Anio no ahatanterahan` ity Soratra Masina ity.

Transcrição

Anio no ahatanterahan` ity Soratra Masina ity.
“The Acts of the Prophet”
by Rev. Pearry Green
Chapter 4.
Malagasy.
Anio no ahatanterahan’ ity Soratra Masina ity.
Tsy matetika no ahafataran’ny olona ny fahatanterahan’ny Soratra Masina.Kanefa rehefa
mifanehatra amin’izany fahatanterahana izany izy ireo dia manontany aho hoe, firy no
hanaiky izany? Tsy azo iadian-kevitra fa VITSY, satria entin’ Andriamanitra amin’ny
fomba tena tsotra io, fa miafina amin’ny mason’ny “hendry sy manan-tsaina” araka ny
voalazan’ny Baiboly. Ohatra roa ao anaty Soratra Masina izay tanteraka, ny iray dia avy
amin’ny fiainan’i Kristy, ary ny iray dia nitranga 2000 taona taty aoriana, dia avy
amin’ny fiainan’i William Branham, na dia iankinan’ny ain’ny zanak’olombelona aza
izany, dia nodian’ny maro an’isa tsy hita.
Tamin’ny daty 24 Janoary, 1965, tao amin’ny toerana Phoenix, Arizona, ny fotoana dia
maraina, i Rahalahy Branham dia voatendry hitory teny tao amin’ny Full Gospel
Businessmen’s Fellowship International Convention izay nokarakarain’i Carl Williams.
Ny lohaten’ny hafatra nentin’ny Rahalahy Branham tamin’io maraina io dia
“Faharariana eo Ampiterahana.” Andro vitsy talohan’ny nanomezan’ny vadiny azy
Baiboly vaovao. Izay tena mitovy amin’ilay iray fampiasany rehefa mitory ny
filazantsara manerana izao tontolo izao izy. Tamin’io maraina io dia nentiny niaraka
taminy ilay Baiboly vaovao tao amin’ny fivoriana. Vokatr’izany dia trangan-javatra iray
no niseho izay mifandraika indrindra amin’ny Soratar Masina.
Rehefa tonga teo amin’ny polipiotra izy ny marainan’io, rehefa avy niarahaba ny
mpihaino, dia nosokafany ilay Baiboly vaovao hakàny ny lahatsoratra ary nanomboka
namaky ampahana Soratra Masina izy, izay milaza momban’ny fara andro sy ny zavatra
hiatra amin’izao tontolo izao tahaka ny vehivavy hiteraka. Novakiany hatrany amin’ny
pejy ambany izany, ary raha navadiny ny pejy, ny roa tamin’ireo pejy vaovao ireo dia
niraikitra, noho izany ny andininy saika ho vakiany dia niafina tao anelanelan’ireo pejy
ireo. Gaga izy satria ilay toko manaraka hafa no nanomboka ny pejy izay tena ilay
andininy notadiaviny, kanefa rehefa novakiany, dia hitany indray fa tsy nifanaraka ilay
andinin-tsoratra Masina.
Io toe-javatra io dia voarakitra ao amin’ny oronampeo, “Faharariana eo
Ampiterahana”izay nahenona ny feony manontany ireo mpanompon’Andriamanitra teo
amin’ny lapihazo raha tsy io ny pejy tena ahitana ilay andininy, raha tsy tokony
tamin’ny pejy hafa no nisy azy na tahak’izany. Rehefa navadibadiny teo ny pejy, izay tsy
tsaroany fa nikambana ireo, dia nisy Pretra Kaldeana, i Eveka Stanley, Archbishop of the
Metropolitan United States for the Chaldea Catholic Church, dia tonga tao koa ary
nanana anjara fitenenana, nipetraka teo amin’ny lapihazo, mijery tsara ny Rahalahy
Branham. Ny Eveka Stanley dia nanao ny akanjony amin’ny maha-pretra azy, miaraka
amin’ny fitafiany mena. Nankeo amin’i Rahalahy Branham izy dia nilaza, “Mahereza
ianao ry zanako, fa manana tanjona amin’izao Andriamanitra. Inty, ampiasao ny
Baiboliko.” Noraisin’i Rahalahy Branham ilay Baiboly teny an-tanan’ilay Pretra, ary
novakiany ilay andininy izay tsy hitany teo, nakatony ny Baiboly, ary nomeny an’ilay
Pretra, dia nanohy ny toriteniny (hafatra) izy.
Ny marainan’io dia niresaka tao amin’ny “Block busters” momban’ny Ady Lehibe
Faharoa, ary ny hadivory izay fomba nentina niady tamin’ny Ady Lehibe Voalohany,
izay nampiseho fa ireo zavatra ireo dia “Fanaintainana eo Ampiterahana” avokoa, tahaka
ny vehivavy mihetsi-jaza. Fitsaran’Andriamanitra no fanehoany izany, “ny
fiatombohan’ny andro-pahoriana,” ary izao tontolo izao tsy hahazaka ady ankoatran’io.
Nolazainy ny baomba Atomika nianjera tao Hiroshima, sy ireo hery fanapotehana izay
ananan’ny olombelona amin’izao fotoana izao, izay tena mifanaraka mazava tsara
amin’ny fotoana voalazan’ny Soratra Masina fa “fiandohan’ny andro-pahoriana .”
Raha fehezina dia nanambara ny fitsarana izao tontolo izao izy.
Ny alin’io, rehefa niverina tany an-tranony tao Tucson izy, dia nijanona tao amin’ny
trano fisakafoanana (restaurant) iray mba hividy zavatra ho an’ny ankizy, ary teo ny
Fanahin’Andriamanitra dia tonga taminy ka nampiseho azy fitoviana mahatalanjona
tamin’ny zavatra niainany tamin’ny maraina. Nampitahana taminy ilay fotoana (ao
amin’ny Soratra Masina) rehefa nitory teny tao amin’ny Synagoga Jesosy Kristy, araka
ny voasoratra ao amin’ny Lioka 4:17-19:
17 Dia natolotra Azy ny bokin'Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy,
dia nahita ny teny voasoratra hoe:
18 Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa
mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fanavotana ho an’ny
mpifatotra Izy, Sy fampahiratana ho an'ny jamba, Hanafaka izay nampahorina.
19 Hitory ny taona ankasitrahan'i Jehovah.
Isaia dia naminany ny amin’ny olona iray ho avy, izay ny Fanahin’ny Tompo no
hanosotra azy mba hitory ny Filazantsara ho an’ny mahantra (tsy voatery hoe ireo izay
mahantra ara-bakiteny) fa ny mahantra ara-panahy, ireo izay hahatspa fa mila miankina
amin’ny famindra-pon’Andriamanitra sy ny ràn’i Jesosy Kristy latsaka izy ireo.) Ireo
mahantra ireo izany, dia ireo mahafantatra fa tsy tamin’ny fandatsahana ràn’ombilahy na
osy, fa novidiana tamin’ny alalan’ny Zanak’Ondry novonoina eny hatramin’ny
nanorenana izao tontolo izao. Tsy maintsy nisy ny hafatra momba ny Vaovao Mahafaly,
Filazan-tsara vaovao nentina ho an’ireo olona mahantra ara-panahy ireo; Ary tsy hanosibohotanana an’ireo Izy, satria tsy mahefa na inona na inona ireo raha tsy miaraka Aminy.
Io Filazan-tsara vaovao io koa dia tonga ho an’ireo izay reraka ao am-po, ireo izay tsy
faly satria malahelo ny fony nohon’ny fivavahana lasa “manana endrika
fahamasinana” kanefa tsy misy hery. Izy dia hitory fanafahana ho an’ny babo (babon’ny
karazam-pampianarana) izay tsy afaka mahita akory hoe babo izy ireo. “Manakarena
ary tsy mijaly na amin’ inona na amin’inona.” Kanefa izy ireo dia “mahantra, ory,
mihanjaka, ary jamba,” araka ny fampitandreman’ny Baiboly. Ara-panahy ny
fahajamban’izy ireo, ary mila ody maso izy ireo mba ahitany ny drafitry ny Famonjena.
Jesosy no tsy mamaha io maso arapanahy io, mba hanomezana azy ireo maso tena izy
mba ahitany izay nataon’Andriamanitra tety an-tany. Ary tiany koa ny hanafaka ireo
izay maràtra. Nailika satria malemy fanahy ka tonton’ny fiangonana misy
ambaratongany. (religion organisée) (Arak’izany,ny hanompo an’Andriamanitra ihany
no masaka tao aminy, raha tsy mety manao izay lazain’ny Fariseo izy ireo dia voailika.).
Raha atao bangotokana dia niresaka momba ny fahatongavan’i Mesia Isaia.
Ny hitovizan’izany tamin’ny Rahalahy Branham dia hita teto - Jesosy namaky ny
andininy tao amin’ny Isaia 61 ary namaky hatreo amin’ny “….hitory ny taona
hankasitrahan’i Jehovah.” Dia avy eo izy dia nankatona ny boky, ary nanolotra izany
tamin’ny mpisorona ka nipetraka. Ny Baiboly dia milaza, “Ary ny mason’ireo izay tao
amin’ny synagoga dia nijery Azy fatratra.” Avy eo Jesosy dia nanao fanambarana tsy
manampaharoa, “Anio no Fahatanteran’izany Soratra Masina henonareo izany..”
Ao amin’ny Jaona 3:34 dia mivaky toy izao..
“Fa ilay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny Tenin’Andriamanitra:fa tsy
ampahany ny Fanahy izay nomen’Andriamanitra azy.”
Teo ary i Jaona mpanao Batisa dia nanambara fa ny Fanahin’Andriamanitra dia tao
amin’io Olona io, Jesosy Kristy, izay nanao ny zavatra nandrasana ho ataon’ny Mesia.
Nitory ny Filazantsara tamin’ny mahantra sy ny malahelo Izy. Nitondra fanafahana ho
an’ireo izay migadra Izy. Nahiratra ny jamba Izy. Natahotra ny olona tamin’ny
fahagagana nataony dia nilaza hoe: “Tena azo antoka fa novangian’Andriamanitra ny
vahoakany, fa nadefasany mpaminany mahery isika.” Ny sasany dia nanao toy izao:
“Raha tsy io izany ny Kristy, rehefa ho avy izy,hanao zavatra lehibe noho ny ataon’ity
lehilahy ity ve izy? Soratra Masina teo andàlam- ahatanterahana. Jesosy mihintsy no
nipetraka teo amin’ny synagoga ary nilaza tamin’ireo olona izay tena mpivavaka
indrindra tety ambonin’ny tany nanao hoe: “Anio ity Soratra Masina renareo ity dia
tanteraka.” Kanefa tsy tsapan’izy ireo izany.Izy dia voaosotry ny Fanahy
Masin’Andriamanitra, manao izay voalazan’ny mpaminany Isaia tany aloha. Nambarany
ampahibemaso ilay “taona izay eken’ny Tompo.” Tamin’izany fotoana izany, ny jiosy
dia tokony afaka nanaiky ny Mesia, kanefa nandà Azy izy ireo.
ETO dia MARIHO TSARA izay rehetra efa nasongadintsika, nanakatona ny boky
Jesosy. Tsy mbola vitany ny famakiana ny Isaia 61:2. Nijanona teo antenantenan’io
andininy io izy. Najanony ilay tapany izay milaza… “…sy andro
famalian'Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra.” NAHOANA ary no
navelany io? Satria miresaka momba ny Fiaviany Fanindroany io.
Noho izany, ho an’ireo tsy nahatsapa ny fitovian’io tamin’izay nitranga tao Phoenix:
Nisy lehilahy nalefan’Andriamanitra, izay nipetraka tao aminy ny Fanahin’ny Tompo,
ary ny tapany faharoa amin’ny Isaia 62:2, dia tanteraka tao Phoenix, Arizona ny 24
Janoary, 1965, rehefa TENA NANAO ny voalaza tao amin’ny faminanian’i Isaia fa ho
ataony, dia tsy iza fa ity Mpaminanin’Andriamanitra manana ny fanahin’i Elia ity nilaza izy “Andro famalian’Andriamanitsika (vengeance)”, rehefa nitoriteny ilay
“Fitsarana ity tany ity”izy izay tao anatin’ny toriteniny mitondra ny lohateny hoe:
“Fanaintainana eo Ampiterahana”. Tahaka ny tamin’ny andron’i Jesosy, rehefa
nitsangana teo amin’ny synagoga izy ary “Notoloran’ny Mpisorona baiboly Izy”ary dia
naveriny io avy eo, ka hoy izy “Eo am-pandrenesanareo izany no ahatanterahan’izany
anio.” Kanefa tsy fantatr’izy ireo izay tiany nolazaina. Tahaka izany koa amin’ity
taonjato ity, ity tarnaka ity. Ilay “Andro famalian’ny Tompotsika” dia nambaran’ny
Mpaminanin’Andriamanitra tety an-tany, ary nolazainy fa misy lalana fanavotana.
“Mivoaha eo anivony ry vahoakako, misaraha aminy.”
Niverina tao Phoenix ny Mpaminany ny andro manaraka (Janoary 25,1965),ary nitory io
Fanambarana io izay azony tamin’ny Fanahin’Andriamanitra.Ny harivan’io dia nitondra
ny lohateny toy izao ny hafany: “Anio no ahatanterahan’ity Soratra Masina ity.” Andro
vitsy monja taorian’izany dia niverina tany Tucson izy, niakatra ny tendrombohitry
Finger Rock (tendrony manana endrika fanondro), ary nisy rahona miloko volona metaly
(lokom-bolamena), tahaka ny elo be nidina avy eny amin’ny Lanitra ary “intelo” no
nidinany teo amin’ny tendrombohitra rehefa nivavaka mafy Rahalahy Branham teo
akaikin’ny tendrony. Ny zaza tao an-tsekoly dia navela hivoaka ny trano fianarana
tamin’izany fotoana izany mba hijery io tanga-javatra io.
Tahaka ny nidinan’i Mosesy avy eny an-tendrombohitra, dia toy izany ihany no
nidinan’ny Mpaminany izay miaraka amin’ny fanomezana alalana avy
amin’Andriamanitra tao am-pony mba ho toriana tao amin’ny fiangonany tao
Jeffersonville, Indiana - Ny Misiterin’ny Mariazy sy Divorsa.
Ny Marina dia nambara miaraka amin’ny toromarika hafakely (tahaka an’i Paoly
tamin’ny fotoan’androny) ho an’ireo izay nandritra ny androm-piainany dia voafatotra
tao anatin’ny tsy fahalalana ny Marina. Ny rakitsoratra na rakipeo momba ny toriteny
Mariazy sy Divorsa dia azo Alaina ao amin’ny Voice of God Recordings - ny adiresiny
dia hita ao amin’ny William Branham Home page.
Tamin’ny mbola zazalahy kely i Rahalahy Branham, dia nahita fahitana an’i Jesosy
Kristy Tompo izy teny antsaha teo akaikin’ny tranony. Nisy trano malalaka ho an’ny
sekoly naorina teo taty aoriana. (Auditorium) Tamin’ny Febroary 1965, talohan’ny
nitoriany ny hafatra “Mariazy sy Divorsa”,dia nitory tao amin’io efitra malalaka izay
an’ny sekoly io izy, toriteny voazava tsara tamin’ny antsipirihany “Anio no
ahatanteran’ity Soratra Masina ity” (Maro be loatra ny olona tao ka tsy maintsy
nitsangana nisompirana nitodika tamin’ny efitra ilany misy ny mpihaino izy, ary avy eo
dia ny ilany tery amin’ny efitra fanaovana fanatanjahan-tena. “gymnasium”) Ilay faritra
izay nitsanganany raha mitory izy (lapihazo), dia mitovy ny toerana sy halavàna tahaka
ny fahitàna hitany izay nahitàny an’i Jesosy. Teo no nitsanganany ny Febroary, 1965,
tahaka ny nahitany an’i Jesosy taona maro lasa izay, ary dia notoriany ny hafatra “Anio
no Tanteraka Ity Soratra Masina Ity.” Nambarany fa Andriamanitra dia naniraka ny
Fanahiny ho eo aminy ary izy dia hitory fanavotana ho an’ny jamba;nitondra fanafahana
ho an’ireo izay voageja; nitondra hafatra misy fanantenana sy famindrapo ary
Fahasoavana ho an’ny mahantra ara-panahy, araka izay efa nambarany. “Ilay Andro
Hamalian’Andriamanitsika” ety ambonin’ny tany. Anio no ahatanterahan’ ity
Soratra Masina ity.
www.believersnewsletter.net
[email protected]

Documentos relacionados

boky torolalana - Church of the Nazarene

boky torolalana - Church of the Nazarene "Ny iraky ny Fiangonan'ny Nazareana dia mamaly ny Iraka Lehibe an'i Kristy manao hoe: 'Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra'" (Matio 28:19). "Hampandroso ny Fanjakan'And...

Leia mais

Ilay Sintona Fahatelo.

Ilay Sintona Fahatelo. fampisehoana ny herin’i Kristy izay tsy miova, ary fahatanterahan’ny Hebreo 13:8 “Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.” Io koa dia nisy naka tahaka, fa tsy nisy anankiray tamin...

Leia mais

Présentation PowerPoint

Présentation PowerPoint Ny safidy hanao IVG dia SAFIDIN’NY TENA MANOKANA fehezin’ny lalàna, misy fe-potoana iray herinandro handinihana tsara. Hasosoka aminao ny resadresaka iray fijerena fisainana ara-piarahamoninao ifan...

Leia mais

CAB-02 Ilay Fahitana Tao Patmo.

CAB-02 Ilay Fahitana Tao Patmo. manana didy isika mba hitandrina ny andro voalohany amin'ny herinandro, izay Alahady. Ity ny marina momban'ny Sabata, izay midika hoe "fitsaharana." Hebreo 4:8, "Fa raha Josoa no nanome azy fitsah...

Leia mais

Teny Fampidirana.

Teny Fampidirana. ny fiangonana nisy ahy izay tsy antoko-piangonana, ao Tucson Tabernacle, ao Tucson, Arizona, tamin'ny lohataonan'ny 1969. Noho izany dia "boky miteny," ary na dia efa natonta aza, dia mbola mitana ...

Leia mais

The Acts of the Prophet. Rev. Pearry Green. Chapter 6. Malagasy

The Acts of the Prophet. Rev. Pearry Green. Chapter 6. Malagasy Tsy asehon’Andriamanitra ny Mpaminaniny daholo ny Tsiambaratelony. Ny fijerena fohy ao anaty Baiboly dia mamaritra mazava tsara fa ireo izay nofidiana, voahosotra, kanefa olombelona, dia tsy voater...

Leia mais

Ilay Fotoana Farany.

Ilay Fotoana Farany. Tamin'ny voalohany dia tohina aho ary tsy hitako izay natao raha naheno fa ny razana dia tsy maintsy karakaraina (esorina ny taova, sns...) “embaumé” mba hitondrana azy mamakivaky ny tanana, kanefa...

Leia mais

Ny lakilen`ny fidirana mivantana amin`ny fahazavna

Ny lakilen`ny fidirana mivantana amin`ny fahazavna pivelomana sy ny filàna ara-pitaovana. Ny antony hiasantsika dia mba ahafahantsika sy ireo malalantsika miaina ao anatin'ny fiadanana be indrindra. Raha mbola misy fotoana aorian'izany dia any amin...

Leia mais

Manaraka lehilahy iray.

Manaraka lehilahy iray. “The Acts of the Prophet” by Rev. Pearry Green Chapter 18. Malagasy.

Leia mais

Mihoatra nohon`ny Mpaminany.

Mihoatra nohon`ny Mpaminany. The Word Publications, P.O. Box 10008, Glendale, AZ 85318 USA na avy amin'ny, Spoken Word Publications, P.O. Box 950, Jeffersonville, Indiana 47131 USA. Raha fintinina, ao amn'ny Apokalipsy,toko fa...

Leia mais