Teny Fampidirana.

Transcrição

Teny Fampidirana.
The Acts of the Prophet.
Rev. Pearry Green.
Preface.
Malagasy.
Teny Fampidirana.
Nohon’ny amin’ny foto-kevitra tsy mahazatra
raiketin'ity boky ity, dia heveriko fa ilaina ny
fanazavana misimisy mba ahafahan’ny mpamaky
mahatakatra sy hankasitraka ny hafatra entiny. Ny
boky dia nalaina avy amin’ny toriteny izay notoriako
ny fiangonana nisy ahy izay tsy antoko-piangonana, ao Tucson Tabernacle, ao Tucson,
Arizona, tamin'ny lohataonan'ny 1969. Noho izany dia "boky miteny," ary na dia efa
natonta aza, dia mbola mitana ny tsiron’ny fampianarana amin'ny andian- dahateny.
Ity boky ity dia momba ny lehilahy iray izay nirahin'Andriamanitra ho amin’izao
vanimpotoana izao. Io lehilahy io dia ny Mpaminany; araka izay nolazain’i Jaona
Mpanao Batisa momba an i Kristy ao amin'ny Matio 11:9, dia mino aho fa mihoatra
noho ny mpaminany izy, fa izy dia Mpaminany - Mpitondra hafatra ho an’ny
famaranana andro Kristianisma. Isaia, fotoana ela be talohan'ny nahaterahan'i Kristy dia
nanambara: 9:6 "Fa isika koa zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omena; ary ny
fanapahana dia eo an-tsorony; ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Ilay
Andriamanitra Mahery, Ilay Rain'ny mandrakizay, Ilay Andrian'ny fiadanana."
Toy izany koa, dia afaka manao jery todika ny fiandohan’ity Taonjato Faha-roapola ity
aho ka sahy milaza fa ho antsika zazalahy no nomena, ho antsika ny Mpaminany no
teraka, ary izy no ho mpialoha làlana ny Fiaviana Fanindroan’io "Zanaka io" araka ny
faminanian'i Isaia, ety an-tany. Ny tantara feno momba ny fiainan'ity Mpaminany ity dia
hameno boky maro kokoa mihotra noho izay mbola mety hosoratako na manam-potoana
betsaka aza aho, izay mpanompon’ny Filazantsaran'i Jesosy Kristy ny tenako. Tsy
nirahina aho mba ho mpanoratra. Ny asa fitoriana no ataoko, fa mpitory aho, ary ny
fiainako dia miompana indrindra amin’ ny asa fanompoana momban’io Mpaminany
amin’ny Andro Farany io ka ny asa fanompoako dia lasa voavolavola ho tanjona vaovao.
Izay izany no fandehany, izany hoe manondro ity lehilahy ity aho sy ny Hafany ary izy
dia manondro an’i Kristy. Amin'io lalana io ihany no fomba hahatanteran’ny
fanompoako an’Andriamanitra - amin'ny alàlan'ny fanekena ny zavatra nataony ho
amin'izao Taonjato Faharoapolo izao avy amin’ny alalan’ny fiainanan’ny lehilahy iray.
Ny faniriako dia ny mba hahafantaran’ireo rehetra izay mamaky ity tantara ity eo
amin’ny toetra, fiainana, sy ny asa izay nataon’ity lehilahy voafidin’ Andriamanitra ity.
Ity boky ity dia vavolombelona ny amin'ny zava- mahagaga efa hitako sy reko, fa
Andriamanitra tena nitahy ahy tokoa, ary tiako ny hanome Azy ny voninahitra. Tsy hiala
tsiny ny amin’ny fanononana imbetsaka ny anaran ' ity lehilahy ity, satria hinoako fa na
ny litera fito mamaritra ny anarany aza dia voalahatr’Andriamanitra: William Marrion
Branham, Mpaminanin’ny Taonjato Faharoa-polo Century, lehilahy'Andriamanitra
voafidy mba hialoha lalana ny Fiavian’i Jesosy Kristy Tompo Fanindroany.
Dia miantso azy aho, "Rahalahy" Branham, fa hoy izy: "Raha tia Ahy ianareo, dia
hiantso ahy rahalahy," ary ny fiainako dia nisokatra ho amin’ny fizahan-toetra ka lasa tsy
tena tia io rahalahy io aho, io lehilahin'Andriamanitra io.
Araka ny voarakitra ao amin'ny Asa 4, ireo mpianatra dia nantsoin’ny manam-pahefana,
nokapohina imbetsaka, ary voarara ny hiresaka na hampianatra amin'ny anaran'i Jesosy
Kristy. Ny namalian’izy ireo izay niampanga azy dia, "Na ho marina eo
imason'Andriamanitra, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra, dia
eritrereto."
Toy izany koa talohan'ny nanamelohana ahy noho izao soratra feno fanetren-tena izao,
ny mpiampanga ahy dia tokony ahafantatra fa nitarika ahy Andriamanitra teo
ampanaovana io. Antony iray nandresy lahatra ahy ny tsy maintsy nanaovako an’io dia
ny tsy fanadinoana ireo vavolombelona izay niara-nandeha tamin'i Jesosy. Misaotra
an'Andriamanitra aho noho ny firaketana an-tsoratra. Tanterak’izy ireo ny didy nomen’i
Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin'ny maty Lioka 24:48 "Hianareo no
vavolombelon'izany zavatra izany."
Fantatro fa raha efa niaina tamin'ny andron'i Jesosy aho, tany lavitra any Isiraely, ka nisy
olona tonga nilaza tamiko momba an’i Jesosy Kristy, dia mety nankasitrahako ny
fijoroana vavolombelon’izy ireo. Noho izany hinona fa Andriamanitra dia efa nitsinjo ity
taranaka ity, dia tonga aho milaza izay nataony. Naniraka Mpaminany Izy, ary fifaliana
ho ahy ny mijoro vavolombelona momba ireo zavatra izay niseho avy amin’ny alàlany
fiainan'io Mpaminany io.
Matoky aho fa efa nataoko mazava tsara ny andraikitra raisiko manoloana ny zavatra
lazaiko sy tsapako ary reko, manantanteraka ny fijoroana vavolombelona izay nataon’i
Jesosy Kristy amin’ny taranaka misy ahy. Na dia taorian'ny niakaran’ny Tompo Jesosy
aza, ny mpianatra dia nisalasala ny nanao izany. Ao amin'ny Asan'ny Apostoly 1:4-8 dia
milaza ny Baiboly fa i Jesosy nandidy ny mpianatra izay nivory tao ny mba tsy
hialan'izy ireo tao Jerosalema, fa hiandry ny teny Fikasan'ny Ray, izay voalaza eo
amin'ny andininy faha 5: "Fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao
batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy."
Ary izy ireo nanontany Azy raha amin'izany andro izany no hampodiany ny fanjakana
ho amin'ny Isiraely, izay novaliany hoe:
"Tsy anjaranareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny
fahefany ihany. Fa hahazo hery ianareo, rehefa afaka izany, ny Fanahy Masina no
tonga ao aminareo, ary dia ho vavolombeloko ianareo any Jerosalema sy eran'i Jodia
sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany."
Avy amin'ireo andininy ireo dia hinoako fa ny fahafenoan'ny ny Batisan’ny Fanahy
Masina dia mitondra hery ny mpandray mba handeha sy hijoro ho vavolombelona
momba ny zavatra izay navelan’Andriamanitra ho hitany sy tsapany amin’ny andropiainany. Tsy mahagaga raha ry Petera, Jakoba, Jaona raha nilaza izany zavatra izany
,tamin’ireo izay nihaino azy ireo dia nisy tsy nino satria tsy nanatrimaso ny fahagagana.
Hoy anefa i Jesosy: "Hianareo no vavolombeloko." Rehefa nasaina mba ho afa-po i
Thomas tamin'ny nikasihan’ny tamin’ny tanany ny ratra teo amin’i Kristy izay efa
nitsangana, dia nambara taminy fa ho tahina kokoa ireo izay tsy nahita nefa nino.
Kanefa ny zavatra sasany dia sarotra ny mino azy na hita aza, noho izy ireo mino nefa
tsy nahita. Rehefa nijoro ho vavolombelona momba ny zavatra izay nataon'i Jesosy ny
mpianatra, nandeha teny ambony rano, famakiana ny mofo, nizara trondro, nanasitrana
ny jamba, nanangana ny maty - dia teo ireo izay tsy afaka hahatakatra ny fahamarinana
izay teo imasony. "Tena mahafinaritra," hoy izy ireo. Toy izany koa, dia mitantara ny
zavatra mitranga amin’ity taranaka ity aho izay teo amin'ny fiainan'ny Rahalahy
Branham, ary izany dia ny sasany ihany no hino. Tsy anjarako ny handresy lahatra ny
olon-drehetra mba hino, fa raisiko ho andraikitra kosa ny milaza ny olona rehetra izay
hinoako, izay efa hitanay sy renay, ka hanome azy ireo ny anton’ny "fanantenana izay
ato anatiko" amin'izao ora, sy ny antony hijoroako amin’ izay ataoko.
Pearry Green
Tucson Tabernacle.
Tucson, Arizona, U.S.A.
Rev. Green dia namana akaiky sy mpiara-miasa tamin’ny Rahalahy Branham, indrindra
fa tamin’ny faram-paran’ny taona niainany. Ao amin'ny bokiny "Ny Asan'ny ny
Mpaminany" dia mijoro vavolombelona ny zava-mahagaga hitany sy reny teo amin'ny
fanompoan’ny Mpaminanin'Andriamanitra amin’izao fotoana izao izy.
Enga anie izany ka ho voaporofo ho fitahiana ho anao rehefa manaraka ny
dian-tongotry ny tena Mpaminan’ny Baiboly ianao, miaraka amin'ny tena hafatra sy
famantarana avy amin’ny Soratra Masina.
www.believersnewsletter.net
Email [email protected]

Documentos relacionados

ANDRO MANOKANA FIFADIAN-KANINA SY FITOLOMANA

ANDRO MANOKANA FIFADIAN-KANINA SY FITOLOMANA foana ny fananany,manobatoba ireo taonany sarobidy,manobatoba ny herin'ny sainy sy ny fony sy ny fanahiny ka miasa hahafaty antoka ny tenanay ho mandrakizay. Ny olona izay misaraka amin'Andriamanit...

Leia mais

boky torolalana - Church of the Nazarene

boky torolalana - Church of the Nazarene "Ny iraky ny Fiangonan'ny Nazareana dia mamaly ny Iraka Lehibe an'i Kristy manao hoe: 'Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra'" (Matio 28:19). "Hampandroso ny Fanjakan'And...

Leia mais

The Acts of the Prophet. Rev. Pearry Green. Chapter 6. Malagasy

The Acts of the Prophet. Rev. Pearry Green. Chapter 6. Malagasy Amerika.Miangavy anao aho mba hijery ny dokam-barotry ny Volkswagen amin’izao fotoana izao,ary dia hampitaha izany amin’ny atody dia sahy hilaza, “Raha endrika hafa dia tsy ho tsara noho izao!” Ta...

Leia mais

Manaraka lehilahy iray.

Manaraka lehilahy iray. Indraindray aho dia manontany tena hoe nahana no izaho navelan'Andriamanitra ahita, kanefa izany no fomba nitrangany satria tena efa nofidiana mialoha izany. Jereo ireo andron'ny zanak'Israely tami...

Leia mais

Anio no ahatanterahan` ity Soratra Masina ity.

Anio no ahatanterahan` ity Soratra Masina ity. fahagagana nataony dia nilaza hoe: “Tena azo antoka fa novangian’Andriamanitra ny vahoakany, fa nadefasany mpaminany mahery isika.” Ny sasany dia nanao toy izao: “Raha tsy io izany ny Kristy, rehef...

Leia mais

Fitsipi- pitondratenan`ny

Fitsipi- pitondratenan`ny Tsy mifandray amin’ny tetika serasera akory ny fanapariahana ity Fitsipika ity, izay nantsoiko hoe “markéthique”. Tsy resaka fanoratana ny lalàna amin’ny fomba manokana ihany koa akory izany. Efa h...

Leia mais

Fandalinana Faha-10 : NY BATISA AO AMIN`I JESOSY

Fandalinana Faha-10 : NY BATISA AO AMIN`I JESOSY alalan’ny batisa. Ireo izay rehetra tany ivelan’ny sambo-fiara dia potika tao amin’ny safodrano, ny hoe eo akaikin’ny sambo fiara na koa hoe naman’i Noa dia tsy nahavonjy mihitsy akory, ny hany fom...

Leia mais

Ilay Fotoana Farany.

Ilay Fotoana Farany. dimy ireo, ny iray tamin'izy ireo, Rahalahy Earl Martin, dia niresaka ny Soratra Masina momban'ny nandehanan'i Elia tamin'ny kalesy afo izay nitondra azy niakatra. Toe-javatra nampihetsi-po raha ni...

Leia mais

NY RAHONA.

NY RAHONA. teny vitsivitsy izy ary nanomboka nizatra ny fiainana tany an’efitra. (desert), fa mbola tsy mahatafandry mandry azy foana io fahitana io. Efa akaiky ve ny fotoana hiakarany? Rahoviana izany ? Satr...

Leia mais

CAB-02 Ilay Fahitana Tao Patmo.

CAB-02 Ilay Fahitana Tao Patmo. manana didy isika mba hitandrina ny andro voalohany amin'ny herinandro, izay Alahady. Ity ny marina momban'ny Sabata, izay midika hoe "fitsaharana." Hebreo 4:8, "Fa raha Josoa no nanome azy fitsah...

Leia mais

Ilay Sintona Fahatelo.

Ilay Sintona Fahatelo. fampisehoana ny herin’i Kristy izay tsy miova, ary fahatanterahan’ny Hebreo 13:8 “Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.” Io koa dia nisy naka tahaka, fa tsy nisy anankiray tamin...

Leia mais

Mihoatra nohon`ny Mpaminany.

Mihoatra nohon`ny Mpaminany. mandamina, ary mampiseho lamin'asa miaraka amin'ny fihetsiketsehana eny amin'ny polipiotra mba hitomboan'ny olona – tahaka ny fanatitra sy ny fanorenana. Izy ireo dia lasa mpanentana ireo mpanaradi...

Leia mais

fanontaniana famerenana

fanontaniana famerenana an’i Jesosy ary Andriamanitra dia manohy manamafy ny Teniny tamin’ny famantarana, sy fahagagana ary zava-mahatalanjona. Ny asa fanompoan’i John dia nahakasika olona avy amin’ny foko sy fombapivavah...

Leia mais

Izao tontolo izao dia tsy mendrika Azy.

Izao tontolo izao dia tsy mendrika Azy. nanodidina ny mandan'i Jeriko izy. Nandritra ny enina andro izy ireo dia nanodidina ny tanàna indray mandeha isan'andro, ary ny tamboho dia nijoro. Ary tamin'ny andro fahafito, ho fankatoavana izay...

Leia mais

Fitsarana amin`ny Horohoron

Fitsarana amin`ny Horohoron ambanin’izay tianao hatao ianao amin'izao fotoana izao. Ny fahatezeran'Andriamanitra dia efa mandrezatra ao ambaninao. Mandra-pahoviana Izy io no hihazona ny tora-pasika mihantona noho izany, rehef...

Leia mais