Izao tontolo izao dia tsy mendrika Azy.

Transcrição

Izao tontolo izao dia tsy mendrika Azy.
Izao tontolo izao dia tsy mendrika Azy.
Lioka 18 : 1-8 Mivaky toy izao….
1 Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy
reraka,
2 dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an'Andriamanitra,
na mena-maso olona.
3 Ary nisy mpitondratena tao amin'izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao
hoe: Omeo rariny aho amin'ilay manana ady amiko.
4 Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy
matahotra an'Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona,
5 mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy
mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.
6 Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain'ilay mpitsara tsy marina.
7 Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro
aman'alina, ary moa hitaredretra va Izy?
8 Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak'olona, moa
hahita finoana etỳ ambonin'ny tany va Izy?
Maro ny olona eto amin'izao tontolo izao izay milaza ho manam-pinoana , ary ho mino Andriamanitra
noho ireo zavatra izay tsy hitany. Kanefa, rehefa niasa tamin’ny taranak’izy ireo Andriamanitra, ny
ankamaroan'ny olona dia tsy nety na tsy afaka manaiky ny zavatra nataony amin'ny maha
Andriamanitra Azy. Afaka mijery ny lasa ny olona, ny mpaminany ao amin'ny Testamenta Taloha ,
toa an'i Enoka ary mino fa i Enoka “ niara-nandeha tamin'Andriamanitra dia tsy hita izy , ary
nalain’Andriamanitra izy.”
Ary Noa, dia afaka milaza fa izy ( tamin 'ny finoana ) nino an'Andriamanitra noho ny zavatra izay
mbola tsy mbola nitranga teto an-tany teo aloha. Fa tamin’ny ny finoany no nanamelohany izao tontolo
izao. Afaka mino ny tantaran'i Abrahama sy ny tsy fitsharany mitady tanàna izy ireo. Raha tonga toy
ny fanambarana amin’ny fony izany, dia afaka mino izy ireo fa i Saraha, tamin’ny fahaterany, nahazo
hery hanan’anaka. Faly be izy ireo noho tantaran’ny ny finoana lehiben'i Isaka , ny fomba
nampanantenan’Andriamanitra an’i Isaka tamin'i Abrahama sy Saraha na dia antitra aza izy ireo, sy ny
fomba tsy niheverany ny fahamomban’i Saraha, na ny taonan’i Abrahama.
Mahatsapa mafy ny hahalehiben' ny fangatahan’Andriamanitra hanao sorona ny zanany lahy mba
hahatanteraka ny faminaniana fa Abrahama no ho " rain'ny firenena maro izy ireo." Rehefa niteny
Andriamanitra ka nanao hoe: " Atolory ho sorona izy ho sorona, " Nolazain'i Paoly anstika ao amin'ny
Hebreo fa Abrahama nino an'Andriamanitra fa hanangana ny zazalahy indray avy any amin'ny maty.
Tian’ny olona izany ny finoana izany, izay avy amin’ilay lehilahy niantso ny tenany hoe " Abrahama,
rain'ny firenena maro", izay dimy amby roa-polo taona talohan'ny nahaterahan’ny zanany.
Izany no mahatonga ny olona hankasitraka ny finoan’i Abrahama. Tian’izy ireo ihany koa Isaka noho
ny fankatoavana ny tenin'Andriamanitra sy ny fanetren-tenany. Nahafinaritra azy ireo ny fitahian'i
Isaka an’i Jakoba ny amin'ny zavatra izay ho avy, dia ny fanandevozana ny Israely tany Ejypta.
Talohan'ny nahafatesan’i Isaka dia nilaza tamin'i Jakoba izy fa hitahy azy ireo dia ny mba hiarovan’
Andriamanitra azy ireo ao amin'ny tany nampanantenaina. Jakoba, rehefa ho faty dia nahatsiaro ny
teny nampanantenain’ ny rainy sy ny raibeny ary nitso-drano ny taranak'i Josefa ny amin’ny zavatra
izay mbola hitranga amin’ny Zanak'Isiraely. Joseph ihany koa, rehefa ho faty izy, dia niresaka momba
ny fiverenan'ny ny Israelita ho amin'ny taniny, raha toa ka tsy ho tanteraka mihitsy ny fijerena izany.
Ny Kristianina , izay mahafantatra ny Baiboly dia manao jery todika amin'ny fankasitrahana amin'ny
zavatra nataon'Andriamanitra tamin' ireo olona ireo. Nefa mazava ho azy, fa taloha daholo izany, fa
tsy ankehitriny. Avy eo dia manana an'i Mosesy iska, nateraky ny tamin'ny finoana, izay mety tsy
miraharaha ny didin'ny mpanjaka, izay tsy nety nantsoina hoe zanaky ny zanakavavin'i Farao, ary
nandeha mba hanafaka ny vahoaka. Ny teny fikasana navoakan’ny finoana ary ny olona amin'izao
andro izao dia mankafy ny olona taloha lasa noho ny tsy fanarahany fomba orthodoksa (fombampiangonana). Ahoana kosa ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra “amin’ny andron-dry zareo?”
Ny olona dia manaiky fa ny tantaran'i Josoa mampangitakitaka rehefa nitarika ny Zanak'Isiraely
nanodidina ny mandan'i Jeriko izy. Nandritra ny enina andro izy ireo dia nanodidina ny tanàna indray
mandeha isan'andro, ary ny tamboho dia nijoro. Ary tamin'ny andro fahafito, ho fankatoavana izay
nandidiana azy ireo, dia niodina impito izy ireo dia nirodana ny tamboho. Angamba ny olona sasany
nametra-panontaniana hoe ahoana izany fanafihana izany, fa afaka manao jery todika isika ka hilaza
hoe: " Isaorana anie ny Andriamanitry ny finoana, izay nanao izany zavatra izany avy amin'ny zavatra
tsotra, zavatra izay tsy mbola nisy teo aloha."
Ao amn’ny ny saintsika, dia afaka miditra ao an-tanàna anankiray niaraka tamin'i Josoa isika, sy ny
miaramilany toy ny mpisava lalana, sy hihaona amin'ny vehivavy mpanota Rahaba, izay noho ny
finoany an 'Andriamanitra ( na dia tsy tena fantany aza ) dia nandray ny mpisafo ka dia voavonjy
miaraka amin'ny ny ankohonany. Hatsaran-javatra re izany rehefa meritreretintsika izany isika
amin'izao fotoana izao!!
Tsy misy mipika ny tantara ao amin'ny Baiboly momba ny fisehon’ Andriamanitra teo amin'ny olony.
Ny vavolombelona, i Paoly nanao hoe maro loatra raha ho tanisaina: Gideona, Samson, David, ary
Samoela, ny anarana vitsivitsy, ary ny mpaminany rehetra izay nanoratra ao amin'ny Testamenta
Taloha. Nandresy fanjakana sasany. Maro no niasa tamin’ny fahamarinana, nahazo teny fikasana,
nanakombona ny vavan'ny liona ny sasany. Ny Hebreo telo lahy ankizy nandresy ny afo. Izy ireo dia
afaka tamin'ny lelan -tsabatra. Tamin’ny ny fahalemeny ny hafa dia nampahatanjahina. Izy ireo dia
mpiady mahery, ary nitsangana ny lehilahy iray ary tamin’ny tanana mahery no nampadositra ny
tafika iray manontolo. Ny vehivavy nandray ny azy izay efa maty ka velona indray noho ny asan’ny
mpaminan 'Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Taloha.
Ary nisy olon-kafa, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra, tsy nanaiky famonjena. Ny hafa dia
nandeha mahazo fitsapana amin’ ny fanesoana sy kapoka. Izy ireo niaritra fatorana sy tranomaizina
koa. Notoraham-bato, ary notapatapahina tamin’ny antsy aza. Rehefa afaka ny fatorany, dia nirenireny,
mahantra, nitafy hoditr'ondry sy hoditr'osy, ory sy fadiranovana. Ary nonina tany an-efitra, sy ny
tendrombohitra, ao amin'ny lavaka sy lava-bato. Ny Apôstôly Paoly milaza amintsika ao amin'ny
Hebreo 11, fa izao tontolo izao tsy miendrika ho azy ireo, fa tamin ' izany rehetra izany dia niantso ny
olona izy ireo hanohitra ny ratsy, ny fanompoan-tsampy, ny fitiavan-karena sy ny filan'ny nofo.
Ny tiako atao dia ny hamoaka ny marina tamin’ny zavatra nataon'Andriamanitra amin’ ity taranaka ity.
Jaona 20:30 nilaza ny tamin'ny androny, " fa voasoratra ireo (tamin’ny Apostoly izay vavolombelona
nahita maso tamin'ny andron'i Jesosy ), mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak 'Andriamanitra ;
ary raha mino ny Anarany ianareo dia hananana fiainana. " Ary tsy misy làlana ho an'ny olona mba
Ahafantarany ny fahamarinana, raha tsy tonga ao aminy izany. Noho izany, misy fahamarinana sasany
nalevina ao amin'ny Soratra Masina izay tsy maintsy hisitonanko ny sain'ny olona izay mety tsy ahita
ny dikany. Noho izany indrindra aza, dia tsy maintsy miverina indray ao amin'ny an'i Jaona Mpanao
Batisa aho, satria manahirana tokoa io resaka io. Ny olona TSY NAHALALA an’i Jaona, ilay
Mpialoha làlana, satria tonga izy mba ho valin'ny andinin-tenin-tsoratra Masina sasany, ary izy ireo
koa dia TSY HAHALALA ny mpialoha làlana FAHAROA mampalahelo noho ny antony mitovy.
Ny Fampanantenana ny fiavian’i Kristy VOALOHANY sy ny Fiaviana mahagaga FANINDROANY
dia SAMY nanambara mialoha ao amin'ny Malakia. Ny famakiana dia ao amin’ny andininy farany roa
ao amin'ny Testamenta Taloha, Malakia 4 : 5,6 :
5 Indro, Izaho haniraka an'i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron'i
Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra;
6 ary izay hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy,
fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin'ny fandringanana*. [Heb. herema]
Elia, ilay Mpaminany lehibe, teo amin'ny varavaran-kely indray andro izay dia namerina ny zanaky
ravehivavy ho amin'ny fiainana indray, dia nampanantena fa hiverina "eo anatrehan'ny andron’ny
Tompo lehibe sy mahatahotra. " Ho ahy, misy zavatra roa lazain’io Soratra Masina io momba ny
fotoana iavian’i Elia : VOALOHANY, dia ho " eo alohan’ilay andron’ny Tompo lehibe sy mahatahotra.
" FAHAROA, ny hafatra entiny dia " hampody ny fon' ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny fon'ny zanaka
ho amin'ny ray."
Avelantsika eo aloha ireo teny fikasana ao amin’ ny Malakia ireo, dia andao isika handinika
faminaniana momba an’i Jaona Mpanao-batisa. Lioka 1: 15-17. Milaza ny rain'i Jaona izay nandray ny
fampanantenana avy amin'Andriamanitra fa zazalahy ho haterakaky ny vadiny, Elizabeth:
Mivaky toy izao….
15 Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny
Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza.
16 Ary maro amin'ny Zanak'Isiraely no hampodiny amin'i Jehovah Andriamaniny.
17 Ary izy handeha eo alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho
amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena
voaomana ho an'ny Tompo. (Mal. 3. 23, 24).
Ankehitriny , na aiza na aiza ao amin’io fampanantenana nomena ny rain'i Jaona io dia tsy nahitana fa
i Jaona dia " hampody ny fon'ny zanaka ho amin'ny ray. " Mazava ho azy fa io no mametraka
fanontaniana tao an-tsaiko raha Jaona Mpanao-batisa no mahantanteraka ny faminaniana REHETRA
ao amin'i Malakia 4 : 5,6. Ary rehefa namaky ny Matio 17:11, dia hitako fa i Jesosy mihitsy no
mametraka ny fanontaniana raha toa ka i Jaona no mahatanteraka ny ampahany amin 'ny faminanian’
ny mpaminany Malakia io. Mariho ny Matio 17 : 10-11
10 Ary ny mpianany nanontany Azy ka nanao hoe: Nahoana ary no nilazan'ny mpanora-dalàna
fa Elia tsy maintsy ho avy aloha?
11 Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Elia dia avy ihany ka hampody ny zavatra rehetra.
I Petera ao amin'ny Asan'ny Apostoly3 :20-21 manambara fa tamin'ity indray mitoraka ity ny
famerenana amin'ny laoniny ny zavatra rehetra dia ho amin'ny fotoanan’ny fiverenan'ny Tompo:
Mivaky toy izao….
20 ary izy haniraka an’i Jesosy Kristy, izay efa notoriana taminareo voatendry tany
amboalohany, 21 Ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny
zavatra rehetra, izay nampilazain'Andriamanitra tamin’ireo mpaminany masina rehetra
hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao.
Ary mba hamintinana sy hijerena akaiky ity lohahevitra ity, Malakia 4 dia milaza fa Andriamanitra dia
haniraka an'i Elia dieny tsy mbola tonga ny " lehibe sy mahatahotra " andron 'ny Tompo. Raha tonga
Jaona Mpanao-batisa ao amin'ny Fanahin’i Elia ( araka ny soratra masina dia mijoro ho vavolombelona
fa nataony ) , dia tokony hijery sy hizaha raha i Jaona nanao ny asan'i " Elia " , izay ho avy araka ny
faminanian'i Malakia. Voalohany, dia manontany aho hoe: nisy ve ny andron’ny Tompo lehibe sady
mahatahotra, rehefa tonga Jaona Mpanao-batisa? Ny valiny dia hoe tsy nisy. I John ve nampody ny
zavatra rehetra ? Araka ny Asan'ny Apostoly 3:21 izahay milaza fa tsy nanao. Koa noho izany dia azo
ambara fa mbola misy mpaminany ho avy amin'ny fanahin'i Elia izay dia ny hampody ny zavatra
rehetra fotsiny dieny tsy mbola tonga ny " andron’ny Tompo lehibe sy mahatahotra " ?
Ity no ahafantarana azy. Tokony hitady ny mpaminany isika manana ny Fanahin'i Elia, mba ho tonga eo
anatrehanao ny fiverenan'ny Tompo. Ny porofo ara-tsoratra Masina dia manondro ho izany ho marina.
Amin’izay indrindra dia mety hanomboka hanaiky an’io ny sasany, kanefa dia hanontany izy ireo ny
fomba hahafantarana izany mpaminany izany. Mamelà ahy hanontany tsotra: Inona no fanamarinana ho
mpaminany araka ny eritreritrao no tokony hananany? Iza no tsy maintsy hanamarina azy ? Hino azy ve
ianao raha ny Papa no nilaza fa mpaminany izy? Ahoana raha ny Filan-kevitry ny Fiangonana Erantany no niantso azy ho mpaminanin’ Andriamanitra ? Mino ve ianao raha no nilaza fa mpaminany izy?
Ny saina nomen'Andriamanitra anao no milaza fa tsy misy marina ireo voalaza ireo mba hanamarinana
mpaminany. Tsy misy afatsy lalana iray ihany hatramin'izay no hanamarinan’Andriamanitra
mpaminany. ary dia ho hazavaiko eto .???
Ny Baiboly dia ny Tenin'Andriamanitra. Ny Baiboly mihitsy dia manambara ny tenany ho ny
Tenin'Andriamanitra. Izany dia tena ara- drariny. Apokalypsy 22 : 18-19 mampiseho tena hentitra dia
hentitra fa ny Baiboly dia manambara fa izy no Tenin'Andriamanitra.
Mivaky toy izao….
18 Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity:
Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity
ho azy;
19 ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia
hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay
zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity.
Noho izany, raha tsy mino izay voasoratra ao amin'ny Baiboly, ny teny rehetra ao, fa tsy anampiana na
analana, dia ny anaranao dia tsy afaka mbola voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana.
Ny Baiboly dia tena mahatoky izay tiany ho lazaina, : Hoy aho hoe , ao amin’ny fiteny izay ampiasainy
ao amin'ny 2 Timoty 3:16 :
16 Ny soratra Masina rehetra dia nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra ary mahasoa ho
fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny
fahamarinana,
17 mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.
Ny Baiboly dia tsy manome antsika alalana na aiza na aiza hanala izay voasoratra ao; Tsy maintsy
hinoantsika daholo izy rehetra. 2 Petera 1:20-21 dia mivaky toy izao:
20 fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny
Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany;
21 fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy
tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina
Noho izany dia tsy misy porofo fa ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra raha tsy ny Baiboly ihany no
milaza azy.
Ankehitriny , moa ny Zanak'olona, hahita finoana rehefa hiverina ety an-tany ? Mino ve ianao fa izany
no Tenin'Andriamanitra ? Tsia, raha tsy efa manana finoana ianao, izay ao anatin’izany, dia
fanomezan'Andriamanitra. Mety manaiky ny momba ny fanamarinana ny ny Teny amin’ny Teny ianao,
fa fantatrao fa amin'ny mpaminany dia hafa ny fisehony. Raha izany dia aoka isika hitodika any amin’i
Mosesy.
Eksodosy 3:13 -14, no ahitantsika hoe iza no nanambara fa mpaminany i Mosesy rehefa nidina tany
amin’ny zanak’Israely izy.
13 Ary Mosesy nilaza tamin’Andriamanitra, Indro,rehefa tonga ao amin’ny zanak’Israely AHO,
dia hilaza amindry zareo, Ny Andriamanitry ny rainareo nonaniraka ahy ho aty aminareo; dia
hilaza amiko izy ireo hoe, iza no anarany ? Dia inona no ho lazaiko azy ireo?
14 Dia hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy, IZAHO NO IZY DIA IZAHO NO IZY: ary hoy izy,
Izany no ho lazainao amin’ny zanak’Israely, IZAHO NO IZY no naniraka ahy ho aty aminareo.
Iza no nanamarina an’i Mosesy? Nanao fifidianana ve ry zareo dia niaiky fa mpaminany izy?
Nitsangana ve Farao dia nanambara fa mpaminany avy amin’Andriamanitra izy ? Tsia, Mosesy dia
voamarina tamin’izay nolazain’Andriamanitra taminy, ary izany rehetra izany no tsy maintsy
nandehanany. Tsarovy fa ny zanak’Israely dia nampanantenaina fa hisy hamonjy. Dia tamin’ny
nitarihin’i Mosesy azy ireo niala tao Egypta, niampita ny Ranomasina Mena, nangataka
tamin’Andriamanitra hamahana azy ireo tamin’ny papelika sy mana, nahazo ny Didy Folo voasikotra
tamin’ny vato tamin’ny fomba mahagaga, ary nanome azy ireo, matetitetika, ny Tenin’ny Tompo, maro
ireo mbola tsy nino azy ho olon’Andriamanitra. Ahoana no mahatonga izany zavatra izany? Tsotra
ihany satria tian’izy ireo hisy olona hanamarina azy. Nanontany izy ireo ny amin’ny hoe, nahoana no
tsy maintsy fantatry ry zareo fa Tenin’Andriamanitra no tonga tao amin’i Mosesy. Tokony efa tsy nisy
fisalasalana intsony teo amindry zareo raha izay efa hitany izay, kanefa mbola tsy nahatoky ihany izy.
Nino an’Andriamanitra izy ireo, ary ny fitandremana ny Teniny, saingy tsy afaka nino an’i Mosesy ho
mpaminanin’Andriamanitra teo anatrehan’ny porofo mivaingana fa nirahin’Andriamanitra izy ho azy
ireo. Tena jamba ry zareo.
Tsarovy, IZA no nanamarina an’i Jaona mpanao Batisa? Andao hojerentsika tsara indray dia tsy hisy ny
fisalasalana.
Rehefa nandeha nanontany an’i Jaona ny olona “Hoe iza izy”, araka izay voalaza ao amin’ny Jaona
1:19, dia tonga tao antsain’izy ireo ny mpaminany Malakia 4:5 -6a. Fantatr’izy ireo koa, tsy misy
fisalasalana, ny teny izay tonga tao amin’ny rain’i Jaona alohan’ny nahaterahany, hoe ho avy amin’ny
“fanahin’i Elia” ary hampody ny “fon’ireo ray ho amin’ny zanaka”. Eto ary dia antony roa ihany no
nandavan’i Jaona ny fanontanian’ny olona raha hoe izy no Elia. Na nanontany azy izy ireo raha izy no
Elia voasoratra ao amin’ny andininy samihafa ao amin’ny Soratra masina fa tsy hoe nampiharina
taminy, na tsy fantany ny Teny. Azoko porofoina fa fantany ny Teny, satria nitohy nanontany azy ireo,
“Mpaminany ve ianao?” Fantatry Jaona fa ilay mpaminany nampanantenaina an’i Mosesy ao amin’ny
Deotoronomia 18 no tiandry zareo resahina. Ny fandavany fa tsy ny tenany io mpaminany noresahin’i
Mosesy izay voalaza fa hitovy aminy io. Noho izany dia namaritra ny momba ny tenany Jaona, ao
amin’ny Jaona 1:22 -23 izay mivaky toy izao:
Mivaky toy izao….
22 Dia hoy izy ireo taminy, Iza ianao ? mba hahafahanay mitondra valiny amin’ireo
izay naniraka anay. Inona no filazanao ny momba anao?
23 Hoy izy, izaho no feon’ilay mikiakiaka any an’efitra,….
Fantatry Jaona tsara ny Teny, izay nanambarany fa Isaia no nilaza izany ao amin’ny Isaia 40:3 fa hisy
iray ho avy. “Feon’ilay mikiakiaka any an’efitra, Omaninareo ny làlan’ny Tompo (Jehovah), ataovy
mahitsy any an’efitra (desert) ny lalamben’Andriamanitsika. Fantany koa fa Malakia 3:1 dia milaza,
“Omany ny làlana eo alohako”, tahaka ny voalazan’i Isaia mpaminany. Kanefa niteny Jaona fa tsy Elia
izy. Fantany fa izy no hampody ny “fon’ny ray ho amin’ny zanaka”, satria Zakariasy no nomena io
faminaniana io. I Jaona koa dia nahafantatra fa tao aminy ny fanahin’i Elia, ka mety nanontany azy ve
izy ireo raha izy no Elia ao amin’ny Malakia 4 izay hampody ny “fon’ny zanaka ho amin’ny ray
“alohan’ilay andron’ny Tompo lehibe sady mampatahotra” ? Mazava ho azy fa novaliany ireo hoe tsy
izy” izany Elia izany”. Fa iza ary no nanamarina i Jaona? Nahaliana ny olona ny momba azy, hoe iza
ilay nitsangana ary nilaza tamindry zareo? Izy tenany dia nilaza hoe iza izy. araka izay voasoratra ao
amin’ny Jaona 1:23:
Andeha hovakiantsika indray…
23 Hoy izy, izaho no feon’ilay mikiakiaka (miantsoantso) any an’efitra, Ataovy mahitsy ny
lalan’ny Tompo (Jehovah), araka ny voalazan’ny mpaminany Isaia.
Iza no nanamarina an’i Kristy? Lioka 9:18-20 dia mamaritra fa...
18 Tamin'izany andro izany, rehefa nivavaka irery izy, dia niaraka taminy ny mpianany: ary
nanontany azy ireo izy, "Iza no ilazan'ny olona ahy?"
19 Namaly ireo ka nanao hoe: Jaona Batista; fa ny sasany nanao hoe, Elia; ary ny sasany
nilaza hoe,ny anankiray tamin'ireo mpaminany taloha no nitsangana indray.
20 Hoy izy tamin'izy ireo, ary iza no fahafantaranareo ahy? Dia namaly Petera hoe, Ny Kristy
n'Andriamanitra.
Any amin’ny boky hafa, Jesosy namaly: “Tsy nofo aman-drà no nanambara izany taminao, fa ny Raiko
izay any an-danitra, ary eto ambonin’ity vato ity (fanambarana) no hananganako ny fiangonakao ary ny
vavahadin’ny helo tsy hahavita hanohitra azy.” (Matio 16:17)
Io dia manome antsika ny toromarika voalohany amin’ny fanamarinana mpaminany. Tonga avy
amin’ny fanambarana izy io.Ary io dia tonga avy amin’ny alàlan’izany mpaminany izany izay
manamarina ny tenany. Ny Tenin’Andriamanitra dia manamarina ny tenany ho
Tenin’Andriamanitra. Mosesy dia nanambara ampahibemaso fa mpaminanin’Andriamanitra izy.
Jaona Batista dia nilaza fa iray amin’ireo voalazan’i, ary Jesosy Isaiah izy, ary Jesosy
nampianatra ny mpianany fa IZY no Kristy. Matio 26 : 62-65 dia mirakitra ny fiezahan’ilay
mpisorona tsy mino mba hahita ny Marina momba an’i
Jesosy Kristy :
62 Dia nitsangana ny mpisoronabe ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tsy mety mamaly akory va
Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao?
63 Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin'Andriamanitra
velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra.
64 Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia ho hitanareo
ny Zanak'olona mipetraka eo amin'ny tanana ankavanan'ny Hery sy avy eo amin'ny rahon'ny
lanitra.
65 Ary tamin'izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny ratsy
Izy; ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy
izao.
Ny tsy mino, indrindra fa ireo manana fahefana, te hahafantatra, kanefa tsy afaka mino ny
Fahamarinana, satria tsy misy ny finoana, na fanambarana tao am-pony. Marka 14 : 60-62 dia
mirakitra ny zava-nitranga ihany koa :
60 Ary ny mpisoronabe nitsangana nankeo afovoany, dia nanontany an'i Jesosy ka nanao hoe:
Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao?
61 Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisoronabe ka
nanao taminy hoe: Hianao va no Kristy, Zanaky ny Avo indrindra?
62 Ary hoy Jesosy: Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo ankavanan'ny
Hery sady avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.
Jesosy dia nanambara tamin’izy ireo ampahibemaso imbetsaka toy ny nataony ao amin'ny Jaona
10:30 : " Izaho sy ny Ray dia iray ihany " milaza hoe iza Izy, dia naka vato ireo hitorahana Azy. Fa,
raha vao nanomboka nanambara ny momba Azy Izy, mba miezaka ny hahazoan’ ny olona hino azy,
dia hitantsika fa nasehony azy ireo, TSY tamin’izay nolazainy, FA izay nataony toy ny ao amin'ny
Jaona 2:23 :
23 Raha tao Jerosalema Jesosy tamin’ny paska, tamin’ny andron’ny fety, maro no nino ny
anarany, rehefa hitany ny fahagagana nataony.
Rehefa nandefa iraka i Jaona mpanao Batisa hanontany hoe iza Izy dia namaly Jesosy araka ny
voasoratra ao amin’ny Matio.11:5
5 Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina;
atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
Jesosy naniraka olona hiverina mba hilaza amin'i Jaona ny zavatra hitandry zareo, izay midika fa
ho fantatry Jaona fa ny asa nataony nilaza Azy.
Fa voasaratra ao amin’ny Jaona 8:24
24 koa izany no nilazako taminareo fa ho faty amin'ny fahotanareo ianareo; fa raha tsy mino
ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin'ny fahotanareo ianareo.
Fa ao amin’ny Jaona 10:36 -38, Jesosy nilaza toy izao….
36 Lazainareo izy, izay nohamasinin’ny Ray, ary nalefa tety amin’izao tontolo izao,
Ianao miteny ratsy an’Andriamanitra (Blasfemia); satria aho nilaza, Izaho dia
zanak’Andriamanitra ?
37 Raha tsy manao ny asan’ny Raiko aho, aza mino aho.
38 Fa raha manao kosa aho, na dia tsy mino ahy aza ianareo, hinoy ireo asa dia ho
fantatrareo, ary minoa, fa ny Ray dia ato amiko ary Izaho ao aminy.
Jesosy nilaza tamin’izy ireo fa raha tsy afaka mino izay lazaiko ianareo, dia minoa izay hitanareo
Ataoko. Ankehitriny ary dia tsy misy fanamarinana hafa ny amin’ny mpaminanin’Andriamanitra:
VOALOHANY, hilaza aminareo izy hoe iza izy. FAHAROA, hanao ny asa izay nanirahana azy
izy.Izay no ahafahanareo milaza fa mpaminany avy amin’Andriamanitra izy.
Eto ary, raha misy mpaminany alohan’ny ahatongavan’ilay “andron’ny Tompo lehibe sady
mampatahotra”, miray ao amin’ny fanahin’i Elia, dia misy asa izay andrasana aminy. Ny asany dia ho
tanteraka tahaka ny iray ao amin’ny fanahin’ i Elia. Izy dia hampody ny “fon’ny zanaka hiverina
any amin’ny ireo ray (plural)” Hahantateraka ny Matio 17:11 izy, izay nilazan’i Jesosy fa “hamerina
ny zavatra rehetra”, Amin’ny fandikan-teny sasany, dia mivaky toy izao “Hanitsy ireo zavatra lasa
tany amin’ny fahadisoana.” (erreur)
Ny bokin’ny Fanambarana dia miresaka io vanim-potoana farany io, vanim-potoana Laodikia, izay
manana mpitondra hafatra (Anjelin’ny fiangonana), hilaza amin’izy ireo fa “mampalahelo, mahantra,
fadiranovana, jamba, ary mihanjaka”, kanefa tsy mahalala izany. Ao amin’ny Fanambarana 10:7, io
mpitondra hafatra io (messager) dia midika ho ilay Anjely Fahafito ary voalaza, “Rehefa hanomboka
hitsoka (tsofina) izy, ny misiterin’Andriamanitra dia tokony efa vita, araka izay nambarany tamin’ireo
mpaminany mpanompony.”
Noho izany, misy asa voafaritra ho ataon’ny mpaminanin’ny Malakia 4. Tsy hohamarinina amin’ny
alalan’ny antokom-piangonana izy. Tsy ho eken’ny be sy ny maro izy, fa ny tenany dia mahafantatra
ny momba azy. Hisy ireo izay hahita azy fa tsy hahalala azy, fa hisy koa ireo izay manana fanahy
mitovy, tahaka ireo izay nanaiky an’i Jesosy tamin’ny Asany, voalaza ao amin’ny Jaona 7:31 “Rehefa
tonga Kristy, hanao fahagagana mihoatra noho ireo izay nataon’ity lehilahy ity?”
Fa rehefa tonga miaraka amin’ny fanahin’i Elia ny mpaminany ao amin’ny Malakia 4 izay hampody ny
zavatra rehetra amin’ny laoniny, ary hamita ny Misiterin’Andriamanitra, izao tontolo izao dia tsy
mendrika azy, tahaka ireo mpaminany teo aloha. Ny ankamaroan’ny olona dia hiandany amin’ny
finoana maro (religion), ary hanambara lalàna, ka tsy ho hitan’izy ireo ny fanambarana. (Revelation)
Ho avy io lehilahy io, ny tsara ihany no ataony. Hahantanteraka ny Soratra Masina no hahatongavany,
hitondra hafatra ho an’ny olom-boafidy, ny Ampakarin’i Kristy, fa ho halan’ireo mpitondra fivavahana
izy. Hampiseho fanahy tahaka ireo izay nitsangana teo am-pototry ny hazo fijaliana ka nilaza,
“Namonjy ny hafa izy, fa tsy mahavonjy ny tenany”. Ny fihetsik’io mpaminany io rehetra dia hanompo
ny zanak’olombelona, kanefa ho tsikeraina izy, tsy azo izay lazainy,ary nolavina nohon’ny
Fampianarana entiny. Voalahatra ho mpaminany hatrany ambohoka, tahaka ny mpaminany rehetra, ny
hahatongavany dia hialoha ny fiavin’i Jesosy Kristy Tompo fanindroany - ary ho avy amin’ny
fanahin’i Elia izy.
Nadika avy...
The Acts of the Prophet.
Rev. Pearry Green.
Chapter 2.
Malagasy.
www.believersnewsletter.net
Email [email protected]

Documentos relacionados

Fiainana Taloha sy Fiovam-po.

Fiainana Taloha sy Fiovam-po. Edward, izay ny nanakaiky azy indrindra tamin'ny taona. Rehefa nahare ny fahafatesan'i Edward izy, dia nitsangana ary nijery ny tany efitra sady nanontany tena raha efa vonona hitsena an'Andriaman...

Leia mais

Teny Fampidirana.

Teny Fampidirana. Nohon’ny amin’ny foto-kevitra tsy mahazatra raiketin'ity boky ity, dia heveriko fa ilaina ny fanazavana misimisy mba ahafahan’ny mpamaky mahatakatra sy hankasitraka ny hafatra entiny. Ny boky dia n...

Leia mais

Fitsarana amin`ny Horohoron

Fitsarana amin`ny Horohoron toe-javatra zavatra hafahafa. Fantatsika ary izao fa, tamin'izay fotoana izay indrindra, dia tsy maintsy vatolampy megaton (ton maromaro) no tsy maintsy efa vonona ny hietsika any amin'ny halalin’n...

Leia mais

Inona ny Filazantsara

Inona ny Filazantsara Nefa ahoana no ahafahan‟ity lehilahy Jesosy ity mamonjy antsika ? Izy no mpisolo tena antsika ary noho izany no tokony hanaovantsika batisa ao amin‟ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin‟ny maty ...

Leia mais

Mihoatra nohon`ny Mpaminany.

Mihoatra nohon`ny Mpaminany. mifidy tompon'andraikitra akory raha tsy ny Fiangonana Romana no mandefa aminy ny fahafahana mifidy, lehibe tokoa ny fanagejana nananan'io fiangonana io. Inona ary izany ny mpitoriteny amin'izao f...

Leia mais

Manaraka lehilahy iray.

Manaraka lehilahy iray. nosafidian'Andriamanitra Mosesy mba ho izany lehilahy izany. Tsy misy olona manisy resaka amin'izao fotoana izao rehefa homena voninahitra ny anaran'i Mosesy; fantany fa tsy Mosesy no nanao izany, ...

Leia mais

CAB-02 Ilay Fahitana Tao Patmo.

CAB-02 Ilay Fahitana Tao Patmo. manana didy isika mba hitandrina ny andro voalohany amin'ny herinandro, izay Alahady. Ity ny marina momban'ny Sabata, izay midika hoe "fitsaharana." Hebreo 4:8, "Fa raha Josoa no nanome azy fitsah...

Leia mais

Anio no ahatanterahan` ity Soratra Masina ity.

Anio no ahatanterahan` ity Soratra Masina ity. fahamasinana” kanefa tsy misy hery. Izy dia hitory fanafahana ho an’ny babo (babon’ny karazam-pampianarana) izay tsy afaka mahita akory hoe babo izy ireo. “Manakarena ary tsy mijaly na amin’ inona...

Leia mais

fanontaniana famerenana

fanontaniana famerenana dia nihevitra an’i John Ezekiel avy any Johor Bahru, Malaisie avy hatrany izahay. Ny dianay voalohany tany Malaisie no nihaonanay taminy tamin’ny 1984 ary tsy ary mbola nahalala olona tena feno fan...

Leia mais

ADRIAMANITRA DIA MAZAVA (FAHAZAVANA).

ADRIAMANITRA DIA MAZAVA (FAHAZAVANA). nankarina ahita ny lanitra izy. (Io dia tandindon’ny ampakarina miakatra velona. Tsarovy fa nilaza Jesosy hoe ny sasany tsy hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fahatongavan’ny fanjakany. Nok...

Leia mais

Fandalinana Faha-10 : NY BATISA AO AMIN`I JESOSY

Fandalinana Faha-10 : NY BATISA AO AMIN`I JESOSY batisa raha tsy misy ny fahalalana fototry ny fahamarinana ao aminy Filazantsara. Rehefa avy mandinika ireo fahamarinana ireo ka liana te hiombona amin’ny fanantenana lehibe izay omen’ny Baiboly an...

Leia mais