaraka
tamintsika, Andriamanitra ao amintsika, Andriamanitra nanetry ny Tenany.
Tany ambony, masina Izy, tsy nisy olona afaka nikasika Azy; niorina teo
ambonin’ny tendrombohitra Izy. Ary raha toa ka nisy biby nikasika ny
tendrombohitra, dia tsy maintsy maty. Avy teo dia nidina Andriamanitra,
niova trano-lay ka nivelona niaraka tamintsika, tonga ho isantsika ary nikasika
Azy isika. Ny Baiboly milaza, I.Timoty 3:16 «Ary iaraha-manaiky mihitsy fa
lehibe ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra:
Andriamanitra naseho teo amin’ny nofo» tànana maro no nikasika Azy!
Andriamanitra nihinan-kena, Andriamanitra nisotro rano. Andriamanitra
natory. Andriamanitra nitomany. Isan’ny anankiray teo anivontsika Izy! Tena
hita taratra tokoa ao amin’ny Baiboly izany. Fa ilay Andriamanitra teo
ambonintsika, Andriamanitra niaraka tamintsika, ankehitriny, dia
Andriamanitra ao anatintsika, ny Fanahy Masina, tsy hoe olona fahatelo, fa
Ilay Olona tsy miova!
44
Nidina Andriamanitra, tonga nofo, maty tao amin’i Kristy mba Ahafahany
manadio ny Fiangonana sy miditra ao Anatiny ka hanana fiombonana Aminy.
Andriamanitra dia tia ny fiombonana. Izay no antony Namoronany ny olona
tamin’ny voalohany: ho amin’ny fiombonana. Andriamanitra dia nitoetra irery
28
IZA MOA IO MELKIZEDEKA IO?
27
niaraka tamin’ireo kerobima.
45
Ankehitriny, mariho. Namorona ny olona Izy ary lavo izany. Nidina àry
Izy ka nividy ny olona satria Andriamanitra dia tia ny hotompoina! Ny teny
hoe andriamanitra mihitsy dia midika hoe “zavatra natao hotompoina”. Ary
izay tonga eo anivontsika amin’ny endrika Andri-afo, toy ny zavatra manova
ny fontsika, dia Ilay Andriamanitra tsy miova izay nilaza hoe: «Misia
mazava», dia nisy ny mazava! Izy no tsy miova omaly sy anio ary
mandrakizay.
46
Tamin’ny voalohany, nitoetra irery niaraka tamin’ireo Toetrany
Andriamanitra, toy izay efa nolazaiko anio maraina. Ireo Fisainany izany. Tsy
nisy na inona na inona, afa-tsy Andriamanitra irery. Kanefa nanana fisainana
Izy. Mitovy amin’ny fahafahan’ny mpanao trano lehibe anankiray mandinika
sy manao sary an-tsaina izay zavatra eritreretiny amboarina na atsangana.
Kanefa, tsy afaka mamorona izy; afaka maka zavatra anankiray efa voaforona
izy ka manome azy endrika hafa indray, satria Andriamanitra no hany Tokana
mpamorona. Fa mieritreritra izay hataony izy, ary ireo no fisainany, ireo no
katsahany.
47
Fisainana àry izany ka, rehefa asehony, dia tonga teny, ary ny teny dia…
Ny fisainana, rehefa voaseho io, dia teny anankiray. Ny fisainana voaseho dia
teny. Fa tsy maintsy fisainana aloha izany. Noho izany, toetran’Andriamanitra
ireo; avy eo dia lasa fisainana ary izay vao teny.
48
Mariho, ireo izay manana, anio hariva, Fiainana mandrakizay, dia efa
niaraka Taminy sady tao Aminy, tao anatin’ny Fisainany, talohan’ny nisian’ny
anjely, ny kintana, ny kerobima na izay mety zavatra hafa koa. Izany, izay no
maha-mandrakizay. Ary raha manana Fiainana mandrakizay hianareo, dia efa
nisy foana hatrizay. Tsy hoe ny vatanareo ety, fa ilay endrika nisy
an’Andriamanitra tsy misy fetra… Raha toa misy fetra Izy, dia tsy
Andriamanitra.
49
Andriamanitra dia tokony tsy ho voafetra. Isika dia voafetra; Izy no tsy
voafetra. Ary Izy dia manatrika amin’ny toerana rehetra, mahafantatra ny
zavatra rehetra, ary mahery amin’ny toerana rehetra. Raha tsy izany Izy, dia
tsy afaka ny ho Andriamanitra. Mahafantatra ny zavatra rehetra Izy sy ny
toerana tsirairay, noho ny Fahafantarany ny zavatra rehetra. Ny fahafantarana
ny zavatra rehetra no mahatonga Azy manerana ny toerana rehetra. Izy dia
Vatana; fa tsy tahaka ny rivotra. Vatana Izy; mitoetra ao an-trano, saingy noho
ny Fahafantarany ny zavatra rehetra, mahalala ny zavatra rehetra, izany no
mahatonga Azy manerana ny toerana rehetra, satria mahalala izay rehetra
mitranga Izy. Tsy afaka ny hisy parasy manakipy maso raha tsy efa Fantany
rahateo. Ary Izy dia efa nahalala talohan’ny nisian’izao tontolo izao, ny hoe
impiry izy io no hanakipy maso sy ny isan’ny jabora mety hanany. Izany, izay
ny hoe tsy voafetra. Tsy afaka ny hahatakatra izany ato an-tsaintsika isika, fa
Andriamanitra izany, ny maha-tsy manam-petra an’Andriamanitra.
50
Tadidio fa hianareo, ny masonareo, ny tsangananareo, ny naha-izy anareo
rehetra, dia efa tao anaty Fisainany hatramin’ny voalohany. Ary ny maha-izy
fandrianao ka modia any an-tranonao.» Nataony izany ka sitrana izy. Ary avy
eo hitantsika fa, teo amin’ireo Jiosy, ny sasany nandray Azy; nino an’izany ny
sasany, ary ny hafa tsia. Nahoana ireo no tsy nino an’izany? Tsy voatendry ho
amin’ny Fiainana izy ireo. Tsy ampahan’io toetra anaty io.
141
Ankehitriny, tadidio fa pretra sy olona malaza ireo. Ary Jesosy… Hevero
ny amin’ireto teolojiana sy ireto pretra, lehilahy nanana fiainana tsy afaka
nahitana tsiny na dia kely aza. Hoy Jesosy hoe: «Hianareo avy amin’ny devoly
rainareo ary ny asany no ataonareo. Raha avy tamin’Andriamanitra hianareo,
dia ho nino Ahy. Raha tsy afaka ny mino Ahy hianareo, dia minoa ireo asa
ataoko; fa ireo no manambara Ahy.»
142
Ny Baiboly dia milaza fa Jesosy no tsy miova omaly sy anio ary
mandrakizay. Hoy Jesosy hoe: «Ny asa ataoko, izay mino Ahy dia hanao
izany koa.» Marina ve izany? Mariho ankehitriny fa io ilay tena Melkizedeka.
143
Ankehitriny, mariho ihany. Karazan’olona telo ihany no nisy. Efa naheno
ahy nilaza hianareo fa izaho dia «mpanavakavaka». Marina izany. Ny
Kristiana rehetra dia «mpanavakavaka», tsy hoe noho ny fanavakavahana
loko, fa ny fanahy. Ny lokon’ny hoditry ny olona dia tsy misy ifandraisana
aminy. Izy dia zanak’Andriamanitra tamin’ny fahaterahana. Fa ny Kristiana
anankiray… Hoy Andriamanitra hoe: «Avaho ho Ahy… Mialà eo anivony,
sns.» Izy dia «Mpanavakavaka» manoloana ny fahalotoana, raha ny amin’izay
marina sy izay diso.
144
Kanefa mariho, nisy fanavakavahana àry teo amin’izy ireo, ny
fanavakavaham-poko tamin’ireo Samaritana. Karazan’olona telo ihany no
misy eto an-tany; raha mino ny Baiboly isika; dia ireo taranak’i Hama, Sema
ary Jafeta. Ireo no zanak’i Noa telo lahy. Isika rehetra dia avy eo. Marina
izany. Izany dia mamerina antsika rehetra any amin’i Adama, izay mahatonga
antsika rehetra, ho mpirahalahy. Hoy ny Baiboly hoe: «Tamin’ny alalan’ny rà
iray ihany, no namoronan’Andriamanitra ny firenena rehetra.» Isika rehetra
dia mpirahalahy noho ny rà. Ny olona mainty dia afaka manome rà ny olona
fotsy na mifamadika amin’izay. Ny olona fotsy afaka manome ny Japone, izay
mavo, na ny Indiana, izay mena, na, tsy fantatro izay misy. Afaka manome rà
azy izy satria mitovy ny ràntsika rehetra. Ny volon-kodintsika, izay toerana
ivelomantsika dia tsy misy ifandraisany amin’izany. Fa isika dia tafasaraka
rehefa tafavoaka amin’izao tontolo izao, toy ny Namoahany ny Isiraely avy
tao Egypta. Amin’izay fotoana izay isika no misaraka amin’ireo zavatr’izao
tontolo izao.
145
Nisy noho izany ireo taranak’i Hama, Sema ary Jafeta. Raha nanana
fotoana hijerena todika an’ireo firazanana isika, dia afaka nahita izay
nihavian’ireo ‘Anglo-Saxons’. Nisy ny Jiosy, ny Samaritana, izay teo
anelanelan’ny Jiosy sy ny Jentilisa… (Ny Jiosy dia naka vady an’ireo Jentilisa
vokatr’ireo hetraketraka nataon’i Balama sy Moaba.) Izy ireo no Samaritana,
ary nisy ny Jiosy sy ny Jentilisa. Kanefa, isika Anglo-saxons, dia tsy misy
ifandraisany amin’izany; isika dia tsy misy Mesia inoantsika na zavatra hafa
koa. Tsy misy andrasantsika. Tonga taty aoriana isika. Jesosy dia tonga tany
10
IZA MOA IO MELKIZEDEKA IO?
11
nividiananao trondro sady tsy nanam-pahaizana akory na ny hanoratra ny
anarany aza?»
«Eny, tadidiko!»
132
«Tonga tany izy ka mba fantatrao moa? Io Jesosy avy any Nazareta io no
nilaza taminy fa Simona no anarany, nanova ny anarany ho Petera ka
nanambara taminy ny rainy.»
Koa, hoy izy: «Manontany tena aho, moa misy zavatra tsara va afaka
hivoaka avy ao Nazareta?»
133
Hoy izy taminy: «Aza miresaka toy izany; tongava fotsiny mba hizaha.»
Hevitra tsara izany. Tongava mijery. Indro àry Filipo fa tonga miaraka amin’i
Natanaela. Nitsangana teo tokoa Jesosy, teo am-piresahana sady nivavaka ho
an’ireo marary izay nilahatra mba hivavahana. Rehefa tonga teo amin’ny
toerana nisy an’i Jesosy izy, dia nijery azy Jesosy ka nilaza hoe: «Indro ny
Isiraelita tsy misy fitaka.»
134
Ankehitriny, hoy hianareo hoe: «Ahoana àry, tamin’ny fomba
fiakanjony.» Oh! tsia! Ireo tatsinanana rehetra dia nitovy fomba fiakanjo.
Afaka ny ho Siriana izy na zavatra hafa, ny volom-bava, ny fitafy…
135
Hoy Izy: «Indro ny Isiraelita tsy misy fitaka.» Amin’ny fomba fiteny hafa,
lehilahy mahitsy sady tso-po.
Koa, nampihemotra kely an’i Natanaela izany, ka hoy izy Taminy noho
izany: «Raby ô (izay atao hoe: ‘Mpampianatra’), Raby ô, taiza no Nahalalanao
ahy? Ahoana no Nahalalanao fa Jiosy aho? Ahoana no Nahalalanao fa mahitsy
aho, ka tsy misy fitaka?»
136
Namaly azy Izy hoe: «Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, raha teo
ambany hazo hianao, dia efa nahita anao Aho.» Roa-polo kilometatra lavitra
teo, ny andro talohan’iny, teny amin’ny sisin’ny tanàna. Inona no lazainy?
«Raby, Hianao no Zanak’Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan’ny Isiraely!»
137
Fa nisy an’ireo pretra teo, mieboebo, mpihambo, izay nanao hoe: «Io
lehilahy io dia Belzeboba, mpanao hatsarana.»
138
Hoy Jesosy tamin’izy ireo: «Mamela anareo Aho ny amin’izany…»
Ankehitriny, tadidio fa tsy niteny an’izany mafy akory izy ireo, fa tao ampony no nilazany izany. Ary nahafantantra ny fisainan’ireo Izy. Marina izany!
Izay no voalazan’ny Baiboly. Antsoy hoe telepatia izany raha tianareo, saingy
Fantany ny fisainan’ireo.
139
Ary hoy Izy: «Mamela anareo Aho ny amin’izany, fa ho avy ny andro, ka
ho tonga ny Fanahy Masina hanao izao zavatra izao (aorian’ny Nandehanany);
raha manao teny iray manohitra Azy hianareo, dia tsy hahazo famelan-keloka
intsony, na amin’izao fiainana izao, na amin’ny ho avy.» Marina ve izany?
Kanefa, Jiosy izy ireo.
140
Indray andro, voatery nandeha tany Samaria Izy. Kanefa, alohan’ny
hiresahana an’izany, dia hitantsika ilay vehivavy na ny marimarina kokoa ilay
lehilahy izay, rehefa avy namaky ny vavahady antsoina hoe «Itsaraendrika»,
dia sitrana; Jesosy dia nahalala ny toerana nisy azy ka nilaza hoe: «Betao ny
anareo rehetra, dia ny teny-voaseho. Taorian’ny Nisainany azy, dia
Notononiny izany ka dia indro hianareo. Raha toa ka tsy toy izay, raha tsy efa
tao amin’ny Fisainany hianareo, dia tsy misy fomba mihitsy ho anareo ny ho
any indray andro any, satria Izy no manome Fiainana mandrakizay.
51
Tsaroanareo, toy izay novakintsika tao anaty Soratra: «Izany dia tsy avy
amin’izay maniry, na amin’izay mihazakazaka, fa avy amin’Andriamanitra…»
Ary mba hahatonga ny Fanendreny mialoha hitoetra marina, dia afaka nifidy
Izy, talohan’ny fotoana rehetra, izay… Andriamanitra dia ambony indrindra
ao amin’ny Safidiny, fantatrareo ve izany? Andriamanitra dia ambony
indrindra. Iza no tany mba nanondro Azy ny fomba tsaratsara kokoa
hanaovana an’izao tontolo izao? Iza no sahy hilaza fa tsy mety ny Fitondrany
ny Raharahany? Fa na dia ny Teny aza dia ambony indrindra… Fa na dia ny
fanambarana aza dia ambony indrindra. Izy no manambara amin’izay Tiany
hanaovana izany. Ny fanambarana mihitsy aza dia ambony indrindra ao
amin’Andriamanitra. Izay no mahatonga an’ireo olona mifandona amin’ireo
zavatra ireo, mitontona eo amin’ireo zavatra ireo, mikapoka eo amin’ireo
zavatra ireo, tsy mahalala akory izay ataony. Andriamanitra dia ambony
indrindra ao amin’ireo Asany.
52
Ankehitriny, hitantsika Izy fa tamin’ny voalohany dia niaraka tamin’ireo
Toetrany. Tao Aminy àry hianareo. Tamin’io fotoana io no niseho ny
Bokin’ny Fiainana. Ankehitriny, mamaky isika eto, ato amin’ny Apokalypsy,
ny toko faha 13, ny andininy faha 8, fa ilay bibi-dia izay ho tonga ety ambony
tany amin’izao andro farany izao, dia hamitaka ny olona rehetra izay monina
ety ka tsy manana ny anarany voasoratra ao amin’ny Bokin’ny Fiainan’ny
Zanak’Ondry talohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao.
53
Eritrereto izany! Talohan’ny nahaterahan’i Jesosy, efatra arivo taona
talohan’ny Nahatongavany tety an-tany, ary aman’ arivony taona talohan’ny
nahatongavanareo teto, Jesosy, tao an-tsain’Andriamanitra, dia efa maty ho
an’ireo otan’izao tontolo izao ary ny Bokin’ny Fiainana dia efa natao; ary ny
anaranareo dia efa napetraka tao anatin’io Bokin’ny Fiainana io talohan’ny
nanorenana an’izao tontolo izao! Fahamarinan’ny Baiboly izany. Hitanareo?
Ny anaranareo dia efa voalahatr’Andriamanitra, ary napetraka tao amin’ny
Bokin’ny Fiainana, talohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao.
54
Hianareo dia efa tao anatin’ireo Toetrany anaty. Tsy mahatadidy an’izany
hianareo, tsia, satria mbola ampahan’ny Ainy fotsiny. Hianareo dia
ampahan’Andriamanitra, rehefa tonga zanak’Andriamanitra lahy na vavy,
tahaka ny maha-ampahan’ny rainareo ety an-tany anareo. Marina izany!
Hianareo dia… Ny lahy no mitondra ny selan-dra, ny ra. Ary rehefa nandalo
tao anatin’ny atody izany, dia tonga ampahan’ny rainareo hianareo, ary ny
reninareo koa dia ampahan’ny rainareo. Noho izany, hianareo rehetra dia
ampahan’ny rainareo. Voninahitra! Izany dia mametraka an-kilabao mihitsy
ny anaram-piangonana. Azo antoka! Andriamanitra ao amin’ny rehetra, ilay
toerana tokana.
55
Mariho ankehitriny ny Toetrany anaty. Koa, ny toetra anaty no nanao
26
IZA MOA IO MELKIZEDEKA IO?
25
naha-Andriamanitra Azy aloha, ny fisainana, ny toetra anaty mihitsy, izy
rehetra tao amin’ny Anankiray, nefa tsy voaseho. Avy eo ny faharoa, rehefa
Nasehony izany, dia tonga Teny àry Izy. Avy eo, ny Teny dia tonga nofo ka
nonina tamintsika, Jaona toko voalohany ary ny andininy voalohany.
56
Mariho, fa tamin’ny voalohany io, saingy teo aloha dia nisy ny hoe
mandrakizay. Mariho, tamin’ny voalohany ny Teny. Rehefa nanomboka ny
fotoana, dia Teny izany, saingy talohan’ny nahatongavana ho Teny, dia toetra
anaty aloha, fisainana. Avy eo, voaseho Izany. Tamin’ny voalohany, dia nisy
fanehoana, ny Teny. Ankehitriny, tonga eo amin’ny toerana misy an’i
Melkizedeka isika. Io Olona saro-patarina io. “Tamin’ny voalohany ny Teny,
ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra ary ny Teny dia Andriamanitra. Avy
eo ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika.” Ankehitriny, tazony tsara
izany.
57
Mariho. Ny Vatany voalohany dia Fanahy, Andriamanitra mahagaga
(ekena?), Ilay Mandrakizay lehibe. Faharoa, dia nanomboka nanome endrika
ny Tenany nanakaiky ny nofo Izy tao amin’ny hoe teofania, toy izay iantsoana
azy, ny Teny, vatana anankiray! Io noho izany no toerana nisy Azy, rehefa
nifanena tamin’i Abrahama Izy sady nantsoina hoe Melkizedeka. Tamin’ny
endrika teofania anankiray. Ankehitriny, ho tonga eo isika ka hanaporofo
an’izany afaka minitra vitsy, raha sitrapon’ny Tompo.
58
Izy dia Teny. Teofania anankiray, zavatra tsy afaka ny hitanareo io. Mety
ho eto mihitsy aza izany, amin’izao fotoana izao, nefa tsy afaka ny hahita azy
hianareo. Mitovy amin’ny… eny, amin’ny televiziona, ao anaty faritra hafa
izany. Ny televiziona… Maro ny olona, amin’izao fotoana izao, no
mandehandeha sady mihira ato anatin’ity efi-trano ity; misy loko maro ihany
koa, saingy ny maso dia tsy mandray raha tsy ireo taovam-pandrenesana dimy
ihany. Na ny marimarina kokoa, ny maha-izy anareo rehetra dia tsy afaka ny
handray afa-tsy izay zavatra avelan’ireo taovam-pandrenesana dimy ho
voarainareo ihany. Ary izay zavatra afaka ny ho hitanareo sady voafetran’ny
fahitan’ny maso no voarainareo. Kanefa misy faritra hafa izay afaka ny ho hita
aorian’ny fanovan-javatra, amin’ny alalan’ny televiziona
59
Ny televiziona dia tsy manamboatra sary. Ny televiziona dia tsy manao
afa-tsy ny mitondra izany ao anaty fantsona anankiray fotsiny, ary avy eo dia
raisin’ny fitaratry ny televiziona io. Saingy efa teo aloha ilay sary. Ny
televiziona dia efa teo fony teto i Adama. Ny televiziona dia efa teto fony teo
amin’ny Tendrombohitra Karmela i Elia. Ny televiziona dia efa teto raha
nandeha teo amoron’ny Galilia Jesosy avy any Nazareta. Saingy ankehitriny
hianareo vao mahita ny fisiany. Tsy nino an’izany ireo tamin’io fotoana io.
Natao ho adala hianareo, raha nilaza zavatra tahaka izany. Fa ankehitriny, dia
tonga azo tsapain-tànana io! Ary tena toy izany koa, ny maha-eto an’i Kristy!
Ireo Anjelin’Andriamanitra dia eto! Ary indray andro any, ao amin’ny
Fanjakana Arivo Taona lehibe izay ho avy, dia ho tena azo tsapain-tànana
mihoatra ny televiziona na izay zavatra hafa, satria eto izy ireo!
60
Izy dia manambara ny Tenany ao anatin’ny Endriny lehibe izay Heveriny
zanako, tsarovy fa amin’ny maha-Hebreo, dia mino an’ireo mpaminany
voamarin’Andriamanitra isika.» Ankehitriny, henoy tsara, aza diso an’izany.
Ary nampiany hoe: «Rehefa ho tonga ny Mesia, dia hahafantatra Azy
hianareo, satria ho Mesia-Mpaminany Izy. Efa-jato taona izay, hatramin’i
Malakia, no tsy nananantsika mpaminany. Fa ho iray amin’izany Izy!»
128
Indray andro, taona vitsy taorian’ny nahafatesany, nitsangatsangana teny
amoron-drano ilay zanany Andrea ka naheno olona-dia anankiray izay nivoaka
avy tany an-efitra sady nilaza hoe: «Io Mesia io dia eto anivonareo, amin’izao
fotoana izao!» Io voromahery lehibe io, izay nivoaka avy tany an-efitra sady
nanidina hatreo, nilaza hoe: «Ny Mesia dia eto anivonareo, amin’izao fotoana
izao mihitsy. Mbola tsy mahafantatra Azy isika, fa eto anivontsika fotsiny Izy.
Hahafantatra Azy aho, satria hahita famantarana midina avy any an-danitra
aho.» Indray andro, nanambara izy: «Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra
izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.»
Nandeha nitady ny rahalahiny ity lehilahy ity ka nilaza taminy hoe: «Ry
Simona, tiako raha mba mandeha any hianao; hitanay ny Mesia ankehitriny.»
«Oh! Andrea, mba manan-tsaina noho izany ihany hianao!»
«Oh! Eny fantatro, fa hafa indrindra io Lehilahy io.»
«Aiza Izy? Avy taiza ny Nihaviany?»
«Jesosy avy any Nazareta.»
«Io tànana ratsy io ve? Oh! tsy afaka ny ho tonga avy amin’ny toerana
ratsy sy maloto toy izao Izy.»
«Tongava fotsiny mijery.»
129
Indray andro, nony farany, nandresy lahatra azy izy mba ho tonga. Rehefa
tonga nanoloana an’io Mesia io izy, Jesosy, izay nitsangana teo, teo
ampiresahana tamin’ireo vahoaka, nilaza taminy hoe: «Simona no anaranao,
ary hianao dia zanak’i Jona.» Niteraka fiantraikany izany! Nandray an’ireo
fanalahidin’ny Fanjakana izy! Nahoana? Fantany fa tsy nahafantatra azy io
Lehilahy io. Ary ahoana no nahafantarany Azy, ary io ray antitra mpivavaka
nampianatra azy ny fomba inoana ny Mesia io?
130
Nisy lehilahy nitsangana teo, nantsoina hoe Filipo. Oh! Tena taitra izy!
Nahafantatra lehilahy anankiray hafa mpiara-nandinika ny Baiboly taminy izy.
Nandeha teny ambadiky ny havoana izy ka nahita azy teo, teo antsahan’olivany. Nandohalika izy, teo am-pivavahana. Nanana lesona betsaka
niarahana tao amin’ny Baiboly izy ireo. Tonga tany àry izy ka nilaza taminy,
rehefa tapitra ny vavaka nataony: «Andeha hizaha izay hitanay, Jesosy avy
any Nazareta, Zanak’i Josefa. Fa Izy no Ilay Mesia andrasantsika.»
Afaka mandre an’i Natanaela aho milaza hoe: «Ry Filipo, tsy nandeha
tamin’ny làlan-diso ve hianao, sa tsy izany?»
131
«Oh! tsia! tena tsia. Ankehitriny, avelao aho hitantara aminao. Fantatrao fa
niara-nandinika ny Baiboly isika, ary inona no voalazan’ny mpaminany
mikasika an’i Mesia?»
«Ho Mpaminany.»
«Tadidinao ve ilay mpanjono tranainy, antsoina hoe Simona, teo amin’ilay
12
IZA MOA IO MELKIZEDEKA IO?
13
Fantatrao ve ny Raiko,
Sa hainao ambara ny Anarany? (Haleloia!)
122
Io no Anaran’ny Ray! «Eny, tonga avy tamin’ny Anaran’ny Raiko Aho,
kanefa tsy nandray Ahy hianareo.» Hitanareo? Azo antoka. Izy no tsy miova
omaly sy anio ary mandrakizay.
123
Ary io Melkizedeka io dia tonga nofo. Nanambara ny Tenany ho toy ny
Zanak’olona Izy rehefa tonga tamin’ny maha-Mpaminany Azy. Tonga teo
ambanin’ny anaran’ny Zanaka telo Izy: ny Zanak’olona, ny
Zanak’Andriamanitra, ny Zanak’i Davida.
124
Raha tety Izy, teto an-tany, dia Olona, mba hanatanteraka ny Soratra. Hoy
Mosesy: «Jehovah, Andriamanitrareo, no hanangana Mpaminany ho anareo
tahaka ahy.» Tsy maintsy tonga toy ny Mpaminany àry Izy. Tsy mbola nilaza
mihitsy Izy hoe: «Izaho Ilay Zanak’Andriamanitra.» Fa ny marimarina kokoa
hoe: «Izaho no Ilay Zanak’olona. Mino ny Zanak’olona ve hianareo?» Fa izay
no tsy maintsy vavolombelona Nasehony, satria izay no naha-Izy Azy.
Ankehitriny, dia tonga teo ambanin’ny anaran’ny Zanaka hafa indray Izy, ny
Zanak’Andriamanitra, tsy hita maso, ny Fanahy. Ary rehefa hiverina Izy, dia
ho Zanak’i Davida mba hipetraka eo ambony Seza Fiandrianany.
125
Fony Izy tety ka tonga nofo, dia nantsoina hoe Zanak’olona. Kanefa,
ahoana no fomba Nahafahany nampahafantatra ny Tenany tamin’izao tontolo
izao tamin’ny maha-Zanak’olona Azy, Ilay Mpaminany?
126
Indray andro, notantaraiko ny amin’i Petera sy Andrea, rahalahiny.
Mpanjono izy ireo ary ny rainy, Jona, dia olona malaza sady mpino tranainy.
Voalaza fa indray andro, nipetraka teo an-tsisin’ny sambo izy ary nilaza
tamin’ireo hoe: «Ry zanako, hianareo mahalala izay fomba nivavahantsika
rehefa nila trondro.» (Mpanjono no asan’izy ireo.) Hoy izy: «Nahatoky
an’Andriamanitra isika, Jehovah, mba ivelomantsika. Efa antitra aho
ankehitriny; ka tsy afaka mijanona ela be miaraka aminareo intsony, ry
zanako. Hatramin’izay aho — miaraka amin’ireo tena mpino rehetra — dia
niandry ny fotoana hihavian’io Mesia io. Betsaka ny sandoka nisy teto
amintsika, saingy ho avy ilay tena izy, indray andro any.» Ary nampiany hoe:
«Rehefa ho avy io Mesia io, tsy tiako raha ho voafitaka hianareo, ry zanako. Io
Mesia io dia tsy ho teolojiana tsotra; fa ho Mpaminany Izy. Satria i Mosesy
mpaminanintsika, izay arahantsika, no nilaza…» Kanefa, ny Jiosy rehetra dia
mino ny mpaminaniny. Nampianarina azy ny hahalala an’izany. Raha milaza
zavatra marina ny mpaminany, dia fahamarinana io; satria hoy Andriamanitra:
«Raha misy ara-panahy na mpaminany eo anivonareo, Izaho, Jehovah, dia
hanambara ny Tenako aminy. Ary raha mitranga izay zavatra lazainy, dia
henoy izy ka matàhora azy. Fa, raha tsy mitranga izany, dia aza matahotra azy
akory.» Hitanareo? Izay àry no fanamarinana ny mpaminany.
127
Noho izany Mosesy dia tena mpaminany nohamarinina ka nanambara fa:
«Jehovah, Andriamanitrareo, no hanangana avy eo aminareo, avy amin’ny
rahalahinareo, mpaminany tahaka ahy. Ary ireo rehetra tsy hihaino azy, dia
hofongorina eo anivon’ny vahoaka.» Hoy indray izy hoe: «Ankehitriny, ry
fa… raha toa ka manova saron-tava ‘En morphe’ Izy, ao anatin’ireo
Mpanompony ka manaporofo ny maha-Izy Azy.
61
Ankehitriny, indro Izy fa amin’ny endrika Fanahy. Ary avy eo Izy dia
tonga amin’ny endrika ‘En morphe’. Niseho tamin’i Abrahama tamin’ny ‘En
morphe’ Izy. Rehefa niverina avy nandresy an’ireo mpanjaka maro i
Abrahama, dia nifanena tamin’i Melkizedeka ka niresaka Taminy.
62
Farany teo, novakiako tao amin’ny gazety tany Tucson, resaka mitatitra ny
amin’ny vehivavy anankiray izay, rehefa nandeha izy, inoako, enim-polo na
valo-polo kilometatra [efa-polo na dimam-polo maily—Mpandika] isan’ora,
nandona lehilahy antitra nanao palitao. Nihiakiaka ravehivavy sady
nampijanona ny fiarany. Niantsipy teny ambony teny izy io, teo afovoan’ny
tany hay! Ary nihazakazaka tao aoriana ravehivavy mba hijery azy saingy tsy
teo intsony izy. Koa, inona no nataon-dravehivavy? Olona maro tao aorianany
no nahita ny fitrangan’io zavatra io, nahita an’ilay lehilahy antitra niantsipy
teny ambony teny sady nivalombalona ny palitaony. Nihazakazaka taty
aoriana ry zareo noho izany mba hijery. Tsy nisy toerana afaka nahitan’izy
ireo an’ilay olona. Niantso ny polisy ry zareo. Tonga izany mba hijery ny
toerana; tsy nisy olona teo.
63
Koa, niseho ho vavolombelona ny tsirairay tamin’izy ireo fa
niantsambotra tampoka ny fiara ka nandona an’ilay olona. Niantsipy teny
ambony izy ary ny rehetra nahita izany. Vavolombelona maro tao anaty fiara
roa na telo no nahita ny fitrangan’izany. Fantatra àry taty aoriana fa dimy
taona talohan’io, nisy lahy antitra anankiray nanao palitao voadona ka maty
teo amin’izany toerana izany. Rehefa miala eto hianareo, dia tsy maty; saingy
tsy maintsy miverina, na dia mpanota aza, ka ho tsaraina araka ireo asa natao
tao amin’ny nofo. «Raha ravana ity trano-laintsika ety an-tany ity, dia manana
anankiray hafa isika izay miandry antsika.» ‘En morphe’, Teny izany.
64
Kanefa, Andriamanitra, amin’io dingan’ny Famoronany io, no namorona
taty aoriana, tao amin’ny nofo, an’i Jesosy. Tamin’ny alalan’inona? Tamin’ny
alalan’ilay Fanahy lehibe tamin’ny voalohany, ary dia tonga Teny izany, raha
toa ka nanomboka naneho ny Tenany Izy. Ny Teny dia tsy mbola nanao ny
Tenany ho… Notononina fotsiny Izany. En morphe; taty aoriana, dia tonga
nofo tao amin’i Jesosy Izy, mety maty, mba hanandrana ny fahafatesana ho
antsika rehetra, mpanota.
65
Rehefa nifanena Taminy i Abrahama, Melkizedeka Izy tamin’izay. Izy dia
maneho eto izay hataon’ireo toetra anaty rehetra any amin’ny farany indrindra
— ny zanak’i Abrahama tsirairay avy. Ny zanaky ny finoana rehetra dia hanao
zavatra mitovy tanteraka. Saingy tiako hita ny fomba tokony ahatongavantsika
eo.
66
Hitantsika fa voambara ihany koa izany eto, ny amin’i Rota sy Boaza, toy
ny Havana Mahavotra, sy izay fomba tsy maintsy Nihaviany mba ho tonga
nofo.
67
Ankehitriny, hitantsika fa ireo zanaka-toetra anaty tao amin’ny Fanahiny
dia tsy mbola tafiditra ao amin’ny vatana Teny, fa — teofania anankiray. Ity
24
IZA MOA IO MELKIZEDEKA IO?
23
vatana ity dia ampaneken’ny Teny, miandry amin’ny faniriana fatratra ny
fanovam-batana.
68
Ankehitriny, ny tsi-fitoviana eo Aminy sy hianareo, amin’ny mahazanaka… Hitanareo, Izy dia Teny tamin’ny voalohany, vatana anankiray ‘En
morphe’. Niditra tao Izy ka nivelona tao anatin’izany tao amin’ilay Olona
Melkizedeka. Avy teo, taty aoriana…Tsy nandre resaka mikasika an’i
Melkizedeka intsony isika, satria tonga Jesosy Kristy Izy. Melkizedeka ilay
Mpisorona teo, fa tonga Jesosy Kristy Izy. Kanefa, nihodinanareo io, satria
tamin’io endrika io, nahafantatra ny zavatra rehetra Izy. Ary hianareo tsy
mbola afaka nahafantatra an’izany mihitsy. Hianareo dia tonga tahaka an’i
Adama, tahaka ahy. Hianareo dia niala avy tamin’ny toetra anaty ho amin’ny
nofo, mba halaim-panahy. Fa rehefa tapitra ity fiainana eto ity… «Raha ravana
ity trano-laintsika ety an-tany ity, dia efa manana anankiray hafa isika izay
miandry antsika.» Eo no andehanantsika; Teny izany. Koa, afaka mijery any
aoriana isika ka mahita izay zavatra nataontsika. Ankehitriny, tsy mazava
amintsika izany. Tsy mbola tonga Teny mihitsy isika; tonga olona-nofo
fotsiny ihany, fa tsy Teny. Saingy…
69
Ary jereo tsara, izany dia maneho mazava fa tsy ho Teny mihitsy hianareo,
raha tsy efa fisainana hatramin’ny voalohany. Io no manaporofo ny
fanendren’Andriamanitra mialoha. Hitanareo? Tsy afaka ny ho Teny hianareo,
raha tsy efa fisainana aloha. Tsy maintsy efa tao amin’ny fisainana aloha
hianareo. Saingy, hitanareo, mba handalovana amin’ny fakam-panahy, dia tsy
maintsy nihodinanareo ilay teofania; tsy maintsy nidina tety hianareo, tao
amin’ny nofo, mba halaim-panahy amin’ny ota. Ary koa, hianareo raha…
«Izay rehetra nomen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy, ary Izaho hanangana azy
amin’ny andro farany.» Hitanareo, tsy maintsy efa teo aloha hianareo. Koa,
hitanareo, nidina Izy, araka ny làlana nahazatra, niala tamin’ny toetra anaty ho
amin’ny…
70
Talohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao, dia efa natao tao anatin’ny
Bokin’ny Fiainan’ny Zanak’Ondry ny Anarany. Ary, avy tao, dia tonga Teny
Izy, ny teofania, izay afaka niseho sy nanjavona; avy eo, dia tonga nofo Izy ka
lasa indray, io vatana io ihany no Natsangany tao amin’ny endrika bevoninahitra. Fa hianareo dia nihodina tsy nandalo ny teofania fa tonga olonanofo mba halaim-panahy amin’ny ota. Ary koa… «raha ravana ity tranolaintsika ety an-tany ity, dia efa manana anankiray hafa isika izay miandry
antsika.» Tsy mbola ananantsika ireo vatana ireo. Saingy jereo, fa rehefa
mandray ny Fanahin’Andriamanitra ity vatana ity, ilay Fiainana tsy mety maty
ao anatinareo, io no mahatonga an’ity vatana ity manaiky an’Andriamanitra.
Haleloia!
71
«Izay naterak’Andriamanitra no tsy manota; tsy mahay manota izy.»
Romana 8:1 «Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i
Kristy Jesosy; izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy.» Eo
indrindra hianareo! Hitanareo, izany dia mahatonga ny tenanareo manaiky.
Tsy hianareo no hanao hoe: «Oh! raha mba afaka tsy misotro fotsiny moa aho,
fanindronanao? Ry fasana ô, aiza ny fandresenao? Fa isaorana anie
Andriamanitra izay nanome antsika fandresena!» Nampiany hoe: «Ry
fahafatesana ô, lazao ahy izay fomba ahafahanao mety hampitaraina ahy? Ry
fasana, lazao ahy izay fomba ahafahanao mitazona ahy, fa ananako ny
Fiainana mandrakizay.» Amena! Nahafantatra an’izany izy. Ny fahafatesana,
ny helo, ny fasana, tsy misy afaka ny hitazona azy mihitsy. Ary tsy misy afaka
ny hampaninona antsika mihitsy, ananantsika ny Fiainana mandrakizay.
Tsapany fa efa voatahy izy noho ny fananany ny Fiainana mandrakizay
fotsiny.
119
Izany dia tahaka ny ando kely indray mitete. Raha azoko ny zavatra
mitranga… Tsy dia mahafantatra ny simika loatra aho, nefa ataoko fa ny
hatsiaka mahazo ny hamandoana na ny entona… Ary rehefa tonga
mangatsiaka sy maizina ny alina, dia milatsaka avy any an-danitra izany ka
lasa rano mitete eny amin’ny tany. Nilatsaka avy tany ho any izany. Ny
ampitso maraina, alohan’ny fiposahan’ny masoandro, io rano mitete kely io
dia eo, tena mangatsiaka, fa avelao miposaka fotsiny ny masoandro ary jereo
izany fa manomboka mamirapiratra. Faly izy. Nahoana? Hiantso azy ny
masoandro ka hamerina azy any amin’ny toerana izay nihaviany. Ary toy
izany koa ho an’ny kristiana. Haleloia! Fantatsika… Rehefa miditra ao
amin’ny fanatrehan’Andriamanitra isika, dia misy zavatra ao anatintsika izay
milaza amintsika fa misy toerana nihaviantsika, ary hiverina any isika amin’ny
alalan’io hery manintona antsika io.
120
Manjelanjelatra ilay ando kely mitete, mamiratra sy mifaly, satria fantany
fa avy any ambony izy ka io masoandro io no hampiakatra azy any indray.
Ary ny olona izay toetran’Andriamanitra, naterak’Andriamanitra, dia mahalala
(Haleloia!), rehefa tafikasika amin’ilay Zanak’Andriamanitra izy, fa indray
andro any, dia ho voasintona any ambony izy ary hiala amin’ity toerana ity!
«Fa raha nakarina niala tamin’ny tany Aho, dia hitaona an’ireo olona hiaraka
Amiko.» Amena!
121
Ankehitriny, mariho! Hitantsika i Melkizedeka, sy ny antony tsy Nahareniny an’i Maria. Izay no antony Niantsoany azy hoe ravehivavy, fa tsy hoe
neny. Tsy nanan-dray Izy, satria Izy no Ray, Ilay Ray mandrakizay, ireo telo
tao amin’ny Anankiray. Tsy nanan-dreny Izy. Azo antoka fa tsia. Tsy nanandray Izy, satria Izy no Ray. Toy ny filazan’ilay poeta indray mandeha,
tamin’ny fanomezana fankasitrahana lehibe an’i Jesosy:
IZAHO no Ilay niresaka tamin’i Mosesy
Tao amin’ny roimemy afo izay nirehitra.
IZAHO no Andriamanitr’i Abrahama,
Ilay Kintana mamirapiratry ny maraina.
Izaho no Alfa, sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana.
Izaho no famoronana rehetra,
Ary Jesosy no Ilay Anarana. (Marina izany!)
Oh! Iza no ilazanao Ahy?
Ary avy taiza hoy ireo no Nihaviako?
14
IZA MOA IO MELKIZEDEKA IO?
15
ny Batisan’ny Fanahy. Marina izany! Rehefa izany dia tonga ny fampakarana.
114
Ankehitriny, izao tontolo izao, ahoana no Nanavotany an’izao tontolo
izao? Ny zavatra voalohany Nataony, rehefa nanota izany, dia ny fanasana azy
tamin’ny batisan’ny rano. Marina izany. Ary avy eo dia Navelany, avy teo
amin’ny hazo fijaliana, nikoriana teo Aminy ny Rany, nanamasina azy ka
niantso azy ho Fananany. Avy eo, inona no Ataony? Tahaka izay Nanesorany
izay zavatr’izao tontolo izao rehetra tao aminareo ka Nanavaozany ny rehetra
tamin’ny alalan’ny Batisan’ny Fanahy Masina mirehitra, dia Havaoziny ihany
koa ny tany. Hodorana tanteraka amin’ny afo izany sady hesorina aminy ireo
loto rehetra hatrany amin’ny hahavo tapitrisany kilometatra maro. Ary ho
voadio ny rehetra. Hisy àry ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, tahaka
anareo izay famoronana vaovao ao amin’i Kristy, rehefa mandrombaka anareo
ny Fanahy Masina. Hitanareo, eo tokoa hianareo. Mazava indrindra izany
rehetra izany.
115
Mandeha tsitelotelo ny rehetra. Ny fahaterahana ara-nofo dia ao anaty
dingana telo. Inona no zavatra mitranga voalohany amin’ny vehivavy izay
manan-janaka? Inona no tonga voalohany? Ny rano. Ary avy eo? Ny rà. Ary
inona no dingana manaraka? Ny aina. Ny rano, ny rà, ny fanahy. Inona no
mitranga amin’ny zava-maniry? Lo izy. Inona no zavatra voalohany? Ny taho.
Inona ny manaraka? Ny salohy. Inona ny manaraka? Ny akofa. Ary avy eo no
ivoahan’ny voa. Misy an’ireo dingana telo mandra-pahatongan’izany eo
amin’ny voa. Izany tokoa.
116
Manamarina an’izany Andriamanitra. Marina foana izany hatrizay;
Andriamanitra no manamarina fa marina io. Izany dia maneho mazava tsara fa
izay voatendry mialoha ihany no voakasika ao amin’ny hoe Fanavotana.
Azonareo ve? Avelao aho hamerina an’izany. Izay voatendry mialoha ihany
no voakasika ao amin’ny hoe Fanavotana. Ny olona afaka manao izay
fihetsika tahaka ny hoe voakasika na mihevi-tena fa izany, saingy ny tena
Fanavotana dia ho an’ireo izay voatendry mialoha ihany. Satria ny teny hoe
manao fanavotana dia midika hoe ‘mampody’. Marina ve izany? Manao
fanavotana, izany dia… Ny manao fanavotana zavatra anankiray, dia ny
mampody azy eo amin’ny toerany tamin’ny voalohany indray. Haleloia! Noho
izany, ireo voatendry mialoha ihany no hampodina, satria ireo hafa dia tsy
nivoaka avy tao. Hitanareo? Mampody.
117
Amin’ny maha-tamin’ny voalohany, mandrakizay niaraka Taminy… Ny
Fiainana mandrakizay izay nanananareo, ny fisainana izay Nananany mikasika
anareo, Tiany fotsiny hianareo raha mba… Tiany hitsangana eto amin’ny
polipitra aho, ohatra izany. Tiany ho eto hianareo anio hariva. Manatanteraka
ny Fikasany lalina mandrakizay isika izany. Ary izay niala tany an-trano dia
tonga ety an-tany fotsiny mba hanatanteraka ny Fikasany lalina. Marina ve
izany? Eny àry. Koa, raha vao tapitra izany, dia hampodina eo amin’ny
toerana be-voninahitra izy io. Tonga amin’ny famasahana ka hampodina.
118
Tsy mahagaga raha afaka nilaza i Paoly, raha teo am-panamboarana ny
fitaovana hanapahana ny lohany izy ireo: «Ry fahafatesana ô, aiza ny
raha mba afaka manao fotsiny…» Midira fotsiny ao amin’i Kristy; dia
hanjavona izany rehetra izany! Hitanareo? Satria ny tenanareo dia efa
ampaneken’ny Fanahy. Tsy nampanekena ho an’ireo zavatr’izao tontolo izao
intsony izy; efa maty izany rehetra izany. Efa maty ireo; ny otanareo rehetra
dia efa nalevina tao amin’ny batisa; ary tonga famoronana vaovao ao amin’i
Kristy hianareo. Ary ny tenanareo dia lasa manaiky ny Fanahy ka miezaka
miaina am-pahamarinana hianareo…
72
Tahaka anareo, vehivavy, izay mihevi-tena fa manana ny Fanahy Masina
kanefa mandeha mivoaka manao an’ireny sorta ireny, sns., ahoana no
ahafahanareo
manao
an’izany?
Ahoana
no
ahafahan’ny
Fanahin’Andriamanitra, ao anatinareo, hamela anareo hanao zavatra toy
izany? Tsy afaka ny hisy tsotra izao izany. Sanatria mihitsy! Tsy fanahy
maloto akory Izy; fa Fanahy masina.
73
Ary noho izany, rehefa tonga manaiky an’io Fanahy io hianareo, izany dia
mahatonga ny tenanareo manontolo manaiky an’io Fanahy io. Ary io Fanahy
io dia tsy zavatra hafa eto amin’izao tontolo izao ivelan’ilay Teny Voa tonga
voaseho na novelomina (Haleloia!), tonga velona. Ary rehefa milaza ny
Baiboly hoe: «Aza manao an’izao», ity vatana ity dia mankato Azy avy
hatrany; tsy misy fanontaniana. Ary inona io? Io no antoka ny amin’ny
fitsanganana. Io vatana io dia hitsangana, satria efa nanomboka sahady izany.
Andevon’ny ota izany teo aloha, tao anaty fotaka sy fahalotoana, saingy
ankehitriny, manana an’ilay antoka io; tonga an’ny lanitra io. Kanefa izany no
antoka fa mizotra ho amin’ny fampakarana hianareo. Antoka izany.
74
Ny olona marary anankiray efa ho faty, izay tsy miandry afa-tsy ny
fahafatesana, izay ihany no mety hitranga… Efa nahita ny aloka maintin’ireo
olona voakikin’ny homa-miadana sy ny tiberkilaozy aho ary nahita azy ireo
indray, taty aoriana, tena sitrana sady matanjaka tsara. Raha tsy misy ny
fanasitranana avy amin’Andriamanitra, dia tsy misy ny fitsanganana, satria ny
fanasitranana avy amin’Andriamanitra no antoka ny amin’ny fitsanganana.
Amena!
75
Hianareo dia mahalala ny atao hoe santatra, tsy izany ve? Ampaham-bidy
antoka izany! «Notorotoroina nohon’ny otantsika Izy; ny dia-kapoka Taminy
no nahasitranana antsika.»
76
Mariho, tena mahafinaritra izany! Toy inona no itiavantsika Azy!
Ankehitriny, ity vatana ity dia ampaneken’ny Fanahy. Mbola tsy nandray ny
endriky ny Teny isika, fa mbola endriky ny nofo hatrany, kanefa manaiky ny
Teny. Ny fahafatesana ao amin’ny nofo no hitondra antsika ho eo.
77
Hevero ny zazakely iray, mitovy amin’izany ihany. Afaka mandray
vehivavy anankiray hianareo, na toy inona faharatsiam-panahiny, rehefa
bevohoka izy ka eo an-dàlam-piterahana, jereo tsara alohan’ny ahaterahan’ilay
zaza, na toy inona mety maha-ratsy an’ilay vehivavy, dia tonga malefaka
indrindra izy. Misy zavatra ao anatiny izay tahaka ny mpivavaka, rehefa eo
an-dàlam-pahatongavana ho reny amin’ny alalan’io zaza io izy. Nahoana
izany? Io vatana kely io… Mbola tsy velona izy. Hitanareo, ny maha-izy azy
22
IZA MOA IO MELKIZEDEKA IO?
21
fotsiny, dia nofo misy ozatra ihany. Ireo hetsika kely ireo, dia ozatra miasa
fotsiny. Fa rehefa mivoaka avy ao an-kibo izy, dia fofonin’Andriamanitra ao
aminy ny fofon’aina. Ary noho izay, dia mihiaka izy. Hitanareo, raha azo
antoka fa misy vatana ara-nofo miforona, dia misy vatana ara-panahy mba
handray azy raha vao tonga ety izy.
78
Koa, rehefa nateraka indray avy any an-danitra ny olona iray, dia tonga
zaza-fanahy ao amin’i Kristy izy. Ary, rehefa ialany ity fitafiana nofo ity, dia
misy vatana natioraly, teofania anankiray andehanantsika, vatana izay tsy
nataon-tànana sady tsy natera-behivavy. Avy eo, dia miverina io vatana io
mandray ilay vatana be-voninahitra. Izay no antony nahatonga an’i Jesosy
nandeha tany amin’ny helo, rehefa maty Izy, ka nitori-teny tamin’ireo fanahy
tao an-trano-maizina. Niverina tamin’io vatana teofania io Izy. Oh!
mahafinaritra izany! Misaotra, Tompo ô!
79
II.Korontiana 5:1, «Fa fantatsika fa raha ravana ny trano–laintsika ety antany (ity trano-lay izay ipetrahantsika ety an-tany ity), dia manana anankiray
hafa isika.» Hitanareo, nihodinantsika io mba ahafahantsika ho tonga avy
amin’Andriamanitra avy hatrany, ny toetra anaty, mba ho nofo sy halaimpanahy ary ho zahan-toetra amin’ny ota, tahaka ny natao tamin’i Adama. Fa
rehefa tapitra ny fizahan-toetra amin’ny Teniny, dia ho entina amin’io vatana
izay efa nomanina ho antsika talohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao io
isika. Fa io ilay Teny izay nihoarantsika mba ahafahantsika ho tonga ety
ambany ety, mba halaim-panahy sy ho zahan-toetra. Raha nandalo
tamin’izany isika, dia tsy hisy ny fakam-panahy; fa ho nahalala ny zavatra
rehetra. Izay no antony nahatonga an’i Jesosy nahalala ny zavatra rehetra,
satria efa Teny Izy talohan’ny nahatonga Azy ho nofo.
80
Avy eo, tonga Teny isika. Eto, dia amboarina hanana ny endriky ny Teny
isika, mba ho mpandray anjara amin’ny Teny, mihinana ny Teny, amin’ny
maha-voatendry mialoha hatramin’ny voalohany. Hitanareo, ilay tselapahazavan’aina kely izay efa tao anatinareo io, hatramin’ny voalohany, raha
vao nanomboka ny dianareo hianareo… Betsaka aminareo no mety
mahatadidy an’izany. Nikambana tamin’iry fiangonana iry hianareo sy
tamin’ito fiangonana ito, nanandrana an’izao sy izao; tsy nisy nahafa-po
anareo. Marina izany! Fa indray andro, nahafantatra an’izany tsotra izao
hianareo. Marina izany!
81
Indray hariva, nisy toerana nampianarako, inoako fa tany Californie na
tany Arizona, mikasika ny… Inoako fa efa notantaraiko teto, ny tantara
kelin’ilay lehilahy nametraka atodin’ny voromahery anankiray tao ambany
akoho. Ary rehefa foy io voromahery io, dia izy no vorona hafahafa indrindra
tamin’izay rehetra hitan’ireto akoho. Fa nandehandeha tetsy sy teroa izy; tsy
teo anivon’ireo ny tena toerany, satria tsy azony tsotra izao ny mahatonga
an’ity renin’akoho ity mingonongonona, mamitsaka eo amin’ireto zezika maro
ka mihinana an’izany. Tsy azony mihitsy ny mahatonga izany. Hoy ilay
akoho: «Avia aty ary mihinana, ry malalako!» Koa, voromahery izy; tsy toy
izany tsotra izao ny fomba fihinanany. Tsy io no sakafony.
an’izany mihitsy hianareo raha tsy efa niady hatramin’ny farany ka tonga
ampahan’Andriamanitra.
107
Tadidio fa tamin’izay fotoana izay, tsy natao ho tanterahina ny
Fandraisana; tsy natao izany raha tsy talohan’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy,
aman-jatony sy aman-jatony taona maro taty aoriana
108
Fa, taorian’ny nandresen’i Abrahama Zanany, dia nitsena azy i
Melkizedeka ka nanome azy divay sy mofo, mampiseho fa rehefa tapitra izao
ady ety an-tany izao, dia hitsena Azy eny amin’ny lanitra isika ka handray
fandraisana indray; ary io no Fampakaram-badin’ny Zanak’ondry. «Tsy mba
hisotro itony divay itony na hihinana ny vokatry ny voaloboka intsony Aho,
mandra-pihavin’ny andro hiarahako mihinana sy misotro izay vaovao
aminareo any amin’ny Fanjakan’ny Raiko.» Marina ve izany?
109
Mariho indray, Melkizedeka dia nandeha nitsena an’i Abrahama,
talohan’ny nahatongavany tany aminy. Tandindona tsara tokoa no ananantsika
eto: Melkizedeka nitsena an’i Abrahama taorian’ny ady, talohan’ny
ahatongavan’izy io tany aminy. Hitsena an’i Jesosy eny amin’ny habakabaka
isika alohan’ny ahatongavana any amintsika! Marina izany! II.Tesaloniana
milaza an’izany amintsika, fa hitsena Azy eny amin’ny habakabaka isika.
Izany dia tandindona tsara tokoa ny amin’i Rebeka izay nitsena an’i Isaka tany
an-tsaha, tao anatin’ny famirapiratan’ny andro. Hitsena Azy eny amin’ny
habakabaka isika; II.Tesaloniana milaza an’izany amintsika: «Fa isika, izay
velona, ka mbola mitoetra, dia tsy mba hialoha an’ireo izay efa nodi-mandry;
fa hotsofina ny trompetran’Andriamanitra; ireo maty ao amin’i Kristy no
hitsangana aloha; isika, izay velona, ka mbola mitoetra, no hakarina hiaraka
aminy, hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka.» Ireo tandindona rehetra
ireo dia tanteraka avokoa.
110
Izay no antony, ny teofania… Raha maty hianareo ka tafiditra ao anatin’io
teofania io, inona no mitranga? Ho avy ety an-tany ny teofania mba handray
ilay vatana voavidy. Ary raha eto hianareo, ao amin’ny habakabaka, dia
handray ilay vatana mba hitsena ny teofania (eo indrindra hianareo), ary dia
hakarina hianareo mba hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka.
111
Iza moa io Melkizedeka io, raha tsy Andriamanitra?
112
Ankehitriny, hitantsika mazava tsara eto ny zava-miafina rehetra ny
amin’ny fiainantsika mandritra izao dia izao, ny fahafatesana, sy ny hoe aiza
no andehanantsika aorian’ny fahafatesana. Toy izany koa, voaseho mazava
tsara eto ny fanendren’Andriamanitra mialoha. Ankehitriny, henoy tsara, raha
toa ka mampianatra an’izao isika.
113
Ireo dingana ny amin’ny fikasana lalina mandrakizay, izay Nananany tao
amin’ny Miafiny, dia voambara avokoa ankehitriny. Mariho, mbola misy
dingana telo mba hitondra ho amin’ny fahatanterahana. Ny fomba Ampiasainy
mba hanavotana an’izao tontolo izao dia mitovy tamin’ny fomba Ampiasainy
mba hanavotana ny Fiangonany. Dingana telo no Hanavotany ny olona.
Ankehitriny, jereo; voalohany, misy ny fanamarinana, toy izay notorin’i
Luther azy; faharoa, ny fanamasinana, toy izay notorin’i Wesley azy; fahatelo,
16
20
101
IZA MOA IO MELKIZEDEKA IO?
Nisy lehilahy nanatona an’i Abrahama, telo izy ireo, ary nipetraka teo
ambanin’ny hazo terebinta. Ary mariho, rehefa avy niresaka tamin’i
Abrahama… Inona no antony nahatongavany? Abrahama dia ilay nanana ny
fampanantenana sy ny hafatra mikasika an’ilay zanaka ho avy, ary izy koa dia
mpaminanin’ny Tenin’Andriamanitra, izay nanana fahatokiana ny amin’ny
Tenin’Andriamanitra, izay nihevitra ho toy ny tsy misy izay rehetra
mifanohitra… Hitanareo ve ny maha-tanteraka ny Teny? Ny Teny dia tonga
tamin’ny mpaminany. Hitanareo, nisy an’Andriamanitra tao amin’ny teofania
teo, ary ny Baiboly milaza fa ny Teny dia tonga amin’ny mpaminany. Ary teo,
nisy an’ilay Teny tao amin’ny teofania…
102
Ankehitriny, hoy hianareo: «Andriamanitra ve izany?» Abrahama dia
nilaza fa Izy izany. Nilaza izy fa ny Anarany dia… Elohima no niantsony Azy.
Kanefa, ao amin’ny Genesisy 1, hitanareo izao: «Tamin’ny voalohany,
Elohima nahary ny lanitra sy ny tany.» Ao amin’ny Genesisy 18, hitantsika fa
i Abrahama niantso an’io Olona io, izay nipetraka teo ka niresaka taminy, izay
afaka nilaza ireo zava-miafin’ny fony sy ny fisainan’i Saraha izay tao
Aoriany… Hoy Abrahama: «Elohima inty.» Tamin’ny endrika teofania Izy.
Azonareo ve izany?
103
Mariho, taorian’ny… Ankehitriny, hitantsika izany fa tamin’ny endrika
teofania Izy. Nantsony Izy hoe: «Tompo Andriamanitra, Elohima.» Hitantsika
ao amin’ny Genesisy.18 fa marina izany.
104
Ankehitriny, mariho, i Abrahama… Telo izy ireo no niaraka; na dia izany
aza, rehefa nifanena tamin’izy ireo i Abrahama, hoy izy hoe: «Ry Tompoko!»
Saingy Lota rehefa, nandeha tany Sodoma ny roa tamin’izy ireo – rehefa
hitany izy ireo, dia hoy izy hoe: «Hianareo Tompoko!» Hitanareo, inona no
zavatra nitranga? Voalohany, Lota dia tsy mpaminany (marina izany!), tsy izy
ihany koa no iraka tamin’io ora io. Koa, tsy izy no nanana fanambarana ny
Aminy. Marina izany! Lota afaka niantso azy ireo hoe «Ireto Tompoko»
[Milaza maro.—Mpandika]; raha nisy roa ambin’ny folo teo, dia mbola «Ireto
Tompoko» [Milaza maro.] ihany no niantsony azy, fa na firy na firy no mety
hitan’i Abrahama, dia Tompo anankiray ihany. Indro Andriamanitra; i
Melkizedeka io.
105
Mariho, raha vao tapitra ny ady, Melkizedeka dia nanolotra ho an’ilay
Zanany mpandresy, ny fandraisana (Hevero izany!), ampahan’ny Tenany
mihitsy. Ankehitriny, te-hahita isika eto, amin’ny endrika tandindona, ny
fandraisana. Aorian’ny ady, dia nanome ny ampahan’ny Tenany mihitsy Izy,
satria ny fandraisana dia ampahan’i Kristy. Raha vao tapitra ny tolona, ary
rehefa avy niady mafy tsara, eo hianareo vao afaka manandrana an’i Kristy ka
tonga ampahan’io Vatana io. Azonareo ve izany?
106
Jakoba dia nitolona nandritra ny alina ary tsy namela Azy mihitsy handeha
raha tsy efa nitahy azy Izy. Marina izany! Ny ady ho amin’ny fiainana. Ary
rehefa tapitra ny ady, dia omen’Andriamanitra anareo ny ampahan’ny Tenany
mihitsy. Io no tena Fandraisany. Ny tapa-mofo kely sy ny mofo-pandraisana
dia tsy manao afa-tsy ny maneho an’izany fotsiny. Tsy tokony handray
17
82
Nisambotra valala ilay akoho, sns., fantatrareo ka niantso an’ireo
zanak’akoho. Ary ireo zanak’akoho rehetra dia nandeha nihinana tamin’ny
fankafizana. Fa ilay voromahery kely tsy nahavita an’izany tsotra izao. Toa
noheveriny fa tsy mety izany.
83
Indray andro, nandeha nitady azy ny reniny. Naheno ny fingonongonon’io
renin’akoho io izy ka mba niezaka araka izay tratrany mba hanao toy izany
koa, saingy tsy vitany. Niezaka nitsaingoka toy ny zanak’akoho izy, saingy tsy
vitany. Hitanareo, voromahery izy. Voromahery hatramin’ny voalohany.
Nokotrehin’ny renin’akoho fotsiny izy. Mitovy amin’ireo mpikambana sasany
any amin’ny fiangonana. Tahatahak’izany; anankiray ao anatin’ny fikotrehana
eo no marina.
84
Fa indray andro, nanidina teo amin’io toerana io ilay reniny ka
niantsoantso. Nahafantatra an’izany izy. «Toa tahaka ny marina izany!»
Nahoana? Efa voromahery hatramin’ny voalohany izy. Toy izany koa ny
amin’ny Filazantsara na ny Teny, ny herin’i Jesosy Kristy; rehefa voatendry
mialoha ho amin’ny Fiainana mandrakizay ny olona anankiray ka mandre
an’izao faneno marina izao, ity antson’Andriamanitra ity, tsy misy afaka
hampiodina azy amin’izany. Mety hilaza angamba ny fiangonana: «Efa lasa
ny andron’ireo fahagagana, kot-kot-kot! Mitoera hianao eto ka hano ity,
mitoera hianao eto ka hano izao.»
85
Tsy ampy azy intsony io sakafon’ny tranon’akoho io! Lasa izy! «Azo atao
ny rehetra!» Niala tamin’ny tany izy. Izay no tsy mety tsara eo amin’ny
kristiana maro ankehitriny; tsy afaka miakatra miala amin’ny tany izy ireo.
Hoy ilay reny tranainy aminy: «Ry anaka, mitsambikina! Voromahery hianao.
Miakara aty amiko aty.»
Hoy izy hoe: «Mama, mbola tsy nitsambikina mihitsy aho tamin’ny
fiainako.»
86
Hoy ny reniny: «Eny, mitsambikina ihany; voromahery hianao
hatramin’ny voalohany; tsy akoho hianao.» Nataony àry ny fitsambikinany
voalohany ka nakopany ireo helany; tsy dia tena nety tsara izany, saingy niala
tamin’ny tany ihany izy. Toy izany koa no ataontsika; ekentsika
Andriamanitra, am-pinoana, araka ny Teny voasoratra. Misy zavatra ao anaty
ao. Hitanareo, ilay Fiainana mandrakizay, efa voatendry mialoha ho
amin’izany hianareo.
87
Ny raibeny sy ny renibeny dia efa voromahery; efa voromahery
hatramin’ny voalohany izy. Ireo voromahery dia tsy mifangaro amin’ny
zavatra hafa. Fa tsy mba hibrida mihitsy izy; fa voromahery.
88
Rehefa avy nahafantatra fa ny Tenin’Andriamanitra mihitsy no sakafon’ny
voromahery, dia navelany ireo zavatra hafa. Novaina noho izany hianareo mba
hanana an’ilay endrika velona izay an’Andriamanitra velona. Nandre zavatra
avy amin’ny teofanianareo hianareo. «Fa fantatsika fa raha ravana ny tranolaintsika ety an-tany, dia manana anankiray hafa izay miandry antsika isika.»
Hoy hianareo: «Tena marina ve izany, rahalahy Branham?» Eny àry,
18
IZA MOA IO MELKIZEDEKA IO?
ndeha handray voromahery vitsivitsy ary hojerentsika izy ireo mandritra ny
minitra vitsy.
89
Nisy lehilahy nantsoina hoe Mosesy. Fantatrareo rehetra fa ny mpaminany
dia nantsoina, ao anaty Baiboly, ho voromahery. Nisy mpaminany nantsoina
hoe Mosesy. Indray andro, niantso azy Andriamanitra – Tsy namela azy
niditra tao an-tanàna Izy – maty teo ambony vatolampy anankiray izy. Ireo
Anjely no nitondra azy sady nandevina azy. Nisy lehilahy anankiray hafa,
voromahery, izay tsy nila nandalo fahafatesana akory. Namaky ny Jordana
fotsiny izy. Ary Andriamanitra nampidina kalesy; ary: «Nialany ity fitafian’ny
nofo ity ka niakatra izy sady nandray ny valisoa mandrakizay.» Valon-jato
taona taty aoriana – valon-jato taona taty aoriana, teo amin’ny Tendrombohitra
Fiovan-tarehy, no nitsangan’ireo lehilahy roa ireo. Ny vatan’i Mosesy dia efa
lo nandritra ny aman-jato taona maro, saingy nanana endrika izy teo ka na dia
Petera, Jakoba sy Jaona aza dia nahafantatra azy. Amena! «Fa fantatsika fa
raha ravana ny trano-laintsika ety an-tany…» Raha toetra anaty
an’Andriamanitra voaseho ety hianareo, eto an-tany, dia manana vatana
anankiray izay miandry anareo rehefa miala amin’ity tontolo ity. Nitsangana
teo amin’ny Tendrombohitra Fiovan-tarehy izy ireo, tao anaty teofaniany,
satria mpaminany nahatongavan’ny Teny.
90
Ndeha marihintsika ihany koa ny mpaminany anankiray izay nantsoina
hoe Samoela. Lehilahy nanana ny naha-izy azy io. Nampianatra ny Isiraely izy
sady niteny taminy fa tsy tokony hanana mpanjaka izy ireo. Hoy izy
tamin’ireo: «Efa nilaza zavatra taminareo va aho, tamin’ny Anaran’ny Tompo,
ka tsy tanteraka?»
Namaly izy ireo hoe: «Tsia, izay rehetra nolazainao, tamin’ny Anaran’ny
Tompo, dia tanteraka.»
91
Mpaminany io. Ary dia maty izy. Telo na efatra taona taty aoriana teo ho
eo, nanana olana maro ny mpanjaka; izany dia talohan’ny nilatsahan’ny Ran’i
Jesosy Kristy. Tao amin’ny Paradisa izy. Ary nangataka ilay mpamosavy vavy
avy any Endora mba hisy olona ho tonga hampionona an’i Saoly. Ary rehefa
nahita azy teo ilay mpamosavy vavy, nitsangana teo, dia niantso mafy hoe:
«Misy andriamanitra mivoaka avy ao amin’ny tany hitako.» Ary taorian’ny
nahafatesan-dralehilahy, ny nandevenana azy ka naha-lo azy tao am-pasana,
dia nijoro teo izy, tao amin’io zohy io, nitafy ny akanjo maha-mpaminany azy,
ary mbola mpaminany foana izy. Amena!
92
Satria hoy izy hoe: «Nahoana no nisintona ahy tamin’ny fitsaharako, satria
efa tonga fahavalon’Andriamanitra hianao?» Jereo izy fa naminany.
«Rahampitso hariva, amin’ny ora tahaka izao, dia ho aty amiko hianao.»
Mbola mpaminany foana izy, na dia efa niala tamin’ity vatana ity aza.
Hitanareo, tonga tety izy ary izy dia efa am-pahan’ity Teny ity; niditra àry izy
avy tao amin’ny fiainan’ny nofo ho ao amin’ilay vatana efa nomanina ho azy
talohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao. Niditra tao anaty teofania izy,
izay Teny. Azonareo ve izany? Fa eo no andehanan’ireo mpino rehetra, rehefa
miala eto.
19
93
Koa ato amin’ito endrika ito, miala ny fisaronana. Hitanareo fa hianareo
koa dia mba Teny rehefa tafiditra ao. Toy ny zazakely anankiray, toy izay efa
nolazaiko vao teo…
94
Ankehitriny, mariho. Midera an’Andriamanitra aho noho ny fisokafan’ireo
Tombo-kase izay mamela antsika hahafantatra an’ireo zavatra ireo.
95
Ankehitriny, ny tena fanambarana ny amin’i Melkizedeka dia miseho ka
ahitana fa Andriamanitra io, ny Teny, talohan’ny nahatongavana ho nofo;
Andriamanitra, ilay Teny. Satria tsy maintsy ho Izany Izy; tsy misy olona
afaka ny tsy ho faty tahaka Azy. Hitanareo, nanan-dray sy reny aho; hianareo
koa. Jesosy dia nanan-dray sy reny. Fa io Lehilahy io dia tsy nanan-dray, na
reny. Jesosy dia nanana fiandohana; io Lehilahy io tsia. Jesosy nanolotra ny
Ainy; io Lehilahy io tsy afaka nanao an’izany, satria Izy no Aina. Ary mbola
io Lehilahy io hatrany, tsy miova. Antenaiko fa ambaran’Andriamanitra
aminareo izany. Tena ilay Olona teo hatrany.
96
Mariho, ny filazana Azy, Mpanjakan’ny fahamarinana. Hebreo 7:2:
Mpanjakan’ny fahamarinana ary Mpanjakan’ny fiadanana. Mpanjaka in-droa
Izy. Ankehitriny, jereo! Hebreo 7:2, Mpanjakan’ny fahamarinana ary koa
Mpanjakan’ny fiadanana. Mpanjaka in-droa Izy, eto. Kanefa, hatramin’ny
Nahatongavany tao amin’ny nofo ka nakarina ny Vatany, ao amin’ny
Apokalypsy 21:16, dia nantsoina hoe Mpanjakan’ny mpanjaka Izy. Samy
naha-Izy Azy avokoa ireo telo ireo. Hitanareo? Mpanjaka Andriamanitra,
Mpanjaka Teofania, Mpanjaka Jesosy; Izy dia Mpanjakan’ny mpanjaka.
Nifanena ny rehetra, tahaka ny aina, ny vatana ary ny fanahy. Manome
anankiray ihany no iafaran’ny rehetra.
97
Izy ihany koa no Ray, izay teo voalohany, ny Zanaka ary ny Fanahy
Masina, ny Fanahy. Mpanjakan’ny fahamarinana, ny toetra Fanahy; ny
teofania, Mpanjakan’ny fiadanana, ny teofania; ary ao amin’ny nofo,
Mpanjakan’ny mpanjaka Izy — Ilay Olona tsy miova.
98
Ny teofania rehefa… Rehefa nahita Izany Mosesy tao amin’ny Eksodosy
33:2, teofania anankiray Izy. Te-hahita an’Andriamanitra i Mosesy. Nandre ny
Feony Izy, nandre Azy niresaka taminy, nahita Azy teo izy, tao anaty
roimemy, tao amin’ny endrika Andri-afo lehibe anankiray. Ary hoy Mosesy:
«Iza moa hianao? Te-hahalala Anao aho. Raha mba Avelanao mahita Anao
aho… Te-hahita ny Tavanao aho.»
99
Hoy Izy: «Tsy misy olona afaka mahita ny Tavako.» Nampiany hoe:
«Hataoko eo amin’ny masonao ny Tànako ka handalo Aho. Ary afaka ny
hahita ny Vohoko hianao, fa tsy ny Tavako.» Hitanareo? Ary rehefa nandalo
Izy, dia lamosin’ny Lehilahy anankiray izany; teofania no teo. Koa ny Teny
izay tonga tamin’i Mosesy, IZAHO IZAY IZY; dia Teny. Ny Teny dia tonga
tamin’i Mosesy tamin’ny endrika Andri-afo, tao anaty roimemy afo, Ilay
IZAHO IZAY IZY.
100
Amin’ny maha Tenin’ny teolojia, teofania no tiako lazaina, mialatsiny
aho, nanatona an’i Abrahama Izy, teo am-pototry ny hazo terebinta, amin’ny
maha olona Azy. Ankehitriny, jereonareo izao.

Documentos relacionados

The Prodigal Son Malagasy CB

The Prodigal Son Malagasy CB Ilay mpiandry ondry dia tsy nitsahatra nitady ilay ondry very mandra-pahitany azy. Rehefa izany dia nobetainy teo an-tsorony izy ary nentiny nody am-pifaliana. Ary hoy izy tamin’ireo namany: "Anda...

Leia mais

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny tompon’andraiki-panjakana, ireo haino aman-jery tsy miankina kosa dia nanao teny fanairana mikasika ny fampianarana ambaratonga ambony. Arak’izany, ny mpanao gazety ao amin’ny KOLO TV sy TV PLUS d...

Leia mais

CAB-02 Ilay Fahitana Tao Patmo.

CAB-02 Ilay Fahitana Tao Patmo. NY FEO TAHAKA NY AN'NY ANJOMARA. Apokalypsy 1:10, "... ary nahare feo mahery teo ivohoko aho, toy ny feon'ny trompetra." Jaona dia tao

Leia mais

NY RAHONA.

NY RAHONA. ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy. Andininy anankiray mifandraika amin’ny fiavian’n...

Leia mais

Ilay Sintona Fahatelo.

Ilay Sintona Fahatelo. fampisehoana ny herin’i Kristy izay tsy miova, ary fahatanterahan’ny Hebreo 13:8 “Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.” Io koa dia nisy naka tahaka, fa tsy nisy anankiray tamin...

Leia mais

Manaraka lehilahy iray.

Manaraka lehilahy iray. Indraindray aho dia manontany tena hoe nahana no izaho navelan'Andriamanitra ahita, kanefa izany no fomba nitrangany satria tena efa nofidiana mialoha izany. Jereo ireo andron'ny zanak'Israely tami...

Leia mais

Présentation PowerPoint

Présentation PowerPoint handinihana tsara. Hasosoka aminao ny resadresaka iray fijerena fisainana ara-piarahamoninao ifanaovana amin’ny manam-pahaizana. Raha tsy manao IVG (famarafaran’ny eritreritra) ilay mpitsabo nohato...

Leia mais

Teny Fampidirana.

Teny Fampidirana. momba ny zavatra izay navelan’Andriamanitra ho hitany sy tsapany amin’ny andropiainany. Tsy mahagaga raha ry Petera, Jakoba, Jaona raha nilaza izany zavatra izany ,tamin’ireo izay nihaino azy ireo ...

Leia mais

fanontaniana famerenana

fanontaniana famerenana feno faniriana hambabo aina very ho an’i Jesosy tahaka ity olona ity izahay. Na amin’ny samy olona, na fitarihana vondrona ao amin’ny fiangonany, na fitarihana fivorian-dehibe momban’ny filazantsar...

Leia mais

Fahitàna momba ilay Tranolay.

Fahitàna momba ilay Tranolay. manàla ny fahotan'izao tontolo izao?” Nisy osotra teo aminy rehefa nilàza izany zavatra izany izy. Tsy misy hafa amin'izany rehefa niresaka momban'i Elia i Rahalahy Branham: nitsangana teo amin'ny ...

Leia mais

The Acts of the Prophet. Rev. Pearry Green. Chapter 6. Malagasy

The Acts of the Prophet. Rev. Pearry Green. Chapter 6. Malagasy 3 Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary tampoka teo dia nisy hazavàna avy any an-danitra namirapiratra nanodidina azy; 4 dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy...

Leia mais

Fiainana Taloha sy Fiovam-po.

Fiainana Taloha sy Fiovam-po. Tamin'izy mbola tanora, nisy vehivavy iray nananihany azy satria tsy nety nifoka izy, fa izy dia tena saika hanandrana hifoka mba hanajanonana ny fihomehezany. Ny zavatra nolazainy dia raha vao hak...

Leia mais

1 - Akamaihd.net

1 - Akamaihd.net ny Mpamonjy izy ireo, nefa mbola nihevitra azy tamim-pamindrampo ihany Izy. Ny fiainany dia fandavan-tena sy fiheverana ny hafa. Zavatra saro-bidy teo anatrehany ny fanahin’ ny olona tsirairay avy....

Leia mais