ADRIAMANITRA DIA MAZAVA (FAHAZAVANA).

Transcrição

ADRIAMANITRA DIA MAZAVA (FAHAZAVANA).
“The Acts of the Prophet”
by Rev. Pearry Green.
Chapter 13.God is Light.
ADRIAMANITRA DIA MAZAVA (FAHAZAVANA).
Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika*.
[* Na: fifalianareo], Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo:
Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.
1 Jaona 1: 4,5
Jaona,ilay Apostoly malalan’i Jesosy Kristy Tompo, dia naman’i Jesosy akaiky, ary matetika no
apetrany eo antratran’i Jesosy ny lohany. Noho izany indrindra ary, dia nahalala an’i Jesosy izy
amin’ny maha-olombelona azy. Na dia teo aza izany, ny filazantsaran’i Jaona izay nosoratana
taorian’ny namantsihana azy, ny nitsanganany tamin’ny maty, ary ny fiakaran’i Jesosy dia
manomboka amin’ny teny, “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra,
ary ny Teny dia Andriamanitra… ary ny Teny dia tonga nofo ary nonina tamintsika, ary hitantsika
ny voninahiny.” Mazava ho azy, fa niaina tao anatin’ny fanambarana i Jaona teo anelanelan’ny
fotoana niarahany tamin’ny Jesosy avy any Nazareta sy ny fotoana nanoratany ny filazantsara.
Nitohy ny fanambaran’i Jaona, fa ao amin’ny epistiliny dia hoy izy: “Ary soratanay ho anareo ireto
zavatra ireto, mba ho feno ny fifalianareo. Io no hafatra renay taminy, ka ambaranay aminareo, fa
Andriamanitra dia mazava...” Voalohany dia fantatry Jaona izy amin’ny maha-olombelona azy, dia
avy eo amin’ny maha Teny azy, ary farany dia amin’ny maha-hazavana azy. Ny hazavana ao
amin’ny soratra Masina dia midika fanalana fahamaizinana, mahatonga ny olona iray ahita amin’ny
masom-panahy.
Andeha ary hojerentsika ny làlana nalehan’i Mosesy niaraka tamin’Andriamanitra, ilay fahazavana.
Ny niaonany voalohany tamin’ny tranga voajanahary izay an’Andriamanitra, dia ny
nisehoan’Anriamanitra tao anaty kirihitr’ala mirehitra, kanefa tsy levona. Nanantona Mosesy mba
hijery an’io satria nahavery hevitra azy izany, ary noresahin’Andriamanitra izy, nomeny toromarika
izy ho entiny any amin’ny zanak’Israely any Egypta. Ny zavatra manaraka iray dia tamin’ny
nitarihany ny zanak’Israely niala tao amin’ny fanandevozana; ary narahin’ny Andry Afo izy ireo ny
alina ary Rahona ny atoandro.
Ny Soratra Masina dia manamarika fa tsy nesorin’Andriamanitra ireo famantarana roa nitarika azy
ireo. Taoriana rehefa niakatra tany an-tendrombohitra i Mosesy mba hitady an’Andriamanitra; ny
Soratra Masina dia Milaza fa nisy rahona lehibe nandrakotra ny tendrombohitra. “Ary ny fahitana ny
voninahitr’Andriamanitra dia tahaka ny afo miredareda (mandoro) eo antampo-tendrombohitra…Ary
Mosesy dia nadeha teo ampovoan’ny rahona….ary tao an-tendrombohitra izy efapolo andro sy
efapolo alina.” Any amin’ny Soratra Masina rehetra dia io no antsoina hoe “Ny
Voninahitr’Andriamanitra”.
Ezekiela dia nanambara fa tao amin’ny fanahy izy rehefa nahita “fahitana avy amin’Andriamanitra.”
Izy koa dia niresaka tadio… avy any avaratra, rahona lehibe, ary afo nivalombalona, ary
famirapiratana no teo amin’izany, ary teo avy eo afovoany dia volon’ny metaly, avy eo
ampovoan’ny afo.
Mosesy dia miresaka momban’ny afo, fa tsy nilaza momban’ny volona metaly tahaka an’i Ezekiela.
Ezekiela 1:4 “Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo
mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin'ny afo dia nisy
oy ny volon'ny metaly mamirapiratra.” Fa inona ary ny lokon’ny afo? Mety azo lazaina hoe mena,
mavo, vonimboasary, na mavo-maitso, izany no volon’ny metaly?.
Ny loko rehetra ao amin’ny afo, izany hoe, ny fiovaovan’ny halavan’ny onja miaraka amin’ny
hazavana miloko fotsy dia ny lokon’ny avana, ny mena, volomboasary, mavo, maitso, manga, volomparasy (indigo), ary violet (karazana vom-parasy ihany). Ny hazavana mena no no manana onja lava
indrindra, ary ny volom-parasy no fohy indrindra. Ireo ny loko rehefa tarafina amin’ny fitaratra ny afo
tsotra, na rehefa mipoitra feno loko ny avana. Ny avana nefa matetika dia tsy ampy ny lokony:
matetika dia telo na dimy amin’ireo loko ireo ihany. Noho izany ary ny Soratra Masina dia miresaka
loko jaspy (somary grenat), sardine (mitovitovy amin’io ihany), lokona afo, ary maitso somary tanora
(emerald) izay misy ifandraisany amin’ny fisehoan’Andriamanitra. Ireo no loko izay mampiseho ny
avana manana loko telo. Noho izany, ny mena sy ny mavo miaraka manome somary mavokely- dia ny
loko mavo izay jaspy, volomboasary sy mavo dia mamoaka mavokely - volomboasary izay lokon’ny
sardine, ary mavo sy maitso (emerald) dia manome lokon’afo.
Nahoana ary Jaona ilay Mpanambara no nilaza fa Andriamanitra dia mazava? Tao ao amin’ny nosy
Patmosy no nanoratany ny momba an’izany. Ao amin’ny Apokalipsy 4 sy 5, izay voalaza fa
nankarina ahita ny lanitra izy. (Io dia tandindon’ny ampakarina miakatra velona. Tsarovy fa nilaza
Jesosy hoe ny sasany tsy hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fahatongavan’ny fanjakany.
Nokianin’i Jesosy ny mpianany raha nieritreritra hoe i Jaona io: kanefa fantatsika fa teo Jaona rehefa
nipoitra teo an- tendrombohitra i Mosesy sy Elia. Manambara ny mpaminany roa izay ho avy ho
an’ny Israely amin’ny andro farany. Hitan’i Jaona io taty aoriana; tao amin’ny nosy Patmos, ary
nankarina izy tahaka ny ampakarina izay tsy maintsy hiakatra velona. Taorian’io tranga tao Patmos
io, dia afaka nilaza Jaona fa Andriamanitra dia mazava (jiro) satria hitany tamin’ny lokony. Hoy izy,
Apok 4:3 “ Ary ny tarehin'ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola; ary avana
mitarehin'emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana.”
Raha misy misitery momban’io zavatra hitan’i Jaona io, dia ny feon’ilay anjely fahafito no mamita
ireo misitery ireo. “Apokalipsy 10:7 Fa amin'ny andro hitsofan'ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy,
dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, araka ny teny soa mahafaly nambarany
tamin'ny mpaminany mpanompony.” Dia hazava izany misitery izany ho an’ity taranaka ity. (izao
fotoana izao). Raha ny marina,tsy mbola nisy taranaka (generation) hafa nahita, raha tsy hiresaka
afa-tsy ny sary nalaina, dia ilay Andry Afo isika. Hatramin’ny andro nahaterahany, ny Rahalahy
Branham, tamin’ny fahazazany, hatrany amin’ny fotoana nanaovany asan’Andriamanitra
(fanompoana) dia efa zatra nahita io hazavana io. Tamin’izy fony mbola tovolahy kely dia nilaza izy
fa niloko somary mavo-maitso Ary farany dia resy lahatra izy fa ny mavo-maitso dia antsoina hoe
lokom-bolamena (izay no azoko andikana azy fa mety ho lokona metaly io: amber). Io hazavana io
dia nipoitra tamin’ny olona maro be ny taona 1933 tao amin’ny renirano Ohio, fa tsy azo sary
tamin’izany. Tamin’ny Janoary 24, 1950, tao Houston Texas, dia nisy sary azo mampiseho io
hazavana io. Io sary io dia noporofoin’i Mr.Georges J. Lacy, izay mpanadihady manana fahaizana
manokana amin’ny trangan-javara toy izany, Houston Texas, ary nambarany ampahi-bemaso fa
marina io.
Tamin’ny faraparan’ny taona 1958, dia mbola navelan’Andriamanitra nalaina sary indray io
hazavana io, tao Lakeport, California, Fairground. Nisy mpakasary iray nitondra fakantsary raitra
dia raitra, naka sary an’i Rahalahy Branham indroa raha teo ampitoriana teny iny izy. Ny sary
voalohany dia ara- dalàna ary voaray tao ny zavatra azo tao: ny polipiotra, ny fandraisam-peo) i
Rahalahy Branham mitory teny, ny fanamafisam-peo elektrika teo amin’ny rindrina, ary voninkazo
lisy maromaro tanaty vazy teo amin’ny tany anoloanan’ny polipiotra.
Ny sary faharoa, avy amin’io toerana io ihany, dia azo daloho ihany ireo zavara ireo, fa saingy sary
tsy araka ny tokony ho izy“ tsy normal”. Ity kosa dia nisy fanampiny izay tsy hita tamin’ireo izay
efa teo.Taorianan’i Rahalahy Branham, ary mijery azy avy eo ambony, dia nisy endrika tarehy, izay
azo lazaina fa endrik’i Jesosy Kristy. Alitara tsy voajanahary sy lelafo fito izay voalaza ao amin’ny
Bokin’ny Fanambarana fa “Fanahy fiton’Andriamanitra” izay teo anoloan’ny seza fiandrianana dia
hita teo amin’ny sary. Ny Lisy (voninkazo) dia nihalehibe ny fijery azy ary nahatratra ny lohan’i
Rahalahy Branham mihintsy ny fivelarany amin’ny sary. (Kristy ilay Lisy eny Andohasaha). Ny
Anjelin’Andriamanitra ihany koa dia hita teo amin’ny sary, izay narahana afo nandrakotra an’i
Rahalahy Branham. Ny tendrotanan’ilay Anjely (fanondro) dia mamoaka lelafo.
Rehefa tena nohadiadiana lalina dia mampiseho fa mitovy amin’ny Rahalahy Branham io Anjely io.
(Taty aoriana rehefa nisehoan’ireo kintana anjely ireo izy dia niteny izy fa ilay anjely teo ambany
ankavia ny sarin’ny rahona no nipoitra taminy, satria hoatran’ny tadidiny io. Tsy dia tena zavabaovao loatra raha mandinika ireo mpitondra hafatra fito ireo ianao, ny fanahy fito, kintana fito dia
mpitondra hafatry ny fiangonana fito, izay tokony hitovy amin’ny olona amin’izay nandefasana azy
izy.) Ny fijerena io anjely io dia manambara fa tahaka izay nolazain’i Ezekiela, fa ny anjely dia afo
eo amin’ny valahany midina, ary lokona metaly ny tapany ambony. (amber). Ao amin’ny
Testamenta Taloha io dia nantsoina hoe Voninahitr’Andriamanitra. Amin’izao fotoana izao dia tsy
raisintsika hoe lazamasaka izany, fa hitan’ireo mpaka sary mahay momba ny loko ,izay avy
amin’Andriamanitra izany, ary vavolombelona fa Fahazavana Andriamanitra, eny Fahazavana. Ary
io ihany ilay Andry Afo izay miaraka amin’ny Mpaminanin’Andriamanitra amin’ity taranaka ity,
ary ny hafatra entiny dia tahaka ny tamin’ny Mosesy sy izay hafatra nentiny.
Ao andamosin’ny fiangonana ”Soul’s Harbor” ao Dallas, Texas, Martsa 1964, dia misy sary hafa
mahagaga n’i Rahalahy Branham, izay mampiseho hazavana tsy voajanahary. Ny hazavana amin’io
sary io dia mampiseho lelafo tsy voajanahary eo ambonin’ny soroka ankavanan’ny mpaminany. (Ny
olona mahalala an’i Rahalahy Branham dia mahafantatra tsara fa ny sorony havanana dia iva
nohon’ny sorony havia. Ny osotra dia ao amin’ny havanany foana, izay nitsangan’ilay anjelin’ny
Tompo.
Rehefa nasehon’i Billy Paul zanany azy io sary io, dia nasain’ny Rahalahy Branham nentina io sary
io. Hoy izy, “Tsy nino ilay iray tany Houston ry zareo, ka tsy hino ity koa izy.” Izay no antony tsy
nahitan’ny olona betsaka io sary io, raha tsy taorian’ny nahafatesan’ny Rahalahy Branham.
Rahalahy Billy Paul dia nanantona io ao amin’ny trano fiasany, fa tsy nataony (copie) noho ny
hafatra navelan’ny rainy dia i Rahalahy Branham. Vao tsy ela akory aho, dia nahazo (negatif)
tamin’io sary io miaraka amin’ny sary hafa n’i Rahalahy Branham avy amina mpakasary izay
vonona ny hivarotra ireo tamiko. Ireo dia azo jerena ao Tucson Tabernacle Office, 2555 North Stone,
Tucson Arizona.
Any amin’ny vava-làlanan’ny Alvernon Street, Tucson, dia misy lalamasaka mitondra miakatra
mankany amin’ny tendrombohitra Catalina Mountains mankao amin’ny tampony izay antsoina hoe
Finger Rock (Vatolampy Fanondro). Io tampony, na tendrony io dia tazana avy eny an-tanàna.
Febroary 1965, Rahalahy Branham, te hitory ny marina momban’ny mariazy sy divorsa satria
navesatra tao am- pony izany, dia niakatra tany amin’io harambato io teo ambanin’i Finger Rock
izy. (Vatolampy Fanondro)
Tao no nitadiavany an’Andriamanitra tamin’ny
zotom-po rehetra narahana vavaka, ary rehefa
nivavaka teo izy dia, nisy rahona lehibe manana
lokona metaly. Tahaka ny elo (parapluie), hita
nidina avy eny an-tendrombohitra dia niakatra
indray avy eo. Niverina in-telo io trangan-javatra
io ary hita mazava tsara avy eny an-tanàna. Ny
ankizy tao am-pianarana aza dia navoaka 45
minitra aloha mba hijery an’io trangan-javatra io.
Nanomboka teo ny Rahalahy Branham vao tapakevitra ny hitodidoha ho any Jefersonville hitory
ny marina momba ny mariazy sy ny divorsa. Io
fanambarana mahery io no mety hafatra lehibe
indrindra ho an’ny ampakarin’i Kristy mba
hanampy an’izy ireo amin’ny fiainany. Averina
indray fa Andriamanitra dia miasa tao amin’ny
tantara rehetra, niseho tamin’ny Andry Afo IZY
hiresahana amin’ny olombelona, manaporofo fa
Andriamanitra dia mazava.
Raha mba afaka mahita ny olona….
www.believersnewsletter.net
[email protected]

Documentos relacionados

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny tanàna vaovao Lalao Ravalomanana na dia in’efatra fotsiny no nikasany haka ny toerana. Ny ekipan’i Lalao Ravalomanana dia nanao fanerena tamin’i Kolonely Joseph Ramiaramanana, lehiben’ny Delegasion...

Leia mais

Métier ce camps

Métier ce camps 1- Ataovy mihendrika piramida ny kitay kely maina tsara ary asio lavaka hidirany rivotra sy ilay taratasy ampirehatana ny afo sary 1 2- Rakofy taratasy na zavatra mora mirehitra ilay pirámide aza a...

Leia mais

fanontaniana famerenana

fanontaniana famerenana ataon’Andriamanitra izy ireo. Izay zavatra soratan’i John dia mikasika ny fiainany manokana. Tsy fanangonana fitsipika ity, fa nosoratana avy amina fiainana mandalina sy manatanteraka ny asan’ny ev...

Leia mais

Hampakatra saran-dalana - Madagascar

Hampakatra saran-dalana - Madagascar Mamely matahotra ihany ny taxi-be amin'ity fandraisana fepetra amin'ny saran-dàlana ity satria tsapan'izy ireo ny fahasahiranan'ny olona, nefa tsapan'ny olona ihany koa fa mandrangaranga fampakaran...

Leia mais

Inona ny Filazantsara

Inona ny Filazantsara fahafatesany sy ny fitsanganany tamin‟ny maty : satria Izy dia tahaka antsika ihany koa. Jereo Hebreo 2.14-18: Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringan...

Leia mais

Manaraka lehilahy iray.

Manaraka lehilahy iray. Mahagaga ny zavatra nataon'Andriamanitra teo aminay, fa misy foana ny olona manontany satria tsy fantany. Tsy diso akory ny fanontaniana raha amin'ny fieritreretana tsara no anaovana izany, fa ny S...

Leia mais

Harambaton`i Sabino.

Harambaton`i Sabino. olona tao Calgary, Canada, dia rarivato no fidirana mankeo. Mpiray tanàna sady namana, Rahalahy Banks Wood, dia nividy toerana teo akaikin'ny tranon'ny pasitora ary dia nikasa ny hanorina trano vat...

Leia mais

The Acts of the Prophet. Rev. Pearry Green. Chapter 6. Malagasy

The Acts of the Prophet. Rev. Pearry Green. Chapter 6. Malagasy tanana volafotsy (ny tantara dia mampiseho fa io ny fanjakàn’ny Medes sy Persia). Manaraka an’io dia ny fanjakan’ny Grika taloha izay oharina amin’ny varahina. Aorian’io dia misy fanjakana keikely ...

Leia mais

Anio no ahatanterahan` ity Soratra Masina ity.

Anio no ahatanterahan` ity Soratra Masina ity. Mpaminanin’Andriamanitra tety an-tany, ary nolazainy fa misy lalana fanavotana. “Mivoaha eo anivony ry vahoakako, misaraha aminy.” Niverina tao Phoenix ny Mpaminany ny andro manaraka (Janoary 25,19...

Leia mais

Ilay Sintona Fahatelo.

Ilay Sintona Fahatelo. lohateny hoe “Tazano Jesosy” raha nilaza izao teny izao izy: Ankehitriny dia tsarovy fa tsy hisy intsony ny fakàna tahaka an’io, satria tsy afaka atao an’izany intsony io. Tsy afaka atao. Efa misy ...

Leia mais

Fitsarana amin`ny Horohoron

Fitsarana amin`ny Horohoron Ny filazana faharoa ilay horohorontany ho avy ao Amerika dia tamin’ny nitoriany teny mitondra ny lohateny hoe: “Ny Fihavian’i Kristy Fanindroany”, notoriana ny Aprily 17, 1957. Teo no nilazany, “A...

Leia mais