Ilay Sintona Fahatelo.

Transcrição

Ilay Sintona Fahatelo.
The Acts of the Prophet.
Rev. Pearry Green.
Chapter 9.
Malagasy.
Ilay Sintona Fahatelo.
Mpanjono kalàzalahy.
Ilay sintona fahatelo dia mampiharihary ny
aretina avy amin’ny alàlan’ilay famantàrana
amin’ny tànana. Na taiza na taiza, ireo antony
nahatonga ny olona nijaly dia tsy diso mihintsy
ny nisehony, narahin’ny teny malefaka, “Jesosy
Kristy manasitrana anao.” Fa io famantarana
lehibe io dia narahan’ny mpaka-tahaka ara-nofo
izay tsy izy.
Ilay sintona Faharoa dia miompana tamin’ny fahalalana ny eritreritra sy ny tao anatin’ny fo. Io dia tena
fampisehoana ny herin’i Kristy izay tsy miova, ary fahatanterahan’ny Hebreo 13:8 “Jesosy Kristy no
tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.” Io koa dia nisy naka tahaka, fa tsy nisy anankiray
tamin’ireo mpakatahaka ireo no sahy nilaza ampahibemaso fa tena nanana izany afa-tsy ny Rahalahy
Branham. Hoy izy tamiko indray andro, “Rahalahy Perry, raha hiteny aminao aho izao, “izao no
lazain’ny Tompo” ka tsy tanteraka araka izay nilazako azy taminao, dia aza mino ahy intsony ianao,
satria hiverina aty amiko io ary tsy ho avy amin’Andriamanitra. Raha Andriamanitra no nilaza an’io,
dia ataon’Andriamanitra io.”
Maro ireo nampiseho izay antsoina hoe “Fanahy Mamantatra” kanefa misy foana ny ampahany diso
amin’izany. Izaho dia nahalala olona manokana izay tena nanana fanomezam-pahasoavan’ny fanahy
mamantatra, fa diso izy ireo indraindray ary mahatonga alahelo amin’ny fiainan’ny olon-kafa, matetika
miteraka zava-doza rehefa lazaina zavatra diso ny olona. Io dia anisan’nyolana tamin’ireo
olon’Andriamanitra ireo. Rehefa nanontany ny Rahalahy Branham izy ireo momba an’io, dia hoy izy:
“Raha misy ampahany diso amin’io, dia avelao any.” Nolazainy izany satria ,aleo tsy miteny toy izay
miteny zavatra amin’ny olona kanefa mandratra azy ireo.
Ilay Anjelin’andriamanitra dia nampanantena an’i Rahalahy Branham fa hisy “sintona” telo. Rahalahy
Branham dia nanamafy fa ny sintona fahatelo dia tsy ho azo alain-tahaka. Ankehitriny, araka izay
voalazany dia afaka hahafantatra isika momban’io sokajy lehibe farany tamin’ny asa fanompoany io.
Teny an-dalana ho any British Colombia, dia misy tendrombohitra manana tendrony fito, izay
notondroin’Andriamanitra tamin’i Rahalahy Branham, izay manondro fa ireo no “Azy”. Ireo dia milaza
ny litera fito amin’ny anarany, milaza ny tantaram-piainany,ary manaporofo ny “sintona telo” tamin’ny
asa fanompoany. Ilay tendrony voalohany sady iva indrindra dia mampiseho ny fahitàna tamin’ny
fahazazany, izay nolazain’ny ankamaroan’ny olona fa avy amin’ny devoly. Ny tendro manaraka,
somary avoavo kely, dia milaza ny niovany fo. Fa ny tena goavana indrindra dia ireo tendro telo avo
indrindra, izay milaza ny “sintona” telo. Ny avo indrindra tamin’ireo, mitsangana ambonin’ireo hafa
ary lehibe kokoa, dia mazava ho azy, fa ny vavolombelona tsy miteny ho an’ny Sintona Fahatelo.
Indray andro izahay raha nitsangana teny nijery ireo tendrony ireo, dia hoy izy tamiko, “ Rahalahy
Pearry, isika dia efa eo amin’ny sorok’io tendrombohitra fahatelo io - Ilay Sintona Fahatelo.” Noho
izany, hitanareo, fantatro fa araka ny voalazany, dia hitranga alohan’ny handaozany antsika.
Rahalahy Branham dia niresaka momba ilay “Sintona Fahatelo” tao amin’ny toriteny mitondra ny
lohateny hoe “Tazano Jesosy” raha nilaza izao teny izao izy:
Ankehitriny dia tsarovy fa tsy hisy intsony ny fakàna tahaka an’io, satria tsy afaka atao an’izany
intsony io. Tsy afaka atao. Efa misy io izao ary nampitandremana an’io aho…fa aoriana kely - amin’ny
fotoana tahaka izao - dia hitranga io, ary hampiseho ny fisiany eo aminareo izy. Hitanareo? Fa tsy ho
ampiasaina amin’ny zavatra lehibe raha tsy efa manomboka mikambana tsara ity fikambanana ity. Ary
rehefa manao iry, rehefa manao itsy... Ny Pantekosta sy ny forongony dia afaka haka tahaka ny zavatra
rehetra izay azo atao,fa rehefa tonga izany fotoana izany, rehefa midina ny fanaporetana, dia ho
hitanareo izay nojerenareo vetivety foana hiseho amin’ny fahafenoan’ny heriny. Hitanareo....?
....hitanareo? Ankehitriny dia tsy maintsy manohy ny asana evanjelistra aho, tahaka ny baiko azoko
tany amboalohany; tsy maintsy manohy izany aho. Noho izany dia manana ny Teny ianareo,ary
fantatrareo ny zavatra tadiavina, sy ny fomba hijoroana amin’izany. Tsy maintsy manohy ny
evanjelisma aho. Ry namako, mahereza, ary mandrosoa, fa efa akaiky ilay ora sady haingana
(hitanareo?), rehefa misy zavatra ho vita.
Noho izany dia mety ahatsapa zavatra kely hafahafa ianao avy amiko, tsy fahotana, tsy izany no tiako
ambàra,fa zavatra hafahafa amin’ny andavan’andro, satria izay vitako hatramin’izao tamin’ny
fanompoana, dia tafaverina eto aho, mijery ireo toerana ireo ary miandry ny fotoana hampiasana azy.
Fa ho ampiasaina ireo. Ary fantatry ny rehetra izany, tahaka ilay iray tamin’ny voalohany izay
fantatra, noho izany ilay faharoa dia fantatra ihany koa, ary raha mieritreritra tsara ianao, ianao izay
ara-panahy (arak any voalazan’ny Soratra Masina, “Ity dia ho an’izay manana fahendrena.” ilay
fahatelo dia tena efa fantatra. Fantatray ny misy azy. Noho izany ilay sintona fahatelo dia eto.
Tena Masina io ka tsy azoko atao ny milaza betsaka momba an’io, araka izay nolazainy tamiko
tamin’ny voalohany. Milaza, “Ity, aza miteny na inona na inona momba an’io.”Tadidinareo ve izany
taona maro lasa izay? Miteny ho azy izany. Hitanao? Fa ho an’ny…Niezaka nanazava ny hafa aho, fa
fahadisoana izany nataoko izany. Fa io no zavatra, araka ny hevitro (Tsy milaza aho hoe ny Tompo no
miteny amiko an’io) -io no zavatra hanombohan’ny finoan’ny ampakarina amin’ny fandehanana.
Hitanao, Hitanao?Ary izao, ary izany…Tsy maintsy mangina kelikely aho aloha.
Noho izany, tadidio (ary izay mihaino izao rakipeo izao) dia mety tonga dia tena hahita fiovana ianao
eo amin’ny asa fanompoako, mianjera midina... Fa tsy miakatra, midina... Ao amin’ny fotoana isika
izao, ary io dia-tsy afaka handeha lavitra. Tsy maintsy miandry eto isika minitra vitsy
mandrapisehon’izany eto hitondra miakatra, dia tonga ny fotoana. Fa efa tena fantatra io.
Jereo io Sintona Fahatelo io,mety ho Alaina aho alohan’izany fotoana izany, tsy fantatro. Mety amin’io
herinandro io izany fotoana izany, izay ahatongavan’ny Fanahy Masina ary miaraka amin’i Jesosy
Kristy... fa jereo ny Sintona Fahatelo! Io dia tena ho amin’ny fahaverezan’ny maro (ny ankamaroan’ny
olona very) fa io koa dia ho an’ny Ampakarina sy ny Fiangonana.
Eto ny Rahalahy Branham amin’ny teny izay nolazainy dia milaza ny olona izay mino azy ho
mpaminanin’Andriamanitra mba “hijery ilay Sintona Fahatelo.” Hoy izy, “raha ara-panahy ianao,
dia ao aminao no hisehoany.” Kanefa, fa rehefa handao antsika izy, ny tsiambaratelon’io dia hijanona
ao ampony.
Eto ary, isaky ny miresaka ny Rahalahy Branham tamin’ny 1963, 1964, ary 1965 momban’ny Sintona
Fahatelo, dia nolazainy foana ireo fotoana izay nisehoan’ny “teny voalaza”. Vakiana ary izao ny Matio
21:18
18 Ary tamin’ny maraina rehefa niverina ho any an-tànana izy, dia noana.
19.Ary rehefa nahita aviavy izy teny an-dàlana, dia nankeo, ary tsy nahita n’inona n’inona teo
aminy, fa raviny fontsiny, dia hoy izy tamin’io, Aleo tsy hisy voany intsony haniry aminao
manomboka izao ary mandrakizay. Vetivety teo dia maina ilay aviavy.
20. Ary raha nahita izany ny mpianatra dia akory ny hagagany, dia hoy izy ireo, Tena haingana
ny nahamaina ilay aviavy!
Jereo anie io zava-nitranga tamin’ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany io e,izay nibanjina ilay aviavy,
te hihinana ny voany, fa rehefa tsy nisy voany tao, dia noteneniny ny Teny, dia hoy Izy “Aleo tsy hisy
voanny intsony haniry aminao manomboka izao ka mandrakizay.” Akory ny hagàgan’ny mpianatra.
Ary Jesosy tamin’io tranga-javatra io izay tantarain’i Marka, dia nitodika ary niteny, “Minoa
an’Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa, raha manana finoana ianareo ka tsy misalasala,
dia tsy io ihany no ho vitanareo tahaka izay natao tamin’ilay aviavy, fa koa,hilaza amin’io
tendrombohitra io ianareo, mianjera ianao,ary mivarina any anaty ranomasina, dia ho tanteraka
izany.” Tsy fantatro ireo olona maro eto ambonin’ity tany ity izay nampihatra io Soratra Masina io.
Misy ireo izay nandray izany ho finoana, fa iza no sahy hijoro ka hilaza fa niteny ny
Tenin’Andriamanitra izy ireo ary izay nolazain’izy ireo dia nitranga? Jesosy nilaza fa ho tanteraka.
Tazominy ny Teniny, “Tsy misy na dia litera iray na soratra iray hanjavona, na dia ho levona aza ny
tany sy ny Lanitra.” Izao dia ho tantaraiko ireo fotoana izay hahatanterahan’io Soratra Masina io
amin’ity taranaka ity.
Ny fotoana voalohany dia nitranga tamin’ny Rahalahy Branham nanjono niaraka tamin’ny olona
mifanolobodirindrina taminy, Rahalahy Banks Wood, sy ny rahalahiny, Rahalahy Lyle Wood. Ireo
lehilahy roa ireo dia Vavolombelon’i Jehovah taloha. Izy telo dia nanjono tamin’ny toerana kely iray
nantsoina hoe Dale Hollow, tao Tennessee. Ny rahalahy Woods dia tao anaty sambo kely niaraka
tamin’ny Rahalahy Branham, ary niresaka momban’ilay ranabavy mpikambana ao amin’ny
Fiangonan’Andriamanitra, izay nijoro vavolombelona tamin’izy ireo ny amin’ny ilàn’izy ireo ny
Famonjena. Tsaroan’izy ireo izany fitiavana Kristiana nasehon’izany vehivavy izany, noho izany
Rahalahy Banks dia nilaza fa indray andro any dia tokony hamangy io vehivavy io, ary dia hilaza
aminy fa voavonjy izy ireo izao ary manompo an’Andriamanitra.
Rehefa nilaza izany teny izany izy ireo, araka ny nontantarain’ireo lehilahy ireo sy ny Rahalahy
Branham, ny mpaminany dia nahatsapa ny Fanahin’Andriamanitra nihetsika teo aminy ary nisarika azy
hiaino feo izay milaza, “Izao no lazain’ny Tompo: Afaka ora vitsivitsy dia hisy fananganana biby kely
amin’ny maty” Very hevitra izy ary nanomboka nieritreritra ny dikan’izany. Tao amin’ny sainy dia
nieritreritra ny zanany lahy Joseph izy, andro vitsivitsy lasa,nilalao saka kelin’ny olona tao an-tanàna,
ary nogejainy mafy ilay biby, dia nitambotsotra tamin’ny tany. Nihevitra izy fa io saka kely io no
hitsangana amin’ny maty.
Rehefa avy nanjono nandritra ny ora vitsivitsy teo, Rahalahy Lyle dia nahazo “bluegill” kely izay
nanaikitra tanteraka ny lela-pitana. Rahalahy Lyle dia tsy afaka namaha izany, dia nohazominy fontsiny
ilay trondro kely, ary nakipany ilay lela-pitana, miaraka amin’ny vombony, sy ny atin’ilay trondro
bitika. Natsipiny teo amin’ny ilany ilay trondro dia hoy izy, “Ry namana kely,notifirinao ny fononao
farany.” Ilay trondro dia nihazo ny rano, nihodina, ary dia nijanona teo. Ny onja dia nanipy azy
moramora teny amorondrano.
Rehefa afaka telopolo minitra dia nisy zavatra hafahafa indray tonga tamin’ny Rahalahy Branham.
Nijery ireo hazo tery amin’ny moron’ny ony izy, ary teo dia nisy feo-rivotra mahery, nihetsika tahaka
ny tadio. Ny Fanahin’Andriamanitra dia niresaka taminy “Mitsangana dia resaho ilay trondro kely, dia
hiverina ny ainy.”
Teo ihany dia tafatsàngana i Rahalahy Branham, ary niantso mafy, “Ry trondro kely, averin’i Jesosy
Kristy ny ainao;miainà amin’ny anaran’i Jesosy Kristy.”
Ireo lehilahy roa ireo dia vavolombelona, teo anatrehan’i Rahalahy Branham, fa ilay trondro,maty
nandritra ny telopolo minitra, ary ny taovany rehetra niala,dia nitsambikina tao anaty rano ary nilomano
teo ambanin’ilay sambo. Io no fotoana voalohany niresahany ary izay nolazainy dia tanteraka. Io no
nampisehoana voalohany ny Teny nolazaina.
Ny tranga faharoa dia nontantarain’i Rahalahy Branham tamiko manokana, teo anatrehan’i Rahalahy
Sydney Jackson sy ny vadiny, tao amin’ny trano fiasan’ny Rahalahy Branham ny Aogositra 1964. Ilay
toe-javatra dia niseho tamin’ny Rahalahy Brnham nandeha nihaza “bitro voalavo” nandritra ny taompiazana ny 1959. Mpihaza bitro voalavo malaza, namono dimy ambi-telopolo amby zato tamin’io biby
io izy ny taona lasa. Ny tena tiany dia ilay bitro voalavo kely volon-davenona avy ao Kentucky, biby
fetsy izay mila traikefa ny fihazàna azy.
Tamin’io andro niavaka io, tokony ho tamin’ny folo ora maraina, dia tsy nahita na dia bitro voalavo
iray aza izy. Nitsoka ny rivotra: nanafàna ny andro, ary dia nanapa-kevitra ny hatory kely izy.
Nintantara izy fa nahita hazo “ash tree” izy misampana telo, ary nahafahany nipetraka nilamina tsara
teo amin’ny tany ary niankina teo amin’ny sampan’ilay hazo. Nieritreritra andinin-tsoratra Masina izy,
“Raha hiteny amin’io tendrombohitra io ianao, miàla ianao ary mianjerà any anaty ranomasina...”
Tonga tao antsainy fa tsy mbola nitory tamin’io andininy io izy, fa nihevitra koa izy hoe nahoana no tao
amin’ny Teny io.
Rehefa tao antsainy ireo teny ireo dia nisy feo niresaka taminy ary nilaza, “Inona no tadiavinao izao?
Teneno dia ho azonao izany.”
Isaky ny maheno izany feo izany izy anefa dia tena taitra. Nijery manodidina izy, manontany tena hoe
avy aiza ilay feo.
Dia niverina ilay feo, “Inona no ilainao izao?” Lazao izany dia ho azonao.”
Tamin’ity indray mitoraka ity izy dia namaly, nanao hoe, “Eny, izaho dia mpihaza bitro voalavo, ary
mba te hahazo bitro voalavo betsaka aho.”
Namaly ilay feo, “Bitro voalavo firy?”
Dia tsapany fa nieritreritra teo izy, “Eny, telo dia efa ampy,” dia namaly izy, “bitro voalavo telo no
tiako ho azo.”
“Eny ary, aiza no tianao ny iray voalohany?” hoy ilay feo.
Tamin’ity fotoana ity izy dia nitsangana,nijery manodidina ary nihevitra fa nahita fahitàna izy. Kanefa
efa nanana traikefa tamin’ny tranga-javatra hafahafa teo amin’ny fiainany rehetra, dia namaly tao
an’eritreriny izy, “Nilaza io fa tenenina; ho teneniko io.” Fantany fa ny bitro voalavo dia tsy ho eo
amin’ny hazo “sycamore” mandrakariva, kanefa hitany fa io hazo io dia teo akaiky teo.
“Avelao hisy bitro voalavo hivoaka ao amin’ny ratsan’io hazo sycamore io -eo mihintsy.” hoy izy.
Tsy nisy nataony afa-tsy ny niteny izany dia indro ilay bitro voalavo nipetraka teo. Nofafany ny
masony, ary dia lasa saina indray izy, raha toa ka fahitàna iny, fa vonona ny hanaraka io hatrany izy,
ka nitsangana nandray ny basiny, natodiny, narefony, ary dia nianjera tamin’ny tany ilay bitro
voalavo.
Narotsany tao anaty kitapony ilay bitro voalavo, dia hoy izy, “Misaotra anao Tompo!” ary dia nihodina
handeha izy rehefa niantso indray ilay feo, “Aiza ilay faharoa no atao?”
Nijery manodidina izy dia nahita hazo valala (locust tree). Nieritreritra izy, “ity iray ity dia ataoko
amin’ny fahafantarako fa Andriamanitra io.” Niantso mafy izy “Aleo hisy bitro voalavo hiazakazaka
amin’io hazo io ary hipetraka eo an-tampony izay ahafahako mitifitra ny masony.”
Tsy mbola tapitra akory ny teniny raha nisy bitrovoalavo nitsambikina ary nipetraka teo an-tampon’ilay
hazo valala (locust tree). Notifiriny indray,ary dia teo amin’ny voamason’ilay bitro voalavo no voa.
Nanantona teo izy, nalainy ilay bitro voalavo, ary dia mbola nisaotra ny Tompo ihany izy, nanao hoe,
“Misaotra anao Tompo. Marina ny Teninao!"
Ary dia nanomboka ny nandeha indray izy, fa ilay feo nanakàna azy, ary nilaza “Fa ianao nilaza hoe
telo?”
“Tena niteny aho hoe telo,” nanaiky izy.
Tamin’ity indray mitoraka ity, ny toromarika dia misimisy, “Aleo hisy iray ho tonga eo, amin’ireo
tantsaha mijinja vary eo antanimbary ireo, eo amin’io hazo io, ery ampita ery, mitsambikina eo
amin’ny sampany, ary mitontona eo, dia hotifiriko eo izy.” Notondroiny ilay toerana.
Mazava ho azy fa fantatrao ny tohiny. Mbola tsy vita akory ny toromarika dia tonga ilay bitro voalavo,
nanaraka ny toromariny rehetra, nijanona teo amin’izay toerana rehetra nolazainy, ary dia marina
indray ny tifitra nataony. Nalainy ilay bitro voalavo fahatelo dia nataony tanaty kitapo.
Rehefa mitantara izany zavatra mahagaga niainany izany izy,dia mipetraka amin’ny tany aloha eo
anoloan’ny sezany, miankina amin’ny sezany, tahaka ny niankinany tamin’ilay hazo misampana telo.
Dia avy eo nitsangana izy, mampiseho tahaka ny mampiasa sy mandrefotra basy. Eo ampi-jerena azy,
dia lasa saina aho, “Tena mihaino mpaminanin’andriamanitra aho - tena nitranga, araka ny
fitantarany azy, sa mamitaka ahy ity lehilahy ity.” Kanefa tsy hitako izay antony tokony handaingany
tamiko.
Ny tsy nahadiso fanahy mamantatra tao aminy dia naha-lasa saina ahy. Nitodika tamiko , dia hoy izy,
“Rahalahy Pearry, tena nitranga ireo.”
Andro vitsy taty aoriana, (14 Novambra, 1959…Ed) izy sy Rahalahy Banks dia naira nisakafo atoandro
tao amin’ny trano tsotra an’ny ray amandrenin’i Ranabavy Hattie Mosier. Olona iraika ambinifolo no
nanatrika teo tamin’izany fotoana izany, mba ho vavolombelon’ny trangan-javatra mahagaga
manaraka. Eto ary, i Ranabavy Hattie dia vehivavy kely manano-tena, tsy manambola na fananana, ary
izy sy ny zanany lahy roa dia zara mahita ho hanina. Izy dia vehivavy matahotra an’Andriamanitra,
mahatoky amin’ny ampahafolon-karena sy ny fanatitra. Manao fanatitra izy ho amin’ny
asan’Andriamanitra. Tia ny Tompo sy ny olony, misokatra amin’ny rehetra ny tranony. Ny rahavaviny,
Edith, dia kilemaina. Ireo Ray amandreniny tsy foiny dia efa antitra. Ny zanany roalahy mbola tsy
voavonjy. Nahantra loatra izy ka nandeha tany Rahalahy Branham tamin’io andro io mba hamerina ny
vola roapolo dolara natolony ho an’ny fiangonana amin’ny asa fanorenana,izay noheveriny fa mafy
taminy ny nandoa izany.
Ny tsirairay dia nipetraka teo amin’ny lakozia tamin’io andro io ary nifaly tao amin’ny Tompo.
Rahalahy Branham dia nitantara ilay zava-niseho momban’ireo bitro voalavo noresahina dia nisy. Raha
namarana izy, dia nanambara, “Rehefa nila osilahy i Abrahama atao sorona, dia nanome iray
Andriamanitra. Ny zavatra iray fantatro dia mbola Izy ihany no Jehovah Jireh.”
Rehefa niteny izany izy, dia nampiakatra ny feony Ranabavy Hattie, ary nilaza, “Rahalahy Branham,
izany dia tsy misy afa-tsy ny marina.”
Tahaka ilay vehivavy mananotena ao amin’ny Soratra Masina izay milaza ny zavatra marina amin’ny
fotoana marina, dia tahaka izany koa ity vehivavy manano-tena moderna ity,izay ny finoany fontsiny
dia nahakasika ny herin’Andriamanitra. Teo no eo ihany ny Fanahy Masina dia niasa teo amin’ny
Rahalahy Branham ary nilaza, “Omeo azy izay ilainy!”
Tamimpanekena, Rahalahy Branham dia nitodika taminy ary nilaza, “Ny Tompo dia vao avy niteny
tamiko fa angataho izay tianao, ary dia ho teneniko amin’ny anaran’ny Tompo izany, dia Izy no hanao
izany?”
“Rahalahy Branham,” hoy izy, “Inona no angatahiko?”
Hoy izy, “Mahantra ianao ary mipetraka an-tendrombohitra izay tsy ahitam-bola any.Afaka
mangataka izany ianao.Manana rahavavy kilemaina ianao, angataho ny ahasitrana azy.Jereo ireto
rainao sy ny reninao izay efa antitra sy manjoko.Afaka mangataka ho azy ireo ianao.Angataho izay
tianao, ary raha tsy ho eo ampofoinao izany, dia mpaminany sandoka aho.”
Ny zanany lahy roa dia tao amin’ny sisin-trano tao dia nihomehy sy naneso.
Niodina nitomany niaraka tamin’ny ranomaso izy sady niteny, “Rahalahy Branham, ny zavatra lehibe
indrindra tsiriritiko dia ny hamonjena ny zanako roalahy.”
Nitodika taminy izy ary nilaza, “Omeko anao ireo amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo.”
Tao amin’ny zoron-trano tao amin’io efitra kely mahantra io, izy roalahy dia nihomehy, naneso,
zazalahy tsy mino,voakasiky ny herin’andriamanitra, niankohoka teo ampofoin’ny reniny ary nibebaka
tamin’ny fahotany. Ny fibebahan’izy ireo dia tamin’ny fony ka dia tsy ela dia natao batisa tamin’ny
anaran’i Jesossy Kristy Tompo izy ireo. Teo dia azo antoka ny famonjena. Mahatoky tsara ao amin’ny
fiangonana izy ireo ary mandray fanasan’ny Tompo sy ny fanasan-tongotra.
Hitanareo, Andriamanitra dia mahafantatra fa izy dia hangataka zavatra maharitra mandrakizay, fa tsy
zavatra mandalo. Raha nangataka ny hahasitrana ny rahavaviny izy, dia mety tsy aharitra izany, satria
mety harary indray izy rehefa avy eo. Ny ray amandreny indray andro any tsy maintsy handalo
fahanterana. Afaka nangataka dolara amanapitrisany izy, fa ny vola dia mety ho tena fahadisoana
taminy, satria ho an’ny olona maro izany. Fa ny famonjena ireo zazalahy roa ireo dia maharitra
mandrakizay.
Io no fotoana fahatelo izay nisehoan’ny teny izay notenenina. Ny fahaefatra dia tamin’ny Oktobra
1963,raha tany ampihazàna niaraka tamin’ny rahalahy maromaro, tao Colorado. Io dia toerana fantany
tsara, izay niazàny sy niandràsany andiana biby nandritra ny roapolo taona mahery. Indray andro dia
fantany ny isan’ny ombiràna tao amin’ny andiany. Indray mandeha izy dia naka aina ary ny andiana
ombiràna dia niraoka ahitra teo akaikiny, dia nokapohiny tamin’ny vody-basiny ilay ombiràna. Izy dia
mahay manavaka izany tsara any an’efitra. Izany fampisehoana faharetàna izany dia manambara ilay
toetran’ny mpihaza dia ny tenany. Ny hafa izay niaraka taminy mandrakariva dia niantehitra tamin’ny
traikefany amin’izany,indrindra fa ny faritra tao Colorado, izay mety ahitan-doza amin’ny fotoanan’ny
rivo-mahery.
Io maraina iray io, ny lanitra dia niteny fa hisy rivodoza ary ny mpilaza toetr’andro dia nanamafy fa
misy andro ratsy any an-dàlana, ary Rahalahy Branham dia niangavy azy ireo mba hiàla, ny ampitso
raha toa ka tsy maintsy miàla, raha tsy izany dia ho fefiky ny orampanàla izy ireo. Fa ireo izay te
hijanona, dia nanaiky izy ny hijanona hanampy azy ireo, fa tamin’io maraina io dia nafarany mafy izy
ireo mba tsy handeha lavitra ary hanantona ny toby raha va misy famantàrana amin’ny fahamandoana,
eny fa na dia ny orana mitete voalohany aza. Fantany fa mety ho ratsy io ao anatin’ny minitra vitsy, ary
tsy ho hitan’izy ireo ny lalana miverina. Izy irery no niakatra tany amin’ny tanàna, araka ny fanaony,
nieritreritra ny hitondra hàza ho an’ny sasany. Tsy ela dia efa nanomboka nanorana. Nanana mofo izy
(sandwich) teny aminy ka dia nipetraka nihinana, nieritreritra fa ho tara ny hodiany raha misy
fahavoazana mety hanjo ny hafa. Handrefotra basy izy ireo amin’izany dia ho mora aminy ny hidina
hamonjy azy ireo, toy izay izy mbola hiverina hiakatra indray. Tsy ela dia nitombo ilay rivo-doza ary
nahery ka nanomboka nisy oràpanala. Nanomboka nidina ny tendrombohitra izy, nandeha haingana
araka izay tratrany. Tokony 4 kilometatra midina teo, dia tafajanona izy raha nahare feo, “Miverena
any amin’ny niavianao.”
Fantany ilay feo, fa nihevitra izy fa fahafatesana no miandry raha miverina any ambony indray, ary ny
rivodoza izao efa nanomboka tezitra mafy.
Niverina ilay feo. “Miverena any amin’ny niavianao.”
Nankato ilay feo, natodiny ny dia-tongony ho any ambony, tsy fantany hoe nahoana, fa tsy mametraka
fanontaniana amin’nybaikon’Andriamanitra. Fotoana fohy taorian’izany, dia nanomboka feno
orapanàla ny tany. Ary tampoka teo, niteny indray ilay feo, nilaza, “Izaho no Andriamanitra ny
Famoronana!”
Nijery ambony izy, nihevitra fa rivotra izany. Ary dia niresaka indray ilay feo, “Izaho no namorona ny
lanitra sy ny tany. Izaho no mampitony ny rivomahery eny amin’ny ranomasina. Izaho no mifehy ny
lanitra sy ny tany.”
Fa tamin’ity dia tsy nisy diso.Nitsambikina izy ary nanala ny satrony tamim-panajàna.
Feon’Andriamanitra ilay feo. Nitohy ilay feo,” Teneno fotsiny io rivodoza io dia hitsahatra. Izay
lazainao, izany no hitranga.”(Jesosy dia nilaza, “Tenenonao io tendrombohitra io, miàla ary mianjera
any andranomasina, ary aza misalasala, dia ho vita izany.”) Rahalahy Branham dia nanangana ny
tanany ary nanao fanambaràna tamin’ny zavaboary.(elements) “Rivodoza, mitsahara ianao.
Masoandro, mihirata foana ianao,ary tokony ho efatr’andro, mandràpavitan’ny hazanay sy ny ialànay
eto.”
Notenenina daholo ireo teny ireo, niàla ilay rivodoza ary ny masoandro dia nibaliaka. Tao anatin’ny
fahaefatr’adiny dia tsy nisy oràpanala tazana mihintsy teny. Nisy rahalahy tao amin’ny toby izay
manohatra izany amin’ny rano notapahina tamin’ny “robinet”. Nisy olona nandeha fiara tamin’iny
lalana iny teo afovoan’ilay rivodoza, raha tampoka teo dia nahagaga fa nihato io. Ny biraon’ny
fanambarana ny toetr’andro dia nandefa fampilazàna fa tokony hialoka ny rehetra. Rehefa nijanona io
dia nanontany tena daholo izy rehetra ny anton’izany. Nibaliaka nandritra ny efatr’andro ny masoandro,
araka izay nandidiany azy. Mety tsy hino izany ianao - fa izaho mino.
Ny toe-javatra mitondra mankàny amin’ny fisehoana fahadimy amin’ilay teny notenenina dia
nanomboka miverina manodidina ny taona 1947/1948. Rahalahy Branham dia nanazàva tamin’i
Madama Malicki fa amin’ny famantàrana eny amin’ny tànany dia fantàny fa misy (milk leg ) izy.
(Aretina amin’ny tongotra) Nandà izy fatsy manana izany, ary dia nasehony azy ny fihovitry(vibration)
ny tànany raha nihazona azy tamin’ny tànany izy. Niodina izy ary nandray ny tanan’ny vadiny mba
hampisehoana fa tsy misy ilay fangovitana rehefa tsy eo ny aretina. Araka izay nataony, dia gaga izy
sady niteny mafy hoe, “Meda ,hay tsy fantatro fa misy kista ianao ao amin’ny tranonjaza havia!”
Ranabavy Branham dia namaly fa salama izy ary toa tsy misy zavatra tsy metimety. Araka ny fantatsika
ary izao dia fanahy ireny zavatra ireny. Mbola tsy fantàny mihintsy izany. Fa tamin’ny 1962, Ranabavy
Meda dia nahatsapa fa toa tsy salama,ary nisy aretina nanomboka naniry tao amin’ny ilàny haviany.
Faharariana sy fivontosana dia nanaraka teo amin’ny ilany. Ny dokotera iray dia nanamafy ilay efa
nolazaina tany aloha. Misy kista izay lasa aretina sarotra ary mila didiana.noho izy ireo fianakavian’ny
finoana, ny Branhams dia nanapa-kevitra ny hiandry ny Tompo. Ary mbola niombo io aretina io.
Ny taona 1963, dia niàla tao Tucson ry zareo nandeha ho any Jeffersonvville. Ny momba ny Ranabavy
Branham dia nampitaina ny dokotera malaza tao Tucson. Teo ilay fiombony dia nahatonga azy nijaly
fatratra, ka tena lasa olana be teo amin’ny dokotera. Ny fisehony rehetra dia mampiseho fa ratsy ny
fitombony. Kanefa ny fandidana dia nahemotra, niandry an’Andriamanitra ary koa mba ahafahan’ny
fianakaviana miverina any Jeffersonville hanao vakansy Krismasy ny 1963. Ny voalohandohan’ny
volana Novambra dia tao New York City Rahalahy Branham,nampanao fivoriana. Fantany tsara ny
aretina mahazo ny vadiny, ary ny ilàna ny fandidiana. Vao avy niantso azy antarobia izy fa tsy afaka
mandeha intsony ary ny dokotera dia mangataka ny handidiana azy avy hatrany. Tamin’ny diany
niverina dia nijanona alina tao Jeffersonville izy. Mijaly noho ny fitiavany azy, ary nijanona tao
amin’ny tranony (tranon’ny pasitera), izay niresahan’Andriamanitra taminy matetika na tamin’ny teny
na fahitàna. Nandohalika teo amin’ilay seza antitra “ottoman” izy ka nivavaka, tahaka ny fanaon’izy
roa taloha. Teo dia nangataka tamin’Andriamanitra mba hamindrafo amin’ny vadiny, teo dia tsapany fa
tao amin’ilay efitra Andriamanitra.ilay Andry Afo nihantona teo ary ny feon’Andriamanitra nandidy
azy, “Mitsangana amin’ny tongotrao. Lazao izay tianao dia ho tanteraka araka izay hilazanao azy.”
Fa eto ary, tena fantany ny fomba hanarahany io karazana toromarika io, dia nitsangana izy ary nilaza,
“Aleo alohan’ny hikasihan’ny dokotera azy, dia hiàla io aretina io.”
Ny ampitson’iny, Ranabavy branham, narahin’i Ranabavy Norman dia nandeha nijery ilay dokotera
mba hijery fahasalamana indray. Nampian’ny “infirmière”izy nanao table fotsy dia nakeo ambony
latabatra, mba homanina amin’ny fitiliana. Tena ratsy ny fahasalamany ka tsy afaka niakatra teo
ambony latabatra izy. Tonga ilay dokotera, nijery ny taratasiny, niondrika mba hijery ny haben’ny
fivontosana. Raha vao nidinany tanany nikasika azy, dia nahatsapa fihenana izy tao amin’ny ilany
haviany. Talanjona, nilaza taminy izy, “Ilay fivontosana dia tao amin’ny ilany havianao, tsy izany?”
Ranabavy Branham dia nilaza, “Eny, tao io.”
Nitady fatratra izy, dia nilaza, “Tsy fantatro izay nitranga. Ny zavatra fantatro dia tsy misy aretina
(tumeur) eto izao; Lasa izy! Tsy voazavako izany, fa tsy misy tokony atahoranao momba an’io.”
Rahalahy Branham dia nitohy nandeha tany Shreveport, Lousiana,izay niantsony azy antarobia avy eo.
Nanontany an’i Billy sy Loyce izy mba hanalava ny fifandraisana hiresahana aminy. Fantany izay
nitranga. Fantany fa any amin’ny dokotera izy.
Akory ny hafaliany, ny feony dia reny, “Oh, Bill! Fantatrao ve ny zavatra nitranga? Fantatrao ilay
aretina tao amiko...?”
“Marina izany, sombinaiko,” hoy ny navaliny, “Fantatro ny nitranga.”
“Ahoana ny nahafantaranao izany?” nanontany izy, tena gaga.
Dia notantarainy taminy ilay izy.
In-dimy - isan’ny fahasoavana. Indray mandeha, trondro kely iray no nitenenana dia niverina ny ainy.
Faharoa, bitro voalavo telo no nitenenana dia nisy. Fanintelony, Ranabavy Hattie Wright nomena
famonjena mandrakizay ho an’ny zanany roalahy. Faninefany, ny zavaboary dia nankato ny feon’io
lehilahin’Andiamanitra io, ny hafatr’Andriamanitra amin’izao taranaka izao. Fanindiminy, niresaka
tamina aretina sarotra, fanahy tao anatin’ny vadiny, ary dia nanjavona araka izay nolazain’ilay
feon’Andriamanitra.
Ankehitriny ary, dia nolazainy ireo zavatra dimy ireo, dia hoy izy, “Ny Sintona Fahatelo dia ho hita
eny aminareo. Fa hitanareo tsy maharitra izany. Rehefa tong any ady sarotra, dia jereo; ho hitanareo
io amin’ny fahafenoany!”
Ny toko taty aoriana dia milaza ilay fahitàna tranolay nomen’andriamanitra an’i Rahalahy Branham.
Ho hitantsika raha mety misy hifandraisany amin’izany, dia ilay antsoiny hoe Sintona Fahatelo, ary ny
fahitàny ny amin’ilay tranolay. .....
Izy tenany dia nilaza fa mino izany izy, fa io no fiatombohan’ny finoana mampiakatra ary hipaoka ny
Ampakarina, mba ho any amin’ny Mpampakatra.
Ny Apostoly Paoly dia nilaza, “Indro, asehoko misitery ianao, tsy ho faty isika rehear, fa hovàna isika
rehetra.” Hinoako fa ity taranaka ity no tsy ho faty, fa hovàna amin’ny teny tenenina.
http://www.believersnewsletter.net
[email protected]

Documentos relacionados

Ilay Fotoana Farany.

Ilay Fotoana Farany. Tucson; Tsy tontosako izany, fa ianao kosa nahavita. Tokony hisy iray ao Tucson mba ahafahan'i Rahalahy Branham manana toerana iray mba hivavahana ho an'ny fianakaviany, sy hanaovany fanompoana am...

Leia mais

Anio no ahatanterahan` ity Soratra Masina ity.

Anio no ahatanterahan` ity Soratra Masina ity. fahamasinana” kanefa tsy misy hery. Izy dia hitory fanafahana ho an’ny babo (babon’ny karazam-pampianarana) izay tsy afaka mahita akory hoe babo izy ireo. “Manakarena ary tsy mijaly na amin’ inona...

Leia mais

CAB-02 Ilay Fahitana Tao Patmo.

CAB-02 Ilay Fahitana Tao Patmo. “Voatsindrin'ny Fanahy aho tamin’izay.” Moa ve tsy mahafinaritra izany? Oh, tena tiako izany. Azonao lazaina toy izao ireo teny ireo, "Ny fiainana kristianina manontolo." Raha toa isika ka hiaina t...

Leia mais

The Acts of the Prophet. Rev. Pearry Green. Chapter 6. Malagasy

The Acts of the Prophet. Rev. Pearry Green. Chapter 6. Malagasy ara-politika, dia ireo faminaniana ireo izany dia mety avy amin’ny eritreriny na ny sainy. Tsia, ny zavadoza izay nasehon’ireo fahitàna dimy ireo dia tsy tongatonga ho azy satria tena lehibe. Noho ...

Leia mais

Fahitàna momba ilay Tranolay.

Fahitàna momba ilay Tranolay. nahoana no mandany fotoana miaraka amiko izy. Nolazaiko azy ny nahafantarako fa misy olona anjatony ao an-tanàna izay te hanao fanadihadiana (interview) aminy. Nanontany azy aho hoe, nahoana no iza...

Leia mais

Ny lakilen`ny fidirana mivantana amin`ny fahazavna

Ny lakilen`ny fidirana mivantana amin`ny fahazavna “Tsy foto-pinoana akory ny làlana asehonay. Tsy mitaona an'iza na iza amin'ny Katolisisma na Bodisma na izay finoana "-isma" hafa aho. Ny hany atolotro dia fomba ahafantarana ny tenanao, hizahana n...

Leia mais

NY RAHONA.

NY RAHONA. Tany Arizona, ny “Chambre de Commerce” dia nanambara 80 isan-jato, fa tsy misy rahona eny amin’ny lanitra.Fa tamin’ny Febroary 28, 1963, dia nisy rahona mahatalanjona nipoitra teo amin’ny lanitry A...

Leia mais

Manaraka lehilahy iray.

Manaraka lehilahy iray. Indraindray aho dia manontany tena hoe nahana no izaho navelan'Andriamanitra ahita, kanefa izany no fomba nitrangany satria tena efa nofidiana mialoha izany. Jereo ireo andron'ny zanak'Israely tami...

Leia mais

Harambaton`i Sabino.

Harambaton`i Sabino. hivavahana any ho an'ireo izay manaraka ny hafatra amin'io tanàna io. Ny herinandro manaraka tamin'ny 18 Septambra, tao Tucson, nanontany ahy Rahalahy Branham raha hihinana sakafo maraina hiaraka a...

Leia mais